-
Nentina Tany Amin’i Anasy i Jesosy ary avy eo Tany Amin’i KaiafaI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Namely tehamaina an’i Jesosy ny mpiambina iray nijoro teo, sady nibedy azy hoe: “Izany ve no fomba famalinao ny lehiben’ny mpisorona?” Fantatr’i Jesosy anefa fa tsy nisy ratsy nataony, ka hoy izy: “Raha diso izay nolazaiko, dia porofoy izay diso. Fa raha marina kosa, nahoana no mamely ahy ianao?” (Jaona 18:22, 23) Nasain’i Anasy nentina tany amin’i Kaiafa vinantolahiny i Jesosy avy eo.
Efa tafavory tao an-tranon’i Kaiafa ireo anisan’ny Fitsarana Avo, izany hoe ny mpisoronabe sy ny anti-panahin’ny vahoaka ary ny mpanora-dalàna. Tsy ara-dalàna ny mitsara olona amin’ny alin’ny Paska. Tsy nahasakana azy ireo tsy hanatanteraka ny teti-dratsiny anefa izany.
Tsy nanao ny rariny ny ankamaroan’izy ireo. Efa nanapa-kevitra ny Fitsarana Avo fa tokony hovonoina ho faty i Jesosy rehefa avy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty. (Jaona 11:47-53) Niray tetika hisambotra an’i Jesosy sy hamono azy koa ny mpitondra fivavahana, andro vitsivitsy talohan’izay. (Matio 26:3, 4) Mbola tsy notsaraina àry i Jesosy dia toy ny efa voaheloka ho faty.
-
-
Nanda An’i Jesosy i PeteraI Jesosy no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana
-
-
Natahotra ireo apostoly rehefa nosamborina i Jesosy, tao amin’ny zaridainan’i Getsemane. Nandao azy àry izy ireo ka nandositra. Niverina anefa ny roa, dia i Petera sy “ny mpianatra iray”, izay angamba ny apostoly Jaona. (Jaona 18:15; 19:35; 21:24) Nety ho nahatratra an’i Jesosy izy ireo tamin’izy nentina ho any an-tranon’i Anasy. Nanaraka teny lavidavitra teny izy roa lahy, rehefa nalefan’i Anasy tany amin’i Kaiafa Mpisoronabe i Jesosy. Sady natahotra ny hamoy ny ainy angamba izy ireo no nanahy hoe inona no hanjo an’ilay Tompony.
-