Fahamarinana ny Tenin’Andriamanitra
“Manamasìna azy amin’ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana.” — JAONA 17:17.
1. Ahoana no nahitan’ny mpanao salamo hebreo ny Baiboly, nefa ahoana no fahitan’ny maro izany amin’izao androntsika izao?
“FANILON’NY tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao.” (Salamo 119:105). Niteny toy izany ny mpanao salamo hebreo. An-kavitsiana monja amin’izao androntsika izao ny olona maneho fanajana toy izany ny Tenin’Andriamanitra. Amin’izao taonjato faha-20 izao, dia misy amin’ny endriny voasoratra ny Tenin’Andriamanitra, dia ny Baiboly masina izany. Nadika tamin’ny fiteny maro kokoa sy niely be kokoa noho ny boky hafa rehetra teo amin’ny tantara izy io. Maro anefa ireo tsy manaiky azy ho fanilon’ny tongony. Na dia eo amin’ireo milaza tena ho kristiana aza, dia aleon’ny ankamaroany manaraka ny fiheverany manokana toy izay hamela ny Baiboly hanazava ny lalany. — 2 Timoty 3:5.
2, 3. Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Baiboly, ary nitondra soa inona ho azy ireo izany?
2 Mifanohitra tanteraka amin’izany, isika Vavolombelon’i Jehovah dia manaiky ny tenin’ilay mpanao salamo. Ho antsika dia mpitari-dalana nomen’Andriamanitra ny Baiboly. Fantatsika fa “izay soratra rehetra nomen’ny tsindrimandrin’Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin’ny fahamarinana”. (2 Timoty 3:16.) Tsy sahala amin’ny olona maro ankehitriny isika, ka tsy irintsika ny hanao fanandramana mba hahalalana ny mety eo amin’ny raharaha ny amin’ny fitsipi-pitondrantena sy ny fitondrantena. Fantatsika izay mety satria ampahafantarin’ny Baiboly antsika izany.
3 Nitondra ho antsika soa lehibe izany. Nanjary nahafantatra an’i Jehovah isika, nianatra ny amin’ny fikasany mahatalanjona momba ny tany sy ny olombelona, ka noho izany dia matoky isika fa hisy tokoa hoavy mamirapiratra ho antsika sy ny fianakaviantsika. Ekentsika tanteraka ny tenin’ny mpanao salamo hoe: “Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany. Ny didinao mampahahendry ahy mihoatra noho ny fahavaloko, satria ato amiko mandrakizay ireny.” — Salamo 119:97, 98.
Aoka isika hanao fanambarana amin’ny fitondrantena
4. Mametraka andraikitra inona eo amintsika moa ny fanekena ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra?
4 Manana ny antony rehetra àry isika hanekena ny teny nataon’i Jesosy tamin’ny Rainy hoe: “Ny teninao no fahamarinana.” (Jaona 17:17). Ny fanekena io zava-misy io anefa dia mametraka andraikitra eo amintsika. Tokony hanampy ny hafa isika hahatakatra fa ny Tenin’Andriamanitra no fahamarinana. Amin’izany no hahafahan’izy ireo koa hifaly amin’ny fitahiana izay andramantsika. Ahoana no azontsika anampiana azy amin’izany? Amin’ny lafiny iray, dia tsy maintsy ataontsika izay rehetra azontsika atao mba hampiharana ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly eo amin’ny fiainantsika isan’andro. Amin’izany no hahitan’ny olona mahitsy fo fa ny lalana faritan’ny Baiboly tokoa no tsara indrindra.
5. Torohevitra inona no nomen’i Petera mikasika ny fanaovana fanambarana amin’ny fitondrantenantsika?
5 Izany no hevi-dehibe ao amin’ny torohevitra nomen’ny apostoly Petera ho an’ireo vehivavy kristiana manambady tsy mpino. Izao no nambarany taminy: “Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny).” (1 Petera 3:1). Izany koa no fotopoto-pitsipika hita ao amin’ny torohevitra nomeny ny kristiana rehetra — na lahy na vavy na ankizy — rehefa nilaza izy hoe: “Ary aoka ho tsara ny fitondrantenanareo eo amin’ny jentilisa, mba hankalazany an’Andriamanitra amin’ny andro famangiana noho ny ahitany ny asa tsara ataonareo, dia izay anendrikendrehany anareo ho mpanao ratsy.” — 1 Petera 2:12; 3:16.
Ny fahendrena ambony ananan’ny Baiboly
6. Ahoana no anampian’ny i Petera antsika hahita fa tokony hanampy ny hafa hankamamy ny Baiboly isika?
6 Ankoatra izany, dia afaka manampy ny hafa hankamamy ny Baiboly ny kristiana raha manaraka koa ny torohevitr’i Petera hoe: “Fa manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy fanajana.” (1 Petera 3:15). Tokony ho afaka hiaro ny Baiboly sy hanazava amin’ny hafa ny maha-Tenin’Andriamanitra azy ny minisitra kristiana. Ahoana no hahafahany manao izany?
7. Anton-javatra inona mikasika ny Baiboly no mampiharihary fa tokony ho ny Tenin’Andriamanitra izy io?
7 Hita ao amin’ny bokin’ny Ohabolana ny fomba fampisaintsainana mampiaiky iray. Izao no vakintsika ao: “Anaka, raha raisinao ny teniko, ary raketinao ao am-ponao ny didiko, ka atongilanao amin’ny fahendrena ny sofinao (...) [dia] ho hitanao ny fahalalana an’Andriamanitra. Fa Jehovah no manome fahendrena; avy amin’ny vavany no ihavian’ny fahalalana sy fahazavan-tsaina.” (Ohabolana 2:1-6). Hita ao amin’ireo pejin’ny Baiboly ny fahendren’Andriamanitra manokana. Rehefa hitan’ny olona tso-po izany fahendrena lalina izany, dia voatery miaiky izy fa mihoatra noho ny tenin’olombelona fotsiny ny Baiboly.
8, 9. Amin’ny ahoana ny torohevitra ao amin’ny Baiboly ny amin’ny fitanana fomba fijery voalanjalanja mikasika ny fikatsahana harena no niharihary fa mety?
8 Aoka isika hijery ohatra vitsivitsy. Amin’izao androntsika izao, dia mazàna arakaraka ny vola miditra aminy no anombanana ny fahombiazan’ny olona iray eo amin’ny fiainana. Arakaraka ny karama azony no iheverana azy ho nahomby. Ampitandreman’ny Baiboly antsika anefa ny fiheverana ho zava-dehibe loatra ny zavatra ara-nofo. Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Ary izay ta-hanan-karena dia latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana. Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra, koa ny sasany izay fatra-pitady izany dia efa voavily niala tamin’ny finoana ka nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be.” — 1 Timoty 6:9, 10; jereo Matio 6:24.
9 Nasehon’ny fanandraman-javatra fa tena mety tokoa io fampitandremana io. Nilaza toy izao ny mpitsabo mahay ny fomba fiasan’ny saina iray: “Tsy mahatonga anao hahatsapa tena ho feno, na ho afa-po, na hohajaina sy hotiana marina tokoa akory ny fahatongavana ho loha laharana sy manan-karena.” Eny, ireo izay mandany ny heriny rehetra amin’ny fikatsahana harena fatratra dia matetika no mahatsapa fahasosorana sy tsy fahafaham-po amin’ny farany. Sady mampahafantatra ny hasarobidin’ny vola ny Soratra masina no mampisongadina zavatra lehibe lavitra: “Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’ny manana azy ny fahendrena.” — Mpitoriteny 7:12.
10. Nahoana no tokony hanaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly isika mba hijerena ny fifaneraserantsika?
10 Manana fitsipika maro toy izany ny Baiboly. Toy izao ny iray hafa: “Izay miara-dia amin’ny hendry dia ho hendry; fa izay misakaiza amin’ny adala dia hidiran-doza.” (Ohabolana 13:20). Voaporofo fa marina koa izany tamin’ny alalan’ny fanandraman-javatra. Ny fanerena avy amin’ny mpiara-mianatra no nitarika tanora ho amin’ny fimamoana, fampiasana zavatra mahadomelina, ary ho amin’ny fahalotoam-pitondrantena. Izay niharoharo tamin’ireo mpampiasa teny maloto, tamin’ny farany dia nahita ny tenany eo am-pampiasana fiteny maharikoriko. Maro no mangalatra amin’ny mpampiasa azy satria ‘manao izany ny rehetra’. Marina tokoa ny nambaran’ny Baiboly hoe: “Ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara.” — 1 Korintiana 15:33.
11. Ahoana no nanehoan’ny famotopotorana mikasika ny fandinihana ny toe-tsaina fa fahendrena ny hanarahana ny Fitsipika volamena?
11 Anisan’ny torohevitra malaza indrindra ao amin’ny Baiboly ilay antsoina hoe Fitsipika volamena: “Koa amin’izany na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany.” (Matio 7:12). Raha nanaraka an’io fitsipika io ny olombelona dia mazava fa ho toerana tsaratsara kokoa izao tontolo izao. Nefa na dia tsy manaraka ilay fitsipika aza ny olombelona amin’ny ankapobeny, dia tsara kokoa ho anao manokana ny manao izany. Nahoana? Satria natao hikarakara ny hafa sy hiahy ny aminy isika (Asan’ny apostoly 20:35). Nanao izao fanatsoahan-kevitra izao ny famotopotorana mikasika ny fandinihana ny toe-tsaina natao tany Etazonia mba hahitana ny fihetsiky ny olona rehefa nanampy ny hafa izy: “Miharihary àry fa ny fikarakarana ny hafa dia anisan’ny toetra maha-olombelona toy ny fikarakarana ny tena”. — Matio 22:39.
Ny torohevitry ny Baiboly: fahendrena tsy manam-paharoa
12. Inona ny anton-javatra iray mahatonga ny Baiboly ho tsy manam-paharoa?
12 Tsy isalasalana fa misy loharanon-torohevitra maro ankoatra ny Baiboly ankehitriny. Ahitana andalan-tsoratra misy torohevitra ny gazety, ary feno boky mirakitra torolalana manampy ny tena eny amin’ny fivarotam-boky. Ankoatra izany dia ao ireo mpandinika ny toe-tsaina, ireo manam-pahaizana manokana amin’ny fanomezana torohevitra sy ny hafa izay manolotra torohevitra eo amin’ny lafiny samy hafa. Manokana anefa ny Baiboly amin’ny lafiny telo fara fahakeliny. Voalohany, dia mahasoa foana ny torohevitra omeny. Tsy tsangan-kevitra fotsiny na oviana na oviana akory izy io, ary tsy manimba antsika mihitsy ny fiasany. Na iza na iza manaraka ny torohevitra ao amin’ny Baiboly, dia tsy maintsy miray hevitra amin’ny mpanao salamo rehefa niteny tamin’Andriamanitra tamin’ny vavaka izy hoe: “Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra [mendri-pitokiana, MN ]”. — Salamo 93:5.
13. Inona no mampiseho fa ambony lavitra noho ny loharanom-pahendrena avy amin’ny olombelona ny Baiboly?
13 Faharoa, dia nandalo tamim-pahombiazana ny fisedran’ny fotoana ny Baiboly (1 Petera 1:25; Isaia 40:8). Fantatry ny rehetra fa miovaova ny torohevitra avy amin’ny olombelona, ary izay ara-damaody mandritra ny taona iray dia matetika no kianina amin’ny taona manaraka. Nefa na dia efa ho 2000 taona aza izay no nahavitana ny Baiboly, dia mbola mirakitra ihany ny torohevitra feno fahendrena indrindra azo ampiasaina izy, ary azo ampiharina manerana izao rehetra izao ny teniny. Mitovy ny vokatra azo avy aminy na mipetraka any Afrika isika, na any Azia, na any Amerika Avaratra na Atsimo, na any Eoropa, na any amin’ireo nosin-dranomasina.
14. Amin’ny ahoana no tsy manam-paharoa ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra?
14 Farany, dia tsy manam-paharoa ny hamaron’ny karazana torohevitra raketin’ny Baiboly. Miteny toy izao ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Fa Jehovah no manome fahendrena”, ary na inona na inona zava-manahirana na fanapahan-kevitra atrehintsika, dia misy fahendrena ao amin’ny Baiboly izay manampy antsika hahita ny vahaolana ny amin’izany (Ohabolana 2:6). Na ankizy, na zatovo, na ray aman-dreny, na ireo be taona, na mpiasa, na mpampiasa, na ireo manam-pahefana dia samy mahita fa mahakasika azy ny fahendrena ao amin’ny Baiboly (Ohabolana 4:11). Na dia rehefa miatrika toe-javatra tsy mbola fantatra tamin’ny andron’i Jesosy sy ireo apostoliny aza isika, dia manome antsika torohevitra mety ny Baiboly. Ohatra, tamin’ny taonjato voalohany, dia tsy fantatra tany Atsinanana Afovoany ny fifohana sigara. Amin’izao fotoana izao izany dia miely hatraiza hatraiza. Kanefa na iza na iza manamarika ny torohevitra ao amin’ny Baiboly milaza ny tsy tokony hanekena “handevozin-javatra na inona na inona” sy ny tokony hitoerana ho madio ka “ho afaka amin’ny fahalotoana rehetra na amin’ny nofo na amin’ny fanahy”, dia hanary io fanao io, izay sady manandevo no manimba ny fahasalamana. — 1 Korintiana 6:12; 2 Korintiana 7:1.
Mba hahasoa antsika maharitra
15. Nahoana no milaza ny maro fa lany andro ny Baiboly?
15 Marina fa maro no milaza fa lany andro ny Baiboly ary tsy misy vidiny amin’izao taonjato faha-20 izao. Ny antony anefa, dia angamba satria tsy milaza izay tiany ho re ny Baiboly. Ny torohevitra avy ao amin’ny Soratra masina manaraka dia natao hanatanteraka soa maharitra ho antsika, kanefa matetika izany dia mitaky faharetana, fifehezana, ary fahafoizan-tena — toetra izay tsy fahita firy eo amin’izao tontolo izao izay mampirisika antsika hitady fahafinaretana avy hatrany. — Ohabolana 1:1-3.
16, 17. Fari-pitondrantena ambony ny amin’ny lahy sy ny vavy inona no omen’ny Baiboly, ary ahoana no nanaovana tsinontsinona izany amin’izao androntsika izao?
16 Aoka horaisintsika ny raharaha momba ny fitondrantena eo amin’ny lahy sy ny vavy. Tena hentitra ny fari-pitondrantena ao amin’ny Soratra masina. Ny fanambadiana no hany faritra ho an’ny firaisan’ny lahy sy ny vavy, fa izay rehetra any ivelan’izany dia voarara. Izao no vakintsika: “Fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’olona sy ny sodomita [lehilahy mandry amin’ny lehilahy, MN ] (...) dia tsy mba handova ny fanjakan’Andriamanitra” (1 Korintiana 6:9, 10). Ambonin’izany dia takin’ny Baiboly amin’ny kristiana ny fanambadiana tokana: lehilahy iray ho an’ny vehivavy iray (1 Timoty 3:2). Ary na dia misy aza toe-javatra mihoa-pampana mety hamelana ny hisara-panambadiana na hisara-toerana, dia lazain’ny Baiboly fa amin’ny ankapobeny dia mandra-maty ny fatoram-panambadiana. Ny tenan’i Jesosy mihitsy no nilaza hoe: “Fa Izay nahary azy tamin’ny voalohany dia nahary azy ho lahy sy vavy, ka (...) nanao hoe: ‘Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny la hikambana amin’ny vadiny; ary dia ho nofo iray ihany izy roroa’ (...) ka dia tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany. Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona.” — Matio 19:4-6, 9; 1 Korintiana 7:12-16.
17 Amin’izao androntsika izao, dia odiana tsy fantatra tanteraka ireny fari-pitondrantena ireny. Leferina ny fanaovana firaisana malalaka. Heverina ho ara-dalàna ny firaisan’ny lahy sy ny vavy eo amin’ny zatovo mifanerasera. Ekena ny fanaovana tokantranomaso. Eo amin’ireo mpivady indray, dia tsy mahalana ny ananan’ny andaniny avy sakaiza ratsy. Ary mihanaka aoka izany ny fisaraham-panambadiana eo amin’ity tontolo ankehitriny ity. Tsy nitondra fahasambarana anefa ireo fari-pitondrantena malalaka ireo. Noporofoin’ireo voka-dratsiny fa marina ny Baiboly rehefa nanantitrantitra fari-pitondrantena hentitra.
18, 19. Inona no vokatry ny fielezan’ny tsy firaharahana ny fari-pitondrantena nofaritan’i Jehovah?
18 Izao no nambaran’ny revio Ladies’ Home Journal: “Ny fanindrahindrana ny amin’ny lahy sy ny vavy izay nampiavaka ireo taona 60 sy 70 dia tsy nitondra fahasambarana tsy hita lany ho an’ny olombelona akory fa fahoriana mafy sasany ho azy kosa.” Anisan’ny ‘fahoriana mafy ho an’ny olombelona’ izay manjo ireo zaza voadona mafy noho ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, sy ny an’ireo olon-dehibe mijaly noho ny fahoriana ara-pihetseham-po lalina. Tafiditra amin’izany koa ny fitomboan’ny isan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ary ny fihanahan’ny fiterahan’ny zatovovavy zara raha vao niala avy tamin’ny fahazazany. Voafaoka amin’izany koa ny fihanahan’ny areti-mifindra avy amin’ny firaisana toy ny “herpès génital”, ny angatra, ny tety, ny “chlamydiae” ary ny SIDA.
19 Noho izany rehetra izany, dia hoy ny profesora amin’ny sôsiôlôjia iray: “Angamba efa ampy fahalehibeazana isika mba handinihana tsara raha mety kokoa ho antsika ny mampirisika ny tsy fananana firaisana alohan’ny fanambadiana ho fitondrana ny tena mety indrindra amin’izay ilain’ny olom-pirenentsika sy ny zony hanana fahafahana: fahafahana ny tsy harary, fahafahana ny tsy hitoe-jaza tsy irina.” Milaza amin’ny fomba mety ny Baiboly hoe: “Sambatra izay olona manao an’i Jehovah ho tokiny ka tsy mivily ho naman’ny mpiavonavona na ny mpivadika ho amin’ny lainga.” (Salamo 40:4). Izay mitoky amin’ny fahendren’ny Baiboly dia tsy voafitaky ny laingan’ireo manohitra ny Baiboly ka milaza fa mitondra fahasambarana ny fitondrantena malalaka kokoa. Ny fari-pitondrantena feno fahendrena omen’ny Baiboly, na dia hentitra aza, no tsara indrindra.
Zava-manahirana eo amin’ny fiainana
20. Fotopoto-pitsipika inona ao amin’ny Baiboly no hita fa nanampy ireo tsy maintsy miatrika fahantrana tanteraka eo amin’ny fiainany?
20 Manampy antsika handamina ireo zava-manahirana hitantsika eo amin’ny fiainana koa ny fahendrena ao amin’ny Baiboly. Ohatra, any amin’ny tany maro dia misy kristiana velona ao anatin’ny tena fahantrana tanteraka. Nefa dia afaka miatrika izany fahantrany izany izy ary mbola mahita fahasambarana ihany. Amin’ny fomba ahoana? Amin’ny fanarahana ny Tenin’Andriamanitra azo tamin’ny tsindrimandry. Raisin’izy ireo amim-pitandremana tokoa ny teny mampahery ao amin’ny Salamo 55:22 manao hoe: “Apetraho amin’i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao.” Miantehitra amin’Andriamanitra izy ireo mba hahazoana hery hiaretana. Avy eo dia ampihariny ny fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly ary ariany ny fahazarana manimba sy andaniam-bola tsy amin’antony toy ny fifohana sigara sy ny fimamoana. Tia miasa izy ireo, araka ny ampirisihan’ny Baiboly izany, ary hitany matetika fa afaka mamelona ny ankohonany izy tsy toy ireo olona kamo sy ireo resin’ny famoizam-po izay tsy mahita fahombiazana. (Ohabolana 6:6-11; 10:26). Ankoatra izany dia henoiny tsara ny fampitandreman’ny Baiboly manao hoe: “Aza mialona ny mpanao meloka.” (Salamo 37:1). Tsy mitady fanampiana amin’ny filokana na amin’ny asa mandika lalàna, toy ny fivarotana zava-mahadomelina, izy ireo. Mety hanolotra “vahaolana” haingana ireny fanao ireny, saingy mangidy ny vokany atỳ aoriany.
21, 22. a) Ahoana no nanovozan’ny vehivavy kristiana iray fanampiana sy fampaherezana avy ao amin’ny Baiboly? b) Anton-javatra hafa inona mikasika ny Baiboly no manampy antsika hiaiky fa Tenin’Andriamanitra izy io?
21 Moa ve ny fanarahana ny Baiboly manampy tokoa ireo tena mahantra? Eny, araka ny porofoin’ny fanandraman-javatra maro dia maro. Nanoratra toy izao ny kristiana mpitondratena iray tany Azia: “Na dia velona eo an-tokonan’ny fahantrana aza aho dia tsy feno fahatezerana na malahelo. Mahatonga ahy hanana toe-tsaina manorina ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly.” Nambarany fa tanteraka taminy ilay fampanantenana malaza nomen’i Jesosy manao hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33). Hamafisiny fa amin’ny fametrahana ny fanompoany an’Andriamanitra amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainany, dia azony foana, amin’ny fomba iray na amin’ny fomba hafa, izay ilainy ara-nofo eo amin’ny fiainana. Manome azy fahamendrehana sy zava-kendrena eo amin’ny fiainana ny fanompoana kristiana ataony, ka izany dia mahatonga ny fahantrany ho azo zakaina.
22 Marina tokoa, fa asehon’ny halalin’ny fahendrena ao aminy ny maha-Tenin’Andriamanitra marina ny Baiboly. Tsy misy boky vitan’olombelona fotsiny ho afaka hahafaoka lafim-piainana samy hafa maro be toy izany, ary mirakitra fahendrena lalina aoka izany sady mifandrindra toy izany. Mbola misy anefa lafiny hafa mikasika ny Baiboly mampiharihary ny maha-avy amin’Andriamanitra azy. Manana hery mampiova olona ho tsara kokoa izy io. Izany no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
Hazavao:
◻ Amin’ny ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no mandray fitahiana avy amin’ny fanekeny ny Baiboly ho Tenin’Andriamanitra?
◻ Andraikitra inona no ananantsika izay mino ny Tenin’Andriamanitra, ary amin’ny ahoana ny fitondrantenantsika no manampy antsika handray izany andraikitra izany?
◻ Inona no mahatonga ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Baiboly ho ambony lavitra noho ny torohevitr’olombelona fotsiny?
◻ Ohatra inona avy no mampiseho ny halalin’ny fahendrena ao amin’ny Baiboly?