-
Miezaha mba Hadio eo Anatrehan’AndriamanitraAnkafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
4. Ialao ny fahazaran-dratsy
Raha mifoka sigara ianao na mampiasa zava-mahadomelina, dia azo inoana fa fantatrao hoe sarotra ny miala amin’ireo fahazarana ireo. Inona àry no hanampy anao? Eritrereto ny voka-dratsin’ilay izy. Vakio ny Matio 22:37-39, ary iaraho midinika hoe: Raha mifoka sigara na mampiasa zava-mahadomelina ny olona iray, dia inona no vokatr’izany eo amin’ny...
fifandraisany amin’i Jehovah?
fianakaviany sy ny olona mifanerasera aminy?
Eritrereto hoe ahoana no handresenao an’ilay fahazaran-dratsy.a Alefaso ilay VIDEO.
Vakio ny Filipianina 4:13, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana no hahavita hiala amin’ny fahazaran-dratsy ny olona iray, raha zatra mivavaka sy mianatra Baiboly ary manatrika fivoriana?
5. Aza mieritreri-dratsy na manao fanao maloto
Vakio ny Kolosianina 3:5, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Amin’i Jehovah dia fanao maloto ny hoe mijery sary vetaveta, mandefa hafatra vetaveta, na mikasikasika filahiana na fivaviana. Ahoana no ahalalantsika an’izany?
Milaza i Jehovah hoe tokony hadio ny fitondran-tenantsika. Vitantsika ve izany, araka ny hevitrao? Nahoana?
Inona no hanampy antsika tsy hieritreri-dratsy? Alefaso ilay VIDEO.
Nanao fanoharana i Jesosy mba hampisehoana hoe mila manao zavatra hentitra isika raha te hadio fitondran-tena foana. Vakio ny Matio 5:29, 30, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tokony hesorintsika ny rantsambatantsika, fa hoe mila manao zavatra isika. Inona, ohatra, no tokony hataon’ny olona iray raha tsy te hieritreri-dratsy izy?b
Miezaka mafy ve ianao mba tsy hieritreri-dratsy? Zava-dehibe amin’i Jehovah ny ezaka ataonao. Vakio ny Salamo 103:13, 14, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Nahoana io andinin-teny io no manampy anao tsy ho kivy, raha miady mafy ianao mba hialana amin’ny fahazaran-dratsy?
Mbola afaka miarina foana ianao!
Mety ho mora ny miteny hoe: ‘Aleoko tsy miezaka intsony, fa efa resy aho.’ Tadidio anefa izao: Rehefa mianjera ny mpihazakazaka iray, dia tsy midika akory izany hoe resy izy na hoe tsy maintsy miverina hatrany amin’ny voalohany indray. Ahoana àry raha efa niezaka niala tamin’ny fahazaran-dratsy iray ianao, nefa niverina tamin’ilay izy indray? Tsy hoe resy akory ianao na hoe tsy misy dikany izay ezaka efa nataonao. Tsy maintsy lavo kely indraindray, izay vao tena tafarina. Aza kivy satria hanampy anao i Jehovah, dia ho vitanao ny handresy an’ilay fahazaran-dratsy.
-
-
Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Zava-pisotro Misy Alkaola?Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
-
-
6. Inona no hanampy ny olona iray tsy hisotro be loatra intsony?
Inona no nanampy ny lehilahy iray tsy hiboboka toaka intsony? Alefaso ilay VIDEO, ary iaraho midinika ny fanontaniana.
Nanao ahoana i Dmitry rehefa nisotro toaka?
Tonga ve izy dia afaka tamin’ilay fahazaran-dratsiny?
Inona no nanampy azy tsy hisotro be loatra intsony?
Vakio ny 1 Korintianina 6:10, 11, ary iaraho midinika ireto fanontaniana ireto:
Nahoana no tena ratsy ny hoe mamo lava?
Inona no mampiseho hoe mbola afaka miova ny olona mpisotro toaka be?
Vakio ny Matio 5:30, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Hita amin’io tenin’i Jesosy io hoe mila mahafoy zavatra isika raha te hampifaly an’i Jehovah. Raha zatra misotro be loatra ianao, inona no azonao atao mba hialana amin’izany fahazaran-dratsy izany?a
Vakio ny 1 Korintianina 15:33, ary iaraho midinika ity fanontaniana ity:
Inona no vokany raha olona tia misotro toaka be no ataonao namana?
-