Fantatrao Ve?
Nisy antony manokana ve ny hoe nivahiny tany amin’ny mpanao hoditra aloha ny apostoly Petera vao nasaina nankany amin’i Kornelio?
▪ Tantaraina ao amin’ny Asan’ny Apostoly fa nijanona “andro vitsivitsy tao Jopa i Petera, tao amin’i Simona mpanao hoditra.” Teo “amoron-dranomasina ny tranon’izy io.” (Asan’ny Apostoly 9:43; 10:6) Noheverin’ny Jiosy ho maloto sy ambany ny asan’ny mpanao hoditra. Milaza ny Talmoda jiosy fa na ny mpandraoka taim-biby aza mbola ambony noho ny mpanao hoditra. Nikasikasika fatim-biby matetika i Simona noho ilay asany, ka naloto foana araka ny Lalàna. (Levitikosy 5:2; 11:39) Maro no milaza fa nety ho nampiasa ranomasina i Simona tamin’ny asany, ary tany ivelan’ny tanàna no nisy ny toeram-piasany satria “nanamaimbo” tanàna ny fanaovana hoditra.
Na izany aza, dia tsy nampaninona an’i Petera ny nivahiny tany amin’i Simona. Midika izany fa nety ho efa tsy nitsara an-tendrony an’ireo olona noheverin’ny Jiosy ho maloto izy, toy ny nataon’i Jesosy.—Matio 9:11; Lioka 7:36-50.
Inona no dikan’ilay tenin’i Jesosy hoe “voalazanao”?
▪ Nasain’i Kaiafa, mpisoronabe jiosy, nilaza ampahibemaso i Jesosy raha izy no Kristy Zanak’Andriamanitra, ka hoy izy: “Voalazanao.” (Matio 26:63, 64) Inona no tiany holazaina?
Tsy hoe tsy te hamaly ny fanontanian’i Kaiafa akory i Jesosy. Toa fomba fiteny nahazatra ny Jiosy ilay hoe “voalazanao”, mba hanekena fa marina ny zavatra iray. Milaza, ohatra, ny boky momba ny fivavahana jiosy atao hoe Talmodan’i Jerosalema, natao tamin’ny taonjato fahefatra, fa nisy lehilahy jiosy iray nanontaniana raha maty ny raby iray. Namaly izy hoe: “Voalazanao.” Fanamafisana izany fa maty tokoa ilay raby.
Fantatr’i Jesosy fa nanana fahefana hanery azy hilaza ny marina ilay mpisoronabe. Raha tsy niteny koa anefa izy dia ho toy ny nanda fa tsy izy no Kristy. Rehefa namaly àry i Jesosy hoe “voalazanao”, dia te hilaza izy fa marina ny tenin’ilay mpisoronabe. Araka ny fitantaran’i Marka indray, dia izao no navalin’i Jesosy an’i Kaiafa: “Izaho no izy.”—Marka 14:62; jereo koa ny Matio 26:25 sy Marka 15:2.
[Sary, pejy 18]
Fanaovana hoditra any Fès, Maroc