-
Ahoana no Itoriana ny Vaovao Tsara?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
LESONA 21
Ahoana no Itoriana ny Vaovao Tsara?
Tsy ho ela i Jehovah dia hampiasa ny Fanjakany mba hanesorana ny olana rehetra mahazo antsika. Tena vaovao tsara izany ka tokony ho fantatry ny olona. Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hiresaka azy io amin’ny olona rehetra. (Matio 28:19, 20) Manaraka an’io didin’i Jesosy io ve ny Vavolombelon’i Jehovah?
1. Inona no porofo hoe tanteraka amin’izao andro izao ny Matio 24:14?
Nilaza i Jesosy hoe: “Hotorina maneran-tany ity vaovao tsaran’ilay Fanjakana ity.” (Matio 24:14) Tena faly manao an’io asa io ny Vavolombelon’i Jehovah. Mitory ny vaovao tsara maneran-tany izahay, ary amin’ny fiteny 1 000 mahery no anaovanay an’izany. Asa be ilay izy ka mila ezaka mafy sy fandaminana tsara. Tsy vitanay izany raha tsy eo ny fanampian’i Jehovah.
2. Inona no ezaka ataonay mba hitoriana amin’ny olona?
Mitory any amin’izay rehetra ahitana olona izahay. Manahaka ny Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izahay, ka mitory “isan-trano.” (Asan’ny Apostoly 5:42) Afaka miresaka amin’ny olona an-tapitrisany àry izahay isan-taona. Mitory eny amin’ny toerana hafa koa anefa izahay, satria tsy voatery ho ao an-tranony foana ny olona. Mitady hirika foana izahay mba hiresahana momba an’i Jehovah sy ny zavatra tiany hatao.
3. Andraikitr’iza ny mitory ny vaovao tsara?
Tokony hitory ny vaovao tsara daholo ny tena Kristianina. Miezaka manao tsara an’io andraikitray io izahay. Manao izay fara herinay izahay rehefa mitory, satria fantatray hoe mamonjy olona izany. (Vakio ny 1 Timoty 4:16.) Tsy karamaina izahay rehefa manao an’io asa io. Milaza mantsy ny Baiboly hoe: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:7, 8) Mitory foana izahay na dia misy olona tsy mihaino aza. Te hankatò an’i Jehovah sy te hampifaly azy mantsy izahay.
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hodinihintsika bebe kokoa hoe ahoana no ataonay Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana maneran-tany, ary ahoana no anampian’i Jehovah anay.
4. Miezaka be izahay mba hitory amin’ny olona rehetra
Miezaka mafy ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitory ny vaovao tsara any amin’izay rehetra ahitana olona. Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Inona amin’ny ezaka ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah no tena mahavariana anao?
Vakio ny Matio 22:39 sy ny Romanina 10:13-15, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana ny asa fitoriana ataonay no mampiseho hoe tia olona izahay?
Ahoana no fahitan’i Jehovah ny olona mitory ny vaovao tsara?—Jereo ny andininy 15.
5. Mpiara-miasa amin’Andriamanitra izahay
Betsaka ny tantara mampiseho hoe mitarika ny asanay i Jehovah. Mipetraka any Nouvelle-Zélande, ohatra, ny rahalahy iray atao hoe Paul. Nitory isan-trano izy indray tolakandro, ary nihaona tamin’ny vehivavy iray. Vao ny marainan’io ilay vehivavy no nivavaka tamin’i Jehovah mba hisy olona hitsidika azy. Nilaza i Paul hoe: ‘Tonga tao aminy aho adiny telo taorian’izay.’
Vakio ny 1 Korintianina 3:9, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana ilay tantara tany Nouvelle-Zélande no mampiseho hoe mitarika ny asa fitoriana i Jehovah?
Vakio ny Asan’ny Apostoly 1:8, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana no ilaina ny fanampian’i Jehovah mba hahavitana ny asa fitoriana?
Fantatrao ve?
Ampiofanina hitory izahay mandritra ny fivorianay andavanandro. Ahoana no fahitanao an’ilay fampiofanana raha efa nanatrika an’io fivoriana io ianao?
6. Mitory izahay satria mankatò an’Andriamanitra
Nisakana ny mpanara-dia an’i Jesosy tsy hitory ny olona sasany, tamin’ny taonjato voalohany. Nampiasa ny lalàna àry ny Kristianina tamin’izany mba hiarovana ny zony hitory ny vaovao tsara. (Filipianina 1:7) Izany koa izao no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.a
Vakio ny Asan’ny Apostoly 5:27-42, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana izahay no hanohy hitory foana?—Jereo ny andininy 29, 38, ary 39.
METY HISY HANONTANY HOE: “Maninona ny Vavolombelon’i Jehovah no mitety trano?”
Ahoana no havalinao?
FAMINTINANA
Nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy mba hitory ny vaovao tsara amin’ny firenena rehetra. Ampian’i Jehovah ny vahoakany mba hahavita an’io asa io.
Famerenana
Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara maneran-tany?
Nahoana ny asa fitoriana ataonay no mampiseho hoe tia olona izahay?
Mahafaly ve ny mitory ny vaovao tsara, araka ny hevitrao? Nahoana?
JEREO KOA IRETO
Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana any amin’ny tanàn-dehibe?
Ahoana no ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana amin’ny mpitsoa-ponenana?
Fitoriana Amin’ny Mpitsoa-ponenana Mangetaheta Ara-panahy (5:59)
Asehon’ity tantara ity hoe tena mahasambatra ny mitory manontolo andro.
Ho hitanao ato ny didim-pitsarana miavaka nanampy ny Vavolombelon’i Jehovah hitory ny vaovao tsara.
“Niakatra Fitsarana ny Vahoakan’ilay Fanjakana” (Efa Mitondra ny Fanjakan’Andriamanitra!, toko 13)
a Andriamanitra no nandidy anay hitory. Tsy mila alalana avy amin’ny manam-pahefana àry ny Vavolombelon’i Jehovah mba hitoriana ny vaovao tsara.
-
-
Tanjona Tena Tsara ny Batisa!Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
LESONA 23
Tanjona Tena Tsara ny Batisa!
Nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy atao batisa ny Kristianina. (Vakio ny Matio 28:19, 20.) Inona anefa no atao hoe batisa? Ary inona no tsy maintsy ataon’ny olona iray mba ho tratrany io tanjona io?
1. Ahoana no tokony ho fanaovana batisa?
Ny teny hoe “manao batisa” dia avy amin’ny teny grika midika hoe “mandroboka” ao anaty rano. Naroboka tao amin’ny Reniranon’i Jordana, ohatra, i Jesosy rehefa natao batisa. “Niakatra avy tao anaty rano” izy avy eo. (Marka 1:9, 10) Aroboka tanteraka ao anaty rano koa ny Kristianina rehefa atao batisa.
2. Rehefa atao batisa ny olona iray, dia inona no asehony amin’izany?
Rehefa atao batisa ny olona iray, dia asehony amin’izany hoe efa nanokan-tena ho an’i Jehovah Andriamanitra izy. Ahoana ilay hoe manokan-tena? Mivavaka amin’i Jehovah ilay olona, dia miteny aminy hoe te hanompo azy mandrakizay. Mampanantena izy hoe i Jehovah irery ihany no hotompoiny, ary ny sitrapon’i Jehovah no hataony zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainany. Tapa-kevitra izy hoe ‘handa ny tenany ary hanaraka foana’ ny fampianaran’i Jesosy sy ny modeliny. (Matio 16:24) Lasa mifandray akaiky amin’i Jehovah sy ny mpanompony hafa izy, rehefa manokan-tena sy atao batisa.
3. Inona no tokony hataon’ny olona iray alohan’ny hanaovana batisa azy?
Mila mianatra momba an’i Jehovah sy tena mino azy aloha ianao. (Vakio ny Hebreo 11:6.) Rehefa mitombo ny zavatra fantatrao sady mihamatanjaka ny finoanao, dia vao mainka ianao ho tia an’i Jehovah. Lasa te hiresaka momba azy sy te hanaraka ny fitsipiny ianao avy eo. (2 Timoty 4:2; 1 Jaona 5:3) Rehefa ‘manome voninahitra an’i Jehovah’ ny fomba fiainan’ny olona iray ‘ka mampifaly azy tanteraka’, dia mety hanapa-kevitra ilay olona hoe hanokana ny fiainany ho an’Andriamanitra sy hatao batisa.—Kolosianina 1:9, 10.a
ANDAO HOHALALININTSIKA
Hojerentsika hoe inona no azontsika ianarana avy amin’ny batisan’i Jesosy, ary inona no tokony hataon’ny olona iray mba ho vonona hatao batisa izy.
4. Inona no ianarantsika avy amin’ny batisan’i Jesosy?
Vakio ny Matio 3:13-17. Resahina ao ny tsipiriany momba ny batisan’i Jesosy. Iaraho midinika avy eo ireto fanontaniana ireto:
Zazakely ve i Jesosy tamin’izy natao batisa?
Ahoana no nanaovana batisa azy? Nofafazana rano fotsiny ve izy?
Nanomboka nanao ny asa nampanaovin’Andriamanitra azy i Jesosy rehefa vita batisa. Vakio ny Lioka 3:21-23 sy ny Jaona 6:38, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no asa nifantohan’i Jesosy rehefa vita batisa izy?
5. Tanjona azonao tratrarina ny batisa
Mety hampahatahotra be ilay hoe manokan-tena sy atao batisa. Misy zavatra azonao atao anefa mba tsy hisalasala handray an’io fanapahan-kevitra lehibe io ianao. Inona, ohatra, no nataon’ny olona sasany? Alefaso ilay VIDEO.
Vakio ny Jaona 17:3 sy ny Jakoba 1:5, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no hanampy ny olona iray ho vonona hatao batisa?
Manokan-tena isika rehefa milaza amin’i Jehovah hoe te hanompo azy mandrakizay
Rehefa atao batisa isika, dia mampiseho amin’ny olona hoe efa nanokan-tena ho an’Andriamanitra
6. Lasa anisan’ny fianakavian’i Jehovah isika rehefa vita batisa
Lasa anisan’ny fianakaviana iray maneran-tany isika rehefa vita batisa. Mitovy daholo ny zavatra inoantsika sy ny fitsipika arahintsika, na inona na inona fiaviantsika na zavatra niainantsika. Vakio ny Salamo 25:14 sy ny 1 Petera 2:17, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Lasa manao ahoana ny fifandraisan’ny olona iray amin’i Jehovah sy ny mpanompony hafa rehefa vita batisa izy?
MISY MITENY HOE: “Izaho mbola tsy vonona hatao batisa.”
Izany koa angamba no tsapanao. Hitanao ve anefa hoe tanjona tena tsara ny batisa?
FAMINTINANA
Nilaza i Jesosy hoe tsy maintsy atao batisa ny Kristianina. Raha te hatao batisa ny olona iray, dia tokony hoe tena mino an’i Jehovah izy, manaraka ny fitsipiny, ary manokan-tena ho azy.
Famerenana
Ahoana no tokony ho fanaovana batisa, ary nahoana ny batisa no zava-dehibe?
Inona no ifandraisan’ny hoe manokan-tena sy ny hoe atao batisa?
Inona aloha no mila ataon’ny olona iray, vao afaka manokan-tena sy atao batisa izy?
JEREO KOA IRETO
Misy fanazavana bebe kokoa momba ny batisa ato.
“Inona no Atao hoe Batisa?” (Lahatsoratra ao amin’ny jw.org)
Inona no tokony hataon’ny olona iray mba ho vonona hatao batisa izy?
“Haniry Hatao Batisa Ianao Raha Tia An’i Jehovah” (Ny Tilikambo Fiambenana Martsa 2020)
Inona no nandrisika ny lehilahy iray hatao batisa?
“Izaho Mihitsy no Tian’izy Ireo Hahita ny Marina” (Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 2013)
Nahoana no tanjona tena tsara ny batisa, ary inona no hanampy anao ho vonona amin’izany?
“Tokony Hatao Batisa ve Aho?” (Manontany ny Tanora—Torohevitra Mahasoa, Boky Faha-2, toko 37)
a Mbola tokony hatao batisa ny olona iray, na dia efa vita batisa tany amin’ny fivavahana hafa aza. Nahoana? Satria tsy nampianatra ny marina ao amin’ny Baiboly ilay fivavahana.—Jereo ny Asan’ny Apostoly 19:1-5 sy ny Lesona 13.
-