Iza no ho “Afa-mandositra”?
“Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”. — ASAN’NY APOSTOLY 2:21.
1. Nahoana no kihon-dalana iray teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny Pentekosta tamin’ny 33 am.f.i.?
KIHON-DALANA iray teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny Pentekosta 33 am.f.i. Nahoana? Satria tamin’io andro io no teraka ny firenena vaovao iray. Tsy tena firenena lehibe izy io teo am-boalohany, satria mpianatr’i Jesosy 120 monja, izay nivory tao amin’ny efitra ambony rihana iray tao Jerosalema, no tao anatin’izy io. Amin’izao andro izao anefa, dia mbola mijoro eo foana ilay firenena teraka tao amin’io efitra ambony rihana io, na dia efa navalon’ny lasa aza ny ankamaroan’ny firenena nisy tamin’izany fotoana izany. Tena faran’izay zava-dehibe izany ho antsika rehetra, satria io no firenena voatendrin’Andriamanitra ho vavolombelony eo anatrehan’ny olombelona.
2. Fisehoan-javatra mahagaga inona avy no nanamarika ny nahaterahan’ilay firenena vaovao?
2 Fony nanomboka nisy io firenena vaovao io, dia nisy fisehoan-javatra lehibe nitranga, ho fahatanterahan’ny teny ara-paminanian’i Joela. Izao no vakintsika momba izany fisehoan-javatra izany, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:2-4: “Nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin’afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin’ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ny Fanahy Masina azy.” Tonga firenena ara-panahy tamin’izany fomba izany ireo lehilahy sy vehivavy nahatoky 120 ireo. Tatỳ aoriana, dia nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “Isiraelin’Andriamanitra” ireo mpikambana voalohany tamin’izy io. — Galatiana 6:16.
3. Faminanian’i Joela inona no tanteraka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.?
3 Nitangorona ny vahoaka mba hamototra ny amin’ilay ‘rivotra mahery nifofofofo’, ka nohazavain’ny apostoly Petera tamin’izy ireo fa teo am-pahatanterahana ny iray amin’ireo faminanian’i Joela. Faminaniana inona? Henoy ange izay lazainy e: “Amin’ny andro farany, hoy Andriamanitra, no handatsahako ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra; ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, ary ny zatovonareo hahita fahitana, ary ny lahi-antitrareo hanonofy; ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany, ka dia haminany izy; ary hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ny tany ambany, dia ra sy afo ary zavon’ny setroka; ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza; ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”. (Asan’ny Apostoly 2:17-21). Hita ao amin’ny Joela 3:1-5 ireo teny notononin’i Petera ireo, ary ny fahatanterahan’izy io dia nidika fa nihatapitra ny fotoana ho an’ny firenena jiosy. Efa antomotra “ny andron’i Jehovah, dia ilay sady lehibe no malaza”, izay fotoana hampamoahana ny Isiraely tsy nahatoky. Iza anefa no hovonjena, na ho afa-mandositra? Ary tandindon’inona izany?
Faminaniana misy fahatanterahany roa sosona
4, 5. Noho ireo fisehoan-javatra ho avy, torohevitra inona no nomen’i Petera, ary nahoana no tsy tamin’ny androny ihany no azo ampiharana izany torohevitra izany?
4 Tamin’ireo taona taorian’ny 33 am.f.i., dia niroborobo ny Isiraelin’Andriamanitra ara-panahy, fa tsy mba toy izany kosa ny firenen’ny Isiraely ara-nofo. Niady tamin’i Roma ny Isiraely ara-nofo, tamin’ny 66 am.f.i. Tamin’ny 70 am.f.i., dia saika tsy nisy intsony ny Isiraely, ary kila forehitra i Jerosalema sy ny tempoliny. Nanome torohevitra tsara dia tsara i Petera tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., noho izany loza nananontanona izany. Mbola nanonona ny tenin’i Joela ihany izy raha nilaza hoe: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia hovonjena”. Tsy maintsy nandray fanapahan-kevitra manokana hiantso ny anaran’i Jehovah ny Jiosy isam-batan’olona. Anisan’izany ny fanarahana ny toromarika fanampiny nomen’i Petera, manao hoe: “Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy hianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo”. (Asan’ny Apostoly 2:38). Ireo olona nihaino an’i Petera dia tsy maintsy nanaiky an’i Jesosy ho Mesia, izay nolavin’ny Isiraely, tamin’ny naha-firenena azy.
5 Nisy akony lehibe teo amin’ireo mpandefitra tamin’ny taonjato voalohany ireo teny ara-paminanian’i Joela ireo. Vao mainka misy akony lehibe lavitra anefa izy ireo amin’izao andro izao, satria, nisy fahatanterahany faharoa ilay faminanian’i Joela, araka ny asehon’ireo zava-nitranga tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ. Andeha hojerentsika hoe tamin’ny fomba ahoana.
6. Tamin’ny fomba ahoana no nanomboka hita mazava hoe iza ny Isiraelin’Andriamanitra, teo am-panatonan’ny taona 1914?
6 Taorian’ny nahafatesan’ireo apostoly, dia nanjary takon’ny tsimparifarin’ny Kristianisma sandoka, ny Isiraelin’Andriamanitra. Nandritra ny fotoan’ny farany, izay nanomboka tamin’ny 1914, anefa, dia nanjary nazava indray hoe iza io firenena ara-panahy io. Fahatanterahan’ilay fanoharan’i Jesosy momba ny vary sy ny tsimparifary, izany rehetra izany. (Matio 13:24-30, 36-43). Teo am-panatonan’ny taona 1914, ireo Kristiana voahosotra dia nanomboka nisaraka tamin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay tsy nahatoky. Nanilika tamim-pahasahiana ireo foto-pinoana dison’izy io izy ireo, ary nitory ny hahatongavan’ny faran’ny “andron’ny jentilisa”. (Lioka 21:24). Nampipoitra raharaha izay tsy nampoizin’izy ireo anefa ny ady lehibe voalohany, izay nipoaka tamin’ny 1914. Tao anatin’ny fanerena nahery vaika, dia maro no niadam-pamindra, ary nanaiky lembenana kosa ny sasany. Saika nitsahatra tanteraka ny asa fitorian’izy ireo, tamin’ny 1918.
7. a) Fisehoan-javatra inona no nitranga tamin’ny 1919, ka mitovy amin’ny tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.? b) Nanomboka tamin’ny 1919, nisy vokany nanao ahoana teo amin’ny mpanompon’i Jehovah ny nandatsahana ny fanahin’Andriamanitra?
7 Na dia izany aza, dia tsy naharitra ela izany. Hatramin’ny 1919, dia nanomboka nandrotsaka ny fanahiny teo amin’ny vahoakany i Jehovah. Nampahatsiaro ny Pentekosta 33 am.f.i. ny fomba nanaovany izany. Mazava ho azy fa tsy nisy niteny tamin’ny fiteny tsy fantatra sy rivotra mahery nifofofofo akory tamin’ny 1919. Takatsika avy amin’ny tenin’i Paoly voarakitra ao amin’ny 1 Korintiana 13:8, fa efa lasa ela ny fotoana nisian’ny fahagagana. Niharihary mazava anefa ny fanahin’Andriamanitra tamin’ny 1919, rehefa nahazo tanjaka indray ireo Kristiana nahatoky, tamin’ny fivoriambe iray tany Cedar Point, any Ohio, any Etazonia, ka nanomboka indray ny asa fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Niverina indray tany Cedar Point izy ireo tamin’ny 1922, ary nahazo fandrisihana mafy tamin’ilay fiangaviana hoe: “Ambarao, ambarao, ambarao ilay Mpanjaka sy ny fanjakany.” Toy izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany, dia voatery nanisy fiheverana ireo vokatra nentin’ny fandatsahana ny fanahin’Andriamanitra izao tontolo izao. Ny Kristiana nanolo-tena rehetra — na lahy na vavy, na antitra na tanora — dia nanomboka ‘naminany’, izany hoe, nanambara “ny asa lehibe ataon’Andriamanitra”. (Asan’ny Apostoly 2:11). Sahala amin’i Petera, dia nampirisika ny mpandefitra toy izao izy ireo: “Aoka hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity hianareo.” (Asan’ny Apostoly 2:40). Ahoana no nahafahan’ireo olona nandray tsara nanao izany? Tamin’ny fanarahana ny tenin’i Joela hita ao amin’ny Joela 3:5, manao hoe: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra”.
8. Nanao ahoana ny fandrosoan’ny raharaha mahakasika ny Isiraelin’Andriamanitra, nanomboka tamin’ny 1919?
8 Nanomboka tamin’ireny taona tany am-boalohany ireny, dia nandroso hatrany ireo raharaha mahakasika ny Isiraelin’Andriamanitra. Toa efa lasa lavitra be ny fanisiana tombo-kase ny voahosotra, ary nanomboka tamin’ireo taona 1930, dia niseho sehatra koa ny mpandefitra nahaforona vahoaka be, manana fanantenana ny ho eto an-tany. (Apokalypsy 7:3, 9). Samy dodona ny rehetra, satria asehon’ny fahatanterahana faharoan’ny Joela 3:1, 2 fa tsy lavitra ny andron’i Jehovah iray mbola mahatahotra lavitra isika izao, ka amin’izay dia horinganina ny fandehan-javatra ara-pivavahana sy ara-politika ary ara-barotra maneran-tany. Manana ny antony rehetra ‘hiantsoana ny anaran’i Jehovah’ isika, amin’ny finoana tanteraka fa hamonjy antsika izy!
Ahoana no iantsoantsika ny anaran’i Jehovah?
9. Inona no sasany amin’ireo zavatra tafiditra amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jehovah?
9 Inona no tafiditra amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jehovah? Manampy antsika hamaly io fanontaniana io ny teny manodidina ny Joela 3:1, 2. Ohatra, tsy henoin’i Jehovah avokoa akory ny olona rehetra miantso azy. Tamin’ny alalan’i Isaia, mpaminany hafa iray, dia hoy i Jehovah tamin’ny Isiraely: “Raha mananty tànana hianareo, dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; eny, na dia manao vavaka be aza hianareo, dia tsy hihaino Aho”. Nahoana i Jehovah no nanda tsy hihaino ny vahoakany? Izy mihitsy no manazava toy izao: “Feno ran’olona ny tànanareo.” (Isaia 1:15). I Jehovah dia tsy hihaino ny olona mivesatra trosan-dra na zatra manota, na iza izy na iza. Izany no antony nahatonga an’i Petera hilaza tamin’ireo Jiosy, tamin’ny Pentekosta, mba hibebaka. Ao amin’ny teny manodidina ny Joela 3:1, 2, dia hitantsika fa manantitrantitra ny amin’ny fibebahana koa i Joela. Izao, ohatra, no vakintsika ao amin’ny Joela 2:12, 13: “Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra ary amin’ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin’i Jehovah Andriamanitrareo; fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo”. Nanomboka tamin’ny 1919, dia nanao zavatra nifanaraka tamin’izany teny izany ireo Kristiana voahosotra. Nibebaka tamin’ireo tsy nety nataony izy ary tapa-kevitra ny tsy hanaiky lembenana na hiadam-pamindra intsony mihitsy. Nanokatra ny lalana ho amin’ny fandatsahana ny fanahin’Andriamanitra izany. Ny olona rehetra maniry hiantso ny anaran’i Jehovah sy hohenoina dia tsy maintsy manaraka izany lalana izany koa.
10. a) Inona no atao hoe tena fibebahana? b) Manao ahoana fihetsik’i Jehovah eo anoloan’ny tena fibebahana?
10 Tadidio fa ny tena fibebahana dia tsy vitan’ny milaza fotsiny hoe: “Manenina aho.” Nandriatra ny akanjony ivelany, taloha, ny Isiraelita mba hampisehoana ny hamafin’ny fihetseham-pony. Hoy anefa i Jehovah: “Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo”. Avy amin’ny fo ny tena fibebahana, izany hoe avy any anatintsika lalina any. Tafiditra amin’izany ny fandaozana ny fanaovan-dratsy, araka ny vakintsika ao amin’ny Isaia 55:7, manao hoe: “Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny”. Tafiditra amin’izany ny fankahalana ny ota, toy ny nataon’i Jesosy. (Hebreo 1:9). Avy eo dia matoky isika fa hamela ny helotsika miorina amin’ny sorom-panavotana i Jehovah, satria “mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindrampo”. Hanaiky ny fanompoam-pivavahantsika izy, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina ara-panahy atolotsika. Hihaino izy rehefa miantso ny anarany isika. — Joela 2:14.
11. Manao ahoana ny tokony ho toeran’ny fanompoam-pivavahana marina eo amin’ny fiainantsika?
11 Tao amin’ilay Toriteny teo An-tendrombohitra, dia nanome antsika zavatra hafa hotadidina i Jesosy rehefa nilaza hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany”. (Matio 6:33). Tsy tokony hoheverina ho maivan-danja ny fanompoam-pivavahantsika, ka ho toy ny zavatra atao anarany fotsiny mba hampanginana ny feon’ny fieritreretantsika. Mendrika ny homena ny toerana voalohany eo amin’ny fiainantsika ny fanompoana an’Andriamanitra. Araka izany, dia nanohy ny teniny toy izao, i Jehovah, tamin’ny alalan’i Joela: “Tsofy ao Ziona ny anjomara (...). Angòny ny vahoaka, manamasìna fiangonana, vorio ny loholona, angòny ny ankizy madinika mbamin’ny zaza minono; aoka ny mpampakatra hiala ao an-efitranony, ary aoka ny ampakarina hiala ao an-trano fandriany.” (Joela 2:15, 16). Tsy mahagaga raha varimbariana ny mpivady vao ka tsy mampifantoka ny sainy afa-tsy amin’izy samy izy. Na dia ho azy ireo aza anefa, dia ny fanompoana an’i Jehovah no tsy maintsy alefa aloha. Tsy misy na inona na inona tokony ho zava-dehibe kokoa noho ny maha-tafaray antsika ao amin’ny fanompoam-pivavahana amin’ilay Andriamanitsika, noho ny fiantsoana ny anarany.
12. Fitomboana manao ahoana no azo ampoizina raha ny tatitra momba ny Fahatsiarovana tamin’ny taon-dasa no jerena?
12 Amin’ny fitanana izany ao an-tsaina, dia andeha isika handinika antontan’isa iray, araka ny asehon’ny Tatitry ny Vavolombelon’i Jehovah ho An’ny Taom-panompoana 1997. Tamin’ny taon-dasa, dia nisy tampon’isan’ny mpitory ilay Fanjakana 5 599 931 — tena vahoaka be mpidera an’Andriamanitra marina tokoa! Ny mpanatrika ny Fahatsiarovana dia 14 322 226 — manan-tombo tokony ho valo tapitrisa sy sasany amin’ny isan’ny mpitory. Asehon’io tarehimarika io fa azo ampoizina ny hisian’ny fitomboana mahatalanjona. Maro amin’ireo valo tapitrisa sy sasany ireo no efa niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Olona liana izy ireny, na koa zanaky ny ray aman-dreny vita batisa. Maro dia maro no sambany vao nanatrika fivoriana. Tena azon’ny Vavolombelon’i Jehovah nohararaotina ny fahatongavan’izy ireny mba hifankahalalany aminy bebe kokoa sy mba hanampiany azy ireny handroso misimisy kokoa. Eo koa ireo olona izay manatrika isan-taona ny Fahatsiarovana ary angamba manatrika ny sasantsasany amin’ireo fivoriana hafa, saingy tsy manohy mandroso. Mazava ho azy fa raisina an-tanan-droa tokoa izy ireny hanatrika ireo fivoriana. Mampirisika mafy azy ireny anefa isika mba hisaintsaina amim-pitandremana ny teny ara-paminanian’i Joela ka handinika ireo dingana hafa tsy maintsy ataony mba ho azo antoka fa hihaino i Jehovah rehefa hiantso ny anarany izy ireny.
13. Raha efa miantso ny anaran’i Jehovah isika ankehitriny, inona ny andraikitra ananantsika amin’ny hafa?
13 Nanantitrantitra lafiny hafa iray amin’ny fiantsoana ny anaran’Andriamanitra ny apostoly Paoly. Tao amin’ny taratasiny ho an’ny Romana, dia nanonona ny teny ara-paminanian’i Joela izy, ka nanao hoe: ‘Izay rehetra miantso ny anaran’i Jehovah no hovonjena’. Nanjohy hevitra toy izao izy avy eo: “Hataony ahoana (...) no fiantso izay tsy ninoany? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory?” (Romana 10:13, 14). Eny, olona maro hafa izay mbola tsy tonga amin’ny fahalalana an’i Jehovah hatramin’izao no mila miantso ny anarany. Ireo efa mahalala an’i Jehovah kosa, dia tsy vitan’ny hoe manana andraikitra hitory fotsiny, fa hikely aina sy hanome azy ireny izany fanampiana izany koa.
Paradisa ara-panahy
14, 15. Fitahiana mampahatsiaro paradisa inona avy no azon’ny vahoakan’i Jehovah, satria sitrak’i Jehovah ny fomba iantsoan’izy ireo ny anarany?
14 Izany no fomba fihevitry ny voahosotra sy ny ondry hafa, ka mitahy azy ireo i Jehovah, vokatr’izany. “Jehovah dia saro-piaro ny taniny sady niantra ny olony.” (Joela 2:18). Tamin’ny 1919, dia nanehoan’i Jehovah fahasarotam-piaro, na hoe zotom-po, sy fiantrana, ny vahoakany, rehefa naveriny tamin’ny laoniny ka nampidiriny tao amin’ny sehatr’asany ara-panahy. Tena paradisa ara-panahy marina izy io. Nilazalaza azy io tsara tamin’ireto teny ireto i Joela: “Aza matahotra, ry tany fambolena, miravoravoa sy mifalia; fa manao zava-dehibe Jehovah. Aza matahotra, ry biby any an-tsaha, fa mihamaitso ny kijana any an-efitra, mamoa ny hazo, ary vokatra ny aviavy sy ny voaloboka. Ary hianareo, ry zanak’i Ziona, miravoravoa sy mifalia amin’i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanome anareo ny loha-orana onony Izy, dia handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo, eny, ny loha-orana sy ny fara-orana aloha. Dia ho feno vary ny famoloana, ary hihoatra ny vata fanantazana ny divay sy ny diloilo.” — Joela 2:21-24.
15 Sary mahafinaritra re izany! Tondraka ireo foto-tsakafo telo teo amin’ny Isiraely, dia ny voa sy ny diloilon’oliva ary ny divay. Be dia be torak’izany koa ny andiam-biby. Amin’izao androntsika izao, dia tanteraka amin’ny heviny ara-panahy tokoa ireo teny ara-paminaniana ireo. Manome antsika ny sakafo ara-panahy rehetra ilaintsika i Jehovah. Tsy ravoravo ve isika rehetra noho izany zavatra tondraka omen’Andriamanitra izany? Marina tokoa, araka nambaran’i Malakia mialoha, fa ‘namoha ny varavaran’ny lanitra ho antsika ilay Andriamanitsika, ka nampidina fitahiana manana amby ampy’. — Malakia 3:10.
Ny faran’ny fandehan-javatra iray
16. a) Midika ho inona ho an’ny androntsika ny fandatsahana ny fanahin’i Jehovah? b) Inona no miandry antsika amin’ny hoavy?
16 Rehefa avy niresaka mialoha ny amin’ilay toe-piainana paradisa iainan’ny vahoakan’Andriamanitra i Joela vao naminany momba ny handatsahana ny fanahin’i Jehovah. Rehefa nanonona io faminaniana io i Petera tamin’ny Pentekosta, dia nilaza fa tanteraka tao anatin’ny “andro farany” izy io. (Asan’ny Apostoly 2:17). Ny nandatsahana ny fanahin’Andriamanitra tamin’izany fotoana izany dia nidika fa efa nanomboka ny andro farany ho an’ny fandehan-javatra jiosy. Ny nandatsahana ny fanahin’Andriamanitra teo amin’ny Isiraelin’Andriamanitra tamin’izao taonjato faha-20 izao dia midika fa miaina ao anatin’ny andro faran’itỳ fandehan-javatra maneran-tany itỳ isika ankehitriny. Inona àry izany no miandry antsika amin’ny hoavy? Manohy milaza amintsika toy izao ny faminanian’i Joela: “Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.” — Joela 3:3, 4.
17, 18. a) Andron’i Jehovah mahatsiravina inona no tonga tamin’i Jerosalema? b) Manosika antsika hanao inona ny maha-azo antoka ilay andron’i Jehovah mahatsiravina ho avy?
17 Tamin’ny 66 am.f.i., dia nanomboka tanteraka tany Jodia ireo teny ara-paminaniana ireo, rehefa niroso tsy hay notohaina ho amin’ny fara tampon’ilay andron’i Jehovah mahatsiravina tamin’ny 70 am.f.i., ny fisehoan-javatra. Niteraka horohoro toy inona moa tamin’izany fotoana izany ny hoe anisan’ny tsy nanandratra ny anaran’i Jehovah! Amin’izao andro izao, dia andrasana ny hisian’ny fisehoan-javatra mampihorohoro toy izany, ka amin’izay dia horinganin’ny tanan’i Jehovah itỳ fandehan-javatra manontolo itỳ. Na dia izany aza, dia azo atao ny mandositra. Mbola manohy ny teniny toy izao ilay faminaniana: “Na zovy na zovy no hiantso ny anaran’i Jehovah dia ho afa-mandositra; fa ao an-tendrombohitra Ziona sy any Jerosalema dia hisy sisa afaka, araka izay efa voalazan’i Jehovah, ary izay antsoin’i Jehovah dia ho isan’izay afa-mandositra.” (Joela 3:5). Tena velom-pankasitrahana tokoa ny Vavolombelon’i Jehovah mahafantatra ny anaran’i Jehovah, ary matoky tanteraka izy ireo fa hamonjy azy i Jehovah rehefa hantsoiny.
18 Inona anefa no hitranga rehefa hamely itỳ tontolo itỳ araka izay fara heriny ilay andron’i Jehovah izay sady lehibe no malaza? Izany no horesahina ao amin’ny lahatsoratra farany.
Tadidinao Ve?
◻ Oviana i Jehovah no nandatsaka voalohany ny fanahiny teo amin’ny vahoakany?
◻ Inona no sasany amin’ireo zavatra tafiditra amin’ny fiantsoana ny anaran’i Jehovah?
◻ Oviana no tonga tamin’ny Isiraely ara-nofo ilay andron’i Jehovah izay sady lehibe no malaza?
◻ Ahoana no itahian’i Jehovah an’ireo miantso ny anarany amin’izao andro izao?
[Sary, pejy 15]
Nisy firenena vaovao teraka tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i.
[Sary, pejy 16, 17]
Tany amin’ny voalohandohan’itỳ taonjato itỳ, dia nandatsaka indray ny fanahiny teo amin’ny vahoakany i Jehovah, ho fahatanterahan’ny Joela 3:1, 2
[Sary, pejy 18]
Tsy maintsy ampiana hiantso ny anaran’i Jehovah ny olona