Manàna fiainana tsotra sy voalanjalanja
“Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, (...) fa ratsy izao fiainana izao.” — EFESIANA 5:15, 16.
1, 2. Inona no sarotra dia sarotra ny hanaovana azy amin’izao androntsika izao, ary azo oharina amin’inona izany zava-tsarotra tsy maintsy setraina izany?
SAROTRA dia sarotra ny mametra izay zavatra tokony homena ny toerana voalohany, ny miatrika andraikitra maromaro sy ny manokana fotoana sy hery antonony amin’ireo zava-dehibe eo amin’ny fiainana. Sarotra dia sarotra koa ny manalavitra ny fanaovan-javatra mihoa-pampana sy ny mitana fandanjalanjan’ny tena ara-tsaina sy amin’ny firaiketam-po. — Efesiana 5:17; 1 Timoty 4:8; 1 Petera 1:13.
2 Ho azo atao ny hampitaha izany zava-tsarotra izany amin’izay setrain’ny mpandihy ambony mahazaka izay mandeha eo amin’ny tady henjana eny ambony be. Ho azy, dia ho loza aman’antambo raha tsy mahajoro intsony izy. Ho toy izany koa ny amintsika raha tsy mahajoro ara-panahy intsony isika. Tsy manavesa-tena amin’ny zavatra maro izay mandeha eo ambony tady; izay tena ilainy no entiny. Raha tiantsika àry ny hitana ny fijoroantsika ara-panahy, dia tokony hanana fiainana tsotra isika, hanary izay rehetra mety ho enta-mavesatra. — Hebreo 12:1, 2.
3. Inona moa no tokony hataontsika mba hananana fiainana tsotra?
3 Raha tiantsika ny hanana fiainana tsotra, dia tsy tokony hikarakara afa-tsy izay ilaina mba hivelomana amin’ny fomba mendrika isika. Nampifanoherin’i Jesosy izay tokony hokatsahin’ny mpianany — ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny Fahamarinany — sy ireo ‘zavatra katsahain’ny jentilisa fatratra’. (Matio 6:32, 33.) Nananatra antsika àry izy mba tsy hanangona be dia be amin’ireny zavatra ireny. Inona no antony? Satria mety hanasarotra ny fiainantsika izany ka hampivily lalana antsika (Lioka 12:16-21; 18:25). Torohevitra tsara tokony harahintsika rehetra izany, na manan-karena isika na mahantra, na nahita fianarana na tsia.
Ny maha-zava-dehibe indrindra izany amin’izao androntsika izao
4. Nahoana moa no iankinan’ny aina ny hananana fiainana tsotra sy voalanjalanja amin’izao androntsika izao?
4 Zava-dehibe indrindra ny manana fiainana tsotra sy voalanjalanja amin’izao androntsika izao, satria voafetra ho etỳ amin’ny manodidina ny tany ny toeran’i Satana sy ireo demoniany ka mitady ny hanapotika antsika sy hampiala ny saintsika amin’ny asan’Andriamanitra (Apokalypsy 12:7-12, 17). Mbola tsy tena tamin’ny nilana azy toy ny amin’izao fotoana izao mihitsy ary ity baiko ao amin’ny Baiboly ity: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.” (Efesiana 5:15, 16). Marina tokoa fa noho isika miaina eo amin’izao tontolo izao ratsy tapahin’i Satana, fa tsy ao amin’izao tontolo izao vaovao nampanantenain’Andriamanitra, dia tsy afaka ny hamela ny tenantsika hanjary tsy hiraika isika. — 2 Korintiana 4:4; 2 Petera 3:7, 13.
5. Ohatra tsara dia tsara inona moa no navelan’ireo mpanompon’Andriamanitra velona fahizay ho antsika?
5 Namela ohatra tsara dia tsara ho antsika ireo mpanompon’Andriamanitra izay niaina teo anivon’izao tontolo izao fahiny notapahin’ny Devoly. Izy ireny dia “nanambara ampahibemaso fa vahiny sy mpivahiny tao amin’ilay tany”. Niriny fatratra ny “toerana tsaratsara kokoa, izany hoe toerana an’ny lanitra”. (Hebreo 11:13-16, MN.) Tsy nivadika tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra izy ireo, ary tokony ho toy izany koa isika. Noho izany antony izany, ny apostoly Petera dia nilaza ny kristiana ho “vahiny sy mpivahiny”. (1 Petera 2:11; Filipiana 3:20.) Raha ny marina, dia nambaran’i Jesosy fa “tsy naman’izao tontolo” ny tena mpianany. Milaza izany, araka ny nanazavan’ny apostoly Paoly azy, fa ‘tsy mampiasa izao tontolo izao amin’ny fomba feno’ ny kristiana. — Jaona 17:16; 1 Korintiana 7:31, MN.
6. a) Inona moa no tsy tokony hohadinointsika na oviana na oviana, ary azo oharina amin’inona moa ny toerantsika? b) Ohatra inona fahiny no tokony ho fampitandremana ho antsika rehetra?
6 Aoka àry tsy hohadinointsika na oviana na oviana fa mampidi-doza izao tontolo izaon’i Satana iainantsika. Raha vao solafaka kely foana, dia mety ho loza aman’antambo izany (1 Jaona 5:19; 1 Petera 5:8). Ny toerantsika dia azo ampitahaina amin’ny an’ny olona iray mandeha eo amin’ny saha nandevenam-banja. Ny apostoly Paoly dia nampitandrina ny kristiana tamin’ny fitantarana tamin’izy ireo izay nitranga tamin’ny Isiraelita rehefa nadiva hiditra tao amin’ny tany nampanantenaina izy ireo. Maro be no nanary ny fijoroany ara-panahy, nanaram-po tamin’ny fahalotoana ary naringan’Andriamanitra. “Koa izay manao azy fa efa mijoro tsara, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly, dia aoka izy hitandrina [tsy hanary ny fijoroany ara-panahy], fandrao ho lavo.” — 1 Korintiana 10:12.
Fiarovana
7. Fandinihan-tena inona no ho tsara ny hanaovantsika azy?
7 Fiarovana ny fananana fiainana tsotra sy voalanjalanja, satria izany mamela hanokana fotoana sy hery misimisy kokoa ho an’ny zavatra ara-panahy. Fahendrena àry ny hanontaniana tena hoe: Manamora ny fiainako ve aho sa manasarotra azy? Inona no tena mitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainako? Misy milaza fa kely ny fotoana ananany mba hianarana ny Baiboly na handraisana anjara amin’ny fitoriana. Fa nahoana no toy izany? Matetika tokoa, dia satria tsy manana fiainana tsotra sy voalanjalanja izy ireny. Nahoana no tsy mampitaha ny fotoana laninao hialam-boly, hijerena televiziona, ohatra, amin’izay laninao hanompoana an’i Jehovah amin’ny endriny iray na hafa amin’ny asa kristiana? Manana fandaharana voalanjalanja ve ianao? Amin’ny fanatsorana ny fiainanao, dia ho azonao atao ny hanokana fotoana misimisy kokoa ho an’ny zavatra lehibe indrindra, indrindra fa ho an’ny asa tena lehibe, dia ny fijinjana ara-panahy. — Filipiana 1:9, 10; Matio 9:37.
8. Ahoana no azo anarahana ny fananaran’i Jesosy hikatsaka ny Fanjakana aloha, ary inona no manazava ny maha-zava-dehibe ny handrosoana?
8 Raha ny marina, ny halehiben’ny asanao ara-panahy dia mampiseho hoe hatraiza no fetran’ny fahatsorana sy ny maha-voalanjalanja ny fiainanao. Ny kristiana izay, araka ny fananaran’i Jesosy, dia mikatsaka ny Fanjakan’Andriamanitra aloha, dia mandroso, amin’ny fanokanana fotoana tsy tapaka ho an’ny fianarana Baiboly, ho an’ny famonjena fivoriana sy ny fitoriana. Manampy azy ireny be dia be hisoroka ny fahalavoana izany fihetsehana mandroso izany. Azo ampitahaina amin’ny an’ny mpitaingina bisikileta ny toeran’izy ireo. Izay rehetra efa nanandrana nijanona tsy hianjera teo amin’ny bisikileta rehefa nampiadana ny diany ka saika niato, dia mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny handrosoana. Toy izany koa, raha mbola mandroso koa ny tena amin’ny fananana fandaharana tsara amin’ny asa ara-panahy, dia tsy mety hanary ny fijoroana ka hianjera. — Filipiana 3:16.
9. a) Inona no tokony hotadidiantsika rehetra? b) Rehefa mikasa ny hanatanteraka volavolan-kevitra iray isika, afaka manontany tena hoe ahoana moa isika?
9 Ilaina anefa ny ho malina hatrany, ny hahatsiarovana fa rehefa esorina ny zavatra sasany, dia azo atao ny hanana fotoana misimisy kokoa mba hianarana, hanomanana ireo fivoriana kristiana, sy hanampiana ny hafa. “Isaky ny maniry hividy zavatra tsy ilaiko na hanaiky asa mihoatra noho ny ilaiko aho, hoy ny fanazavan’ny lehilahy kristiana mpanao raharaham-barotra lehibe iray, dia mifehy tena foana aho amin’ny fitenenana anakampo hoe: Mijanòna ho tsotra! (...) Amin’ny toe-javatra sasany dia tsy maintsy manao masiaka amin’ny tenako aho.” Moa ve izany tsy hevitra ho tsara raha tadidintsika rehetra ao an-tsaina? Rehefa mikasa ny hanatanteraka volavolan-kevitra iray ianao, ny hanitatra ny tranonao, ohatra, na hanao asa hafa, nahoana no tsy manontany tena hoe: Hanatsara ny fahasalamako ara-panahy sy ny an’ny ankohonako ve izany sa hanimba azy kosa? Tena ilaiko ve ny zavatra rehetra katsahin’ny olona eo amin’izao tontolo izao fatratra, sa afaka ny tsy hanana izany aho?
10. Inona no fifanoherana misy eo amin’ny hevitry ny “olona araka ny nofo” sy ny an’ny “olona araka ny fanahy”?
10 Hisy hanohitra toy izao angamba anefa: ‘Tena ilaina ve ny fanaovana sorona toy izany? Tena tokony hanana fiainana tsotra sy voalanjalanja tokoa ve isika?’ Ny amin’ny “zavatra momba ny olona” sy ny “zavatra momba an’Andriamanitra”, dia izao no nosoratan’i Paoly: “Ny olona araka ny nofo dia tsy mandray ireo zavatra avy amin’ny fanahin’Andriamanitra, satria fahadalana aminy izany; ary tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahalalana izany izy, satria amin’ny ara-panahy no amantarana izany. Mamantatra ny zavatra rehetra kosa anefa ny olona araka ny fanahy.” (1 Korintiana 2:11, 14, 15, MN ). Mora ny hahatongavana ho “olona araka ny nofo” amin’ny fikatsahana sy amin’ny fahazoana fananana ara-nofo tafahoatra. Eo imason’ny olona manao toy izany, dia tafahoatra na mahatsikaiky mihitsy aza ny fitiavana fahafoizan-tena. Izany anefa no eritreretin’ny “olona araka ny nofo”, fa tsy ny “olona araka ny fanahy”.
11. Raha nanao inona moa i Noa no ho tsy nahajoro, ary ahoana no mety hananantsika fiainana voalanjalanja amin’izao androntsika izao?
11 Ny olona araka ny fanahy dia mijery ny zavatra amin’ny mason’ny finoana. Araka ny fahitan’Andriamanitra izany no ahitany azy. Aoka horaisintsika ny ohatra ny amin’i Noa. Ho naneho fandanjalanjana ve izy raha toa, taorian’ny nandrenesany fa nikasa ny handringana izao tontolo izao tamin’ny safodrano Andriamanitra, ka nandany ny fotoanany tamin’ny fanorenana trano lehibe kokoa, ary fomba kokoa sy tamin’ny fikatsahana fananana ara-nofo misimisy kokoa izy? Azo antoka fa tsy izany! Ny sambo fiara no hiantoka ny tsy fananany ahiahy. Ho an’i Noa, ny hoe nanana fiainana tsotra sy voalanjalanja dia nilaza fanokanan-tena tanteraka ho an’ny fanorenana ny sambo fiara sy fahatongavana ho “Mpitory ny fahamarinana” na dia tao aza ny fanarabian’ny “olona araka ny nofo” “tsy nanam-pinoana” (2 Petera 2:5; Matio 24:37-39). Toy izany koa, noho isika nampandrenesina fa antomotra ny faran’izao tontolo izao ankehitriny, dia tokana ihany ny fomba mety hananana fiainana voalanjalanja: ny fampifantohana ny saintsika ho amin’ny fanatanterahana ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fanambarana ny vaovao tsara, na dia mety hilaza fialana amin’ny fiainana lazaina fa ara-dalàna aza izany ho an’ny olona maro. — 1 Jaona 2:17.
Nampianatra antsika izay tokony hatao i Jesosy
12. a) Araka ny nanoroan’i Jesosy hevitra antsika, tokony hitsahatra tsy hihary inona moa isika, ary inona no tokony hataontsika ho solon’izany? b) Nahoana moa no ilaina izany fanovana zava-kendrena izany?
12 Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia nomen’i Jesosy ny ohatra tsara dia tsara ny amin’ny fomba fananana fiainana tsotra sy voalanjalanja. Hoy izy: “Aza [atsaharo ny, MN ] mihary harena ho anareo etỳ an-tany, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” Nampiasa ny teny hoe “atsaharo” i Jesosy satria amin’ny ankapobeny ny olona dia “mihary” fananana ara-nofo tsy an-kijanona. Tsy afaka manao toy izany intsony anefa izay tonga mpianatr’i Jesosy. Tokony ho hafa ny zava-kendrena eo amin’ny fiainany, araka ny asehon’ny baiko nomen’i Jesosy nanaraka izany manao hoe: “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra, izay tsy misy kalalao na harafesina manimba, sady tsy misy mpangalatra manamitrano na mangalatra.” Raha nanazava ny antony ilàna izany fiovan’ny zava-kendrena izany i Jesosy, dia hoy izy: “Fa izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.” — Matio 6:19-21.
13. Mba hanangonana harena any an-danitra, tokony hiaiky ny amin’inona moa ianao?
13 Ny harenao dia izay tena heverinao ho zava-dehibe. Inona izany? Ny fananana ara-nofo ve, sa ny fanamasinana ny anaran’i Jehovah Andriamanitra sy ny valisoa nampanantenainy? Mba handaniana ny fiainanao hanangonana harena any an-danitra fa tsy eto an-tany, dia tokony hiaiky tanteraka ianao fa tena misy ilay Fanjakana. Tokony ho zavatra tena izy aminao izao tontolo izao vaovao, hany ka tokony ho afaka haka sary an-tsaina izany ianao ary hahita an’eritreritra ny tenanao eo am-panatanterahana ny sitrapon’i Jehovah ny amin’ny tany. Sahala amin’i Mosesy, dia tokony ‘hahita Izay tsy hita’ ianao ka hiaiky mafy fa ho “Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy” izy. — Hebreo 11:6, 27.
14. Raha mifantoka amin’ny fananana ara-nofo ny fontsika, inona no haterak’izany?
14 Fa ahoana raha toa ny fonao, izay mahafaoka ny fanirianao, ka mitodika any amin’ny harena ara-nofo? Hoy ny Baiboly: “Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” Tsy mitondra tena fahafahampo maharitra mihitsy ny fikatsahana fananana ara-nofo mety ho azo amin’ny vola (1 Timoty 6:10; Mpitoriteny 5:10). Ny mahatsiravina indrindra anefa dia ny hoe ny fitiavam-bola sy zavatra ara-nofo dia hanimba ny fifandraisanao amin’Andriamanitra izay manantena ny hanompoantsika azy “amin’ny fo rehetra”. — 1 Tantara 28:9.
15. a) Inona moa no fanoharana nomen’i Jesosy momba ny maso? b) Na eo amin’ny lafiny ara-batana na eo amin’ny lafiny ara-panahy, ahoana no mety hananana maso tsotra hatrany? d) Raha manana maso tsotra isika, amin’ny ahoana moa ny fahitantsika ara-panahy no ho sahala amin’ny an’ireo apostolin’i Jesosy telo?
15 Mba hanampiana antsika hisoroka ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo, dia nanome fanoharana roa i Jesosy. Izao ny voalohany: “Ny maso no jiron’ny tena; koa amin’izany, raha tsara [tsotra, MN ] ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra. Fa raha ratsy ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra.” (Matio 6:22, 23). Amin’ny heviny fizika, dia “tsotra” ny maso iray raha mahitsy tsara ka mampita sary mazava ao an-tsaina. Ny maso tsy mahitsy tsara dia mampita sary manjavozavo. Toy izany koa, ny maso ara-panahy izay “tsotra”, na mahitsy tsara dia mampita sarin’ny Fanjakan’Andriamanitra mazava fa tsy sary mifangaroharo be fahatany mampiseho an’izao tontolo izao ho toy ny tantara noforonina mahafinaritra na angano. Raha mahitsy tsara ny masonao ara-panahy, dia ho zavatra tena izy aminao ny izao tontolo izao vaovao sahala amin’ny naha-toy izany azy ho an’ireo apostoly telo nanana tombontsoa tsy fahita, nahatazana ilay Fanjakana noho ny fahitana mahagaga iray tamin’ny niovan’i Jesosy tarehy. — Matio 16:28 ka hatramin’ny 17:9; Jaona 1:14; 2 Petera 1:16-19.
16. Tao amin’ny fanoharana faharoa, ahoana no nampisehoan’i Jesosy ny ilàna tsy hanatratra afa-tsy zava-kendrena tokana?
16 Nanome fanoharana faharoa i Jesosy: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, hoy izy; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany.” Mba hanamafisana ny heviny, dia nosoritan’i Jesosy indray ny ilàna tsy hanatratra afa-tsy zava-kendrena iray monja, tamin’ny filazana hoe: “Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy Mamôna [ny Harena, MN ] hianareo.” Tsy azo atao tanteraka izany. Nanampy teny toy izao àry i Jesosy: “Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na izay hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. (...) Fa izany rehetra izany dia katsahin’ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany.” — Matio 6:25-32.
17. a) Inona moa no tian’i Jesosy holazaina tamin’ireo toromariny momba ny zavatra ara-nofo? b) Inona moa no nosoritan’i Jesosy, ary inona no dikan’ny hoe manana fiainana tsotra sy voalanjalanja?
17 Tsy te-hilaza tamin’izany akory i Jesosy fa hoe tokony hampoizin’ireo mpianany ny hahazoana fahafahampo amin’ny fomba mahagaga amin’izay ilainy ara-nofo, na afaka ny ho kamo sy tsy hety hiasa izy mba hahazoana izay ilainy sy ny an’ny fianakaviany (1 Timoty 5:8). Tsia. te-hilaza izy fa ireny zavatra ara-nofo ireny, izay nokatsahin’ireo firenena fatratra, dia tsy tokony hitana ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany. Tokony harahiny kosa izao fananaran’i Jesosy izao: “Fa katsaho [hatrany, MN ] aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Noresahin’i Jesosy eo àry ny amin’ireo zava-kendrena eo amin’ny fiainana ary nosoritany ny maha-tsinontsinona ny fikatsahana fananana ara-nofo. Mba hananana fiainana tsotra sy voalanjalanja, dia tsy tokony hibanjina afa-tsy ireo tombontsoan’ilay Fanjakana isika, ka tsy hanome ho an’ny zavatra hafa rehetra afa-tsy toerana ambinambiny.
Ny ohatra nomen’i Jesosy sy ny hafa koa
18. Ohatra tsara inona no navelan’i Jesosy ho antsika?
18 Taorian’ny namporisihany ny kristiana ‘hanaisotra izay rehetra nitambesatra taminy mbamin’ny ota [tsy fahampiam-pinoana na fanariana izany] malaky mahazo antsika’, dia nanao izao fananarana izao i Paoly: “Ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy, Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy.” (Hebreo 12:1, 2). Feno fandavan-tena tsy nisy toy izany ho an’ny tombontsoan’ilay Fanjakana i Jesosy ka nilazalaza ny toerany toy izao: “Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’olona tsy mba manana izay hipetrahan’ny lohany.” (Matio 8:20). Tsy mpampijaly tena anefa i Jesosy na dia izany aza. Asehon’ny Soratra masina fa nankasitraka ny sakafo sy ny fitafiana tsara izy, kanefa ny zava-nokendrena lehibe indrindra teo amin’ny fiainany dia ny hanatanteraka tsara ny fanompoany. Nanana fiainana tsotra sy voalanjalanja àry i Jesosy. — Lioka 5:29; Jaona 19:23, 24.
19, 20. a) Ohatra inona moa no nomen’i Paoly tamin’ny fihetsiny teo anoloan’ireo fananana ara-nofo? b) Nianatra nanao inona moa ny maro tamin’izao androntsika izao, ary ahoana no fiheverany ny fiainana nananany?
19 Nahay nametra izay tokony homeny ny toerana voalohany koa ny apostoly Paoly. Hoy ny fanazavany: “Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara [amin’ny fomba feno, MN ] ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra.” (Asa. 20:24). Eny, mba hanatanterahana ny fanompoana lehibe indrindra, dia nianina tamin’ny zavatra tena nilaina i Paoly, na dia nankasitraka ny hanam-be aza indraindray. Hoy ny nosoratany: “Na aiza na aiza, ary na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy alahelo.” — Filipiana 4:12.
20 Kristiana an’aliny maro no nianatra nanao toy izany amin’izao androntsika izao. Maro be amin’izy ireny no manompo an’i Jehovah manontolo andro; misionera izy ireny, mpitory maharitra, mpiandraikitra mpitety faritany na miasa ao amin’ny foibe iraisam-pirenena ‘ny fandaminan’ny Vavolombelon’i Jehovah na ao amin’ny anankiray amin’ireo sampany. Rehefa avy nanokana taona maro tamin’ny asa manontolo andro ny ankamaroany dia milaza fa raha tsy maintsy mamerina indray ny fiainany izy ireo, dia zavatra toy ny efa nataony ihany no hataony.
Ireo soa mety ho azonao
21, 22. a) Mandray soa inona dieny izao ireo izay manana fiainana tsotra sy voalanjalanja? b) Fitahiana ho avy inona no mety ho azonao?
21 Marina fa ilaina ny manana fahafoizan-tena mba hananana fiainana tsotra sy voalanjalanja, nefa mandray soa sy fifaliana tsy manam-paharoa ny tena amin’izany. Raha manao toy izany ianao, dia hanana fotoana misimisy kokoa mba hampandrosoana ny tombontsoan’ilay Fanjakana, ary ho afaka hahita sy hampianatra olona maro kokoa mankafy ny fikasan’Andriamanitra ianao. Hahita fahafahampo sy tena fifaliana avy amin’izany ianao, ary hahita fiadanan-tsaina sy antoka fa hahazo sitraka amin’i Jehovah Andriamanitra. Valisoa mety ho azonao dieny izao izany. — Filipiana 4:6, 7.
22 Ho lehibe lavitra anefa ireo soa ho avy, ka ho hita fa tsinontsinona ny fahafoizan-tena rehetra mety hekenao hananana ankehitriny. Ampanantenain’i Jehovah antsika indrindra ‘ny fiainana ho mandrakizay doria’. Eny, mety hahita izany fahasambarana izany ianao: ny hiaina sambatra mandrakizay ao amin’izao tontolo izao vaovao sy marina haorin’i Jehovah. Manàna àry fiainana tsotra sy voalanjalanja dieny izao, aza manaiky na oviana na oviana hanary ny fijoroanao noho ireo zavatra atolotr’izao tontolo izao ankehitriny. Aza hadinoina na oviana na oviana fa homen’Andriamanitra anao izay irin’ny fonao. — Salamo 21:3, 4; 37:4; 133:3.
Famerenana
◻ Ohatra sy fanoharana inona avy mety hanampy anao hanana fiainana tsotra sy voalanjalanja no voamarikao?
◻ Fiarovana inona no omen’ny fiainana tsotra sy voalanjalanja antsika?
◻ Raha tsotra ny masontsika ara-panahy, hitondra inona ho antsika izany?
◻ Ahoana no nampianaran’i Jesosy antsika hanana fiainana tsotra?
◻ Inona no soa entin’ny fiainana tsotra sy voalanjalanja?