“Ity no vatako”
“RAISO ary hano; ity no vatako.” (Matio 26:26, Fandikan-teny katolika)
Tamin’ireo teny ireo dia nampandalo mofo tsy nisy masirasira tamin’ireo apostoliny i Jesosy Kristy fony izy nanorina ny Sakafo harivan’ny Tompo. Inona anefa no tiany holazaina tamin’ny teny hoe: “Ity no vatako”?
Zava-dehibe ho an’ny katolika romana ny valin’io fanontaniana io, satria ny tenin’i Jesosy dia mahaforona ny foto-pampianarana ny amin’ny fiovan’ny mofo sy ny divay ho tena nofo sy ra rehefa avy nohamasinina. Araka io hevitra inoana io, rehefa mankalaza lamesa ny katolika ka mitelina ilay hostia dia miova ho vatana na nofon’i Kristy ara-bakiteny izy io. Izy ireo àry dia hanipaka mafy Ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’Izao Tontolo Izao Vaovao izay mandika ny tenin’i Jesosy hoe: “Raiso, hano. Mampiseho ny tenako ity”. Te hilaza io fandikana io fa fampisehoana ny nofon’i Jesosy ilay mofo fa tsy ilay nofony mihitsy akory. Dikan-teny inona no mamoaka ny hevitra marina?
Ny teny grika nadika hoe “no” na “mampiseho” dia e·stinʹ. Amin’ny fotony, izy io dia midika hoe “no” na “dia”, kanefa mety hidika koa izy io hoe: “manana ny heviny hoe, midika hoe”. Fandikana inona no tsara kokoa eto amin’ity teny manodidina ity?
Tsara homarihina ny fanazavana ambany pejy amin’ny Matio 26:26 ao amin’ny Baiboly amin’ny fiteny espaniola La Sagrada Escritura, Texto y comentario por Profesores de la Compañía de Jesús, Nuevo Testamento I (Ny Soratra Masina, Soratra sy Fanazavana nataona Profesora maro ao amin’ny Mpiray dia amin’i Jesosy, Testamenta Vaovao). Hoy izy: ‘Ny fandikan-teny, araka ny fitsipi-pitenenana, dia azo nadika hoe midika na mampiseho ary koa hoe no na dia — izay milaza fitoviana ara-bakiteny. Ho ohatra ahitana fa ny heviny dia hoe mampiseho, dia azo tononina ny Genesisy 41:26; Ezekiela 5:5; Daniela 7:17; Lioka 8:11; Matio 13:38; 16:18; Galatiana 4:24; Apokalypsy 1:20. Ny dikan’ny dia na no ([amin’ny heviny hoe] dia mitovy amin’ny) dia misongadina toy izay hita ao amin’ny boky misy foto-pampianarana manilika izay mety ho fanoharana na fampisehoan-javatra, ary koa araka ny fomba fahazoan’ny Eglizy voalohany ilay fitenenana.’
Araka ny asehon’io dikan-teny katolika romana io amim-pahatsorana, ara-pitsipi-pitenenana ny tenin’i Jesosy dia samy azo raisina amin’ireo fomba roa ireo. Raha ny marina, ny teny grika e·stinʹ dia adika hoe “ny hevitry ny” any an-toeran-kafa ao amin’ny Fandikan-teny katolika. (Matio 12:7). Teny inona no tokony hofidin’ny mpandika teny ao amin’ny Matio 26:26? Koa satria mbola velona tao anatin’ny vatana tanteraka i Jesosy rehefa nilaza ireo teny amin’io andinin-teny io, ilay mofo natolony ny mpanara-dia azy dia tsy mety ho ny nofony ara-bakiteny. Ambonin’izany, dia natolotra ho sorom-panavotana ny vatan’olombelona tanteraka nananany iray manontolo. (Kolosiana 1:21-23). Noho izany, ny fandikana tsara indrindra an’io andinin-teny io dia izao: “Mampiseho ny tenako ity”. Ilay mofo tsy nisy masirasira dia nampiseho ny vatan’i Jesosy, izay nadiva hatao sorona ho an’ny taranak’olombelona.
Na dia mampiasa ny fitenenana hoe “Ity no tenako” aza ny Baibolinao manokana, dia tsy voatery ho very hevitra ianao. Nampiasa matetika fomba fiteny toy izany i Jesosy. Rehefa nilaza izy hoe ‘Izaho no varavarana’ sy hoe “Izaho no tena foto-boaloboka”, dia tsy nisy nihevitra fa varavarana ara-bakiteny sy foto-boaloboka ara-bakiteny izy. (Jaona 10:7, kat.; 15:1, kat.). Ary rehefa nampandalo ny kalisy nisy divay izy ka niteny toy izao, araka ny Fandikan-teny katolika: “Ity kalisy ity no fanekena vaovao”, dia tsy nisy nieritreritra hoe ilay kalisy dia ilay fanekena vaovao ara-bakiteny. (Lioka 22:20). Toy izany koa, rehefa nilaza izy fa ilay mofo “no” vatany, dia tsy maintsy raisintsika avy amin’izany fa ilay mofo dia “midika” na mampiseho ny vatany.