Moa ve ianao mikatsaka harena nafenina?
“Hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika.” — 2 PETERA 1:2.
1, 2. Inona no mahatonga ny volamena ho sarobidy sy ho lafo vidy?
NAHOANA no lafo aoka izany ny volamena? Metaly malemy ihany ilay izy, nefa mahatratra an’aliny ariary maromaro ny grama vitsivitsy aminy. Marina fa mora tefena izy ary ahavitana firavaka manintona toy ny peratra na haba (1 Timoty 2:9; Jakoba 2:2). Nefa raha very any an’efitra ianao ka matin-kanoanana sy matin-ketaheta, dia tsy ho afaka hihinana na hisotro azy. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia tsara lavitra noho ny volamena ny tapa-mofo na vary iray lovia mbamin’ny rano hosotroina.
2 Nahoana àry ny volamena no tombanana ambony be toy izany? Noho izy tsy misy firy sady sarotra alaina. Ohatra, tamin’ny 1957, rehefa nakatona ny toeram-pitrandrahana volamena Empire, any avaratr’i Californie noho izy tsy nahitana tombony intsony, dia nanao lavaka mahitsy lalina hatrany amin’ny 1500 metatra ireo mpihady volamena, nefa tsy maintsy nidina 3 kilaometatra nisompirana izy ireo mba ho tonga hatrany amin’ny faritra nisy volamena. Hatreo dia nanjary mendrika ny fiezahana be natao mba hikarohana azy hatrany ny vidim-bolamena lafo be.
3. Harena inona no azontsika katsahina?
3 Raha ny amintsika, dia afaka mihady lavaka isika mba hahazoana zavatra sarobidy lavitra noho ny volamena. Inona izany? Nomen’i Solomona mpanjaka hendry ny valiny, efa ho 3000 taona lasa izay: “Eny, raha miantso ny fahalalana hianao ary manandratra ny feonao hahazo saina, raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao ary mikatsaka azy toy ny fikatsahana harena afenina: dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an’i Jehovah, ary ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra.” Alao sary an-tsaina hoe afaka mahita “ny fahalalana an’Andriamanitra” ny olombelona malemy. — Ohabolana 2:3-5a.
Nahoana no mila fahalalana marina isika rehetra
4. Tokony hahafaoka inona ny fahalalana marina ananan’ny kristiana?
4 Hatramin’ny andron’i Jesosy no niitaran’io fahalalana tena ilaina io ka nahatonga azy hahafaoka zavatra be lavitra noho izay nananan’ireo Hebreo lahy sy vavy nahatoky taloha. Araka ny nilazan’i Paoly azy hoe: “Mba homen’Andriamanitr’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra, ho anareo ny fanahin’ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratina ny mason’ny sainareo, mba ho fantatrareo izay fanantenana avy amin’ny fiantsoany sy izay haren’ny voninahitry ny lovany eo amin’ny olona masina.” — Efesiana 1:17, 18.
5. Nahoana ireo voahosotra no tokony hitandrina mandrakariva ny amin’ny fahalalany ny sitrapon’Andriamanitra?
5 Torohevitra mivantana ho an’ireo olona masina rahalahin’i Kristy voahosotra tamin’izay sy amin’izao fotoana izao izany. Noho izy ireo anisan’ny tapany manarakaraka amin’ny “taranaka” nampanantenaina, dia kendren’i Satana manokana ny handrodanana azy ara-panahy (Galatiana 3:26-29; Efesiana 6:11, 12). Tokony hanao izay hahazoana antoka ny fiantsoana azy indrindra ny voahosotra amin’ny tsy fanaovana tsirambina ny fanomezana malalaka avy amin’ny hatsaram-pon’Andriamanitra ho an’izay tsy mendrika akory. Izany no antony tokony hampitomboany hatrany ny tahiriny ara-panahy amin’ny fanavaozana ny fahalalany marina ny sitrapon’Andriamanitra sy ny Teniny. — Efesiana 3:7; Hebreo 6:4-6; 2 Petera 1:9-12.
6. a) Nahoana no mila fahalalana marina daholo isika rehetra na ho any an-danitra ny fanantenantsika na ho eto an-tany? b) Inona no ilaina mba hahazoana fahalalana marina?
6 Ahoana ny amin’ireo manantena fiainana mandrakizay eto an-tany? Nahoana no iankinan’ny aina ho azy ireo ny fahalalana marina? Satria tsy misy ambaratongany ny tsy fivadihana kristiana, toy ny hoe takina amin’ny voahosotra manantena ny ho any an-danitra ny hanarahany fitsipika ambony kokoa noho ny an’ny ondry hafa manana fanantenana ho eto an-tany (Jaona 10:16; 2 Petera 3:13). Mihatra amin’ny rehetra amin’ny fomba mitovy ny fotopoto-pitsipika kristiana. Noho izany antony izany no ilàntsika rehetra mamahana tsy tapaka ny bateriantsika ara-panahy amin’ny fahalalana marina. Mitaky fotoana sy fiezahana anefa izany. Tokony hirotsaka amin’ny fihadiana tany ara-panahy toy ny amin’ny harena nafenina isika. — Salamo 105:4, 5.
Hararaoty ny fotoana mba hikarohana
7. a) Zava-manahirana misy inona no mety hanakantsakana ny fahazoantsika fahalalana marina? b) Inona no mety ho vokatry ny fanaovana tsirambina ara-panahy?
7 Be atao ny ankamaroan’ny olona amin’izao andro izao; ary amin’ny maha-kristiana antsika dia toa be raharaha kokoa noho ny rehetra isika. Ao amin’ny fandaharam-potoanantsika ny fivoriana, ny asa fitoriana, ny asa tsy ara-pivavahana, ny fikarakarana tokantrano, ny enti-mody avy any an-tsekoly sy ny sisa. Nefa, toy ny amerantsika fotoana isan’andro hisakafoana, no tokony hanokanantsika fotoana hamahanana ny saintsika sy ny tenantsika ara-panahy. Tsy fanamarihana tsy mahasoa akory no nataon’i Jesosy rehefa nanonona ny Deoteronomia 8:3 izy nanao hoe: “Voasoratra hoe: “Tsy mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra’.” (Matio 4:4). Raha manao tsirambina ny fahasalamantsika ara-panahy isika, dia ny zava-tsarobidy ara-panahy ananantsika sy ny fanantenantsika amin’ny ho avy no ataontsika tsirambina. Amin’izay dia mety ho solafaka sy hivembena isika. Noho izany, ahoana no hahafahantsika mahita fotoana ho an’ny fianarana manokana tsy tapaka ny Baiboly?
8. Torohevitra ao amin’ny Baiboly inona no manome antsika fomba fijery mety mikasika ny fianarana manokana?
8 Tena amin’ny ilàna azy indrindra ny tenin’ny apostoly Paoly manao hoe: “Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry, ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao. Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ny Tompo [Jehovah, MN ]”. Tsy afaka mamantatra ny sitrapon’i Jehovah isika raha tsy mihaino tsara ny Teniny amin’ny alalan’ny fianarana manokana ataontsika. Ary midika izany fa tokony ‘hanararaotra ny andro azo anaovan-tsoa’ na ‘hampiasa tsara araka izay azo atao ny fotoana ananantsika’ isika. — Efesiana 5:15-17, Phillips.
9. Aiza no mety handaniantsika fotoana azo ampiasaina ho amin’ny fianarana manokana? Lazao ny fanandraman-javatra manokana hitanao.
9 Raha fakafakaintsika ireo asa tsy tena lehibe ataontsika isan’andro, ahoana ny fahitantsika ny fomba nandaniana ny ankamaroan’ny fotoana malalaka ananantsika? Moa ve teo anoloan’ny fahitalavitra? Io fitaovana mampandraikiraiky io dia afaka maka eo amin’ny adiny roa ka hatramin’ny adiny dimy isan-kariva eo amin’ny fiainantsika! Adiny firy isan’andro no laninao manokana eo am-pijerena fahitalavitra? Matetika no mampietry izay aseho ao, noho ny fampisongadinany ny herisetra sy ny amin’ny lahy sy ny vavy. Ary matetika izany no mikendry ny hanaitra “ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao” (1 Jaona 2:15-17.) Maro anefa no tsy manana herim-po hamonoana ny fahitalavitra. Eny, mety handany ny harena sarobidy indrindra ananantsika, dia ny fotoana, io zavatra noforonina araka ny toetr’andro io.
10. Nahoana no zava-dehibe aoka izany amin’izao andro izao ny hampiasantsika amim-pahendrena ny fotoana ananantsika?
10 Raha marina amin’ny tenantsika isika dia hiaiky fa mazàna no azo atao ny mividividy ny fotoana ho an’ny zavatra tena ilaina toy ny fianarana ny Baiboly. Tena ilain’ny kristiana amin’izao fotoan-tsarotra izao ny fianarana manokana ny Baiboly izay mitondra ho amin’ny fahalalana marina. Nefa raha jerena amin’ireo olona voaroaka maherin’ny 41 000 tamin’ny 1988, dia miharihary fa nanao tsirambina ny fainany ara-panahy ny rahalahy sy anabavy maro. Tsy fanazaran-tena atao indraindray fotsiny akory ny fitafiana sy ny fitanana ny “fiadian’Andriamanitra” rehetra. Na dia eo amin’ny miaramila mitafy fiadiana ara-bakiteny aza, izany dia anjara asa atao isan’andro. — Efesiana 6:10-18; Romana 1:28-32; 2 Timoty 3:1.
11. Ohatra inona no omen’ny fianakavian’ny Betela amin’ny fandaminana fianaram-pianakaviana?
11 Manao ny fianaram-pianakaviana isaky ny alatsinainy hariva ireo mpikambana maherin’ny 9000 amin’ny fianakavian’ny Betela 95 ao amin’ny sampan’ny Fikambanana Watch Tower maneran-tany. Mianatra ny Ny Tilikambo Fiambenana ho fanomanana ny fivoriana amin’ny faran’ny herinandro, ary matetika no mihaino lahateny miorina amin’ny Baiboly na manao fandaharam-pianarana ho an’ireo mpikambana vaovao amin’ny fianakaviana. Eny, ny alatsinainy no takariva fianarana ho an’ny fianakavian’ny Betela maneran-tany. Amin’ny fotoana toy inona kosa no anaovanao ny fianaranao manokana na ny fianaram-pianakaviana. — Hebreo 10:24, 25.
Ireo fitaovana sy ny fomba fampiasa azy
12. Inona no toetra manokana sasany mahatonga ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao ho boky fianarana?
12 Toy ny ananan’ny mpihady volamena fitaovana ho amin’ny asany, no ananantsika fitaovana azontsika ihadiana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izay toeram-pitrandrahana volamena. Hevero, ohatra, ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao. Mivoaka amin’ny fiteny holanday, anglisy, frantsay, alemanina, italiana, japone, portiogay, ary espaniola izy io amin’izao fotoana izao. Noho izany, dia manana eo am-pelatanany, fitaovana mahatalanjona hahazoana fahalalana marina ny amin’ilay Andriamanitra marina ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Mirakitra fanamarihana eo amin’ny sisim-pejy an’arivony maro sy fanamarihana ambany pejy maro be io Baiboly natonta io. Manana pejy 20 fanampiny koa izy io izay misy filazalazana amin’ny antsipiriany isan-karazany ny amin’ny fanontaniana lehibe ao amin’ny Baiboly.
13. Anton-javatra mahaliana inona no aseho mikasika ny fampiasana ny “fahalalana” sy ny “fahalalana marina” ao amin’ny Soratra hebreo sy ao amin’ny Soratra grika?
13 Ao amin’ny faran’io Baiboly io no misy ny “Indeks’ireo teny lehibe indrindra ao amin’ny Baiboly”. Ahoana no azontsika ampiasana izany? Raha mitady ny teny hoe “fahalalana marina” ao amin’ny Baibolinao ianao, dia hahita andinin-teny fito ao amin’ny lisitra. Tsy misy amin’izy ireo anefa ao amin’ny Soratra Hebreo. Midika ve izany fa tsy mampisongadina ny ilàna fahalalana toy izany ny Soratra Hebreo? Tsia, satria eo ambanin’ny teny hoe “fahalalana” dia misy fakàn-teny 39, ka ny 34 aminy dia ao amin’ny Soratra Hebreo. Tsy manana teny manokana ilazana ny “fahalalana marina” anefa ny fiteny hebreo. Araka izany, araka ny ho hitanao eo amin’ny fakàn-teny, dia asongadiny indraindray ny ilàna mihoatra noho ny fahalalana ankapobe fotsiny, amin’ny fampifandraisana ny teny hoe “fahalalana” amin’ny teny toy ny hoe ‘fahazavan-tsaina’ na “fahendrena [fahiratan-tsaina]”, na amin’ny firesahana ny amin’ny fahalalana izay “hitombo”. — Daniela 1:4; 12:4; Jeremia 3:15.
14. Zava-dehibe mahaliana inona avy no hita eo ambanin’ny lohateny hoe “fahalalana” ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible?
14 Araka izay nianarantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia nampahafantarin’ny fiteny grika ao amin’ny Baiboly ny tsy fitoviana kely eo amin’ireo ambaratongam-pahalalana roa. Ary satria mihady lavaka isika dia irintsika ny hahafantatra misimisy kokoa ny amin’ny tsy fitoviana eo amin’ireo fitenenana roa ireo rehefa mihatra amin’ny kristiana izany. Nahoana no tena ilain’ny kristiana ny fahalalana gnôsis, sy ny fahalalana marina épignôsis? Aiza no mety hahitantsika ny valiny? Ao amin’ny Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible, izay tena firaketana momba ny Baiboly. Tena tahirin-karena tokoa ireo boky fito ireo! Tadiavo ny lohateny hoe “fahalalana”. Eo ianao dia hahita lahatsoratra feno ny amin’ireo teny izay dinihintsika sy ny amin’ireo toetra mifandray aminy toy ny fahendrena, fahaizana, fahiratan-tsaina ary ny fahaizana misaina. Ary nahazo izany “volamena” rehetra izany, ireo filazalazana ireo, isika tamin’ny fampiasana boky fianarana Baiboly vitsy monja! Tsy izay ihany anefa. — Salamo 19:9, 10.
15. Fitaovam-piasana fanaovana fikarohana hafa inona koa no ananantsika, ary ahoana no azo ampiasana azy?
15 Maniry handalina bebe kokoa hatrany ny amin’ny “fahalalana” sy ny teny mifandray aminy ianao, dia azonao ampiasaina ny Indeks’ireo bokin’ny Fikambanana Watch Tower izay misy amin’ny fiteny maromaro. Toy ny vao avy namariparitantsika ny foto-kevitra momba ny fahalalana dia afaka manaraka fomba fanao mitovy amin’izany isika amin’ny foto-kevitra an-jatony maro hafa. Alao sary an-tsaina ny harem-pahalalana eo ambanin’ny foto-kevitra hoe “Jehovah”! Endrey ny hamaroan’ny fahalalana marina mikasika ilay Tompom-piandrianana eo amin’izao rehetra izao! — Salamo 68:19, 20; Asan’ny apostoly 4:24.
16. Inona no voalazan’ny Soratra masina mikasika ny fikarohana?
16 ‘Harena nafenina’ soa toy inona moa no ho azontsika avy amin’izany sy avy amin’ny boky fianarana ny Baiboly hafa navoakan’ny Fikambanana Watch Tower! Maniry izany “volamena” izany ve ianao? Mihevitra ve ianao fa mendrika ny hanaovana fiezahana izany? Hanokana fotoana mba hikarohana izany ve ianao? — Ohabolana 2:1-5.
Iza no mitari-dalana amin’ny fitadiavana volamena ara-panahy?
17. Inona no tokony hataontsika mba hahazoana fahalalana an’Andriamanitra sy Kristy?
17 Inona no fanalahidin’ny fahazoana an’io fahalalana an’Andriamanitra sy Kristy io? Ny antony manosika — fitadiavana mafy hahazo sitraka amin’i Jehovah sy ny Zanany ary faniriana hahazo ny fanomezana ny fiainana mandrakizay. Nilaza izany tamin’izao fomba izao i Jesosy: “Mangataha hatrany, dia homena hianareo; mitadiava hatrany, dia hahita hianareo; dondòny hatrany, dia hovohana hianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mandondòna no hovohana.” Mariho anefa ny toe-javatra. Nilaza i Jesosy hoe: ‘Mangataha hatrany, mitadiava ary dondòny hatrany’. Tsy zavatra atao indray mandeha monja akory izany. Mitaky faharetana ny fitadiavana fahalalana. — Matio 5:6; 7:7, 8, MN.
18. Ao amin’ny fianakaviana, iza no tokony hitarika amin’ny fitadiavana fahalalana marina, ary nahoana?
18 Eo anivon’ny fianakaviana kristiana, iza no tokony hitarika amin’ny fikarohana fahalalana marina? Namaly toy izao i Paoly: “Ary hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo [Jehovah, MN ] izy”. Eny, ny ray aman-dreny, indrindra fa ny ray, no tokony hanome ohatra amin’ny fanehoana fankasitrahana ireo zava-tsarobidy ara-panahy. Izany dia mampahatsiaro antsika indray ny ilàna fandaharana tsy tapaka izay azon’ny mpianakavy antenaina sy andrasana amim-pifaliana. — Efesiana 6:4.
19. Inona no azo atao mba hahatonga ny fotoam-pianaran’ny fianakaviana hahaliana? Inona no fanandraman-javatra hitan’ny fianakavianao?
19 Azo atao izay hahatonga ny fotoam-pianaran’ny fianakaviana hahaliana. Raha manan-janaka ianao, ohatra, nahoana raha mampifidy foto-kevitra azy ireo ka manendry azy hanao fikarohana ao amin’ny zavatra vita an-tsoratra samy hafa arakaraka ny taonany sy ny fahaizany? Ary rehefa afaka atsasak’adiny eo ho eo dia miaraha mivory ary jereo izay hitan’ny tsirairay mikasika ilay foto-dresaka voatondro. Raha misy konkordansa, dia azon’ny zandriny indrindra isaina ny fiverimberenan’ny teny iray ao amin’ny Soratra hebreo sy ny Soratra grika. Angamba hahita vatosoa sasany ao amin’ny Auxiliaire ny zokiny kokoa. Fantatr’ireo ray aman-dreny ny fahaizana sy ny fetran’ny fotoana ahafahan’ny zanany mampifantoka ny sainy, ary tokony hataony mifanaraka amin’ireo toe-javatra ireo ny fandaharana. Aoka ianao hahay hilefitra sy hahay hankasitraka. Ampirisiho amin’ny fikarohana ara-panahy ataony ny fianakavianao — ary aoka ianao hanana antony manosika mety.
Fikarohana amin’ny fananana antony manosika mety
20. Antony manosika ratsy inona no tokony hohalavirintsika rehefa manao fianarana manokana isika?
20 Fahatsaran-toetra kristiana ny fanetren-tena (Ohabolana 11:2; 1 Timoty 2:9). Tokony hianatra mba hireharehana ny amin’izay fantatsika àry ve isika? Sa tokony hampideradera ny fahalalantsika isika ka angamba hampiharihary fa tsy mahay na inona na inona ny hafa? Sa tokony hambarantsika an-karihary ny fomba fanazavana na ny tombatombana ataontsika manokana? Nanoro hevitra toy izao i Paoly: “Fa noho ny fahasoavana nomena ahy dia izao no lazaiko amin’ny olona rehetra izay eo aminareo: Aza miavonavon-kevitra ka mihevitra mihoatra noho izay tokony hoheverina; fa mihevera izay onony araka ny ohatry ny finoana izay nozarain’Andriamanitra ho anareo avy.” — Romana 12:3.
21, 22. Amin’ny ahoana ny fahalalana marina no tokony hisy heriny eo amintsika?
21 Mety hitondra ho amin’ny finoana sy hatsaran-toetra, fifehezan-tena mbamin’ny fiaretana sy fifikirana amin’Andriamanitra, ary firaiketam-po amin’ny rahalahy sy fitiavana ny fiezahana amim-pahatsorana sy ny fampiharana ny fahalalana marina. Nasehon’i Petera ny maha-zava-dehibe izany rehefa nanoratra toy izao izy: “Fa raha anananareo izany zavatra izany, sady anananareo betsaka, dia tsy avelan’izany ho malaina na tsy hahavokatra hianareo amin’ny fahalalana tsara [marina, MN ] an’i Jesosy Kristy Tompontsika.” — 2 Petera 1:2-8.
22 Tokony hisy heriny eo amin’ny fo ny fahalalantsika. Tokony hanosika antsika haneho fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana izany ary ho tonga kristiana mamokatra eo amin’ny fitondrantena sy ny fanompoana. Hahatonga firaisan-tsaina sy fahatakarana feno kokoa ny ohatra navelan’i Kristy izany (Efesiana 4:13). Endrey izany valisoa kanto noho ny fikatsahana harena nafenina!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Amin’ny fomba mahaliana, ny teny hoe “fahalalana an’Andriamanitra” ao amin’ny Ohabolana 2:5, dia hita ao amin’ny Septante grika amin’ny teny hoe epignosis, na “fahalalana marina” ka io dia ny iray amin’ireo faritra valo nampiasana io teny grika io ao amin’ny Septante.
Fanontaniana mba hieritreretana
◻ Araka ny voalazan’i Solomona mpanjaka, inona no sarobidy kokoa noho ny harena nafenina?
◻ Nahoana no iankinan’ny aina ho an’ny voahosotra sy ny ondry hafa ny fahalalana marina?
◻ Ahoana no azontsika ividividianana fotoana ho an’ny fianarantsika manokana?
◻ Fitaovam-piasana inona avy no ananantsika mba hikarohana fahalalana marina?
◻ Iza no tokony hitarika ny fianaram-pianakaviana, ary amin’ny antony manosika inona no tokony hianarantsika?