Akaiky ny Faran’ny Fahantrana
INONA no tian’i Jesosy holazaina rehefa nilaza izy hoe: “Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva”? (Matio 26:11, Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara). Te hilaza ve izy hoe hisy mandrakizay ny fahantrana, fa tsy hisy vahaolana mihitsy?
Fantatr’i Jesosy fa hisy fahantrana foana raha mbola maharitra koa itỳ fandehan-javatra tapahin’ny olombelona itỳ. Fantany fa tsy ho afaka hamongotra amin’ny fomba maharitra ny fahantrana ny fitondram-panjakan’olombelona na inona na inona, na ny rafitra ara-toe-karena na sosialy na inona na inona. Ary mampiseho izany tokoa ny tantara.
Nandritra ny an’arivo taonany maro teo amin’ny tantaran’olombelona, dia nandramana izao karazana fitondram-panjakana rehetra izao, sy izao karazana rafitra ara-toe-karena sy sosialy rehetra izao, nefa mbola eto amintsika ihany ny fahantrana. Eny tokoa, na dia eo aza ny fandrosoana eo amin’ny sehatra toy ny siansa sy ny indostria ary ny fitsaboana, ny zava-misy tsy azo iadian-kevitra dia hoe tsy mitsaha-mitombo ny isan’ny olona voagejan’ny fahantrana, maneran-tany.
Fantatr’i Jesosy tsara ireo anton-javatra maro mahatonga fahantrana, toy ny mosary, ny hain-tany, ny fananiham-bohitry ny tafika fahavalo, ny fitondram-panjakana tsy mahomby, ny tsy fahaiza-mitantana ny toe-karena, ny tsindry hazo lena ampiharin’ny manankarena sy ny matanjaka amin’ny mahantra sy ny malemy, ny voina tsy ampoizina sy ny aretina ary ny fahafatesan’ny lehilahy izay mamela kamboty sy vady mihamahantra. Ambonin’izany, dia fantany fa afaka mampahantra ny tenany sy ny fianakaviany ny olona, amin’ny alalan’ny fahazaran-dratsy toy ny hakamoana, ny fahamamoana, ny filokana ary ny fahandevozana amin’ny zava-mahadomelina.
Koa rehefa niteny àry i Jesosy hoe “ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva”, ny tiany holazaina dia hoe tsy ho hain’ny fikambanana na iza na iza eto amin’itỳ tontolo itỳ ny hamongotra ny fahantrana. Ny tiany holazaina koa dia hoe hisy foana ny mahantra, raha mbola misy koa itỳ fandehan-javatra tapahin’ny olombelona itỳ.
Na dia olana efa nisy hatramin’ny andro fahiny aza ny fahantrana, dia tsy tokony hanatsoaka hevitra isika hoe tsy nangoraka ny nahantra na i Jesosy na ny Rainy any an-danitra. Tsy tokony hanatsoaka hevitra koa isika, avy amin’ireo tenin’i Jesosy ireo, hoe tsy hifarana mihitsy ny fahantrana. Izany dia mazava avy amin’izay lazain’ny Baiboly momba izany.
Ny fahantrana sy ny Lalàn’i Mosesy
Ohatra, hevero ny Lalàna nomen’Andriamanitra ny firenen’Isiraely fahiny tamin’ny alalan’i Mosesy. Zavatra iray notakin’ny Lalàna ny hoe nomena tany ho lova tao Kanana ny fianakaviana isiraelita tsirairay. (Deoteronomia 11:8-15; 19:14). Ny Levita, izay tsy nahazo anjara, no hany naningana tamin’izany. Nahazo ny ampahafolon’ny vokatry ny tany kosa anefa izy ireo, ho fanampiana azy noho ny asany manokana tao amin’ny tempoly. — Nomery 18:20, 21, 24.
Ambonin’izany, noho ny lalàna momba ny fandovana teo ambanin’ny Lalàn’i Mosesy, dia nanjary azo antoka fa ho an’ilay fianakaviana na ilay foko nomena azy foana ilay tany. (Nomery 27:8-11). Na dia nivarotra ny taniny aza ny olona iray, dia fotoana voafetra ihany no nahafahan’ilay tompony vaovao nanana azy io. Amin’ny farany, dia haverina amin’ilay fianakavian’ilay nivarotra azy ihany ilay izy.
Ho an’ireo izay nanjary nahantra noho ny antony maro samihafa, toy ny tsy fahaiza-mikarakara ny taniny na ny fandanilaniam-poana ny fananany, ny Lalàna dia niantoka ny zo hitsimpona sakafo eny an-tanimbary sy an-tanim-boankazo ary an-tanim-boaloboky ny hafa. (Levitikosy 23:22). Ankoatra izany, ny Isiraelita sahirana iray dia afaka nisambo-bola nefa tsy voatery handoa zana-bola. Eny tokoa, tsy maintsy naneho toe-tsaina feno fahalalahan-tanana tamin’ireo nahantra, ny Isiraelita. — Eksodosy 22:24.
Niahy ny nahantra i Jesosy
Taonjato maro tatỳ aoriana, rehefa tonga teto an-tany i Jesosy, dia nanohy naneho ilay toe-tsaina feno fahalalahan-tanana izay nianarany avy tamin’i Jehovah Rainy, izy. Naneho fiheverana manokana an’ireo izay nahantra ara-nofo i Jesosy. Nanana tahirim-bola niombonana izy sy ny mpianany, ary avy tamin’izy io no nanomezan’izy ireo ho an’ny Isiraelita sahirana. — Jaona 12:5-8.
Taorian’ny namonoana an’i Jesosy, dia naneho izany fiahiana ny nahantra izany koa ny Kristiana rehefa nanolotra fanampiana ara-bola, indrindra fa ho an’ireo rahalahiny sy anabaviny ara-panahy nahantra kokoa. (Romana 15:26). Mifaneho izany fiahiana amim-pitiavana izany ny Kristiana marina amin’izao andro izao.
Mazava ho azy fa manome tsiny an’ireo izay “homana ny tenany” noho ny hakamoana ny Baiboly, na dia maneho fangoraham-po amin’ireo iharan’ny tsindry hazo lena aza. (Mpitoriteny 4:1, 5). Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Raha misy tsy mety miasa, dia aoka tsy hihinana izy.” (2 Tesaloniana 3:10). Toy izany koa fa, mety ho latsaka ao amin’ny fahantrana ireo izay mandanilany foana ny tahirim-bolany amin’ny fahazarana toy ny fahandevozana amin’ny zava-mahadomelina, ny paraky sy sigara, na ny zava-pisotro misy alkaola. Vokatry ny asa ratsin’ny tenany ihany izany; ‘mijinja izay nafafiny’ izy ireo, raha ny marina. — Galatiana 6:7.
Filaminan-tsaina ankehitriny
Asehon’ny Baiboly fa liana manokana amin’ny toe-piainan’ireo izay miezaka hanao ny sitrapony, Andriamanitra. Ao amin’ny Salamo 37:25, ohatra, dia hoy i Davida: “Efa mba tanora ihany aho, ary efa antitra ankehitriny; fa tsy mbola hitako izay marina nafoy, na ny zanany mangataka hanina.” Tsy harena no ampanantenaina an’ireo izay tia ny fahamarinana, fa ny tiana holazaina eto kosa dia hoe hataon’Andriamanitra izay hananan’izy ireo zavatra ara-nofo ampy, mba hahavelomany hatrany. Ary hoy ny andininy faha-28 amin’io salamo io ihany: “Jehovah tia rariny sady tsy hahafoy ny olony masina”.
Tsy ny naneho fiahiana an’ireo nahantra tamin’ny fanampiana azy ireo tamin’ny lafiny ara-nofo fotsiny no nataon’i Jesosy, nandritra ny fiainany teto an-tany. Nanome toky azy ireo izy fa raha mbola niezaka nanao ny sitrapon’Andriamanitra koa izy ireo, dia hataon’Andriamanitra izay hanomezana azy ny zavatra tena ilainy indrindra, fara faharatsiny, ankehitriny sy amin’ny hoavy. Nilaza izao manaraka izao i Jesosy:
“Tsinjovy ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy, na mijinja, na mitaona ho any an-tsompitra ireny; ary ny Rainareo Izay any an-danitra mamelona azy. Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va hianareo? (...) Ary nahoana no manahy ny amin’ny fitafiana hianareo? Diniho tsara ny fanirin’ny vonin-kazo any an-tsaha; tsy mba miasa na mamoly ireny; nefa lazaiko aminareo fa na dia Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’ireny. Ary raha ny ahitra any an-tsaha, izay any ihany anio ka hatsipy ao am-patana rahampitso, no ampitafin’Andriamanitra toy izany, tsy mainka va hianareo, ry kely finoana? Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: Inona no hosotroinay? na: Inona no hotafinay? (...) Fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:26-32.
Namarana ny teniny i Jesosy tamin’ny fampirisihana an’ireo mpanara-dia azy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany [ny an’Andriamanitra] sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Izany ka fampaherezana ho an’ireo izay mahantra, nefa miezaka hanao ny sitrapon’Andriamanitra! Mariho koa fa nampiseho i Jesosy fa ny Fanjakan’Andriamanitra no tokony ho ny zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainan’ireo mpanara-dia azy. Fantatr’i Jesosy fa rehefa hifehy tanteraka ny tany manontolo ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, dia amin’izay fotoana izay — ary amin’izay ihany — vao ho fongotra ny fahantrana.
Tsy ho eto amintsika mandrakizay
Araka izany, i Jesosy dia nanome fanantenana mahatalanjona ho an’ny hoavy. Koa rehefa niteny àry izy fa “ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva”, dia nanisy firesahana ny fiainana amin’itỳ fandehan-javatra tapahin’ny olombelona itỳ, izy. Tsy nanisy firesahana ny fiainana amin’ny hoavy eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra, izy. Milaza mialoha toy izao ny Baiboly: “Tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan’ny mahantra.” (Salamo 9:18). Ary amin’ny maha-Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra azy, dia tsy handefitra na amin’iza na amin’iza mitady hanararaotra sy hanao tsindry hazo lena amin’ny hafa, i Kristy Jesosy.
Ny fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra no nataon’i Jesosy foto-kevitry ny fampianarany. (Matio 4:17). Eo ambany fanapahan’ilay Fanjakany, dia hanome taratry ny toe-piainana any an-danitra ny eto an-tany. Izany no antony nampianarany ny mpanara-dia azy hivavaka amin’Andriamanitra hoe: “Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao etỳ an-tany tahaka ny any an-danitra.” — Matio 6:10.
Amin’ny fomba ahoana no hitrangan’izany? Fikasan’Andriamanitra ny hamongotra itỳ fandehan-javatra manontolo tapahin’ny olombelona itỳ tsy ho eto an-tany sy ny hanolo azy amin’ny fanapahan’ny Fanjakany any an-danitra. Milaza toy izao ny faminaniana ao amin’ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [izay misy ankehitriny] Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’olon-kafa [tsy hisy fanapahan’olombelona intsony], fa ireo fanjakana [misy ankehitriny] rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.”
Avy eo, ao amin’ny tontolo vaovao iray, eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra, ny tany manontolo dia hovana ho paradisan’ny fahatondrahana, ka tsy hisy soritry ny fahantrana intsony. Mariho ireto faminaniana sasany ao amin’ny Baiboly momba ny toe-piainana hisy amin’izany fotoana izany ireto:
“Jehovah, Tompon’ny maro, dia hanao fanasana ho an’ny firenena rehetra (...), fanasana amin’ny divay efa niotrika ela, zavatra matavy be tsoka”. (Isaia 25:6). “Hahavoka-bary betsaka ny tany, na dia any an-tampon’ny tendrombohitra aza”. (Salamo 72:16). ‘Hampilatsaka ranonoram-pitahiana mivatravatra Aho. Ary hamoa ny hazo any an-tsaha, sady hahavokatra ny tany, ary handry fahizay amin’ny tany izy’. (Ezekiela 34:26, 27). “Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.” (Salamo 67:6). “Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.” — Isaia 35:1.
Ankoatra izany, dia mampanantena toy izao ny Mika 4:4: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. Samy hanana ny tranony manokana avy ny rehetra: “Hanao trano ny olona ka hitoetra ao (...). Tsy hanao trano hitoeran’olon-kafa izy”. (Isaia 65:21, 22). Tsy mahagaga raha afaka nampanantena an’ireo izay nino ny fampianarany i Jesosy hoe: “Hiaraka amiko ao amin’ny Paradisa ianao”! — Lioka 23:43, NW.
Eny, ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry mihitsy no mampianatra mazava fa hifarana tanteraka ny fahantrana. Ary mihamanatona izany fotoana izany, satria asehon’ny faminanian’ny Baiboly fa ao amin’ny “andro farany” ho azy izao itỳ tontolo itỳ, ka miatrika ‘fotoan-tsarotra tsy mora setraina’. (2 Timoty 3:1-5, 13, NW ). Tsy ho ela itỳ fandehan-javatra itỳ dia hesorina mandrakizay ary ho fongotra amin’ny fomba maharitra ny fahantrana — tsy amin’ny alalan’ny ezaka ataon’ny olombelona akory, fa amin’ny alalan’ny fisalovanan’Andriamanitra. I Jesosy Kristy Mpanjaka dia “hamonjy ny mahantra mitaraina (...) sy ny ory tsy manan-kamonjy; hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo”. — Salamo 72:12, 13.
[Sary, pejy 8, 9]
Hisy trano tsara hipetrahana sy sakafo tondraka ho an’ny rehetra, ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra
[Sary, pejy 10]
Tsy hisy ankizy noana mihitsy ao amin’ny tontolo vaovao