Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Iza no tena sambatra?
MANIRY ho sambatra daholo ny olona rehetra. Tsapan’i Jesosy izany toe-javatra izany ka nanomboka ny Toriteniny teo an-tendrombohitra izy tamin’ny fanazavana hoe iza no tena sambatra. Azo an-tsaina mora foana fa nitana ny sain’ny olona maro be nihaino azy io fampidiran-dresaka io. Amin’ny maro anefa, dia toa mifanipaka ireo teniny voalohany ireo.
Niteny tamin’ireo mpianany i Jesosy ka nanomboka toy izao: “Sambatra hianareo malahelo, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. Sambatra hianareo noana ankehitriny, fa hovokisana hianareo. Sambatra hianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy hianareo. Sambatra hianareo, raha halan’ny olona (...). Mifalia hianareo amin’izany andro izany, ka mibitaha, fa, indro, lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra.”
Toy izany no fampidiran-dresaka tamin’ilay toritenin’i Jesosy, araka ny tantarain’i Lioka. Araka ny fitantaran’i Matio anefa, dia nambaran’i Jesosy fa sambatra koa ireo malemy fanahy, ireo mamindra fo, ireo madio am-po sy tia fihavanana. Matoa sambatra izy ireny, hoy ny fanazavan’i Jesosy, dia satria handova ny tany izy ireny, hamindrana fo, hahita an’Andriamanitra ary hantsoina hoe zanak’Andriamanitra.
Mba hahasambatra anefa, ny tian’i Jesosy holazaina dia tsy hoe ravoravo na falifaly fotsiny, toy ny rehefa milalao. Lalina kokoa ny tena fahasambarana: izany dia mahafaoka fahafahampo, fahatsiarovana fahafahampo eo amin’ny fiainana.
Araka izany, dia nasehon’i Jesosy fa ireo tena sambatra dia olona miaiky fa mila zavatra ara-panahy, malahelo noho ny maha-mpanota azy ka manjary mahalala sy manompo an’Andriamanitra. Amin’izay, na dia ankahalaina na enjehina aza izy ireny satria manao ny sitrapon’Andriamanitra, dia sambatra, satria fantany fa ankasitrahan’Andriamanitra izy ka homeny ny fiainana mandrakizay ho valisoa.
Na dia izany aza, dia maro tamin’ireo nihaino an’i Jesosy, tsy misy hafa amin’ny olona sasany amin’izao andro izao, no mino fa ny fitomboan-karena sy ny fahafinaretana no mahatonga ny olona iray ho sambatra. Noho ny fahafantarana fa hafa noho izany no izy, Jesosy dia nilaza fifanoheran-javatra izay azo antoka fa nahagaga ny ankamaroan’ny mpihaino azy:
“Fa lozanareo izay manan-karena kosa! fa efa azonareo izay nahafa-po anareo. Lozanareo izay voky ankehitriny! fa mbola ho noana hianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny! fa mbola ho ory sy hitomany hianareo. Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra! fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”
Inona no tian’i Jesosy holazaina? Nahoana ireo manan-karena, ireo izay mikatsaka fahafinaretana amim-pifalifaliana sy ireo hobìn’ny olona no hijinja loza? Satria rehefa manana sy tia fatratra ireny zavatra ireny ny olona iray, dia tsy hita amin’ny fiainany ny asan’Andriamanitra izay hany mitondra ny tena fahasambarana. Tsy te-hilaza anefa i Jesosy fa sambatra ny olona iray noho izy mahantra, noana na malahelo fotsiny. Fa matetika kosa ny olona tsy manana toy ireny dia manaraka ny fampianaran’i Jesosy, ary mitahy azy ireny kosa Andriamanitra amin’ny fanaovana izay tena hahasambatra azy ho valiny.
Rehefa avy eo, dia nilaza toy izao tamin’ireo mpianany i Jesosy: “Hianareo no fanasin’ny tany.” Mazava ho azy fa tsy te-hilaza akory izy hoe sira amin’ny heviny ara-bakiteny izy ireny. Ny fanasina na sira dia fiasana fitehirizana. Nisy antontany be tamin’izany teo akaikin’ny alitara, tao amin’ny tempolin’i Jehovah ary nampiasa izany hatao tamin’ireo fanatitra ireo mpisorona nanao raharaha.
“Fanasin’ny tany” ireo mpianatr’i Jesosy satria manan-kery fitehirizana eo amin’ny olona. Ny hafatra entin’izy ireo dia azo antoka fa hitahiry ho velona izay rehetra hanao zavatra hifanaraka amin’izany. Izany dia hampiditra eo amin’ny fiainan’izy ireo, toetra sahala amin’ny tsy fiovaovana sy ny tsy fivadihana sy hiaro azy ireny amin’ny mety ho fanimbana ara-panahy sy ara-pitondrantena.
“Hianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy Jesosy tamin’ireo mpianany. Tsy atao ao ambany harona ny jiro fa eo amin’ny fanaovan-jiro; noho izany antony izany no nanampian’i Jesosy teny hoe: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo.” Manaraka an’io torohevitra io ireo mpianany amin’ny fanaovana fanambarana ampahibemaso sy amin’ny fisehoana ho ohatra tsara amin’ny fitondrantena mifanaraka amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Lioka 6:20-26; Matio 5:3-16.
◆ Iza no tena sambatra tokoa, ary nahoana?
◆ Iza no mijinja loza, ary nahoana?
◆ Amin’ny heviny ahoana moa ireo mpianatr’i Jesosy no “fanasin’ny tany” sy “fahazavan’izao tontolo izao”?