Toko 29
Mihira Hiram-pandresena Vaovao
Fahitana 9—Apokalypsy 14:1-20
Foto-kevitra: Miaraka amin’ny Zanak’ondry any amin’ny Tendrombohitra Ziona ireo 144 000. Re eran-tany ny fanambaran’ny anjely. Jinjaina ny vokatra
Fotoana fahatanterahany: 1914 ka hatramin’ny fahoriana lehibe
1. Inona no efa nianarantsika tao amin’ny Apokalypsy toko 7 sy 12 ary 13, ary inona no hianarantsika izao?
MAMPAHERY ny mandinika ny fahitan’i Jaona manaraka! Tsy ilay bibidia mampahatahotra, na ny fandaminan’ilay dragona, no hitantsika, fa mpanompon’i Jehovah tsy mivadika, miasa mandritra ny andron’ny Tompo. (Apokalypsy 1:10) Efa noresahin’ny Apokalypsy 7:1, 3 tamintsika fa hazonina ireo rivotra efatry ny fandringanana, mandra-panisy tombo-kase ny 144 000 rehetra. Nampahafantarin’ny Apokalypsy 12:17, fa ny sisa amin’ny zanak’ilay vehivavy no tena asian’i Satana, na ilay dragona, mandritra izany. Nohazavain’ny Apokalypsy toko 13 ny momba ilay fandaminana ara-politika, izay natsangan’i Satana eto an-tany mba hanery sy hanenjika mafy ny mpanompon’i Jehovah tsy mivadika. Tsy mahasakana ny fikasan’Andriamanitra anefa io fahavalo io! Ho hitantsika izao fa voangona soa aman-tsara ireo 144 000, na dia nanakana mafy izany aza i Satana.
2. Inona no fiafarana mahafaly noresahin’i Jaona ao amin’ny Apokalypsy 14:1, ary iza ilay Zanak’ondry?
2 Naseho an’i Jaona sy ireo voahosotra namany io fiafarana mahafaly io: “Ary nahita aho, ary indro, ny Zanak’ondry nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, ary nisy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy niaraka taminy, nanana ny anaran’ny Zanak’ondry sy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handrin’izy ireo.” (Apokalypsy 14:1) Efa hitantsika fa i Mikaela ilay Zanak’ondry. Izy ilay Mikaela nanadio ny lanitra ka nandroaka ny Devoly sy ny demonia. Izy koa no nolazain’i Daniela fa “mitsangana hiaro ny zanaky ny firenen[’Andriamanitra]”, rehefa “hitsangana” hanatanteraka ny didim-pitsarana marin’i Jehovah. (Daniela 12:1; Apokalypsy 12:7, 9) Mpanjaka mitsangana eo amin’ny Tendrombohitra Ziona io Zanak’ondry mahafoy tena io, nanomboka tamin’ny 1914.
3. Inona ilay “Tendrombohitra Ziona” izay ‘itsanganan’ny’ Zanak’ondry sy ireo 144 000?
3 Izao tokoa no efa nolazain’i Jehovah: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.” (Salamo 2:6; 110:2) Tsy ilay Tendrombohitra Ziona tany Jerosalema no resahiny eo, izany hoe tsy ilay toerana nanjakan’ny mpanjaka anisan’ny taranak’i Davida. (1 Tantara 11:4-7; 2 Tantara 5:2) Natao vato fehizoro ao amin’ny Tendrombohitra Ziona any an-danitra i Jesosy, rehefa maty sy natsangana tamin’ny taona 33. Any amin’io Ziona any an-danitra io no ametrahan’i Jehovah ny “tanànan’ilay Andriamanitra velona, izany hoe i Jerosalema any an-danitra.” Ilay “Tendrombohitra Ziona” eo àry dia ny toerana ambony tanan’i Jesosy sy ireo mpiara-mandova aminy, izay anisan’i Jerosalema any an-danitra, na ilay Fanjakana. (Hebreo 12:22, 28; Efesianina 3:6) Midika izany fa nasandratr’i Jehovah ho mpanjaka izy ireo mandritra ny andron’ny Tompo. Efa taonjato maro no niandrandra ny hitsangana eo amin’io Tendrombohitra Ziona any an-danitra io ny voahosotra, izay “vato velona”, mba hiaraka amin’i Jesosy Kristy Tompo any amin’ny Fanjakany be voninahitra.—1 Petera 2:4-6; Lioka 22:28-30; Jaona 14:2, 3.
4. Ahoana no itsanganan’ny 144 000 rehetra eo amin’ny Tendrombohitra Ziona?
4 Tsy i Jesosy ihany no hitan’i Jaona nitsangana teo amin’ny Tendrombohitra Ziona, fa ny 144 000 mpiara-mandova ilay Fanjakana koa. Ny ankamaroany, fa tsy izy rehetra, no efa tany an-danitra, tamin’ny fotoana nahatanterahan’ilay fahitana. Fantatr’i Jaona, taoriana kelin’izay, fa tsy maintsy mbola hiaritra sy ho faty mahatoky ny sasany amin’ny olona masina. (Apokalypsy 14:12, 13) Mbola eto an-tany àry ny sasany amin’ireo 144 000. Ahoana anefa no ahitan’i Jaona azy rehetra miara-mitsangana amin’i Jesosy eo amin’ny Tendrombohitra Ziona?a Izao no valiny: Anisan’ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra izy ireo, ka azo lazaina hoe ‘nanatona ny Tendrombohitra Ziona, sy tanànan’ilay Andriamanitra velona, na i Jerosalema any an-danitra.’ (Hebreo 12:22) Toy ny hoe efa natsangana tamin’ny lafiny ara-panahy, mba ho tafaray amin’i Kristy any an-danitra, izy ireo, toy izay nitranga tamin’i Paoly tamin’izy mbola teto an-tany. (Efesianina 2:5, 6) Neken’izy ireo tamin’ny 1919 koa ilay fanasana hoe “miakara atỳ”, ka toy ny efa “niakatra tany an-danitra tamin’ny rahona” izy ireo. (Apokalypsy 11:12) Hitantsika avy amin’ireo andininy ireo fa any amin’ny Tendrombohitra Ziona miaraka amin’i Jesosy Kristy ireo 144 000 rehetra.
5. Ny anaran’iza avy no misoratra eo amin’ny handrin’ireo 144 000, ary inona avy no dikan’izany?
5 Tsy miaraka amin’ireo mpivavaka amin’ilay bibidia, izay mandray ilay marika an’ohatra hoe 666, ireo 144 000. (Apokalypsy 13:15-18) Ny anaran’Andriamanitra sy ny an’ny Zanak’ondry kosa no voasoratra eo amin’ny handrin’izy ireo. Jiosy i Jaona, ka azo antoka fa efa hitany ny anaran’Andriamanitra amin’ny teny hebreo hoe יהוה.b Ny hoe misoratra eo amin’ny handrin’ireo nasiana tombo-kase ny anaran’ny Rain’i Jesosy, dia midika hoe ampahafantariny amin’ny rehetra fa vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary mpanompony. (Apokalypsy 3:12) Misoratra eo amin’ny handrin’izy ireo koa ny anaran’i Jesosy. Midika izany fa manaiky ho fananan’i Jesosy izy ireo. Izy no ho ‘vadin’izy’ ireo, ary izy ireo kosa no “ampakarina”, na “zavaboary vaovao” manompo an’Andriamanitra, sy manantena hiaina any an-danitra. (Efesianina 5:22-24; Apokalypsy 21:2, 9; 2 Korintianina 5:17) Ny fifandraisany akaiky amin’i Jehovah sy Jesosy Kristy no mibaiko ny fisainany sy ny ataony.
Mihira toa hira vaovao
6. Inona no hira ren’i Jaona, ary ahoana no ilazany azy?
6 Izao tokoa no lazain’i Jaona: “Ary nahare feo avy tany an-danitra aho, toy ny feon’ny rano be sy toy ny feon’ny kotroka mafy, ary ny feo izay reko dia toy ny an’ny mpihira izay sady nampiaraka ny hirany tamin’ny harpa no nitendry harpa. Ary nihira toa hira vaovao teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny zavamananaina efatra sy ny anti-panahy izy ireo. Ary tsy nisy nahay izany hira izany, afa-tsy ny efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy, izay novidina avy teto an-tany.” (Apokalypsy 14:2, 3) Tsy mahagaga raha nahatsiaro feona riandrano be sy kotroka mafy i Jaona, rehefa nandre ny hiran’ireo 144 000. Nahafinaritra tokoa ilay hira, izay narahina zava-maneno toy ny lokanga na harpa! (Salamo 81:2) Iza no antoko mpihira eto an-tany afaka manao hira be voninahitra toy izany?
7. a) Inona ilay hira vaovao ao amin’ny Apokalypsy 14:3? b) Nahoana no lazaina fa vaovao ilay hira ao amin’ny Salamo 149:1 ankehitriny?
7 Ary inona ilay “hira vaovao”? Efa hitantsika, rehefa nandinika ny Apokalypsy 5:9, 10 isika, fa momba ny zavatra hataon’ilay Fanjakan’i Jehovah ilay hira vaovao, sady mahakasika ny fikasany hanao ny Israely ara-panahy ho “fanjakana sy mpisorona ho an’Andriamanitsika”, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Hira fiderana an’i Jehovah izy io, ary manambara zava-baovao tanterahiny amin’ny alalan’ny Israelin’Andriamanitra sy ho an’izy io. (Galatianina 6:16) Eken’ny Israely ara-panahy ny fanasan’ilay mpanao salamo hoe: “Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah, ny fiderana Azy eo amin’ny fiangonan’ny olona masina. Aoka ny Isiraely hifaly amin’ny Mpanao azy; aoka ho finaritra amin’ny Mpanjakany ny zanak’i Ziona.” (Salamo 149:1, 2) Marina fa efa an-jatony taona lasa no nanoratana ireo teny ireo, nefa nanjary nanana heviny vaovao izy ireo ankehitriny. Teraka tamin’ny 1914 ny Fanjakan’ny Mesia. (Apokalypsy 12:10) Nahazo hery vao ny vahoakan’i Jehovah, ka nazoto kokoa nitory ny “teny momba ilay fanjakana”, nanomboka tamin’ny 1919. Nandrisika azy ireo ny andinin-teny ho an’ilay taona (Isaia 54:17), ary nampahery azy ny fahazoany indray ny paradisa ara-panahy. Nanomboka ‘nihira tamin’ny fo niaraka tamin’ny mozika, ho an’i Jehovah’ àry izy ireo.—Efesianina 5:19.
8. Nahoana no ireo 144 000 ihany no mahay ilay hira vaovao ao amin’ny Apokalypsy 14:3?
8 Nahoana àry no ireo 144 000 ihany no nahay ilay hira ao amin’ny Apokalypsy 14:3? Satria hira momba ny zavatra niainan’ireo mpandova ny Fanjakan’Andriamanitra ilay izy. Izy ireo ihany no atsangana ho zanak’Andriamanitra sy voahosotry ny fanahy masina. Izy ireo no novidina avy teto an-tany mba ho anisan’ilay Fanjakana any an-danitra. Ary izy ireo ihany no ‘ho mpisorona, ka hiara-manjaka’ amin’i Jesosy Kristy arivo taona, mba hanao izay hahalavorary ny olona. Izy ireo no hita “nihira toa hira vaovao” teo anatrehan’i Jehovah.c Izy ireo ihany no miaina an’izany rehetra izany sy manana ireo fanantenana ireo, ka hafa mihitsy ny fankasitrahany an’ilay Fanjakana. Izany no ahaizany mihira momba azy io amin’ny fomba tsy hain’iza na iza tahafina.—Apokalypsy 20:6; Kolosianina 1:13; 1 Tesalonianina 2:11, 12.
9. Inona no ataon’ny vahoaka be rehefa nandre ny hiran’ireo voahosotra, ary inona no fampirisihana narahin’izy ireo?
9 Misy hafa koa anefa mihaino sy mampihatra ny zavatra lazain’ilay hira. Nandre ilay hiram-pandresena koa ny vahoaka be anisan’ny ondry hafa, izay mihamaro hatrany nanomboka tamin’ny 1935. Nanjary te hanambara ny Fanjakan’Andriamanitra miaraka amin’ireo 144 000 izy ireo. (Jaona 10:16; Apokalypsy 7:9) Marina fa tsy mitovy tanteraka amin’ilay hira vaovao ataon’ireo mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hiran’izy ireo. Mihira hira kanto koa anefa izy ireo, dia hira fiderana an’i Jehovah noho ireo zava-baovao tanterahiny. Manaraka izao fampirisihan’ny mpanao salamo izao izy ireo: “Mihirà fihiram-baovao ho an’i Jehovah; mihirà ho an’i Jehovah, ry tany rehetra. Mihirà ho an’i Jehovah, misaora ny anarany; lazao isan-andro isan-andro ny famonjeny mahafaly. Ambarao any amin’ny jentilisa ny voninahiny, ary any amin’ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. Ry firenena, manomeza an’i Jehovah, eny, manomeza voninahitra sy hery ho an’i Jehovah. Lazao any amin’ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka.”—Salamo 96:1-3, 7, 10; 98:1-9.
10. Ahoana no ahafahan’ireo 144 000 mihira ‘eo anatrehan’ny’ anti-panahy 24?
10 Ahoana no ahafahan’ireo 144 000 mihira ‘eo anatrehan’ny’ anti-panahy 24, nefa ireo 144 000 nahazo toerana any an-danitra ireo ihany no anti-panahy 24? Natsangana ho fanahy ireo “maty ao amin’i Kristy”, tamin’ny fiandohan’ny andron’ny Tompo. Efa any an-danitra àry izay Kristianina voahosotra nahatoky sy nandresy, ka manatanteraka asa toy ny nataon’ireo anti-panahy mpisorona anisan’ireo fizarana 24. Hita tao amin’ny fahitana momba ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra izy ireo. (1 Tesalonianina 4:15, 16; 1 Tantara 24:1-18; Apokalypsy 4:4; 6:11) Mihira hira vaovao eo anatrehan’ny (na eo imason’ny) rahalahiny natsangana any an-danitra àry ny sisa amin’ireo 144 000 mbola eto an-tany.
11. Nahoana ireo voahosotra mpandresy no sady lazaina hoe anti-panahy 24 no antsoina hoe 144 000?
11 Mety hanontany koa isika hoe: Nahoana ireo voahosotra mpandresy no sady lazaina hoe anti-panahy 24 no antsoina koa hoe 144 000? Satria misy lafiny roa ijeren’ny Apokalypsy azy ireo. Ny anti-panahy 24 dia aseho foana eo amin’ny toerany manodidina ny seza fiandrianan’i Jehovah, ary mpanjaka sy mpisorona any an-danitra. Izy ireo dia mifanitsy amin’ireo 144 000 manana toerana any an-danitra, na dia mbola eto an-tany aza ny sisa aminy. (Apokalypsy 4:4, 10; 5:5-14; 7:11-13; 11:16-18) Ny Apokalypsy toko 7 kosa dia mifantoka amin’ilay 144 000 novidina avy teo amin’ny olombelona. Hamafisin’io toko io ny fikasan’i Jehovah hanisy tombo-kase an’ireo anisan’ny Israely ara-panahy rehetra sy hamonjy vahoaka be tsy voaisa. Hamafisin’ny Apokalypsy toko 14 fa ho tafaraka amin’ilay Zanak’ondry any amin’ny Tendrombohitra Ziona ireo 144 000 rehetra. Ampahafantarina ao koa ny fepetra takina mba ho anisan’ny 144 000, araka ny ho hitantsika.d
Mpanara-dia an’ilay Zanak’ondry
12. a) Inona koa no nolazain’i Jaona momba ireo 144 000? b) Nahoana no lazaina fa virjiny ireo 144 000?
12 Izao koa no lazain’i Jaona momba ireo 144 000 “novidina avy teto an-tany”: “Izy ireo no tsy nandoto tena tamin’ny vehivavy, fa virjiny izy raha ny marina. Izy ireo no nanaraka foana ny Zanak’ondry na taiza na taiza nalehany. Novidina avy teo amin’ny olombelona izy ireo ho voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry, ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany sady tsy nisy tsiny ireo.” (Apokalypsy 14:4, 5) Tsy voatery hoe tsy manambady ireo 144 000, na dia lazaina hoe “virjiny” aza. Nanoratra ho an’ny Kristianina ho any an-danitra mantsy ny apostoly Paoly fa mety ho tsara kokoa indraindray ny manambady, na dia misy tombony aza ny tsy manambady. (1 Korintianina 7:1, 2, 36, 37) Virjiny ara-panahy kosa ireo 144 000. Tsy mijangajanga ara-panahy izy ireo, izany hoe tsy miditra amin’ny politika sy ny fivavahan-diso. (Jakoba 4:4; Apokalypsy 17:5) Ampakarin’i Kristy izy ireo, ka nitandro ny fahadiovany foana, sady “tsy misy tsiny eo anivon’ny taranaka tsy marina sy ratsy fanahy.”—Filipianina 2:15.
13. Nahoana no vady tsara ho an’i Jesosy Kristy ireo 144 000, ary inona no dikan’ilay hoe ‘manaraka foana ny Zanak’ondry izy ireo na aiza na aiza alehany’?
13 Ankoatra izany, dia “tsy nisy lainga hita teo am-bavany.” Toa an’i Jesosy Kristy Mpanjakany izy ireo amin’izany. “Tsy nanota izy [Jesosy olombelona lavorary], ary tsy nahitana fitaka teo am-bavany.” (1 Petera 2:21, 22) Sady madio no marina ireo 144 000, ka ho vady madio ho an’ilay Mpisoronaben’i Jehovah. Nanasa ny olona tia fahamarinana hanara-dia azy i Jesosy teto an-tany. (Marka 8:34; 10:21; Jaona 1:43) Nanaraka ny fomba fiainany sy ny fampianarany ireo nanaiky izany. Raha mbola eto an-tany àry izy ireo, dia ‘manaraka foana ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany’, ka tarihiny hamakivaky ny tontolon’i Satana.
14. a) Nahoana no lazaina hoe “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” ireo 144 000? b) Nahoana no azo antsoina hoe voaloham-bokatra koa ny vahoaka be?
14 “Novidina avy teto an-tany” ireo 144 000, sady “novidina avy teo amin’ny olombelona.” Natsangana ho zanak’Andriamanitra izy ireo, ary tsy olombelona nofo sy ra intsony, rehefa atsangana amin’ny maty. Voalazan’ny andininy faha-4 fa “voaloham-bokatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry” izy ireo. Marina fa “voaloham-bokatra amin’ireo nodimandry” i Jesosy, tamin’ny taonjato voalohany. (1 Korintianina 15:20, 23) Ireo 144 000 anefa no “anisan’ny voaloham-bokatra” amin’ny olona tsy lavorary novidina tamin’ny alalan’ny soron’i Jesosy. (Jakoba 1:18) Tsy izy ireo ihany anefa no angonina. Efa noresahin’ny bokin’ny Apokalypsy ny fanangonana vahoaka be tsy tambo isaina, izay miantso mafy hoe: “Ny famonjena dia azontsika avy amin’Andriamanitsika, izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana, sy avy amin’ny Zanak’ondry, ka manana adidy aminy isika.” Ho tafavoaka velona amin’ny fahoriana lehibe izy ireo, ary ho lasa lavorary eto an-tany, rehefa misotro tsy tapaka amin’ny “loharanon’ny ranon’aina.” Ho foana ny fasana, aorian’ny fahoriana lehibe, ka olona an-tapitrisany no hatsangana sy hisotro amin’ilay rano. Mety àry ny hiantsoana ny vahoaka be hoe voaloham-bokatra amin’ny ondry hafa, satria izy ireo no voalohany ‘hanasa sy hamotsy ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’, mba hiaina mandrakizay eto an-tany.—Apokalypsy 7:9, 10, 14, 17; 20:12, 13.
15. Inona no itovizan’ireo voaloham-bokatra telo sy ireo fety nankalazaina teo ambany Lalàn’i Mosesy?
15 Misy zavatra maro itovizan’ireo voaloham-bokatra telo ireo (Jesosy Kristy sy ireo 144 000 ary ny vahoaka be) amin’ny fety nankalazaina teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy. Natao amboara ny voaloham-bokatra tamin’ny vary orza, ka natolotra ho an’i Jehovah tamin’ny 16 Nisana, nandritra ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay. (Levitikosy 23:6-14) Ny 16 Nisana no natsangana tamin’ny maty i Jesosy. Ny andro faha-50 taorian’ny 16 Nisana, tamin’ny volana fahatelo, kosa ny Israelita no nankalaza ny fetin’ny fijinjana ny voaloham-bokatry ny varimbazaha. (Eksodosy 23:16; Levitikosy 23:15, 16) Io fety io dia nantsoina hoe Pentekosta (avy amin’ny teny grika midika hoe “fahadimampolo”). Tamin’ny Pentekosta taona 33 ireo voalohany tamin’ny 144 000 no nohosorana tamin’ny fanahy masina. Farany, tamin’ny volana fahafito no nanaovana ny Fetin’ny Trano Rantsankazo, rehefa voangona daholo ny vokatra. Fotoam-pifaliana sy fisaorana izany, ary nipetraka nandritra ny herinandro tao anaty trano rantsankazo ny Israelita. Sampana palmie no tena nanaovana ilay trano. (Levitikosy 23:33-43) Milaza fisaorana eo anatrehan’ny seza fiandrianana koa ny vahoaka be, anisan’ireo angonina, ary misy ‘sampana palmie eny an-tanany.’—Apokalypsy 7:9.
Fanambarana ilay vaovao tsara mandrakizay
16, 17. a) Nanidina taiza ilay anjely hitan’i Jaona, ary inona no fanambaran’ilay anjely? b) Iza koa no manao ny asa fitoriana ilay Fanjakana, ary inona no mampiseho izany?
16 Hoy indray i Jaona: “Ary hitako fa nisy anjely hafa iray nanidina teny afovoan’ny lanitra. Ary nanana vaovao tsara mandrakizay izy, dia vaovao mahafaly hotorina amin’ny mponina amin’ny tany sy amin’ny firenena sy foko sy olona samy hafa fiteny ary vahoaka rehetra. Ary izy nanao tamin’ny feo mafy hoe: ‘Matahora an’Andriamanitra ka omeo voninahitra izy, satria tonga ny ora fitsarany. Koa mivavaha amin’Ilay nanao ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina ary ny loharano.’ ” (Apokalypsy 14:6, 7) Nanidina “teny afovoan’ny lanitra” ilay anjely, izany hoe eny amin’izay anidinan’ny vorona. (Ampitahao amin’ny Apokalypsy 19:17.) Re eran-tany àry ny feony. Miely kokoa noho ny vaovao amin’ny tele ny fanambarana alefan’io anjely io eran-tany!
17 Ampirisihina hatahotra an’i Jehovah, fa tsy hatahotra an’ilay bibidia sy ny sariny, ny tsirairay. Mahery lavitra noho izay mety ho bibidia an’ohatra tarihin’i Satana mantsy i Jehovah. I Jehovah tokoa no namorona ny lanitra sy ny tany, ka fotoana hitsarany ny tany izao! (Ampitahao amin’ny Genesisy 1:1; Apokalypsy 11:18.) Izao no efa nolazain’i Jesosy momba ny androntsika: “Ary ho vita manerana ny tany onenana ny fitoriana ity vaovao tsaran’ilay fanjakana ity, ho vavolombelona amin’ny firenena rehetra, vao ho tonga ny farany.” (Matio 24:14) Manatanteraka io asa io ny fiangonan’ny Kristianina voahosotra. (1 Korintianina 9:16; Efesianina 6:15) Resahin’ny Apokalypsy eto fa manao io asa fitoriana io koa ny anjely, na dia tsy hita maso aza. Hita matetika ny fitarihan’ny anjely ny Vavolombelon’i Jehovah mba ho any amin’ny olona kivy, izay nitady fanampiana ara-panahy, na nivavaka mba hahazoana izany!
18. Tonga ny ora anaovana inona, araka ny voalazan’ilay anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra, ary iza koa no mbola hanao fanambarana?
18 Voalazan’ilay anjely nanidina teny afovoan’ny lanitra fa tonga ny ora fitsarana. Inona no ho didim-pitsaran’Andriamanitra? Hangorintsina ny sofina rehefa hanambara izany ny anjely faharoa sy fahatelo sy fahefatra ary fahadimy.—Jeremia 19:3.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Asehon’ny 1 Korintianina 4:8 fa mbola tsy mpanjaka ireo voahosotra eto an-tany. Mihira hira vaovao anefa izy ireo, araka ny Apokalypsy 14:3, 6, 12, 13, satria mitory ny vaovao tsara, sady miaritra hatramin’ny faran’ny fiainany eto an-tany.
b Misy fampiasana anarana amin’ny teny hebreo koa ao amin’ny fahitana hafa. Omena anarana hebreo hoe “Abadona” (na “Fandringanana”) i Jesosy, ary manatanteraka didim-pitsarana any “amin’ilay toerana antsoina amin’ny teny hebreo hoe Hara-magedona.”—Apokalypsy 9:11; 16:16.
c Milaza ilay andininy hoe “toa hira vaovao”, satria nosoratana tamin’ny teny ara-paminaniana ilay hira, tamin’ny andro fahiny. Tsy nisy mendrika ny hihira azy io anefa tamin’izany. Tonga anefa ny fotoana hihirana azy io tsara. Efa miorina mantsy ny Fanjakan’Andriamanitra ary efa natsangana ny olona masina, ka hita amin’izany fa tanteraka ireo faminaniana.
d Mitovy amin’ny mpanompo mahatoky sy malina manome sakafo ny mpiasa ao an-trano amin’ny fotoana mety izany. (Matio 24:45) Ny mpanompo amin’ny fitambarany no manome sakafo, fa ny tsirairay amin’ilay mpanompo kosa no mpiasa an-trano, izay mihinana sy mandray soa avy amin’izany sakafo ara-panahy izany. Iray ihany izy ireo, nefa lazaina amin’ny fomba samy hafa, dia amin’ny fitambarany sy isam-batan’olona.
[Sary, pejy 202, 203]
144 000
Anti-panahy 24
Mpiray lova amin’i Kristy Jesosy Zanak’ondry, jerena amin’ny lafiny roa samy hafa