Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
“Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io lehilahy io”
TSY mbola nijanona ela teo amin’ny hazo fijaliana akory i Jesosy, tamin’ny mitataovovonana, dia nisy haizina nahagaga naharitra adiny telo. Tsy fanakona-masoandro akory no nahatonga izany, satria tsy mitranga afa-tsy amin’ny tsinam-bolana izany fisehoan-javatra izany, nefa fenomanana amin’ny fotoan’ny Paska. Ambonin’izany, ny fanakona-masoandro dia tsy maharitra afa-tsy minitra vitsivitsy monja. Avy tamin’Andriamanitra àry io haizina io! Azo inoana fa natao mba hanomezana fiatoana ho an’ireo mpaneso an’i Jesosy izany, ka nampitsahatra ireo fanendrikendrehany mihitsy aza.
Raha nitranga talohan’ny nitenenan’ilay jiolahy iray mafy ny namany sy ny nangatahany an’i Jesosy mba hahatsiaro azy io zava-mahagaga nahatahotra io, dia nety ho anisan’ny nitarika azy ho amin’ny fibebahana. Angamba nandritra io haizina io no nanatonan’ny vehivavy efatra ny hazo fijaliana, dia ny renin’i Jesosy izany sy i Salome rahavaviny, i Maria Magdalena ary i Maria renin’i Jakoba kely apostoly. Niaraka taminy i Jaona, ilay apostoly tian’i Jesosy.
Toy ny ‘voatsatoka sabatra’ ny fon’ny renin’i Jesosy nijery ilay zanany lahy notezainy sy ny nokolokoloiny nihantona teo, fadiranovana mafy! I Jesosy anefa tsy nieritreritra ny fanaintainany manokana fa izay hahasoa an-dreniny. Nanao ezaka mafy izy, nanondro an’i Jaona tamin’ny lohany ary niteny tamin-dreniny hoe: “Ravehivavy, indro ny zanakao!” Avy eo, dia nanondro an’i Maria tamin’ny lohany izy ary nilaza tamin’i Jaona hoe: “Indro, ny reninao!”
Tamin’izany i Jesosy dia nanankina ny fikarakarana ny reniny, izay azo inoana fa efa mpitondratena izao, tamin’ilay apostoly tiany indrindra. Nanao izany izy satria ireo zanakalahy hafan’i Maria dia mbola tsy naneho finoana azy. Tamin’izany izy dia nanome ohatra tsara dia tsara raha ny amin’ny fanaovana fandaharana mba hikarakarana, tsy izay nilain’ny reniny ara-nofo ihany, fa izay nilainy ara-panahy koa.
Teo amin’ny telo ora tolakandro teo ho eo, dia hoy i Jesosy: “Mangetaheta aho.” Avy eo dia tsapan’i Jesosy fa nanaisotra ny fiarovany taminy ny Rainy, raha azo atao ny milaza izany, mba hitsapana ny tsy fivadihany hatramin’ny farany mihitsy. Niantso tamin’ny feo mahery àry izy hoe: “Andriamanitra ô, Andriamanitra ô, nahoana no dia mahafoy ahy ianao?” Raha nandre izany ny sasany tamin’izay nitsangana teo akaiky teo, dia nihiaka hoe: “Indro, miantso an’i Elia izy.” Avy hatrany dia nihazakazaka ny iray taminy ka nametraka sipaonjy natsobony tamin’ny vinaingitra notohiziny tamin’ny hysopa iray ary nampisotro izany azy. Ny sasany anefa nanao hoe: “Avelao eo izy! Aoka hoe hozahantsika na ho avy hampidina azy i Elia, na tsia.”
Rehefa avy nahazo ilay vinaingitra i Jesosy dia niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Vita!” Eny, vitany izay rehetra nandefasan’ny Rainy azy hataony tetỳ an-tany. Tamin’ny farany, dia hoy izy: “Raiko ô, eo an-tananao no atolotro ny fanahiko (esprit).” Tamin’izany, i Jesosy dia nametraka ny herim-piainany tamin’Andriamanitra tamin’ny fatokiana fa hamerina izany aminy indray Andriamanitra. Avy eo dia nanondrika ny lohany izy ary maty.
Tamin’ny fotoana nahafaka ny ain’i Jesosy, dia nisy horohorontany nahery nampitresaka ireo vatolampy. Mafy aoka izany ilay horohorontany, hany ka tafasokatra ireo fasam-pahatsiarovana tany ivelan’i Jerosalema ary tafavoaka avy tao ireo faty. Ireo mpandalo izay nahita ireo faty tafavoaka tatỳ ivelany ireo dia niditra ny tanàna ary nitantara izany.
Ambonin’izany, tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy, dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ilay lamba goavana nampisaraka ny Masina tamin’ny Masina indrindra tao amin’ny tempolin’Andriamanitra. Toa nisy teo amin’ny 18 metatra teo ho eo ny haavon’io lamba voaravaka tsara tarehy io ary navesa-be! Io fahagagana nahatalanjona io dia tsy vitan’ny hoe nampiseho ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ireo mpamono ny Zanany, fa nidika koa hoe nety izao ny fidirana tao amin’ny Masina indrindra noho ny fahafatesan’i Jesosy.
Rehefa nahita ilay horohorontany ary ireo zavatra nitranga ireo ny olona, dia raiki-tahotra indrindra. Nankalaza an’Andriamanitra ilay kapiteny nikarakara ilay famonoana. “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io lehilahy io”, hoy ny nambarany. Azo inoana fa nanatrika teo izy rehefa nodinihina ny amin’ny naha-Zanak’Andriamanitra an’i Jesosy nandritra ny nitsarana azy teo anoloan’i Pilato. Ary izao izy dia nino fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, eny, ilay lehilahy niavaka indrindra niaina teto an-tany.
Ny hafa koa dia tsy nahatohitra ireo fahagagana ireo, ary nanomboka niverina tany aminy niteha-tratra noho ny alahelo mafy sy ny henatra. Nisy vehivavy mpianatr’i Jesosy maro, tohina mafy noho ireo fisehoan-javatra lehibe ireo, nitazana teny lavidavitra teny ny zava-nitranga teo. Teo koa ny apostoly Jaona. Matio 27:45-56, MN; Marka 15:33-41, MN; Lioka 23:44-49, MN; 2:34, 35; Jaona 19:25-30, MN;
▪ Nahoana no tsy fanakona-masoandro no nahatonga ilay haizina naharitra adiny telo?
▪ Fotoana fohy talohan’ny hahafatesany, ohatra tsara dia tsara inona no nomen’i Jesosy ho an’ireo manana ray aman-dreny be taona?
▪ Inona ireo fanambarana efatra nataon’i Jesosy talohan’ny hahafatesany?
▪ Inona no vitan’ilay horohorontany, ary inona no hevitr’ilay lamba tao amin’ny tempoly triatra nizara roa?
▪ Nanao ahoana ny vokatr’ireo fahagagana ireo teo amin’ilay kapiteny nikarakara ilay famonoana?