Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fanoharana ny amin’ny talenta
TEO an-tendrombohitra Oliva, dia nanohy ny resany tamin’ireo apostoliny i Jesosy tamin’ny fanononana fanoharana iray hafa, dia ny faharoa amin’ireo telo nataony. Andro vitsivitsy talohan’izay, tany Jeriko, dia nanonona ny fanoharana ny amin’ny farantsa izy mba hampisehoana fa tsy ho tonga raha tsy any amin’ny ho avy ela any ilay Fanjakana. Mampiseho fitoviana sasantsasany ireo fanoharana roa ireo, fa ilay tononiny izao dia manambara zavatra hiseho mandritra ny fanatrehany, rehefa handray ny fiandrianana izy. Asehony mazava fa, raha mbola eto an-tany ireo mpianany dia tsy maintsy miasa mba hampitombo “ny fananany”.
Nanomboka toy izao i Jesosy: “Fa ny fanjakan’ny lanitra [izany hoe ireo zavatra rehetra mifandray amin’ilay Fanjakana] dia tahaka ny olona izay efa handeha ho any an-tany hafa ka niantso ny mpanompony, dia nanolotra azy ny fananany.” I Jesosy io lehilahy io, izay nanankina ny fananany tamin’ireo mpanompony, dia ireo mpianany izay ho anisan’ny Fanjakana any an-danitra, talohan’ny handehanany ho any an-tany hafa, izany hoe any an-danitra. Tsy voaforona zavatra ara-nofo akory io fananana io, fa mampiseho ny tany iasana iray izay namafazan’i Jesosy mba hamokarany mpianatra betsaka kokoa.
Nankinin’i Jesosy tamin’ireo mpanompony ny fananany talohan’ny niakarany tany an-danitra. Tamin’ny fomba ahoana? Nomeny baiko izy ireo mba hanohy hiasa io tany io amin’ny fitoriana ny hafatr’ilay Fanjakana hatramin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany. Araka ny filazany hoe: “Ny anankiray nomeny talenta dimy, ny anankiray roa, ary ny anankiray iray, — samy araka izay fahaizany avy; dia lasa nandeha izy.”
Ireo talenta valo ireo — ny fananan’i Kristy — àry izany dia nozaraina araka ny hafaingan-tsaina, na fahaizana ara-panahin’ireo mpanompo izay mampiseho antokona mpianatra samy hafa. Tamin’ny taonjato voalohany, ny antoko nahazo ireo talenta dimy dia toa nahafaoka ireo apostoly. Avy eo i Jesosy dia nilaza fa ireo mpanompo izay nahazo ireo talenta dimy sy roa dia samy nampitombo ny azy avo roa heny tamin’ny fitoriana ilay Fanjakana ary tamin’ny fanaovana mpianatra. Fa ilay mpanompo nahazo talenta iray kosa dia nanafina izany tao anaty lavaka tao anatin’ny tany.
Nanohy toy izao izy: “Ary nony ela, dia tonga ny tompon’ireo mpanompo ireo ka nampilaza azy ny amin’ny volany.” Amin’izao taonjato faha-20 izao, 1 900 taona teo ho eo tatỳ aoriana, i Kristy vao niverina mba hampilaza ny amin’ny volany, eny, tena “nony ela” tokoa. Nanazava toy izao i Jesosy nony avy eo:
“Nony nanatona ilay nandray talenta dimy, dia nitondra talenta dimy koa izy ka nanao hoe: Tompoko, talenta dimy no natolotrao ahy; indro, nahazo tombony talenta dimy koa aho. Hoy ny tompony taminy: Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin’ny kely hianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin’ny fifalian’ny tomponao.” Toy izany koa ny amin’ilay mpanompo nandray talenta roa, ka nampitombo izany avo roa heny, ary nahazo teny fiderana sy valisoa mitovy amin’izany.
Amin’ny ahoana anefa no idiran’ireo mpanompo ireo amin’ny fifalian’ny Tompony? Ny fifalian’ilay Tompo, i Jesosy Kristy, dia ny fandovany ilay Fanjakana rehefa nandeha “ho any an-tany hafa”, any an-danitra, ho any amin’ny Rainy, izy. Ireo mpanompo mahatoky amin’izao androntsika izao kosa dia mahatsapa fifaliana lehibe rehefa omena andraikitra betsaka kokoa mifandray amin’ilay Fanjakana, ary rehefa tapitra ny fihazakazahany eto an-tany dia mahazo ny fifaliana tampony izy rehefa tafatsangana amin’ny maty ka miditra ao amin’ny Fanjakana any an-danitra. Fa ahoana ny amin’ilay mpanompo fahatelo?
“Tompoko, fantatro fa olona mila voatsiary hianao”, hoy ny fitarainany. “Dia natahotra aho ka lasa nandevina ny talentanao tao anatin’ny tany; indry, lasanao ny anao.” Io mpanompo io dia ninia nanda tsy hiasa, izany hoe hitory sy hanao mpianatra, tao amin’ny saha niasana. Izany no antony niantsoan’ny tompony azy hoe “ratsy sady malaina”, sy ny nanambarany izao fanamelohana izao: “Koa alao aminy ny talenta (...). Ary ario ho any amin’ny maizina any ivelany ny mpanompo tsy mahasoa; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.” Rehefa voatsipy any ivelany, ireo anisan’ny kilasin’ny mpanompo ratsy dia tsy manana fifaliana na inona na inona eo amin’ny lafiny ara-panahy.
Lesona mahery tokoa izany ho an’izay rehetra mihambo ho manaraka an’i Kristy. Raha maniry ny hahazo teny fiderana, ny handray valisoa ary ny tsy hatsipy any amin’ny maizina any ivelany na hiharan’ny fandringanana mandrakizay, izy ireo dia tokony hiasa mba hampitombo ny fananan’ny Tompony any an-danitra, amin’ny fandraisana anjara amin’ny fomba feno amin’ny asa fitoriana. Mampiasa amim-paharisihana ny fahaizanao ve ianao mba hanaovana izany? Matio 25:14-30.
◆ Inona no lesona ampianarin’io fanoharana io antsika?
◆ Iza moa ireo mpanompo, ary inona ilay fananana nankinina taminy?
◆ Oviana no niverina ilay tompo mba hampilaza ny amin’ny volany, ary inona no hitany?
◆ Amin’ny ahoana no idiran’ilay mpanompo mahatoky amin’ny fifaliana, ary inona no manjo an’ilay mpanompo ratsy?