Inona no Nampianarin’i Jesosy Momba ny Afobe?
Hoy i Jesosy: “Raha ny masonao no manafintohina anao, esory hiala izy; fa tsara ho anao ny hiditra toka-maso amin’ny fanjakan’Andriamanitra noho ny manana maso roa, nefa hariana any amin’ny helo; any ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina.”—MARKA 9:47, 48, Prot.
Niresaka momba ny fotoam-pitsarana koa i Jesosy. Hilaza amin’ny ratsy fanahy izy, amin’izay, hoe: “Mialà amiko hianareo, ry voaozona, mba ho any amin’ny afo mandrakizay izay voavoatra ho an’ny demony sy ny anjeliny.” Nilaza koa izy fa “ho any amin’ny fijaliana mandrakizay” ireo.—MATIO 25:41, 46, Kat.
TOA te hilaza ireo tenin’i Jesosy ireo fa tena misy ny helo mirehitra afo na afobe. Mazava ho azy anefa, fa tsy i Jesosy mihitsy no hanohitra ny Tenin’Andriamanitra hoe: ‘Ny maty tsy mahalala na inona na inona.’—Mpitoriteny 9:5, Kat.
Inona àry no tian’i Jesosy hambara amin’ny hoe hariana “any amin’ny helo”? Ara-bakiteny sa an’ohatra ilay “afo mandrakizay” noresahiny? Inona no dikan’ny hoe “ho any amin’ny fijaliana mandrakizay” ny ratsy fanahy? Hovaliantsika tsirairay ireo fanontaniana ireo.
Inona no tian’i Jesosy hambara amin’ny hoe hariana “any amin’ny helo”? Avy amin’ny teny grika hoe Geenna ilay teny hoe “helo” ao amin’ny Marka 9:47. Ny hoe Geenna dia avy amin’ny teny hebreo hoe Gehinnôm, izay midika hoe “Lohasahan’i Hinoma.” Any ivelan’ny tanànan’i Jerosalema fahiny no misy an’io lohasaha io. Toerana nanaovana sorona ankizy izy io, tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely. Halan’Andriamanitra izany fanao maharikoriko izany. Nilaza izy fa hovonoiny izay manaraka an’io fanaon’ny fivavahan-diso io. Nanjary nantsoina hoe “Lohasaha Famonoana” ilay lohasaha, satria tao no nanariana ny fatin’ilay vahoaka. (Jeremia 7:30-34, Prot.) Nolazain’i Jehovah tao amin’ilay faminaniana àry fa ho toerana fanariana faty ny Lohasahan’i Hinoma, fa tsy ho fampijaliana olona velona.
Fanariam-pakon’ny mponin’i Jerosalema ny Lohasahan’i Hinoma, tamin’ny andron’i Jesosy. Narian’izy ireo tao koa ny fatin’ny mpanao heloka bevava sasany. Nasiana afo foana tao, mba handevonana ny fako sy ny faty.
Toa naka teny avy ao amin’ny Isaia 66:24 i Jesosy, rehefa niresaka momba ny kankana tsy maty, sy ny afo tsy mety vonoina. Hoy i Isaia, momba ‘ny fatin’ireo olona efa niodina tamin’Andriamanitra’: “Ny kankany tsy ho faty, ary ny afony tsy hovonoina.” (Prot.) Fantatr’i Jesosy sy ireo nihaino azy, fa izay natao tamin’ireo faty tsy mendrika ny halevina no tian’i Isaia horesahina.
Nampiasa ny teny hoe Gehena na Lohasahan’i Hinoma àry i Jesosy mba hilazana fahafatesana tsy misy fanantenana ny hatsangana intsony. Nanamafy izany izy rehefa nampitandrina fa “mahay mamarina [na mandringana] ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe” Andriamanitra. (Matio 10:28, Kat.) Midika ho fahafatesana mandrakizay àry ny Gehena na ilay afobe resahina eo, fa tsy fampijaliana mandrakizay.
Ara-bakiteny sa an’ohatra ilay “afo mandrakizay” nolazain’i Jesosy? Mariho fa nomanina “ho an’ny demony sy ny anjeliny” ilay “afo mandrakizay” nolazain’i Jesosy ao amin’ny Matio 25:41. Afaka mandoro anjely ve ny afo ara-bakiteny, araka ny hevitrao? Sa “afo” an’ohatra no noresahin’i Jesosy? Niresaka momba ny “ondry” sy “osy” koa izy, tao amin’ilay toriteniny. Azo antoka fa tsy ara-bakiteny izany, fa manondro karazan’olona roa. (Matio 25:32, 33) An’ohatra àry ilay afo mandrakizay, izay nolazain’i Jesosy fa handevona tanteraka ny ratsy fanahy.
Inona no dikan’ny hoe “ho any amin’ny fijaliana mandrakizay” ny ratsy fanahy? Baiboly maro no mandika ilay teny grika hoe kôlasin, ao amin’ny Matio 25:46, amin’ny hoe “fampijaliana.” Ny tena dikan’izy io anefa dia hoe “manara-maso ny fitomboan’ny hazo”, na manaisotra ny rantsana tsy ilaina. Hahazo fiainana mandrakizay àry ireo olona toy ny ondry, fa ireo toy ny osy kosa ‘hampijaliana mandrakizay’, izany hoe ho ringana toy ireo rantsana tsy ilaina.
Ahoana no hevitrao?
Tsy nampianatra mihitsy i Jesosy hoe manana fanahy tsy mety maty ny olona. Matetika kosa izy no nampianatra fa hatsangana ny maty. (Lioka 14:13, 14; Jaona 5:25-29; 11:25) Tsy hilaza mihitsy izy hoe hatsangana ny maty, raha manana fanahy tsy mety maty tokoa ny olona.
Tsy nampianatra i Jesosy hoe hampijaly ny ratsy fanahy mandrakizay Andriamanitra. Hoy kosa izy: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) Nilaza i Jesosy fa ho ringana izay tsy mino azy. Raha fampijaliana mandrakizay any amin’ny afobe no miandry ny olona toy ireny, tsy ho nilaza izany ve i Jesosy?
Tsy mampianatra ny Baiboly hoe toerana fampijaliana ny afobe. Fampianaran’ny mpanompo sampy izany, na dia lazaina aza fa fampianarana kristianina. (Jereo ilay efajoro hoe “Tantaran’ny Afobe”, pejy 6.) Tsy Andriamanitra mihitsy no hampijaly olona mandrakizay any amin’ny afobe. Inona no vokatry ny fahalalanao ny marina momba ny afobe, eo amin’ny fifandraisanao amin’Andriamanitra?
[Efajoro, pejy 6]
TANTARAN’NY AFOBE
NINOAN’NY MPANOMPO SAMPY FAHINY: Nino ny Ejipsianina fahiny fa misy ny afobe. Milaza Ny Boky Ȧm-Ṭuat, nosoratana tamin’ny 1375 Talohan’i Kristy (T.K.) fa misy olona “hatsipy any an-davaka mirehitra afo; ary ... tsy ho tafavoaka ao, sady ... tsy ho afa-mandositra ny lelafo ao amin’izy io.” Niresaka momba ny maty koa i Plutarque, filozofa grika (taona 46-120 tany ho any). Hoy izy: “Nidradradradra mafy [izy ireo], satria nampijalijalina sady nampiharana sazy mampanaintaina sy manala baraka.”
NANJARY NINO NY AFOBE NY FIVAVAHANA JIOSY: Niresaka ny zavatra ninoan’ny sekta jiosy atao hoe Esenianina i Josèphe mpahay tantara (taona 37-100 tany ho any). Nino izy ireo, hoy izy, fa “tsy mety maty ny fanahy ary velona mandrakizay. Mitovy amin’ny zavatra inoan’ny Grika izany ... Nino ny Grika fa gadraina any amin’ny toerana maizina sy mampahatahotra ny ratsy fanahy, ary sazina mandrakizay.”
LASA FAMPIANARAN’IREO MIHAMBO HO KRISTIANINA: Niresaka momba izay hanjo ny ratsy fanahy ny boky Apokalypsy Nosoratan’i Petera (anglisy), tamin’ny taonjato faharoa. Tsy avy amin’ny fanahy masina io boky io. Izao no voalaza ao: “Miandry azy ireo ny afo tsy mety vonoina.” Hoy koa izy io: “Mitondra lehilahy sy vehivavy ho any amin’ny toerana maizina na afobe i Ezraela, anjelin’ny fahatezerana. Mirehitra ny antsasaky ny vatan’ireo olona ireo. Misy anjely hafa manasazy azy ireo koa any.” Naminany momba ny sazy miandry ny mpanao ratsy i Sibyl, mpaminanivavy grika. Nanoratra ny teniny toy izao i Théophile, mpanoratra avy any Antiokia: “Ho avy aminareo ny afo midedadeda, ary hirehitra isan’andro isan’andro ianareo.” Nilaza i Théophile fa “marina” ireo teny ireo, sady “ilain’ny olona rehetra.”
NANALANA TSINY NY HERISETRA TAMIN’NY TAONA 500-1500: Protestanta efa ho 300 no nodoran’i Marie I, mpanjakavavin’i Angletera (1553-1558), teo amin’ny tsato-kazo. Nilaza, hono, izy hoe: “Hodorana mandrakizay any amin’ny afobe ihany ny fanahin’ireo mpivadi-pinoana ireo amin’ny hoavy, ka hitako fa mety raha manahaka ny famalian’Andriamanitra aho, ka mandoro azy ireo dieny eto an-tany.”
FAMARITANA VAO HAINGANA: Tsy ela izay, dia nanova ny fampianarany momba ny afobe ny antokom-pivavahana sasany. Izao, ohatra, no nolazain’ny Vaomieran’ny Eglizy Anglikanina tamin’ny 1995: “Tsy toeram-pijaliana mandrakizay ny afobe, fa fanafoanana tanteraka, miandry an’ireo manohitra an’Andriamanitra an-kitsirano.”
[Efajoro/Sary, pejy 7]
INONA “NY FARIHY AFO”?
Milaza ny Apokalypsy 20:10 fa hatsipy any amin’ny “farihy afo” ny Devoly, ary “hampijalina andro amin-alina mandrakizay mandrakizay.” (Prot.) Raha tena hampijalina mandrakizay izy, dia midika izany fa hovelomin’Andriamanitra foana. Milaza anefa ny Baiboly fa ‘horinganin’i Jesosy amin’ny fahafatesana’ ny Devoly. (Hebreo 2:14, Prot.) Ny “fahafatesana faharoa” no tiana holazaina amin’ny hoe farihy afo. (Apokalypsy 21:8) Tsy ilay fahafatesana vokatry ny fahotan’i Adama izy io. Mbola hatsangana mantsy ny olona maty noho ny fahotan’i Adama. (1 Korintianina 15:21, 22) Tsy milaza ny Baiboly hoe mbola hafahana ireo lasa ao amin’ny “farihy afo.” Midika ho fahafatesana mandrakizay àry “ny fahafatesana faharoa.”
Inona no dikan’ny hoe hampijalina mandrakizay ireo ao amin’ny “farihy afo”? Indraindray dia mety hidika hoe “managadra” ny hoe “mampijaly.” Niantsoantso toy izao ireo demonia, rehefa nahita an’i Jesosy: “Tonga etỳ va Hianao hampijaly anay [hanagadra anay ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka] alohan’ny fotoana?” (Matio 8:29; Lioka 8:30, 31, Prot.) “Hijaly” na hogadraina mandrakizay àry izay rehetra ao amin’ilay “farihy.” Toy ny hoe hogadraina mandrakizay ao amin’ny fahafatesana izy ireo.