-
PilatoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Zavatra kely fotsiny no fantatra momba an’i Pontio Pilato. Tamin’izy governoran’i Jodia ihany mantsy no resahin’ny tantara. Nahitana soratra misy ny anarany tany Kaisaria, tamin’ny 1961, ary io ihany no fantatra hatreto. Voasoratra teo akaikin’ny anarany koa ny hoe “Tiberieum”, izay trano naorin’i Pilato ho fanomezam-boninahitra an’i Tiberio.
-
-
PilatoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Fitsarana an’i Jesosy. Vao maraina be, ny 14 Nisana taona 33, dia nentin’ireo lohandohan’ny Jiosy tany amin’i Pilato i Jesosy. Tsy niditra tao amin’i Pilato izy ireo satria hafa firenena izy. I Pilato kosa no nivoaka ary nanontany azy ireo. Nampangain’izy ireo i Jesosy hoe nampikomy vahoaka, nandrara tsy handoa hetra, ary nilaza ny tenany ho mpanjaka, izany hoe nanohitra an’i Kaisara. Nasain’i Pilato nentin’izy ireo sy notsarainy i Jesosy. Namaly anefa izy ireo hoe tsy azony atao ny mamono olona. Nentin’i Pilato tao an-dapa indray àry i Jesosy ary nofotopotorany. (SARY, Boky 2, p. 741) Niverina teo amin’ireo niampanga an’i Jesosy i Pilato avy eo, ary nilaza fa tsy hitany izay fahadisoan’i Jesosy. Mbola niampanga an’i Jesosy ihany izy ireo, ary rehefa ren’i Pilato fa Galilianina i Jesosy, dia nalefany tany amin’i Heroda Antipasy. Tsy nety nanao famantarana teo anatrehan’i Heroda i Jesosy, ka tsy faly i Heroda. Nampijaliny i Jesosy sady nataony ho fihomehezana, ary avy eo naveriny tany amin’i Pilato.
-
-
PilatoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Olona tsy laitra akisoka sy mafy loha i Pilato, araka ny nolazain’ireo mpanoratra jiosy, toa an’i Philon. (Fanazavana Amin’i Caius ny Asan’ny Ambasadaoro, XXXVIII, 301) Na izany aza, dia mety ho ny nataon’ireo Jiosy ihany no tena nahatonga an’i Pilato ho hentitra toy izany tamin’izy ireo. Ahitana taratra ny tena toetrany ihany anefa ao amin’ireo Filazantsara. Toy ny fanaon’ny mpitondra romanina rehetra ihany ny fanaony. Hentitra sy nivantambantam-piteny izy, sady hita hoe mpisalasala sy tia manakiana, toy ilay tamin’izy nanontany hoe: “Inona ny marina?” Natahotra ihany anefa izy, angamba noho ny finoanoam-poana, rehefa reny fa olona nilaza ho zanak’Andriamanitra ilay teo anatrehany. Marina fa tsy mpanambany olona izy, nefa koa mora mivadika toy ny mpanao politika rehetra ihany. Ny toerany no tena nampanahy azy. Nieritreritra, ohatra, izy hoe inona no holazain’ireo lehibeny, raha ren’izy ireo hoe mbola nikorontana foana ny faritany nofeheziny. Natahotra izy sao hoheverina hoe milefitra loatra amin’ireo ampangaina ho mpikomy amin’ny fanjakana. Niaiky izy fa tsy nanan-tsiny i Jesosy, ary be fialonana fotsiny ireo mpiampanga azy. Naleony anefa nanaraka am-bokony ny sitrapon’ny vahoaka, toy izay ho very seza. Natolony mba hovonoin’izy ireo àry i Jesosy, na dia tsy nanan-tsiny aza.
-