Ny lehibe indrindra amin’ny fahaterahana: fisehoan-javatra mialoha ny tsy fananana ahiahy maneran-tany
“Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana.” — ISAIA 9:5.
1. Eo ambany Fanapahan’iza ny tsy fananana ahiahy maneran-tany no ho zavatra azo antoka? Ahoana no ahafantarantsika izany?
NY TSY FANANANA AHIAHY maneran-tany eo ambany fanapahan’ny “Andrian’izao tontolo izao”, Satana Devoly, hevi-dravina re izany (Jaona 12:31, Jerosalema)! Mifanohitra amin’izany kosa, ny tsy fananana ahiahy maneran-tany eo ambany Fanapahan’ny “Andrian’ny fiadanana”, Jesosy Kristy, izany ka tena zavatra azo antoka tanteraka. Manome toky antsika ny amin’izany Jehovah ao amin’ny faminaniany mifandray amin’ny fahaterahana sy ny fiainan’ny “Andrian’ny fiadanana”. Izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, MN ]: “Fa Zaza no teraka ho antsika, Zazalahy no omena antsika; ary ny fanapahana dia eo an-tsorony, ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina, Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida sy ny fanjakany, mba hampiorenana sy hampitoerana azy amin’ny rariny sy ny hitsiny hatramin’izao ka ho mandrakizay; ny fahasaro-piaron’i Jehovah, Tompon’ny maro, no hahatanteraka izany.”
2. a) Tamin’ny toe-javatra nanao ahoana moa no nomena ireo faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 9:5, 6? b) Ahoana no ahafantarantsika fa Jehovah dia hanaja tokoa ny fanekena nifanaovany tamin’i Davida ho amin’ny Fanjakana mandrakizay ho tombontsoan’ny taranany?
2 Hafanam-po manao ahoana moa no entintsika mandinika io faminaniana mahatalanjona mifandray amin’ny lehibe indrindra amin’ny fahaterahana io! Nefa alohan’izany, sy mba hahafahana mankafỳ amin’ny fomba feno ny votoatiny, dia aoka hojerentsika hoe tamin’ny fitrangan-javatra toy inona no nomena izy io. Izany dia tamin’ny andron’i Ahaza, fotoana nanaovan’ireo firenena teti-dratsy hanoherana ny fanjakan’ny Joda. Na dia tsy nahatoky teo anatrehan’Andriamanitra aza io mpanapaka io, dia nahazo ihany fahafahana hipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Jehovah. Nandray soa tamin’ny faharetan’Andriamanitra izy noho ny fanekena ny amin’ny fanjakana mandrakizay efa nifanaovan’i Jehovah tamin’i Davida ho tombontsoan’ny taranany. Na dia nolavina aza ny hananan’i Davida voninahitra hanorina tempoly iray ho an’i Jehovah, dia nandray fitahiana hafa iray koa izy. Izany no hazavain’ny tenin’i Natana mpaminany hoe: “Ary lazain’i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka anao Izy. Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.” (II Samoela 7:11, 16). Izany fampanantenana izany dia nahafaly tokoa an’i Davida mpanjaka ka efa faly sahady izy nieritreritra ny fahatanterahany mahatalanjona.
3. a) Tamin’iza moa no nahatanterahan’io fanekena nifanaovana tamin’i Davida io, ary amin’ny ahoana izany no maningana? b) Raha ny momba ny fanekena ho amin’ny Fanjakana, inona no zava-kendren’ny Devoly?
3 Izany fanekena tamin’i Davida izany dia tanteraka tamin’ny tenan’ny Zanak’i Davida, Jesosy Kristy, ny “Andrian’ny fiadanana”. Tsy misy fianakavia-mpanjaka hafa eto an-tany na dia iray aza niditra tamin’ny fanekena ny amin’ny fanjakana toy izany izay ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana. Izany fanekena ny amin’ny Fanjakana izany dia fihaikana nalefa amin’ny fanjakana rehetra maneran-tany izay Satana no andriana, na filohany. Hatreo, ny Devoly sy ireo demoniany dia nikendry ny hanimbana ny ankohonan’i Davida sy hanaisotra amin’izany izay rehetra mety ho fanantenana hanana mpandova maharitra. Nahita fitaovana vonona ho amin’ny fahatanterahana izany asa izany Satana tao amin’i Rezina mpanjakan’i Syria, Peka an’ny fanjakan’ny foko folon’ny Isiraely, sy ny mpanjakan’i Asyria.
Teti-dratsy hanoherana ny fanekena ny amin’ilay Fanjakana
4. Ahoana no nataon’ny Devoly mba hanandramana manakana ny hahatanterahan’ny fanekena momba ilay Fanjakana nifanaovan’i Jehovah tamin’i Davida?
4 Inona no fikasan’ny Devoly? Hampitahotra an’i Ahaza mpanjakan’ny Joda mba hanosika azy hanao fanekena mampidi-doza amin’ny mpanjakan’i Asyria. Nefa ahoana no hahatongavany amin’izany? Nitarika an’i Peka mpanjakan’ny Isiraely sy Rezina an’i Syria izy mba hikambana hanohitra ny ankohonan’i Davida. Niray teti-dratsy ireo hanongana an’i Ahaza tany Joda sy hanangana ny zanak’i Tabeala, lehilahy iray nanaiky azy ireo sy hataony ho mpanjaka iray saribakoliny. Iza moa io zanak’i Tabeala io? Izy dia, ary tena zava-dehibe, tsy mba taranaky ny ankohonan’i Davida. Koa ny faneken’Andriamanitra ny amin’ilay Fanjakana àry dia tsy hiampita amin’ny alalany hatramin’ny Mpandova azy maharitra na “Andrian’ny fiadanana”. Io zanak’i Tabeala io izay tokony handray toerana eo amin’ny seza fiandrianan’ny Joda dia lehilahy iray avy amin’ny antokon’izy ireo, fa tsy ny lehilahin’Andriamanitra. Araka izany, ny Baiboly dia mampiharihary ny tetik’adin’i Satana hanakanana ny fahatanterahan’ny fanekena mifandray amin’ny Fanjakana nifanaovan’i Jehovah tamin’i Davida.
5, 6. Nanao ahoana ny fihetsik’i Ahaza nanoloana ny teti-dratsy nanoherana ny ankohonan’i Davida, ary hafatra mampahery inona avy amin’i Jehovah no tonga taminy?
5 Ahoana no fihetsik’i Ahaza mpanjaka nanoloana io fandrahonana io? Nanomboka ho raiki-tahotra izy sy ny vahoakany. Nanao teny nampahery an’i Ahaza àry Jehovah mba hampiova ny heviny tsy hitadiavany ny fanohanan’ny mpanjakan’i Asyria, filohan’ny herim-panjakana maneran-tany tamin’izay fotoana izay, tamin’ny fanaovana fanekena taminy. Naniraka an’Isaia mpaminaniny izy hihaona amin’i Ahaza ka nampitondra azy izao hafatra izao, voarakitra ao amin’ny Isaia 7:4-9:
6 “Aza matahotra (...) satria efa nanao saina hampidi-doza aminao Syria sy Efraima [ny foko lehibe indrindra tamin’ny fanjakan’ny Isiraely] ary ny zanak’i Remalia [Peka] ka nanao hoe: Andeha isika hananika an’i Joda ka hampaharaiki-tahotra azy ary hanafaka azy ho antsika ka hanangana ny zanak’i Tabeala mpanjaka ao afovoany, dia izao no lazain’i Jehovah Tompo: Tsy ho tanteraka izany, ary tsy hisy izany. (...) Raha tsy mety mino hianareo dia tsy ho tafatoetra.”
Famantarana manaporofo ny tsy fahombiazan’ilay teti-dratsy
7. a) Ahoana no nahatarika an’i Jehovah hanonona ny faminaniana miavaka hita ao amin’ny Isaia 7:14? b) Famantarana azo antoka ny inona moa ny fahaterahan’i Imanoela, ary inona ny andraikitra tokony hotanan’ireo zanak’Isaia?
7 Araka izany no nanambaran’i Jehovah ny tsy fahombiazan’ireo mpanao teti-dratsy. Tonga ny fotoana ho an’Andriamanitra hanambarana faminaniana iray lehibe indrindra, satria izany dia nanambara ny Mpanjaka Mpandova ny fanekena ny amin’ny Fanjakana nohamafisina tamin’i Davida. Nefa ahoana no nahatarika azy hanambara izany faminaniana miavaka izany? Raha niresaka tamin’i Ahaza mpanjaka Jehovah, dia nanao izay hangatahany ny famantarana mahagaga tiany; hekeny ho azy izany ho toy ny antoka marina fa Andriamanitra dia hanapaka ny teti-dratsy nokotrehina hanoherana ny ankohonan’i Davida. Nefa nanda izany i Ahaza. Inona àry izao no nitranga? Milaza amintsika toy izao ny Isaia 7:14: “Ary noho izany ny Tompo [Jehovah, MN ] no hanome famantarana ho anareo: Indro, hanan-anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataony hoe Imanoela.” Ny dikan’io anarana io dia hoe “Amintsika Andriamanitra”. Koa satria Imanoela sy ireo zanaka roa hafan’Isaia tokony hampiasana ho famantarana, dia manampy toy izao ilay mpaminany ao amin’ny Isaia 8:18: “Indreto, izaho sy ireo zaza nomen’i Jehovah ahy dia famantarana sy fahagagana ao amin’ny Isiraely avy amin’i Jehovah, Tompon’ny maro”. Araka izany, ny fahaterahan’Imanoela dia famantarana azo antoka fa ireo mpanao teti-dratsy sy ny asa ratsiny nokotrehina hanoherana ny faneken’Andriamanitra ny amin’ilay Fanjakana sy ny Mpandova izany fanekena izany dia hofoanana.
8. a) Inona no nambaran’ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia 7:15, 16 momba an’i Imanoela, ary inona no vokatr’izany? b) Inona no mety ho antony tsy ahafantarana amin’ny fomba azo antoka an’ilay Imanoela teraka tamin’ny andron’Isaia?
8 Ny fitantarana ara-Baiboly dia tsy milaza izay niteraka ny zazalahy nantsoina hoe Imanoela. Mety ho zazavavy jiosy iray tonga vady faharoan’ny mpaminany Isaia izy io. Na ahoana na ahoana, araka ny faminaniana, raha tsy mbola hahay hanavaka ny ratsy sy ny tsara ilay zaza dia hahita fiafarana mahatsiravina ireo mpanjaka roa niray teti-dratsy (Isaia 7:15, 16). Voaporofo io teny io. Raha tsy fantatsika ny momba an’i Imanoela tamin’ny andron’Isaia, dia angamba mba tsy hampiala ny sain’ireo taranaka ho avy amin’ilay Imanoela Lehibe, izay tsy maintsy hiseho ho toy ny famantarana mahagaga avy any an-danitra.
9. a) Antoky ny inona ny fahatanterahan’ny famantarana sy ny tsy fahombiazan’ny teti-dratsy nokotrehina hanoherana ny fanekena momba ilay Fanjakana? b) Inona no teti-dratsy lehibe indrindra tamin’ny tantaran’ny olombelona rehetra?
9 Mazava ho azy fa tamin’ny andron’i Ahaza ny fahatanterahan’ilay famantarana sy ny tsy nahombiazan’ny teti-dratsy niraisam-pirenena nokotrehina hanoherana ny faneken’Andriamanitra momba ilay Fanjakana dia niseho tamin’ny ambaratonga kely. Kanefa, izany dia antoka fa ny fahatanterahan’io famantarana io sy ny tsy fahombiazan’io teti-dratsy niraisam-pirenena io dia hitranga amin’ny ambaratonga lehibe amin’izao androntsika fanapahan-javatra izao. Eny tokoa, fa isika izao dia vavolombelon’ny teti-dratsy lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny olombelona rehetra. Nahoana no azo atao ny miresaka teti-dratsy? Satria ireo firenena dia tsy mihevitra velively ny fandaharana noraisin’i Jehovah mba hanorenana fiadanana maharitra ka tonga hatramin’ny fanoherana ny solontenan’ny “Andrian’ny fiadanana” izy ireo. Ilay teti-dratsy, raha ny marina, dia notarihina hanoherana ny Mpandova ny fanekena ho amin’ny Fanjakana, ny “Andrian’ny fiadanana”. Nefa hanao ahoana ny fahatanterahana fenon’ilay faminaniana? Raha mahay manavaka ny famantarana isika, dia mahita mialoha ny tsy maintsy ho fiafaran’izany teti-dratsy iraisam-pirenena izany.
Fahaterahan’ny “Andrian’ny fiadanana”
10. a) Ao amin’ny fahatanterahana fenon’ny faminaniana voatantara ao amin’ny Isaia 7:14, iza no niteraka ilay zaza — famantarana sy Mpandova ny fanekena ho amin’ny Fanjakana? b) Ahoana no ampifamatoran’i Matio mpanoratra tantara an’i Imanoela, famantarana, amin’ny ankohonan’i Davida?
10 Ao amin’ny fahatanterahana fenon’ilay faminaniana, ny zazavavy niteraka ilay zaza — famantarana sy Mpandova ny fanekena ho amin’ny Fanjakana — dia tsy hafa fa i Maria, virijina jiosy tanora avy amin’ny taranak’i Davida mpanjaka. Nanambara taminy ny anjely Gabriela fa hiteraka zazalahy hantsoina hoe Jesosy izy, izay homen’i Jehovah Andriamanitra ny “seza fiandrianan’i Davida rainy” ary “ny fanjakany tsy hanam-pahataperana”. (Lioka 1:26-33.) Teo ambany tsindrimandrin’Andriamanitra, Matio mpanoratra tantara dia mampifamatotra an’i Imanoela, famantarana, amin’ny ankohonan’i Davida. Izao no vakintsika ao amin’ny Matio 1:20-23: “Nisy anjelin’ny Tompo [Jehovah, MN ] niseho taminy [Josefa] tamin’ny nofy ka nanao hoe: Ry Josefa, zanak’i Davida, aza matahotra hampakatra an’i Maria vadinao; fa ny Zaza ao an-kibony dia avy amin’ny Fanahy Masina, ka hiteraka Zazalahy izy, ary ny anarany hataonao hoe Jesosy; fa Izy no hamonjy ny olony ho afaka amin’ny fahotany. Ary izany rehetra izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazain’ny tompo [Jehovah, MN ] ny mpaminany hoe: ‘Indro, ny virijina hitoe-jaza ka hiteraka zazalahy; ary ny anarany hataon’ny olona hoe Imanoela’, izany hoe, raha adika: ‘Amintsika Andriamanitra.’ ”
11. Taiza ary oviana no nitranga ny fahaterahan’i Imanoela voambara?
11 Taiza ary oviana no niseho ny fahaterahan’Imanoela? Voatarika ho any amin’ny toerana tsara ny fijerin’ny jiosy noho ny tenin’i Mika 5:1 [5:2, MN ] noraisina ao amin’ny Matio 2:6 manao hoe: “Ary hianao, ry Betlehema, tanin’ny Joda, tsy dia kely indrindra ao amin’ny andrianan’ny Joda hianao tsy akory; fa avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka, ka izy no ho Mpiandry ny Isiraely oloko.” Tamin’ny taona 2 alohan’ny fanisan-taona iraisana, tao an-tanànan’i Betlehema, no teraka ny “Andrian’ny fiadanana”; tamin’izany dia nanomboka ho tanteraka ny faminaniana mampihetsi-pon’Isaia 9:5, 6.
12, 13. Iza no notafiam-boninahitra lehibe tamin’ny fahaterahan’ny “Andrian’ny fiadanana”, ary fihetsiketsehana mamirapiratra sy be voninahitra inona no nampiarahina tamin’io fahaterahana io?
12 Iza amintsika no tsy hahatsiaro ho nomem-boninahitra sy sambatra raha tonga rain’izay handray ny anaram-boninahitra hoe “Andrian’ny fiadanana”? Izany fahaterahana izany àry dia nanafy voninahitra lehibe ny Mpanjaka Rain’io Andriana io. Na oviana na oviana, tsia, tsy mbola nisy mihitsy fahaterahana olombelona narahim-pihetsiketsehana namirapiratra sy be voninahitra toy izany.
13 Ny anjelin’i Jehovah, ravoravo, dia niseho tamin’ny mpiandry ondry izay, tamin’io alina io, dia niandry ny ondriny tany an-tsaha tany ivelan’i Betlehema, ary “ny voninahitry ny Tompo [Jehovah, MN ] nanelatrelatra manodidina azy”. Tamin’izay izy no nanambara ny fahaterahana nahatanteraka ny faminanian’Andriamanitra: “Mpamonjy no teraka ho anareo anio ao an-tanànan’i Davida, dia Kristy Tompo”. Ary toy ny hoe mbola hampamirapiratra kokoa ihany ilay fisehoan-javatra, dia nisy anjely maro be niseho teo amin’ny lanitra, nidera ny Rain’ilay zaza vao teraka ary niray feo nanao hoe: “Voninahitra any amin’ny avo indrindra ho an’Andriamanitra! ary fiadanana ho etỳ ambonin’ny tany amin’ny olona ankasitrahany.” Tsy nety tokoa moa ve, amin’ny fahaterahan’ilay ho tonga “Andrian’ny fiadanana”, ny hanambaran’ireo anjely ny fiadanan’Andriamanitra amin’ny olona ankasitrahan’Andriamanitra? — Lioka 2:8-14.
14, 15. a) Fisehoan-javatra inona no nanainga ny fideran’ireo zanak’Andriamanitra nanoloana azy? Nahoana, tamin’ny tantara maneran-tany, no tsy nisy mihitsy fahaterahana azo nampitahaina tamin’io?
14 Taloha elan’ny fahaterahan’ilay ho tonga “Andrian’ny fiadanana”, ireo anjely dia efa nidera an’Andriamanitra tamin’ny fotoana hafa iray. Izany dia tamin’ny andron’ny famoronana, raha namorona ny tany izy (Joba 38:4). Efa nahita ny sarin’ny tany nalain’ny mpanamory sambon-danitra avy any amin’ny habakabaka any ve ianao? Raha izany, dia hitanao izay ny anjely irery ihany no nahita azy hatreo. Nanao ahoana no fihetsik’izy ireo? Milaza toy izao amintsika Joba 38:7: “Niara-nihira ny kintan’ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’Andriamanitra.”
15 Noho izany, tsy ara-dalàna ve raha nanambatra ny feony niara-nikalo hira fiderana ireo zanak’Andriamanitra tamin’ny fahaterahana malaza indrindra nanomezam-boninahitra ny tany tsy mbola nisy toy izany mihitsy? Sahala amin’ny ray olombelona arahabaina amin’ny fahaterahan’ny zanany lahimatoa, dia toy izany koa fa ny Ray any an-danitra sy Mpanao izany fahaterahana malaza amin’ny rehetra izany dia mendrika hoderain’ny fianakaviany any an-danitra. Io rodobe tena mirindra aoka izany io dia tsy maintsy ho nampifaly ny Tenan’Andriamanitra izay, voalohany izao, no tonga ray tamin’ny toe-javatra vaovao tanteraka! Tsy mbola nisy mihitsy tany aloha tamin’ny tantara maneran-tany rehetra, fahaterahana azo ampitahaina amin’ny an’ilay ho tonga “Andrian’ny fiadanana”.
Nisy “mazava lehibe” namirapiratra
16. Oviana sy tamin’ny fomba ahoana no nahatanterahan’ny tapany hafa amin’ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia toko fahasivy?
16 Rehefa nanomboka ny fanompoany ampahibemaso Jesosy, dia nisy fahatanterahany hafa iray ny faminaniana voarakitra ao amin’ny Isaia toko fahasivy. Mahakasika ny andininy roa voalohany izany, izay nanambarana fa hisy “mazava lehibe” hamirapiratra amin’ny “olona izay mandeha amin’ny maizina”. Ny fahatanterahan’ireo andininy ireo dia nohazavain’i Matio mpanoratra tantara, izay nanoratra teo ambanin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra: “Ary nony niala tany Nazareta Jesosy Izy [Jesosy], dia nankany Kapernaomy, izay ao amoron-dranomasina, ao amin’ny zara-tanin’ny Zebolona sy ny Naftaly, ka nonina tao Izy, mba hahatanteraka izay nampilazaina an’Isaia mpaminany hoe: ‘Ny tanin’ny Zebolona sy tanin’ny Naftaly, ao amin’ny tany amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordana, Galilia, tanin’ny jentilisa, ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita mazava lehibe; ary izay nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana no niposahan’ny fahazavana’. Ary tamin’izany andro izany dia nanomboka nitori-teny Jesosy ka nanao hoe: Mibebaha hianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.” — Matio 4:13-17.
17. Nahoana Jesosy no afaka nampamirapiratra mazava lehibe tamin’ny mponin’i Zebolona sy Naftaly, ary inona no nasehon’izany fahazavana izany ho an’ireo izay nitoetra tao amin’ny maizina?
17 Zebolona sy Naftaly dia tany amin’ny sisiny avaratr’Isiraely ary tao anatiny ny distrikan’i Galilia. Naftaly dia nanamorona ny sisiny andrefan’ny ranomasin’i Galilia manontolo. Koa tamin’ny fitoriana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra tany amin’ireo faritra ireo àry no nampamirapiratan’i Jesosy sy ny mpianany fahazavana ho an’ireo izay, nandritra ny ela be, dia nitoetra tao amin’ny maizina. Nanambara toy izao i Jesosy ao amin’ny Jaona 8:12: “Izaho no fahazavan’izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina.” Araka izany, noho i Jesosy, ireo izay “nitoetra tao amin’ny aloky ny fahafatesana” dia afaka nanana ny “fahazavan’aina” satria izy nanolotra ny fiainany “ho avotra hisolo ny maro”. Izy no nampiasain’i Jehovah hampamirapiratra ny fahazavana izay amin’ny alalany no mety hahazoan’ny olona ny fiainana. — Matio 4:23; 20:28.
18. a) Ahoana no ahafantarantsika fa io “mazava lehibe” io dia tsy natokana fotsiny ho an’ny mponin’i Galilia? b) Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Io “mazava lehibe” manambara ny fanafahana amin’ny fahafatesana sy ny fampahoriana io dia tsy natokana ho an’ny olon’i Galilia fotsiny. Moa ve Isaia tsy nilaza mialoha fa ny handrosoan’ny fanapahana dia tsy hanam-pahataperana, fa ny “Andrian’ny fiadanana” dia hanatanteraka andraikitra lehibe? Eny tokoa, fa izao no vakintsika ao amin’ny Isaia 9:5, 6 [9:6, 7, MN ]: “Ary ny anarany atao hoe Mahagaga, Mpanolo-tsaina [Mpanolo-tsaina mahagaga, MN ], Andriamanitra Mahery, Rain’ny mandrakizay, Andrian’ny fiadanana. Ny handrosoan’ny fanapahana sy ny fiadanana dia tsy hanam-pahataperana”. Ao amin’ny lahatsoratra manaraka, dia hodinihintsika ny andraikitr’i Jesosy amin’ny maha-Mpanolo-tsaina mahagaga, Andriamanitra mahery, Rain’ny mandrakizay”, sy “Andrian’ny fiadanana”.
Tadidinao ve izany?
◻ Inona no teti-dratsy nokotrehina tamin’ny andron’i Ahaza mpanjaka?
◻ Inona no fahatanterahana amin’ny ambaratonga kelin’ny famantarana hita ao amin’ny Isaia 7:14?
◻ Inona no fahatanterahana fenon’io famantarana io?
◻ Nahoana ny fahaterahan’ny “Andrian’ny fiadanana” no ny nalaza indrindra nety ho fantatry ny tany?