Ahoana no Tokony Hivavahantsika Amin’Andriamanitra?
REHEFA nangataka toromarika momba ny vavaka ny mpianatra iray, dia tsy nanda ny hanome izany azy i Jesosy. Namaly toy izao izy, araka ny Lioka 11:2-4: “Raha mivavaka hianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny anaranao. Ho tonga anie ny fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.” (Fandikan-teny Katolika). Io ilay fantatra mazàna amin’ny hoe Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Mampita fanazavana be dia be izy io.
Eo am-piandohany, ireo voalohan-teny mihitsy dia milaza amintsika hoe any amin’iza no tsy maintsy andefasana ny vavaka ataontsika — any amin’ny Raintsika. Mariho fa i Jesosy dia tsy namela mihitsy ny hivavahana tamin’olon-kafa, na sary, na “olo-masina”, na tamin’ny tenany aza. Nanambara toy izao tokoa mantsy Andriamanitra: “Ny voninahitro tsy homeko ny hafa. Ny fanajana ahy, tsy ho an’ny sampy.” (Izaia 42:8, Kat.). Noho izany, ireo vavaka atao amin-javatra na amin’olon-kafa na iza na iza ankoatra ny Raintsika any an-danitra, dia tsy reny na toy inona na toy inona mety ho fahatsoran’ireo mpivavaka. Ao amin’ny Baiboly, dia i Jehovah Andriamanitra irery ihany no antsoina hoe “Mpihaino vavaka”. — Salamo 65:2.
Mety hilaza ny sasany hoe miasa ho toy ny mpanelanelana amin’Andriamanitra fotsiny ny “olo-masina”. Ny tenan’i Jesosy mihitsy anefa no nanome toromarika hoe: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ny Zanaka.” (Jaona 14:6, 13). Araka izany, dia nailik’i Jesosy ilay hevitra hoe na iza na iza antsoina hoe olo-masina dia afaka miasa amin’ny maha-mpanelanelana. Mariho koa izay nolazain’ny apostoly Paoly momba an’i Kristy: “Ilay efa maty, fa nitsangana tamin’ny maty, sy mipetraka eo an-kavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika”. ‘Velona mandrakizay hanao fifonana ho an’izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alalany izy’. — Romana 8:34, Kat.; Hebrio 7:25, Kat.
Ilay anarana tsy maintsy hamasinina
Izao no teny manaraka tamin’ilay vavaka nataon’i Jesosy: “Hohamasinina anie ny anaranao”. Ahoana no ahafahan’ny tena manamasina, na mampisongadina ilay anaran’Andriamanitra raha tsy mahafantatra sy mampiasa azy io ny tena? Andriamanitra dia ampahafantarina amin’ilay anarana manokana hoe Jehovah, maherin’ny in-6 000 ao amin’ny “Testamenta Taloha”.
Hoy ny fanamarihana ambany pejy momba ny Eksaody 6:3 ao amin’ny Baiboly katolika Douay Version mahakasika ny anaran’Andriamanitra: “Nisy olona amin’ny andro maoderina nandrafitra ilay anarana hoe Jehovah (...) satria, noho ny tsy nampiasana azy io ela be, dia very tanteraka ankehitriny ny fanononana marina ilay anarana [an’Andriamanitra], izay ao amin’ny soratra hebreo.” Noho izany, ny Fandikan-teny Katolika dia mampiasa ilay anarana hoe Iaveh. Na dia tian’ny manam-pahaizana manokana sasany kokoa aza io fanononana io, dia ny hoe “Jehovah” no fomba fanononana ara-dalàna sy niorina hatramin’ny ela an’ilay anaran’Andriamanitra tamin’ny fiteny anglisy. Manana ny fomba fanononany ilay anaran’Andriamanitra ireo fiteny hafa. Ny zava-dehibe indrindra dia ny ampiasantsika ilay anarana mba hanamasinana azy io. Moa ve nampianatra anao hampiasa ilay anarana hoe Jehovah ao amin’ny vavaka, ny fiangonana misy anao?
Foto-kevitra mety hatao amin’ny vavaka
Nampianatra ny mpianany hivavaka toy izao i Jesosy nanaraka izany: “Ho tonga anie ny fanjakanao.” Manampy izao teny izao ny Evanjelin’i Matio: “Ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.” (Matio 6:10, Kat.). Ny Fanjakan’Andriamanitra dia fitondram-panjakana iray eo an-tanan’i Jesosy Kristy. (Isaia 9:5, 6). Araka ny faminanian’ny Baiboly, izy io dia hanaisotra tsy ho ela ireo fitondram-panjakan’olombelona rehetra, ary hitondra vanim-potoam-piadanana maneran-tany. (Salamo 72:1-7; Daniela 2:44; Apokalypsy 21:3-5). Ny Kristiana marina àry dia manao ny fahatongavan’ilay Fanjakana ho foto-kevitra miverina indray ao amin’ny vavak’izy ireo. Nampianatra anao hanao izany ve ny fiangonana misy anao?
Mahaliana fa nasehon’i Jesosy koa hoe ny vavaka ataontsika dia mety hahatafiditra raharaha manokana izay mampanahy antsika. Hoy izy: “Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay.” (Lioka 11:3, 4, Kat.). Milaza tsy mivantana ny tenin’i Jesosy fa afaka mitady ny sitrapon’Andriamanitra eo amin’ireo raharaha andavanandro isika, fa afaka manatona an’i Jehovah isika momba izay rehetra mety hampanahy na hanakorontana ny fiadanan-tsaintsika. Ny fitalahoana tsy tapaka amin’Andriamanitra amin’izany fomba izany dia manampy antsika mba hankasitraka ny fiankinantsika aminy. Amin’izay isika dia manjary mahatakatra kokoa ny heriny eo amin’ny fiainantsika. Mahasoa toy izany koa ny fangatahana isan’andro amin’Andriamanitra mba hamela antsika noho ireo fahotantsika. Amin’izany isika dia hanjary hahatakatra kokoa ny fahalemen’ny tenantsika — ka hilefitra kokoa amin’ny fahadisoan’ny hafa. Ny fampirisihan’i Jesosy mafy antsika mba hivavaka momba ny fanafahana amin’ny fitaoman-dratsy koa dia mifanentana, indrindra indrindra rehefa heverina ny fikororosian’ny fitondran-tenan’itỳ tontolo itỳ. Mifanaraka amin’izany vavaka izany, dia mitandrina isika mba hanalavitra ireo toe-javatra sy tarehin-javatra izay mety hitarika antsika ho amin’ny fanaovan-dratsy.
Azo antoka àry fa milaza amintsika zavatra betsaka momba ny fanolorana vavaka izay mampifaly an’Andriamanitra, ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo. Kanefa moa ve i Jesosy nikasa ny hakantsika io vavaka io ka hanaovantsika azy io tsianjery tsy tapaka fotsiny?
Torohevitra fanampiny momba ny vavaka
Nanome toromarika fanampiny momba ny vavaka i Jesosy. Izao no vakintsika ao amin’ny Matio 6:5, 6: “Raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan’ny olona azy. (...) Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao.” Ireo teny ireo dia mampianatra antsika fa ny vavaka dia tsy tokony hatao amin’ny fomba tia sehoseho mba hanairana ny sain’ny olona. Moa ve ianao mandoatra ny ao am-ponao amin’i Jehovah manokana, araka ny ampirisihan’ny Baiboly? — Salamo 62:8.
Nanome itỳ fampitandremana itỳ i Jesosy: “Raha mivavaka hianareo, dia aza mba maro teny tahaka ny jentily, fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.” (Matio 6:7, Kat.). Mazava fa tsy nankasitraka ny fianarana tsianjery vavaka i Jesosy — mainka fa ny famakiana izany avy amin’ny boky. Ny teniny koa dia manilika ny fampiasana sapile.
Manao izao fiekena izao ny boky iray misy ny litorjia katolika: “Ny vavaka tsara indrindra ataontsika dia mety ho ny eritreritsika manokana tonga ho azy rehefa mitodika any aminy isika ho fankasitrahana, na noho ny fahasahiranana, na amin’ny fotoam-pahoriana, na eo amin’ny fanompoam-pivavahantsika aminy tsy tapaka isan’andro.” Ny vavaka nataon’i Jesosy dia tonga ho azy fa tsy nianarany tsianjery. Vakio, ohatra, ilay vavaka nataon’i Jesosy voarakitra an-tsoratra ao amin’ny Jaona toko faha-17. Manaraka ilay modelim-bavaka izy io, manantitrantitra ny fanirian’i Jesosy hahita ny anaran’i Jehovah hohamasinina. Tonga ho azy sy feno fahatsorana lalina ny vavak’i Jesosy.
Ireo vavaka izay ren’Andriamanitra
Raha nampianarina hanolotra vavaka nianarana tsianjery, na hivavaka amin’ireo “olo-masina” na sary, na hampiasa fitaovana ara-pivavahana toy ny sapile ianao, dia mety ho toa hampanahy anao amin’ny voalohany ny hivavaka amin’ilay fomba nosoritan’i Jesosy. Ny fanalahidin’izany anefa dia ny fahafantarana an’Andriamanitra — ny anarany, ny fikasany, ny toetra maha-izy azy. Afaka mahavita izany ianao amin’ny alalan’ny fianarana amim-pitandremana ny Baiboly. (Jaona 17:3). Ny Vavolombelon’i Jehovah dia voaomana sady vonona ny hanampy anao amin’io lafiny io. Izy ireo dia efa nanampy olona an-tapitrisany maro manerana izao tontolo izao mba ‘hanandrana sy hizaha fa tsara i Jehovah’! (Salamo 34:8). Arakaraka ny hahafantaranao bebe kokoa an’Andriamanitra no hahavoatosika anao kokoa hidera azy ao amin’ny vavaka. Ary arakaraka ny anatonanao akaiky kokoa an’i Jehovah amin’ny vavaka feno fanajana, no hahatonga ho akaiky kokoa ny fifandraisanao aminy.
Noho izany, dia ampirisihina mafy mba ‘hivavaka, ka tsy hitsahatra’ ireo mpivavaka marina rehetra amin’Andriamanitra. (1 Tesaloniana 5:17). Aoka ianao hahazo antoka fa ny vavaka ataonao dia mifanaraka marina amin’ny Baiboly, tafiditra amin’izany ireo toromarika nomen’i Jesosy Kristy. Amin’izany fomba izany no ahafahanao mahazo antoka fa hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny vavaka ataonao.
[Sary, pejy 7]
Arakaraka ny ianarantsika bebe kokoa momba an’i Jehovah, no hahavoatosika antsika kokoa hivavaka aminy avy amin’ny fo