Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
“Mendrika hohelohina ho faty izy”
NENTINA tany amin’i Anasy, ilay mpisoronabe nanam-pahefana taloha, i Jesosy, nifatotra toy ny mpanao heloka bevava fanta-bahoaka. Anasy dia mpisoronabe fony i Jesosy, zazalahy 12 taona, nahatalanjona ireo mpampianatra raby tao amin’ny tempoly. Maromaro tamin’ireo zanak’i Anasy tatỳ aoriana no nanao ny asan’ny mpisoronabe, ary i Kaiafa vinantolahiny izao no nitana izany toerana izany.
Azo inoana fa nentina tany amin’ny tranon’i Anasy aloha i Jesosy, noho ny laza nananan’io lohan’ny mpisorona io hatramin’ny ela teo amin’ny fiainana ara-pivavahana jiosy. Io fijanonana teny antenatenan-dalana mba hijery an’i Anasy io dia namela fotoana ho an’i Kaiafa Mpisoronabe mba hamoriana ny Synedriona, ny fitsarana ambony jiosy nisy mpikambana 71, ary mba hanangonana vavolombelona mandainga koa.
Nanontany an’i Jesosy ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany izao i Anasy Mpisoronabe. Kanefa dia niteny toy izao i Jesosy ho valiny: “Izaho niteny miharihary tamin’izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga sy ny kianjan’ny tempoly, izay iangonan’ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona; koa nahoana no manontany Ahy hianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko”.
Tamin’izay, ny iray tamin’ireo mpiandry raharaha nitsangana teo anilan’i Jesosy dia namely tahamaina azy ka nanao hoe: “Izany va no famalinao ny mpisoronabe?”
“Raha niteny ratsy Aho”, hoy ny navalin’i Jesosy, “ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy hianao?” Taorian’io fifamaliana io, dia nasain’i Anasy nentina tamin’ny fatorany ho any amin’i Kaiafa i Jesosy.
Izao dia efa nanomboka nivory ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna rehetra, eny, ny Synedriona manontolo. Miharihary fa ny tranon’i Kaiafa no toerana nanaovany fivoriana. Kanefa, ny fananganana fitsarana toy izany tamin’ny alin’ny Paska dia mazava fa nifanohitra tamin’ny lalàna jiosy. Tsy nahasakana ireo mpitondra fivavahana tamin’ny fikasan-dratsiny anefa izany.
Teo aloha, herinandro maromaro talohan’izay, rehefa nanangana an’i Lazarosy i Jesosy, dia efa nanapa-kevitra teo amin’izy samy izy ny Synedriona fa tsy maintsy ho faty izy. Ary roa andro monja talohan’izay, ny alarobia, ireo manam-pahefana ara-pivavahana dia niara-nihevitra ny hisambotra an’i Jesosy tamin’ny fitaka ary hamono azy. Eritrereto ange, raha ny marina dia efa voaheloka izy talohan’ny fitsarana azy!
Natao izao ny ezaka mba hahitana olona izay afaka ny ho vavolombelona mandainga hahazoana manangana fanaporofoan-kevitra hamelezana an’i Jesosy. Tsy hita mihitsy anefa izay vavolombelona nifanaraka tamin’ny filazana nataony. Tamin’ny farany dia nisy roa tonga ary nanizingizina hoe: “Izahay efa nandre Azy nanao hoe: Izaho handrava ity tempoly nataon-tànana ity, ary amin’ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tànana Aho.”
“Tsy mety mamaly akory va Hianao?” hoy ny fanontanian’i Kaiafa. “Inona no iampangan’ireto Anao?” Tsy niteny anefa i Jesosy. Na dia teo amin’io fiampangana lainga io aza, dia tsy afaka nampifanaraka ny fitantarany ireo vavolombelona, ka fampietrena ny Synedriona izany. Nanandrana tetika hafa àry ilay mpisoronabe.
Fantatr’i Kaiafa fa mora tohina tamin’izay rehetra nihambo ho ny tena Zanak’Andriamanitra ny Jiosy. Indroa izy ireo teo aloha, no efa niantso an’i Jesosy tsy tamim-piheverana ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra mendrika ny ho faty, indray mandeha, noho ny niheveran’izy ireo tamin’ny fomba diso fa nihambo ho nitovy tamin’Andriamanitra izy. Izao i Kaiafa dia nanontany tamin-kafetsena hoe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona Hianao hilaza aminay, raha Hianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra.”
Na inona na inona fiheveran’ny Jiosy, dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Ary ny tsy fitenenana dia nety ho noraisana toy ny fandavana ny naha-Kristy azy. Koa namaly tamin-kerim-po àry i Jesosy hoe: “Voalazanao; ary koa, lazaiko aminareo: Hatramin’izao dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo amin’ny tànana ankavanan’ny Hery sy avy eo amin’ny rahon’ny lanitra.”
Tamin’izay, tamin’ny fihetsika nanaitra, dia nandriatra ny fitafiany i Kaiafa ary nihiaka hoe: “Efa niteny ratsy [an’Andriamanitra, MN] Izy; ahoana no mbola ilantsika vavolombelona indray? Indro efa renareo izao fitenenan-dratsy [an’Andriamanitra, MN] izao. Ahoana no hevitrareo?”
“Miendrika [mendrika, MN] hohelohina ho faty Izy”, hoy ny nambaran’ny Synedriona. Avy eo dia nanomboka nanao azy ho fihomehezana izy ireo, ary nilaza zavatra maro hitenenana ratsy azy. Namely tahamaina sy nandrora ny tavany izy ireo. Ny hafa nanarona ny tavany ary nanisy totohondry azy sady niteny tamim-panesoesoana hoe: “Maminania aminay, ry Kristy, iza no namely Anao?” Izany fihetsika nihoa-pampana sy tsy ara-dalàna izany dia nitranga tamin’ilay alina nanaovana fitsarana. Matio 26:57-68; 26:3, 4; Marka 14:53-65; Lioka 22:54, 63-65; Jaona 18:13-24; 11:45-53; 10:31-39; 5:16-18.
◆ Taiza no nitondrana an’i Jesosy voalohany, ary inona no nitranga taminy tany?
◆ Taiza no nitondrana azy avy teo, ary noho ny fikasana inona?
◆ Ahoana no nahafahan’i Kaiafa nitarika ny Synedriona hanambara fa mendrika ny ho faty i Jesosy?
◆ Fihetsika nihoa-pampana sy tsy ara-dalàna inona no nitranga nandritra ny fitsarana?