Fanontanian’ny mpamaky
Moa ve ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany nino fa ho tonga nandritra ny androm-piainany ny faran’izao fandehan-javatra ratsy izao?
Naniry mafy ny hahatongavan’ny farany ireo mpianatr’i Jesosy tamin’ny taonjato voalohany. Araka ny ho hitantsika, ny sasany tamin’izy ireny dia nanatsoaka hevitra fa efa antomotra sy ho tonga teo no ho eo ny farany. Nila fanitsiana ny fiheveran’izy ireo. Kanefa, tsy ratsy mihitsy raha mino amim-pahatsorana ny kristiana, na tamin’izany andro izany na amin’izao fotoana izao, fa tokony hoheverina fa tena akaiky ny farany ary hiaina ny androm-piainany tsirairay avy amin’ny fananana izany hevitra izany ao an-tsaina mandrakariva.
Raha namaly ny fanontanian’ny mpianany momba ny “famantarana” ny fanatrehany i Jesosy dia nampitandrina azy ireo hoe: “Koa amin’izany miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tomponareo.” (Matio 24:3, MN, 42) Tokony hanan-kery eo amin’ny asany izany fiambenana izany, satria hoy ny nanampin’i Jesosy: “Mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany (. . .). Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.” — Lioka 21:34-36.
Mariho fa nanome io torohevitra io taoriana kelin’ny namaritany ireo fisehoan-javatra izay hahaforona ilay “famantarana” i Jesosy. Nampahafantarina àry izany ireo apostoly fa tsy maintsy hisy toe-javatra sasantsasany hitranga eo amin’ny tantara alohan’ny hahatongavan’ny farany. Na dia izany aza anefa, herinandro vitsivitsy taorian’izay, dia nanontany an’i Jesosy tafatsangana tamin’ny maty ihany izy ireo hoe: “Tompoko, amin’izao va no hampodianao ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?” Namaly izy hoe: “Tsy anareo ny hahalala ny andro na ny fotoana izay efa notendren’ny Ray amin’ny fahefany ihany.” — Asan’ny apostoly 1:6, 7.
Hitantsika avy amin’izany fa ireo mpanaraka an’i Jesosy akaiky azy indrindra dia naniry aoka izany ny hahatongavan’ny farany haingana hany ka tsy tsaroany akory izay vao avy nolazainy taminy ny amin’ireo porofo hita maso izay tsy maintsy hitranga mandritra ny fanatrehany alohan’ny hahatongavan’ny farany.
Ahitantsika porofo hafa ny amin’ny fanirian’izy ireo mafy hahita ny farany ho tonga ao amin’ireo taratasin’ny apostoly Paoly ho an’ireo kristiana tany Tesalonika: “Fa ny amin’ny andro sy ny fotoana, ry rahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria hianareo mahalala marimarina fa ho avy toy ny mpangalatra amin’ny alina ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN ]. Koa dia aza mba matory toy ny sasany isika, fa aoka hiambina ka hahonon-tena.” (1 Tesaloniana 5:1, 2, 6) Noheverin’ireo kristiana voahosotry ny fanahy tao amin’io toerana io fa ny tian’ireo teny ireo holazaina dia hoe ho tonga eo no ho eo ny fanatrehan’i Jesosy (sy ny andro handringanan’i Jehovah ireo ratsy).
Tsy izany anefa no izy. Nanoratra fanindroany ho azy ireo toy izao tokoa mantsy i Paoly: “Mangataka aminareo izahay, (. . .) ny amin’ny fihavian’i Jesosy Kristy Tompontsika sy ny hanangonana antsika ho eo aminy, mba tsy halaky hohetsiketsehina amin’ny saina na hampitahorina hianareo, na amin’ny fanahy, na amin’ny teny, na amin’ny epistily izay toa avy aminay, milaza fa efa miandoha ny andron’ny Tompo [Jehovah, MN ]. Aza mety hofitahin’olona akory hianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ota.” — 2 Tesaloniana 2:1-3.
Tsy nilaza akory izany fa afaka ny tsy hiraharaha ny fanatrehan’i Jesosy sy ny faran’ny fandehan-javatra izy ireo. Arakaraka ny fandehan’ny taona tsirairay avy, dia mihamahery kokoa hatrany ny fampitandreman’i Jesosy hoe: “Miambena hianareo; fa tsy fantatrareo izay andro hihavian’ny Tompo [Jehovah, MN ].”
Araka izany, dimy taona teo ho eo taorian’ny nanoratan’i Paoly ny Tesaloniana faharoa, dia nanoratra toy izao izy: “Ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin’ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoantsika. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ny mazava.” (Romana 13:11, 12) Ary dimy taona taorian’izay kosa, dia nanoro hevitra ireo kristiana hebreo i Paoly hoe: “Tokony hanana faharetana hianareo mba hahazoanareo izay lazain’ny teny fikasana, rehefa vitanareo ny sitrapon’Andriamanitra. Fa ‘rehefa afaka kelikely, dia ho tonga ilay ho avy, fa tsy hitaredretra.’” (Hebreo 10:36, 37) Nanoratra toy izao àry ny apostoly Jaona, ao amin’ny andininy alohan’ny farany indrindra ao amin’ny Apokalypsy: “Hoy Izay manambara ireo zavatra ireo: Eny, avy faingana aho. Amena. Avia, Jesosy Tompo!” — Apokalypsy 22:20.
Tsy azo lavina àry fa tsy hoe tsy araka ny rariny akory raha toa nino ny kristiana tamin’izany fotoana izany fa nety ho tonga nandritra ny androm-piainany ny farany. Ary raha toa izy, noho ny loza na noho ny fahafatesana tsotra, ka maty talohan’ny nahatongavan’ny farany, ny fiainany dia ho voamariky ny fahatsapana ara-dalàna fa nilaina maika ny fanompoana kristiana araka ny nasehon’i Jesosy sy ireo Soratra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Vao mainka marina ho antsika izay miaina amin’izao ora efa mandroso izao izany rehetra izany. Raha ampiharintsika amintsika ireo tenin’i Paoly, dia tsy afaka mandà isika fa ‘ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin’ny andro vao ninoan’ireo kristiana tamin’ny taonjato voalohany ary noho ny tamin’ny andro vao ninoan’ny tenantsika koa aza. Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro.’
Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe voalohany isika dia afaka nahita teo amin’ny tantara, porofo azo tsapain-tanana maro dia maro manamarina fa eo amin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra isika izao. Tsy tokony handany andro hanombatombana izay mety hahatongavan’ny farany isika, fa ho sahirana hitory ny vaovao tsara kosa, izay hamonjy ny aintsika sy ny an’ny olona maro hafa koa. — 1 Timoty 4:16.
Manana antony ampy tsara isika hanampoizana fa ho tanteraka amin’ny androntsika io asa fitoriana io. Milaza ve izany fa hifarana amin’ny faran’ny volana izany, na amin’ny faran’ny taona, na amin’ny fiafaran’ny folo taona ho avy, na amin’ny faran’ny taonjato? Tsy misy olombelona mahafantatra izany, satria nilaza i Jesosy fa ‘na dia ny anjelin’ny lanitra aza’ tsy nahalala izany. (Matio 24:36) Ambonin’izany, tsy ilaintsika ny mahafantatra azy, fa manohy ny asa nasain’ny Tompo nanokanantsika tena hatao isika. Ny zava-dehibe indrindra dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny asany ary ny fandraisantsika anjara faran’izay betsaka indrindra amin’izany. Amin’izany isika dia ‘hahery ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan’ny Zanak’olona.’ — Lioka 21:36.