-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Jona
-
-
Fanontanian’ny mpamaky
◼ Tokony hotsoahina avy amin’ny Matio 7:13, 14 sy Lioka 13:24 ve fa, na dia amin’ny fitsanganan’ny maty aza, dia handa ny fanompoam-pivavahana marina ny ankamaroan’ny olona?
Tsia, tsy manohana izany fanatsoahan-kevitra izany ireo andininy ireo. Lazainy manokana kosa ny fomba hahazoana fiainana ao amin’ny Fanjakana any an-danitra.
Anisan’ny Toriteny teo an-tendrombohitra ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 7:13, 14. Hoy izy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”
Maro tamin’izay nolazain’i Jesosy tamin’io fotoana io no mifandray manokana amin’ny Fanjakana any an-danitra. Ohatra, nanombo-dresaka toy izao izy: “Sambatra ny malahelo am-panahy [mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, MN ]; fa azy ny fanjakan’ny lanitra”. Nolazainy fa “hahita an’Andriamanitra” izay madio am-po, ary izay “enjehina noho ny fahamarinana” no hahazo ny “fanjakan’ny lanitra” (Matio 5:3, 8, 10.) Tatỳ aoriana kokoa, tao amin’io lahateny io ihany no niresahan’i Jesosy ny amin’ny lalana malalaka izay mitondra ho amin’ny fahaverezana [fandringanana, MN ] sy ny lalana tery izay mitondra ho amin’ny fiainana. Ankoatra ny zavatra hafa, dia hoy ny nanampiny: “Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ny Raiko Izay any an-danitra. — Matio 7:13, 14, 21.
-
-
Fanontanian’ny mpamakyNy Tilikambo Fiambenana—1990 | 15 Jona
-
-
Noho izany, afaka mahita avy amin’ny teny manodidina isika fa ny tenin’i Jesosy (mikasika ireo olom-bitsy mandeha eo amin’ny lalana tery mitondra ho amin’ny fiainana ka voavonjy) dia nahakasika voalohany indrindra ny fahazoana sitraka amin’Andriamanitra tamin’izany fotoana nanolorany ny fanantenana fiainana any an-danitra izany. Vitsivitsy ihany tamin’ireo nandre ny hafatry ny fahamarinana sy nianatra izay notakina, no nanaiky ka niseho ho tsy nivadika — Matio 22:14; 24:13; Jaona 6:60-66.
-