Ny Hany Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay
“Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”. — JAONA 14:6.
1, 2. Nampitahain’i Jesosy tamin’ny inona ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay, ary inona no hevitr’ilay fanoharany?
TAO amin’ilay Toriteniny malaza teo an-tendrombohitra, dia nampitahain’i Jesosy tamin’ny lalana iray idirana avy eo amin’ny vavahady iray, ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. Mariho fa nantitranterin’i Jesosy ny hoe tsy mora ny mandeha amin’io lalana mankany amin’ny fiainana io. Hoy tokoa mantsy izy: “Midira amin’ny vavahady èty hianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny làlana izay mankany amin’ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tèry ny làlana izay mankany amin’ny fiainana [mandrakizay], ka vitsy ny mahita azy.” — Matio 7:13, 14.
2 Takatrao ve ny hevitr’io fanoharana io? Tsy ahariharin’izy io ve fa tsy misy afa-tsy lalana, na fomba, tokana mitarika ho amin’ny fiainana, ary koa fa mila mitandrina fatratra isika mba tsy hiala amin’io lalana mankany amin’ny fiainana io? Inona àry io hany lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay io?
Ny anjara asan’i Jesosy Kristy
3, 4. a) Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly ny anjara asa tena lehibe tanan’i Jesosy eo amin’ny famonjena antsika? b) Oviana Andriamanitra no nanambara voalohany fa ho afaka hahazo fiainana mandrakizay ny olombelona?
3 Mazava fa manana anjara asa lehibe mifandray amin’io lalana io i Jesosy, araka izao nambaran’ny apostoly Petera izao: “Tsy misy famonjena amin’ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ny lanitra [ankoatra ny an’i Jesosy] nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.” (Asan’ny Apostoly 4:12). Nanambara torak’izany koa ny apostoly Paoly hoe: “Fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23). I Jesosy mihitsy no nanambara fa ny hany lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay dia amin’ny alalany, satria hoy ny nambarany: “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana”. — Jaona 14:6.
4 Tena zava-dehibe àry ny hanekentsika ny anjara asan’i Jesosy eo amin’ny fanaovana izay hisian’ny fiainana mandrakizay. Andeha àry hodinihintsika akaiky kokoa ny anjara asany. Fantatrao ve hoe oviana, taorian’ny nanotan’i Adama, no nampahafantaran’i Jehovah Andriamanitra fa ho afaka hahazo fiainana mandrakizay ny olombelona? Izany dia taorian’ny nahalavoan’i Adama avy hatrany. Andeha hodinihintsika izao ny fomba nanambarana voalohany ny amin’ilay fandaharana hanaovana an’i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny taranak’olombelona.
Ilay taranaka nampanantenaina
5. Ahoana no ahafahantsika mahafantatra hoe iza ilay menarana izay nitaona an’i Eva tsy hankato?
5 Nampahafantarin’i Jehovah Andriamanitra tamin’ny alalan’ny teny ara-panoharana ilay Mpamonjy nampanantenaina. Nanao izany izy, fony nanonona didim-pitsarana fanamelohana an’ilay “menarana”, izay niteny tamin’i Eva ka naka fanahy azy mba tsy hankatoavany an’Andriamanitra tamin’ny fihinanana ilay voankazo voarara. (Genesisy 3:1-5). Mazava ho azy fa tsy bibilava ara-bakiteny akory iny menarana iny, fa zavaboary ara-panahy mahery, izay ampahafantarin’ny Baiboly ho “ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana”. (Apokalypsy 12:9). Nampiasain’i Satana ho mpitondra teniny io biby ambany io mba hitaomana an’i Eva tsy hankato. Rehefa nanameloka an’i Satana àry Andriamanitra, dia nilaza taminy hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy [ny taranak’ilay vehivavy] hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” — Genesisy 3:15.
6, 7. a) Iza ilay vehivavy niteraka ilay “taranaka”? b) Iza ilay Taranaka nampanantenaina, ary inona no tontosainy?
6 Iza moa io “vehivavy” io, izay ataon’i Satana rafiny, na ankahalainy? Toy ny ampahafantarana ao amin’ny Apokalypsy toko faha-12 hoe iza “ilay menarana ela”, dia toy izany koa fa ampahafantarina ao koa io vehivavy ankahalain’i Satana io. Mariho eo amin’ny andininy voalohany fa lazaina ho “mitafy ny masoandro [izy io], ary ny volana no eo ambanin’ny tongony, ary misy satroboninahitra kintana roa ambin’ny folo amin’ny lohany”. Sary mampiseho ny fandaminan’Andriamanitra any an-danitra, voaforon’ny anjely mahatoky, io vehivavy io. Ilay “zazalahy” naterany kosa dia sary mampiseho ny Fanjakan’Andriamanitra izay manana an’i Jesosy Kristy ho Mpanjaka. — Apokalypsy 12:1-5.
7 Iza àry ilay ‘taranak’ilay vehivavy’ voalaza ao amin’ny Genesisy 3:15, izay hanorotoro ny ‘lohan’i Satana’, ka hamono azy ho faty? Tsy iza akory fa ilay nirahin’Andriamanitra avy tany an-danitra mba hateraky ny virjiny iray tamin’ny fomba mahagaga, eny, ilay lehilahy natao hoe Jesosy. (Matio 1:18-23; Jaona 6:38). Ahariharin’ny toko faha-12 amin’ny Apokalypsy fa, amin’ny maha Mpanapaka any an-danitra tafatsangana amin’ny maty azy, io Taranaka io, izany hoe i Jesosy Kristy, dia hitari-dalana eo amin’ny fandresena an’i Satana, ka hanorina ‘ny fanjakan’Andriamanitsika, sy ny fahefan’ny Kristiny’, araka ny voalazan’ny Apokalypsy 12:10.
8. a) Inona no zava-baovao nataon’Andriamanitra, mifandray amin’ilay fikasany tany am-boalohany? b) Iza no mahaforona ny fitondram-panjakana vaovaon’Andriamanitra?
8 Io Fanjakana eo an-tanan’i Jesosy Kristy io àry, dia zava-baovao iray nataon’Andriamanitra, mifandray amin’ilay fikasany tany am-boalohany, dia ny hiainan’ny olombelona mandrakizay eto an-tany. Taorian’ny nikomian’i Satana, dia nanao zavatra avy hatrany i Jehovah mba hikosehana ny voka-dratsy rehetra nentin’ny faharatsiana, ka amin’ny alalan’io fitondram-panjakana vaovao io no hanaovana izany. Fony i Jesosy teto an-tany, dia naharihariny fa tsy ho irery izy ao amin’io fitondram-panjakana io. (Lioka 22:28-30). Hofidina eo anivon’ny olombelona ireo hafa izay hiaraka aminy any an-danitra mba hiara-manapaka aminy, ka hahaforona tapany manarakaraka amin’ny taranak’ilay vehivavy. (Galatiana 3:16, 29). Ambara ao amin’ny Baiboly ho 144 000 ny isan’ireo izay hiara-manapaka amin’i Jesosy ireo, izay samy nalaina avy tamin’ny olombelona mpanota eto an-tany avokoa. — Apokalypsy 14:1-3.
9. a) Nahoana no nilaina ny nisehoan’i Jesosy ho olombelona, teto an-tany? b) Ahoana no nikosehan’i Jesosy ny asan’ny Devoly?
9 Alohan’ny hahafahan’io Fanjakana io hanomboka hanapaka anefa, dia tena zava-dehibe ny hoe miseho eto an-tany i Jesosy Kristy, ilay tapany lehibe indrindra amin’ilay Taranaka. Nahoana? Satria izy no notendren’i Jehovah Andriamanitra ho Ilay “handrava [na hikosoka] ny asan’ny devoly”. (1 Jaona 3:8). Anisan’ny asan’i Satana ny nitaomany an’i Adama hanota, ka nahatonga ny taranak’i Adama rehetra hiharan’ny fanamelohan’ny ota sy ny fahafatesana. (Romana 5:12). Nikosoka izany asan’ny Devoly izany i Jesosy, tamin’ny nanomezany ny ainy ho avotra. Tamin’izany fomba izany no nanomezan’i Jesosy fototra hanafahana ny olombelona amin’ny fanamelohan’ny ota sy ny fahafatesana, ka nanokafany ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. — Matio 20:28; Romana 3:24; Efesiana 1:7.
Izay vitan’ny avotra
10. Amin’ny ahoana i Jesosy sy i Adama no nitovy?
10 Koa satria nafindra avy tany an-danitra ho ao an-kibon’ny vehivavy iray ny ain’i Jesosy, dia teraka olombelona lavorary izy, tsy voaloton’ny fahotana avy tamin’i Adama. Nanana ny fahafahana hiaina mandrakizay teto an-tany izy. Torak’izany koa i Adama, satria noforonina ho olombelona lavorary izy, nanana fahatsinjovana ny hiaina mandrakizay teto an-tany. Ny fitoviana teo amin’ireo lehilahy roa ireo no tao an-tsain’ny apostoly Paoly, fony izy nanoratra hoe: “ ‘Adama voalohan-dahy natao manan-aina’; Adama farany [Jesosy Kristy] natao fanahy mahavelona. Ny olona voalohany avy amin’ny tany, dia tany; ny olona faharoa dia avy any an-danitra.” — 1 Korintiana 15:45, 47.
11. a) Nisy vokany inona teo amin’ny olombelona i Adama sy i Jesosy? b) Ahoana no tokony hiheverantsika ny soron’i Jesosy?
11 Nitovizan’ireo lehilahy roa ireo ny hoe izy ireo ihany no olombelona lavorary nandia ity tany ity. Manantitrantitra izany fitoviany izany ny fanambaran’ny Baiboly fa “nanolotra ny tenany ho avotra mifanandrify ho an’ny rehetra” i Jesosy. (1 Timoty 2:6, NW ). Nifanandrify tamin’iza moa i Jesosy? Tsy tamin’iza fa tamin’i Adama, fony izy mbola lehilahy lavorary! Nahatonga ny fianakavian’olombelona manontolo ho voaheloka ho faty ny fahotan’ilay Adama voalohany. Ny soron’ilay “Adama farany” kosa dia manome ny fototra iorenan’ny fanafahana amin’ny ota sy ny fahafatesana, mba hahafahantsika hiaina mandrakizay. Tena sarobidy tokoa lahy ny soron’i Jesosy! Nanamarika toy izao ny apostoly Petera: “Tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo”. Nohazavain’i Petera kosa fa izany dia tamin’ny “ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina”. — 1 Petera 1:18, 19.
12. Ahoana no ilazalazan’ny Baiboly ny fikosehana ilay fanamelohana antsika ho faty?
12 Lazalazain’ny Baiboly amin’ny fomba kanto toy izao ny fomba hikosehana ny fanamelohana ho faty mihatra amin’ny fianakavian’olombelona: “Tahaka ny nahatongavan’ny fanamelohana ho an’ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray [ny an’i Adama] no nahatongavan’ny fanamarinana ho amin’ny fiainana kosa ho an’ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray [ny tsy fivadihana tanteraka nasehon’i Jesosy, izay nahatratra ny fara tampony teo amin’ny fahafatesany]. Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray [Adama], no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray [Jesosy].” — Romana 5:18, 19.
Fanantenana be voninahitra
13. Inona no mahatonga olona maro hanana ilay fiheverany ny amin’ny fiainana mandrakizay?
13 Tokony hahatonga antsika ho faly aoka izany io fandaharana nataon’Andriamanitra io! Tsy mientam-po ve ianao noho ny nanomezana Mpamonjy? Indray mandeha, dia nanao fitsapan-kevitra ny gazety iray tao amin’ny tanàn-dehibe iray any Etazonia, ka nametraka izao fanontaniana izao: “Manintona anao ve izany hoe hiaina mandrakizay?” Mahagaga fa 67,4 isan-jato tamin’ireo namaly no nilaza hoe “Tsia”. Nahoana izy ireo no nilaza fa tsy naniry hiaina mandrakizay? Miharihary fa ny antony, dia satria misy zava-manahirana maro dia maro ny fiainana eto an-tany ankehitriny. Hoy ny olona iray: “Tsy azoazoko izany hoe ho sahala amin’ny 200 taona izany.”
14. Nahoana no hahafinaritra tanteraka ny hiaina mandrakizay?
14 Tsy miresaka momba ny hiainana mandrakizay ao amin’ny tontolo iray izay hizakan’ny olona aretina sy fahanterana ary loza hafa, anefa ny Baiboly. Tsia, satria hikosoka ireo zava-manahirana rehetra naterak’i Satana ireo i Jesosy, amin’ny maha Mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra azy. Araka ny Baiboly, dia ‘hanorotoro sy handevona’ ny fitondram-panjakana rehetra mpampahory eto amin’ity tontolo ity, ny Fanjakan’Andriamanitra. (Daniela 2:44). Amin’izay fotoana izay, ho valin’ilay vavaka nampianarin’i Jesosy ny mpanara-dia azy, dia ‘hatao eto an-tany tahaka ny any an-danitra ny sitrapon’Andriamanitra’. (Matio 6:9, 10). Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, rehefa ho voadio ho afaka amin’ny faharatsiana rehetra ny tany, dia hampiharina amin’ny fomba feno ny soa avy amin’ny avotr’i Jesosy. Eny, hahazo fahasalamana tonga lafatra indray ireo rehetra mahafeno fepetra!
15, 16. Toe-piainana manao ahoana avy no hisy ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
15 Hihatra amin’ireo olona hiaina ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra ity andinin-tenin’ny Baiboly ity: “Dia ho tsara noho ny an’ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ny andro nahatanorany izy”. (Joba 33:25). Ho tanteraka koa izao fampanantenana hafa omen’ny Baiboly izao: “Hampahiratina ny mason’ny jamba, ary hampaladìna ny sofin’ny marenina. Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan’ny moana”. — Isaia 35:5, 6.
16 Eritrereto fotsiny ange e! Na firy taona isika na firy taona amin’izany, na 80, na 800, na maherin’izany aza, dia ho salama tsara lalandava ny vatantsika! Izany dia ho araka izao ampanantenain’ny Baiboly izao: “Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho”. Amin’izay fotoana izay, dia ho tanteraka ihany koa izao fampanantenana izao: “Hofafan[’Andriamanitra] ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.” — Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3, 4.
17. Zavatra inona avy no azontsika ampoizina fa ho vitan’ny olona ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
17 Ao amin’izany tontolo vaovao izany, isika dia ho afaka hampiasa ny atidohantsika mahatalanjona amin’ny fomba nikasan’ny Mpamorona antsika azy, fony izy namolavola azy io hanana fahafahana hiana-javatra tsy manam-petra. Alao sary an-tsaina fotsiny ange ireo zavatra mahatalanjona mety ho vitantsika e! Na dia ny olona tsy lavorary aza, dia nanao zavatra avy tamin’ireo akora maro be avy ao anatin’ny tany, ka nahavita ireo zavatra rehetra hitantsika manodidina antsika, toy ny telefaonina fitondra mandeha, ny mikrô, ny famantaranandro, ny téléavertisseurs (fitaovana fandraisana antso maika), ny ôrdinatera, ny fiaramanidina, eny, izay rehetra tononinao. Tsy misy na dia iray amin’ireo aza vita tamin-javatra nentina avy tany amin’ny faritra lavitra ny planeta tany. Koa satria tsy hanam-pahataperana ny fiainana eo anoloantsika, dia tsy hanam-petra ny fahafahana hamoron-javatra, ao amin’ilay Paradisa an-tany ho avy! — Isaia 65:21-25.
18. Nahoana no tsy hankaleo mihitsy ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
18 Tsy hankaleo ihany koa ny fiainana. Na dia ankehitriny aza, dia tsy andrintsika ny sakafontsika manaraka, na dia mety ho efa nihinana sakafo an’aliny maro aza isika. Ao anatin’ny fahalavorarian’olombelona, dia vao mainka hankafy lavitra ireo vokatra matsiron’ny tany zary paradisa aza isika. (Isaia 25:6). Ho fahafinaretana mandrakizay ho antsika ny hikarakara ireo biby be dia be eto ambonin’ny tany, sy ny hijery amim-pahafinaretana ny masoandro mody, tendrombohitra, renirano ary lohasaha, izay samy kanto dia kanto. Marina tokoa fa tsy hanjary ho dridralava na oviana na oviana ny fiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra! — Salamo 145:16.
Famenoana ireo fepetra takin’Andriamanitra
19. Nahoana no ara-dalàna ny hiheverana fa misy fepetra takina amin’ny fahazoana ny fiainana, izay fanomezan’Andriamanitra?
19 Hanantena hahazo ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Paradisa, izay fanomezana lehibe avy amin’Andriamanitra, ve ianao, nefa tsy hisy ezaka na inona na inona hataonao? Tsy ara-dalàna ve raha hitaky zavatra Andriamanitra? Eny, ara-dalàna tokoa ny hanaovany izany. Tsy atsipin’Andriamanitra eny amintsika fotsiny ilay fanomezana, raha ny tena izy. Manolotra azy io antsika izy, nefa tsy maintsy miezaka haka azy io isika. Eny, ilaina ny ezaka. Mety hametraka ilay fanontaniana, izay napetrak’ilay mpanapaka tanora nanankarena tamin’i Jesosy, ianao, ka hanao hoe: “Inona no tsara hataoko hahazoako fiainana mandrakizay?” Na, mety hametraka ilay fanontaniana araka ny nametrahan’ilay mpiandry tranomaizina tany Filipy azy tamin’ny apostoly Paoly, ianao, ka hanao hoe: “Inona no tsy maintsy hataoko mba hahavoavonjy ahy?” — Matio 19:16; Asan’ny Apostoly 16:30, NW.
20. Inona no fepetra lehibe iray takina mba hahazoana ny fiainana mandrakizay?
20 Ny alina talohan’ny hahafatesany, dia nasehon’i Jesosy ny fepetra fototra iray, fony izy nilaza toy izao tamin’ny Rainy any an-danitra, tao amin’ny vavaka: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.” (Jaona 17:3). Tsy fepetra araka ny antonony ve ny handraisantsika fahalalana momba an’i Jehovah, izay nahatonga ny fiainana mandrakizay hety, sy momba an’i Jesosy Kristy, ilay maty ho antsika? Tsy ny fandraisana izany fahalalana izany fotsiny anefa no takina.
21. Ahoana no ampisehoantsika fa fenontsika ilay fepetra hoe maneho finoana?
21 Milaza toy izao koa ny Baiboly: “Izay maneho finoana ny Zanaka manana fiainana mandrakizay”. Avy eo izy dia manampy teny hoe: “Izay tsy mankato ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.” (Jaona 3:36, NW ). Azonao aseho fa maneho finoana ny Zanaka ianao raha manao fiovana eo amin’ny fiainanao ka mampifanaraka ny fiainanao amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Tsy maintsy miala amin’izay lalana ratsy rehetra mety ho narahinao ianao ka manao zavatra mba hanaovana izay mampifaly an’Andriamanitra. Mila manao izay nandidian’ny apostoly Petera toy izao ianao: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo”. — Asan’ny Apostoly 3:19.
22. Fanaovan-javatra inona avy no tafiditra amin’ny fanarahana ny dian’i Jesosy?
22 Enga anie isika ka tsy hanadino na oviana na oviana fa amin’ny fanehoana finoana an’i Jesosy ihany no ahafahantsika miaina mandrakizay. (Jaona 6:40; 14:6). Asehontsika fa maneho finoana an’i Jesosy isika raha ‘arahintsika ny diany’. (1 Petera 2:21). Inona no tafiditra amin’ny fanaovana izany? Nilaza toy izao i Jesosy, tamin’ny vavaka nataony tamin’Andriamanitra: ‘Intỳ aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô.’ (Hebreo 10:7). Tena zava-dehibe ny hanahafana an’i Jesosy, amin’ny fanekena hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy amin’ny fanolorana ny fiainanao ho an’i Jehovah. Aorian’izany, dia mila manamarika izany fanoloran-tena izany amin’ny batisa ao anaty rano ianao, toy ny nisehoan’i Jesosy mba hatao batisa. (Lioka 3:21, 22). Ara-dalàna tanteraka ny hanaovana ireo dingana ireo. Nanamarika ny apostoly Paoly fa “ny fitiavan’i Kristy no manery” antsika. (2 Korintiana 5:14, 15). Amin’ny fomba ahoana? Ny fitiavana tokoa mantsy no nanosika an’i Jesosy hanome ny ainy ho antsika. Moa ve izany tsy tokony hanery antsika hanao zavatra ho setriny, dia ny fanehoana finoana azy? Eny, izany dia tokony hanery antsika hanaraka ny ohatra feno fitiavana navelany, tamin’ny nanomezany avy tamin’ny tenany mba hanampiana ny hafa. Velona mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra i Kristy; tsy maintsy manao toy izany koa isika, ka tsy ho velona ho an’ny tenantsika intsony.
23. a) Tsy maintsy manampy ho isan’ny inona ireo hahazo ny fiainana? b) Inona no takina amin’ireo ao anatin’ny kôngregasiôna kristianina?
23 Tsy mifarana eo akory ilay izy. Milaza ny Baiboly fa rehefa nisy olona 3 000 natao batisa tamin’ny Pentekosta 33 am.f.i., dia “nanampy ho isany” izy ireny. Nanampy ho isan’iza? “Izy ireo naharitra tamin’ny fampianaran’ny Apostoly sy ny fiombonana”, hoy ny fanazavan’i Lioka. (Asan’ny Apostoly 2:41, 42). Eny, niara-nivory izy ireo mba hianatra ny Baiboly sy hifanerasera, ka nanampy ho isan’ny kongregasiona kristianina, na hoe nanjary anisan’izy io. Nanatrika fivoriana tsy tapaka ireo Kristianina tany am-boalohany mba hahazoana fampianarana ara-panahy. (Hebreo 10:25). Manao izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah amin’izao andro izao, ary irin’izy ireo ny hampirisika anao mba hanatrika ireny fivoriana ireny miaraka aminy.
24. Inona ilay “tena fiainana”, ary amin’ny fomba ahoana sy rahoviana izy io no ho tanteraka?
24 Olona an-tapitrisany maro ankehitriny no manaraka ilay lalana ety mitarika ho amin’ny fiainana. Tena mitaky ezaka ny fitoerana hatrany eo amin’io lalana ety io! (Matio 7:13, 14). Nampiseho izany i Paoly tao amin’ilay fiangaviany tamim-pitiavana, manao hoe: “Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin’izany no niantsoana anao koa”. Ilaina ny manao izany ady izany mba ‘hihazonana ny tena fiainana’. (1 Timoty 6:12, 19). Tsy ny fiainana ankehitriny, izay feno fanaintainana sy fahoriana ary fijaliana vokatry ny fahotan’i Adama, akory io fiainana io, fa fiainana ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra, izay ho tanteraka tsy ho ela, rehefa hampiharina amin’ireo rehetra tia an’i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany ny sorom-panavotan’i Kristy, aorian’ny nanesorana izao fandehan-javatra izao. Enga anie isika rehetra hifidy ny fiainana, izany hoe ilay “tena fiainana”, dia ny fiainana mandrakizay ao amin’ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra be voninahitra.
Ahoana no Havalinao?
◻ Iza moa ilay menarana, ilay vehivavy, ary ilay taranaka, ao amin’ny Genesisy 3:15?
◻ Amin’ny ahoana i Jesosy no mifanandrify amin’i Adama, ary inona no nanjary azo natao noho ny avotra?
◻ Inona no tsy andrinao ka mahatonga ilay tontolo vaovaon’Andriamanitra hahafinaritra fatratra anao?
◻ Fepetra inona avy no ilaintsika hofenoina mba hiainana ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra?
[Sary, pejy 10]
Ho an’ny tanora sy ny antitra, dia i Jesosy no hany lalana mankany amin’ny fiainana tsy hanam-pahataperana
[Sary, pejy 11]
Amin’ny fotoana voatondron’Andriamanitra, dia hiverina ho amin’ny herin’ny fahatanorana indray ny antitra