Ny Fiainana Fahiny: Ny Vola
“Nipetraka teo amin’izay nahatazanany ny vata fandatsaham-bola izy, ka nijery ny vahoaka nandatsaka vola tao amin’ireo vata fandatsaham-bola. Ary maro ny mpanankarena nandatsaka vola madinika be dia be. Fa tonga kosa ny vehivavy mpitondratena mahantra iray nandatsaka vola madinika roa, izay vola faran’izay kely vidy.”—MARKA 12:41, 42.
MISY resaka momba ny vola ao amin’ny Baiboly matetika. Hita ao amin’ny Filazantsara, ohatra, fa nanonona vola madinika isan-karazany i Jesosy mba hampianarana toro lalana lehibe. Naka lesona avy tamin’ny “vola madinika roa” nomen’ilay mpitondratena resahin’ny andinin-teny etsy ambony izy. Niresaka momba ny vola madinika nantsoina hoe denaria koa izy, indray mandeha, mba hanampiana ny mpianany hahatakatra ny tokony hiheveran’izy ireo ny manam-pahefana.a—Matio 22:17-21.
Nahoana no noforonina ny vola? Ahoana no nanamboarana sy nampiasana azy io fahiny? Ahoana no tokony hiheverantsika ny vola araka ny Baiboly?
Lasa nampiasaina ny metaly sarobidy
Nifanakalo zavatra ny olona taloha, tamin’ny mbola tsy nisy ny vola. Nifanakalo entana nitovitovy izy ireo na asa nifandanja. Mety ho nanahirana anefa ny fifanakalozana. Mba hampety azy mantsy, dia tokony ho tia ny entana omen’ny andaniny ny ankilany. Tsy maintsy nirongo entam-be toy ny vary amin’ny gony koa, ohatra, ny mpanakalo, na nikarakara an’ireo biby natao takalo.
Hitan’ireo mpivarotra, tamin’ny farany, fa nila nampiasa zavatra tsotsotra kokoa izy ireo rehefa nividy sy nivarotra. Nampiasa metaly sarobidy toy ny volamena sy volafotsy ary varahina àry izy ireo. Misy olona mampiasa metaly sarobidy mitovy amin’ny vakana sy metaly fisaka efajoro eo amin’ny sary etsy ambany. Vidin’entana ilay izy na karama omena an’ilay olona noho ny asa nataony. Nolanjaina tamin’ny mizana marina tsara ireo metaly, izay vao natao ny fifanakalozana. Tamin’i Abrahama nividy tany handevenana an’i Saraha vady malalany, ohatra, dia nandanja volafotsy izy ho vidin’ilay tany.—Genesisy 23:14-16.
Tamin’ny fotoana nanomezan’i Jehovah Lalàna ny Israelita, dia mizana mandainga na vatomizana tsy marina no nampiasain’ny mpivarotra tia tena mba hamitahana mpividy. Halan’i Jehovah Andriamanitra ireo tsy manao ny marina, ka hoy izy tamin’ireo mpivarotra: “Tokony ho mizana marina sy vatomizana marina no hanananareo.” (Levitikosy 19:36; Ohabolana 11:1) Tokony hotadidin’ny mpivarotra ankehitriny koa hoe tsy niova i Jehovah, fa mbola mankahala ny olona tia tena sy tsy manao ny marina.—Malakia 3:6; 1 Korintianina 6:9, 10.
Ny fomba nanamboarana vola madinika
Tany Lydia (any Torkia ankehitriny) no nanamboarana ny vola madinika voalohany, talohan’ny taona 700 T.K. tany ho any. Vetivety dia lasa nanamboatra vola madinika be dia be ny mpanao asa vy tany amin’ny tany maro. Lasa nampiasa azy ireny àry ny olona tany amin’ireo tany voaresaka ao amin’ny Baiboly.
Ahoana no nanamboarana ny vola madinika? Esorin’ilay olona avy ao anaty lafaoro ny metaly efa mitsonika (1) ary ararany ao anaty lasitra (2), ka lasa vy fisaka boribory. Ataony eo anelanelan’ny vy roa lavalava efa misy sary ilay izy avy eo (3). Kapohina amin’ny marotoa ilay vy lavalava mba hiraiketan’ilay sary eo amin’ilay vy fisaka boribory (4). Haingana be ny fanaovana an’izany ka matetika no lasa tsy afovoany tsara ny sary eo amin’ireo vola. Sokajina ireo vola ary lanjaina raha mitovy tsara ny lanjany. Kikisana mba halama tsara koa ny sisiny raha ilaina izany (5).
Mpanakalo vola sy mpamory hetra ary mpiasan’ny banky
Lasa nampiasaina tany Palestina ireo vola madinika avy tany amin’ny tany maro, tamin’ny taonjato voalohany. Nitondra vola vahiny, ohatra, ireo mpankany amin’ny tempoly tany Jerosalema. Tsy izay karazana vola madinika rehetra anefa no neken’ireo mpikarakara ny tempoly handoavana hetra. Nanakalo vola vahiny tao amin’ny tempoly àry ireo mpanakalo vola ary matetika no nataon’izy ireo nihoa-pampana ny takalony. Nomelohin’i Jesosy ireo olona tia tena ireo. Lasa nataon’izy ireo “trano fivarotana” sy “lava-bato fieren-jiolahy” mantsy ny tranon’i Jehovah.—Jaona 2:13-16; Matio 21:12, 13.
Tsy maintsy nandoa hetra maro hafa koa ny mponina tany Palestina. Iray tamin’izany ny “hetra isan-dahy”, izay nanontanian’ireo mpanohitra an’i Jesosy. (Matio 22:17) Teo koa ny hetran-dalana sy ny hetra aloa rehefa manafatra sy manondrana entana. Nalaza ho tsy nanao ny marina ireo mpamory hetram-panjakana tany Palestina, ka halan’ny olona. (Marka 2:16) Nangoron-karena izy ireo, satria nitaky hetra nihoa-pampana ary naka izay nihoatra. Nisy mpamory hetra, toa an’i Zakaiosy, anefa nanaiky ny hafatr’i Jesosy ary niala tamin’ny fahazaran-dratsiny. (Lioka 19:1-10) Izay te hanara-dia an’i Kristy koa ankehitriny, dia tokony hanao ny marina amin’ny zava-drehetra, anisan’izany ny resaka raharaham-barotra.—Hebreo 13:18.
Anisan’ny mpikirakira vola koa ny mpiasan’ny banky. Sady nanakalo vola vahiny izy ireo no nampindram-bola sy nanome zana-bola an’izay nametra-bola tany aminy. Ireny mpiasan’ny banky ireny no noresahin’i Jesosy tao amin’ilay fanoharany momba an’ireo mpanompo nomena vola samy hafa, mba hanaovana raharaham-barotra.—Matio 25:26, 27.
Ny tokony hiheverana ny vola
Mila mitady vola ny olona any amin’ny tany maro ankehitriny, mba hividianana izay ilainy. Mbola marina foana ireo teny nasain’Andriamanitra nosoratan’i Solomona Mpanjaka, taonjato maro lasa izay, hoe: ‘Fiarovana ny vola.’ Nilaza koa anefa izy fa mbola sarobidy noho ny vola ny fahendrena, satria “miaro ny ain’izay manana azy.” (Mpitoriteny 7:12) Hita ao amin’ny Baiboly io fahendrena io.
Nanampy an’ireo mpanara-dia azy i Jesosy mba hahay handanjalanja eo amin’ny resa-bola. Hoy izy: “Na manam-be aza ny olona, dia tsy miankina amin’ny zavatra ananany ny ainy.” (Lioka 12:15) Hendry, toa an’ireo mpianatr’i Jesosy voalohany, àry isika raha mahay mitantam-bola tsara sy manao ny marina ary tsy tia vola.—1 Timoty 6:9, 10.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo ilay efajoro hoe “Ireo Vola Madinika Fahiny”, eo amin’ny pejy 26.
[Efajoro/Sary, pejy 26]
Ireo Vola Madinika Fahiny
● Ny leptona varahina, na farantsakely, no anisan’ny vola madinika kely indrindra fampiasa tany Palestina tamin’ny taonjato voalohany. Niasa fahefatr’adiny monja ny olona iray dia nahazo leptona roa. Leptona roa angamba no narotsak’ilay vehivavy mpitondratena tao amin’ny tempoly.—Marka 12:42.
● Vola grika ny drakma volafotsy. Niasa efa ho tontolo andro ny olona iray vao nahazo azy io. (Lioka 15:8, 9) Drakma roa no hetran’ny tempoly naloan’ny lehilahy jiosy isan-taona.—Matio 17:24.
● Vola romanina ny denaria volafotsy. Nisy ny sarin’i Kaisara izy io, ka nety tsara mba handoavana ny “haba” notakina tamin’ny lehilahy jiosy, nandritra ny fitondran’ny Romanina. (Romanina 13:7) Denaria iray no karama nomen’ny mpampiasa ho an’ny olona niasa adiny 12.—Matio 20:2-14.
● Ny sekely volafotsy tsy nisy fangarony, namboarina tany Tyro, no nampiasaina tany Palestina tamin’ny andron’i Jesosy. Nety ho sekely avy any Tyro ireo “farantsa volafotsy” 30 nomen’ny lehiben’ny mpisorona an’i Jodasy Iskariota, noho izy namadika an’i Jesosy.—Matio 26:14-16.
Tena haben’ireo vola madinika