“Fotoana anginana sy fotoana itenenana”
IMPIRY ianao no efa nitaraina hoe: “Tahaka izay aho tsy nilaza izany”? Etsy an-danin’izany, dia mety ho mahatadidy fotoana hafa izay tsy nilazanao tamin-kasahiana ny hevitrao ianao. Rehefa mihevitra ny lasa ianao, dia mety ho nieritreritra hoe: “Tahaka izay aho nilaza ny hevitro.”
Milaza ny Baiboly fa misy “fotoana anginana sy fotoana itenenana”. (Mpitoriteny 3:7, NW ). Eto àry no mipetraka ny zava-manahirana matetika — ny manapa-kevitra hoe amin’ny fotoana toy inona no hiteny ary amin’ny fotoana toy inona no hangina. Ny toetran’olombelona tsy lavorary ananantsika matetika dia manosika antsika hanao sy hilaza zavatra amin’ny fotoana tsy mety. (Romana 7:19). Ahoana no ahafahantsika mifehy ny lelantsika tsy mora fehezina? — Jakoba 3:2.
Ireo fomba hamolahana ny lela
Mba hanampiana antsika hanapa-kevitra hoe amin’ny fotoana toy inona no hiteny ary amin’ny fotoana toy inona no hangina, dia tsy mila lisitra fitsipika lava natao hahafaoka ny tarehin-javatra rehetra mety hisy isika. Mila hotarihin’ireo toetra izay tena tapany amin’ny toetra kristiana kosa isika. Inona avy ireo toetra ireo?
Nanazava i Jesosy Kristy fa ny fitiavana no toetra lehibe indrindra manosika ny mpianany. “Izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro hianareo, raha mifankatia”, hoy izy. (Jaona 13:35). Arakaraka ny anehoantsika izany fitiavan-drahalahy izany no hifehezantsika tsara kokoa ny lelantsika.
Hanampy antsika be dia be koa ny toetra roa mifandray akaiky. Ny iray amin’ireo dia ny fanetren-tena. Mahatonga antsika ho afaka ‘hanao ny namantsika ho mihoatra noho ny tenantsika’ izy io. (Filipiana 2:3). Ilay toetra hafa iray dia ny fahalemem-panahy, izay mihazona antsika ‘hahatan-tena ao anatin’ny tarehin-javatra ratsy’. (2 Timoty 2:24, 25, NW ). Manana ohatra lavorary ny amin’ny fomba tokony hanehoana ireo toetra ireo isika ao amin’i Jesosy Kristy.
Koa satria sarotra kokoa ny mifehy ny lelantsika rehefa eo ambanin’ny fanerena, dia aoka isika handinika izay nitranga tamin’ilay alina talohan’ny nahafatesan’i Jesosy — fotoana izay naha-“feno tebiteby fatratra” azy. (Matio 26:37, 38, DIEM ). Tsy mahagaga raha izany no tsapan’i Jesosy satria niankina tamin’ny fitoerany ho mahatoky teo anatrehan’Andriamanitra ny hoavy mandrakizain’ny olombelona rehetra. — Romana 5:19-21.
Azo antoka fa, ho an’i Jesosy, dia io no fotoana hitenenana tamin-dRainy any an-danitra. Noho izany, dia lasa izy mba hivavaka, nangataka tamin’ny telo tamin’ireo mpianany mba hiari-tory. Taorian’ny fotoana kelikely dia tonga izy ary nahita azy ireo natory. Hoy izy tamin’i Petera tamin’izay: “Hay! tsy mahazaka ny miara-miari-tory amiko na dia ora iray ihany aza hianareo!” Io fanomezan-tsiny tamim-pitiavana io dia narahin’ny teny nampiseho fahatakarana ny fahalemen’izy ireo. Hoy izy: “Mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.” Fotoana kelikely tatỳ aoriana, dia tonga indray i Jesosy ary nahita ny mpianany natory. Niteny tamin’izy ireo tamin-katsaram-panahy izy ary ‘lasa nivavaka fanintelony’. — Matio 26:36-44.
Rehefa nahita ireo mpianatra natory fanintelony i Jesosy, dia tsy henjana tamin’izy ireo, fa nilaza kosa hoe: “Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!” (Matio 26:45, DIEM ). Tsy misy afa-tsy olona iray manana fo feno fitiavana sy tena malemy fanahy sy manetry tena marina no afaka nampiasa ny lelany tamin’izany fomba izany tamin’ny fotoan-tsarotra toy izany. — Matio 11:29; Jaona 13:1.
Tsy ela taorian’izay, dia voasambotra i Jesosy ary notsaraina. Eto dia ianarantsika fa indraindray dia tsara indrindra ny mangina, na dia rehefa manao ny fanompoantsika kristiana aza isika. Dodona tamin’ny fikasana hiampanga lainga an’i Jesosy ireo lohan’ny mpisorona, ka tsy niraharaha izay hoe hahafantatra ny fahamarinana. Koa tao anatin’izany rivo-piainana, azo inoana ho niteraka herisetra izany àry, dia nangina i Jesosy. — Ampitahao amin’ny Matio 7:6.
Tsy hoe nangina foana anefa i Jesosy rehefa nanontany azy toy izao ny mpisoronabe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.” (Matio 26:63). Koa satria nampianianina i Jesosy, dia tonga ny fotoana hitenenany. Noho izany, dia namaly toy izao izy: “Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.” — Matio 26:64.
Nandritra io andro lehibe io, dia naneho fifehezana tanteraka ny lelany i Jesosy. Raha ny aminy, dia anisan’ny toetrany raikitra ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ary ny fanetren-tena. Ahoana no ahafahantsika maneho ireo toetra ireo mba hifehezana ny lelantsika rehefa eo ambanin’ny fanerena isika?
Fifehezana ny lela rehefa tezitra
Rehefa tezitra isika, dia matetika tsy mahafehy ny lelantsika. Ohatra, indray mandeha dia tsy nifanara-kevitra i Paoly sy i Barnabasy. “Tian’i Barnabasy ny hitondra an’i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy. Nefa nataon’i Paoly fa tsy tokony ho entiny miaraka aminy izy, satria nandao azy tany Pamfylia ka tsy niaraka taminy ho any amin’ny raharaha. Ary nifanditra mafy izy roa lahy ka nisaraka”. — Asan’ny Apostoly 15:37-39.
Mitantara toy izao i Michael,a izay nandritra ny taona maro dia niasa tamin’ireo tetik’asa fanorenana: “Nisy olona iray teo amin’ny toeram-panorenana izay fantatro tsara sady nohajaiko. Toa nahita hokianina mandrakariva tamin’ny asa nataoko anefa izy io. Nalahelo sy sosotra aho, nefa tsy nampiseho ny fihetseham-poko. Indray andro dia tsy tantiko intsony rehefa nanakiana ny asa iray vao avy nataoko izy.
“Navoakako daholo ny fihetseham-po rehetra nokoboniko tato anatiko. Tao anatin’ny fisafoahana, dia nanadino ny voka-dratsy tsy maintsy ho nentin’izany teo amin’ireo rehetra nanodidina anay aho. Iny andro iny, dia tsy te hiresaka na hahita azy akory aho. Takatro ankehitriny fa tsy niatrika ilay zava-nanahirana tamin’ny fomba nety aho. Nety ho tsara lavitra ho ahy ny nangina ary ny niteny rehefa tony kokoa.”
Soa ihany fa nanosika ireo olon-droa ireo handamina ny tsy fifanarahany ny fitiavana kristiana. Manazava toy izao i Michael: “Rehefa avy nifampiresaka tamim-pahatsoram-po izahay dia samy nahazo tsara kokoa ny fihevitry ny andaniny avy, ary ankehitriny dia manana fisakaizana mafy izahay.”
Toy ny nianaran’i Michael, rehefa tezitra isika, dia fahendrena indraindray ny mangina. “Izay mahatsindry fo no [mahay manavaka, NW ]”, hoy ny Ohabolana 17:27. Hanampy antsika hifehy ny faniriana mafy hanao teny manindrona ny fahaiza-manavaka sy ny fitiavan-drahalahy. Raha nisy nanafintohina antsika, dia aoka isika hiteny amin’ilay olona mitokana, amin’ny toe-tsaina feno fahalemem-panahy sy feno fanetren-tena, noho ny fikendrena hamerina ny fihavanana amin’ny laoniny. Ahoana raha efa nitranga ny fipoahan’ny fahatezerana? Amin’izay, ny fitiavana dia hanosika antsika hampandefitra ny hambom-pontsika ka hitady amim-panetren-tena hanarina ny zavatra tsy nety vita. Izany no fotoana tokony hitenenana, hilazana ny fanenenana sy hanasitranana ireo fihetseham-po voaratra amin’ny alalan’ny fifampiresahana feno fahatsorana. — Matio 5:23, 24.
Rehefa tsy vahaolana ny fanginana
Mety hahatonga antsika hitsahatra tsy hiteny amin’ilay olona nanorisory antsika ny fahatezerana na ny fahasosorana. Mety tena hanimba izany. “Nandritra ny taona voalohany tamin’ny fanambadianay, dia nisy fotoana izay tsy nety nitenenako tamin’ny vadiko nandritra ny andro maromaro”, hoy i María niaiky.b “Mazàna izany dia tsy noho ny zava-manahirana lehibe fa noho ny fiangonan’ny fahasosorana kely maro. Tsy nitsahatra nieritreritra momba ireny fanorisorenana rehetra ireny aho mandra-pahatongany ho vato misakana tahaka ny tendrombohitra. Avy eo, dia tonga ny fotoana tsy nahazakako izany intsony, ka nitsahatra tsotra izao tsy niteny tamin’ny vadiko aho mandra-pandalon’ny tsy fahafaham-poko.”
Manampy teny toy izao i María: “Nanampy ahy hanitsy ny fisainako ny andinin-teny miavaka iray ao amin’ny Baiboly — ‘aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranao’. Niezaka mafy nanatsara ny fifampiresahana teo aminay izahay mivady mba tsy hahatonga ireo zava-manahirana hiavosa. Tsy mora foana izany, nefa taorian’ny folo taona nanambadiana, dia faly aho milaza fa mahalana kokoa no mitranga ireny fe-potoana fanginana henjana ireny. Kanefa, tsy maintsy miaiky aho fa mbola miezaka mafy mifehy io fironana io.” — Efesiana 4:26.
Toy ny hitan’i María, rehefa misy fihenjanana eo amin’ny olon-droa, dia tsy vahaolana ny tsy fisian’ny fifampiresahana. Ao anatin’izany toe-javatra izany, dia azo inoana fa hitombo ny fahatezerana, ka mety ho simba ny fifandraisana. Nilaza i Jesosy fa tokony ho ‘mailaka momba ny fandaminan-draharaha’ isika. (Matio 5:25, NW ). “Ny teny atao amin’ny [fotoana mety, NW ]” dia afaka manampy antsika ‘hikatsaka fihavanana’. — Ohabolana 25:11; 1 Petera 3:11, NW.
Ilaina koa ny itenenana rehefa mila fanampiana ny tenantsika. Raha toa isika ka mijaly noho ny zava-manahirana ara-panahy, dia mety tsy ho vonona hanome enta-mavesatra ny hafa. Raha toa anefa isika ka mangina, dia mety hiharatsy tokoa ilay zava-manahirana. Miahy antsika ireo loholona kristiana voatendry ary, raha toa isika ka mamela azy ireny, dia tsy isalasalana fa ho dodona izy hanome fanampiana. Fotoana tokony hitenenantsika amin’izay. — Jakoba 5:13-16.
Ambonin’ny zava-drehetra, dia tokony hiresaka amin’i Jehovah tsy tapaka ao amin’ny vavaka feno fahatsoram-po isika, toy ny nataon’i Jesosy. Eny tokoa, aoka isika ‘handoatra ny fontsika’ amin’ilay Raintsika any an-danitra. — Salamo 62:8; ampitahao amin’ny Hebreo 5:7.
“Fotoana itenenana” momba ny Fanjakan’Andriamanitra
Ny fanompoana kristiana dia asa anirahan’Andriamanitra, izay tsy maintsy tanterahina alohan’ny hahatongavan’ny farany. Mbola tsy iankinan’ny aina toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy noho izany ny hanambaran’ny mpanompon’i Jehovah ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. (Marka 13:10). Tahaka ireo apostoly, ny Kristiana marina dia ‘tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitany sy reny’ tokoa. — Asan’ny Apostoly 4:20.
Mazava ho azy fa tsy ny olona rehetra no maniry handre ny vaovao tsara. Raha ny marina, rehefa naniraka ny mpianany hitory i Jesosy, dia nanoro hevitra azy ireo izy mba ‘hamantatra tsara izay mendrika’. Koa satria i Jehovah tsy manery na iza na iza mihitsy hanompo azy, dia tsy hikiry koa isika hiresaka amin’olona izay mandà mafy ny hafatra momba ilay Fanjakana. (Matio 10:11-14). Mahafaly antsika anefa ny miresaka momba ny maha-Mpanjaka an’i Jehovah amin’ireo izay ‘manana fironan’ny saina tsara ho amin’ny fiainana mandrakizay’. — Asan’ny Apostoly 13:48, NW; Salamo 145:10-13.
Ny fitiavana sy ny fahalemem-panahy ary ny fanetren-tena dia toetra afaka manampy antsika hifehy ny fironantsika tsy lavorary hiteny amin’ny fomba henjana na ho latsaka ao amin’ny fanginana tsy laitra. Rehefa mitombo amin’ny fananana ireo toetra ireo isika, dia ho ampy fitaovana tsara kokoa mba hanavaka ny fotoana mety sy tsy mety hitenenana.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Tsy tena anarany.
b Tsy tena anarany.
[Sary, pejy 23]
Azo alamina amin’ny alalan’ny fifampiresahana tsara ireo zava-manahirana