TOKO 5
‘Ny Harena Sarobidy Rehetra: Ny Fahendrena’
1-3. Tao anatin’ny toe-javatra nanao ahoana no nanaovan’i Jesosy ilay toriteniny tamin’ny taona 31? Nahoana no nitolagaga ny olona nihaino azy?
NY TAONA 31 tamin’izay ary lohataona ny andro. Tany akaikin’i Kapernaomy i Jesosy Kristy, izany hoe tany amin’ny morontsiraka avaratrandrefan’ny Ranomasin’i Galilia. Avy nivavaka irery nandritra ny alina manontolo, teny amin’ny tendrombohitra iray teo akaikin’io tanàna naresaka io izy. Niantso ny mpianany izy nony maraina ny andro, ary nifidy 12 tamin’ireo mba ho apostoly. Nisy vahoaka be nanaraka an’i Jesosy, ary tena avy lavitra ny sasany. Tafavory teo amin’ny lemaka iray teo amin’ilay tendrombohitra izy ireo, ary may erỳ hihaino azy sy hositraniny. Tsy nandiso fanantenana azy ireo i Jesosy.—Lioka 6:12-19.
2 Nanatona azy ireo i Jesosy, ary nositraniny daholo izay narary. Nipetraka izy avy eo ary nanomboka nampianatra, rehefa tsy nisy intsony ny olona nanaintaina noho ny aretina mafy.a Azo antoka fa talanjona tamin’ny zavatra nolazainy ny olona tafavory teo amin’io toerana azon’ny tsiotsio-drivotry ny lohataona io. Mbola tsy nahita olona nahay nampianatra toa azy mantsy izy ireo. Tsy lovantsofina na tenin’ireo raby jiosy fanta-daza no nampiasainy mba hampisy lanjany ny fampianarany, fa andalan-teny maro avy ao amin’ny Soratra Hebreo. Nivantana ny hafatra nampitainy, tsotra ny teny nampiasainy, ary nazava ny zavatra tiany holazaina. Nitolagaga ny olona, rehefa tapitra ny teniny. Ary izany no tokony ho izy, satria ilay lehilahy hendry indrindra teto an-tany no nampianatra azy ireo!—Matio 7:28, 29.
3 Voasoratra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra io toriteny io sy ny zavatra maro hafa nolazain’i Jesosy sy nataony. Tena ilaintsika ny mandalina izay voalazan’ny Baiboly momba an’i Jesosy, satria ao aminy “ny harena sarobidy rehetra, izany hoe ny fahendrena.” (Kolosianina 2:3) Avy aiza no nahazoany izany fahendrena izany, izany hoe ny fahaizana mampiasa amin’ny fomba tsara ny fahalalana sy ny fahaiza-misaina? Ahoana no nampisehoany fa hendry izy, ary ahoana no hanahafantsika azy?
“Taiza no nahazoan’io an’izany fahendrena izany?”
4. Inona no fanontaniana napetraky ny olona nihaino an’i Jesosy tao Nazareta, ary nahoana?
4 Nitory tany tamin’ny tanàna maro i Jesosy, ary nandalo tao Nazareta, tanàna nahalehibe azy izy indray mandeha. Nampianatra tao amin’ny synagogan’io tanàna io izy, ary maro tamin’ny mpihaino azy no gaga, ka nanontany hoe: “Taiza no nahazoan’io an’izany fahendrena izany?” Fantatr’izy ireo ny ray aman-drenin’i Jesosy sy ny iray tam-po aminy, ary fantany fa nahantra izy mianakavy. (Matio 13:54-56; Marka 6:1-3) Azo inoana fa fantatr’izy ireo koa hoe tsy nianatra tany amin’ny sekoly malaza fiofanan’ny raby io mpandrafitra nahay nandaha-teny io. (Jaona 7:15) Toa tsy nahagaga àry raha nametraka an’ilay fanontaniana etsy ambony izy ireo.
5. Avy aiza ny fahendren’i Jesosy, araka ny nolazainy?
5 Tsy vokatry ny saina lavorary nananan’i Jesosy fotsiny ny fahendreny. Mbola ambony lavitra noho izany ny loharanon’io fahendreny io. Izao no nambarany tatỳ aoriana, rehefa nampianatra tao amin’ny tempoly izy: “Tsy ahy ny fampianarako, fa an’Ilay naniraka ahy.” (Jaona 7:16) Ny Rain’i Jesosy, izay naniraka azy àry, no tena Loharanon’ny fahendreny. (Jaona 12:49) Ahoana anefa no nahazoan’i Jesosy fahendrena avy amin’i Jehovah?
6, 7. Ahoana avy no fomba nahazoan’i Jesosy fahendrena avy tamin’ny Rainy?
6 Nanan-kery teo amin’ny fo sy ny sain’i Jesosy ny fanahy masin’i Jehovah. Naminany toy izao momba an’i Jesosy, na ilay Mesia nampanantenaina, i Isaia: “Ho feno ny fanahin’i Jehovah izy, dia fanahy mahatonga azy ho hendry sy hahira-tsaina, fanahy manome azy torohevitra sy hery, fanahy manome azy fahalalana sy mahatonga azy hatahotra an’i Jehovah.” (Isaia 11:2) Hitantsika eo fa nanana ny fanahin’i Jehovah i Jesosy, ary nanampy azy hieritreritra sy handray fanapahan-kevitra izy io. Koa mahagaga àry ve raha hita tamin’ny zavatra nolazainy sy nataony fa nanana fahendrena faran’izay miavaka izy?
7 Nahazo fahendrena avy amin’ny Rainy tamin’ny fomba lehibe hafa i Jesosy. Hitantsika tao amin’ny Toko faha-2 fa niaraka tamin’ny Rainy nandritra ny taona maro tsy hita isa izy, talohan’ny naha olombelona azy. Azo inoana fa afaka nahatakatra ny fomba fihevitry ny Rainy izy nandritra izany fotoana izany. “Mpiasa tena mahay” teo akaikiny koa izy, ka niara-niasa tamin-dRainy tamin’izy io namorona ny zavatra hafa rehetra, na mananaina na tsia. Noho izany, dia tsy ho takatry ny saintsika velively ny halalin’ny fahendrena azon’i Jesosy teo anilan’ny Rainy. Mety tsara àry ny niantsoana azy hoe fahendrena, talohan’ny naha olombelona azy. (Ohabolana 8:22-31; Kolosianina 1:15, 16) Nampiasa ny fahendrena azony tamin’ny Rainy i Jesosy, nandritra ny fanompoany.b (Jaona 8:26, 28, 38) Tsy tokony ho gaga àry isika raha hita tamin’ny zava-drehetra nolazainy, fa nanam-pahalalana be izy sady tena nahay nisaina. Tsy tokony hahagaga antsika koa raha hita tamin’ny zava-drehetra nataony fa nahay nandinika izy.
8. Koa satria isika mpanara-dia an’i Jesosy, ahoana no hahazoantsika fahendrena?
8 Mpanara-dia an’i Jesosy isika, ka mila miantehitra amin’i Jehovah koa mba hahazoana fahendrena. (Ohabolana 2:6) Marina fa tsy manome an’izany amin’ny fomba mahagaga i Jehovah. Raha mivavaka aminy amin’ny fo manontolo anefa isika, ka mangataka ny fahendrena ilaina hiatrehana zava-tsarotra, dia tena hamaly antsika izy. (Jakoba 1:5) Mila miezaka mafy isika mba hahazoana an’io fahendrena io. Mila mitady azy io foana “hoatran’ny mikaroka harena miafina” isika. (Ohabolana 2:1-6) Ilaintsika àry ny mandalina foana ny Baiboly izay mirakitra fahendrena, sy mampihatra izay ianarantsika. Ankoatra izany, dia tena manampy antsika hahazo fahendrena ny fanarahana ny modely nomen’ny Zanak’i Jehovah. Handinika ny fomba sasany nanehoany fahendrena isika, ary hijery ny fomba azontsika anahafana azy.
Tenim-pahendrena
9. Nahoana no feno fahendrena ny fampianaran’i Jesosy?
9 Maro ny vahoaka nirohotra nankeny amin’i Jesosy, mba hihaino azy fotsiny. (Marka 6:31-34; Lioka 5:1-3) Tsy mahagaga izany, satria vao niteny izy, dia teny feno fahendrena miavaka no naloaky ny vavany! Hita tamin’ny fampianarany fa nanana fahalalana lalina momba ny Tenin’Andriamanitra izy, ary tsy nisy nahay namantatra ny fototry ny zava-manahirana toa azy. Manintona ny olona eran-tany ny fampianarany, sady tsy mety lany andro. Diniho ireto ohatra manaraka ireto, izay manaporofo fa hendry tokoa i Jesosy, ilay antsoin’ny faminaniana hoe “Mpanolo-tsaina Mahagaga.”—Isaia 9:6.
10. Toetra tsara inona avy no nampirisihan’i Jesosy mba hananantsika, ary nahoana?
10 Ny Toriteny teo An-tendrombohitra, izay voaresaka terỳ aloha, no lava indrindra amin’ny fampianaran’i Jesosy voarakitra an-tsoratra. Tsy misy teny na fanamarihan’olon-kafa eny anelanelan’izy io. Tsy nilaza fotsiny i Jesosy hoe tokony ho tsara ny zavatra ataontsika sy lazaintsika. Lalina kokoa noho izany ny torohevitra nomeny. Fantany fa ny teny sy ny atao dia vokatry ny eritreritra sy ny fihetseham-po. Noho izany, dia nampirisika antsika izy mba hanana toe-tsaina sy toe-po tsara. Anisan’izany ny hoe malemy fanahy, mangetaheta fahamarinana, tia famindram-po sy fihavanana, ary maneho fitiavana. (Matio 5:5-9, 43-48) Hahafinaritra ny tenintsika sy ny ataontsika, rehefa miezaka isika mba hanana an’ireo toetra ireo ao am-pontsika. Hampifaly an’i Jehovah izany, sady hahatonga antsika hifandray tsara amin’ny hafa.—Matio 5:16.
11. Inona no mampiseho fa ny fototry ny fahotana mihitsy no noresahin’i Jesosy, tamin’izy nampitandrina ny olona mba tsy hanota?
11 Rehefa nampitandrina momba ny fahotana i Jesosy, dia ny fototr’ilay izy mihitsy no noresahiny. Tsy nampitandrina antsika mba tsy hahery setra fotsiny izy, fa nilaza mihitsy hoe tsy mety ny mitahiry fahatezerana ao am-po. (Matio 5:21, 22; 1 Jaona 3:15) Tsy nandrara ny fanitsakitsaham-bady fotsiny koa izy, fa nampitandrina antsika mihitsy mba hifehy ny filan’ny nofo izay mety hitsiry ao am-po, satria izany no mahatonga ny olona hanitsakitsa-bady. Nampirisihin’i Jesosy hifehy ny masontsika isika, mba tsy hahatonga azy io hiteraka fanirian-dratsy ao amintsika, na hanaitaitra ny filan’ny nofontsika. (Matio 5:27-30) Tsy nampitandrina momba ny ota fotsiny àry i Jesosy, fa momba ny antony mahatonga izany koa. Nampahafantariny ireo toe-tsaina sy faniriana mitarika ho amin’ny fahotana.—Salamo 7:14.
12. Ahoana no fandraisan’ny mpanara-dia an’i Jesosy ny torohevitra nomeny, ary nahoana?
12 Feno fahendrena tokoa ny tenin’i Jesosy! “Gaga [àry] ny vahoaka tamin’ny fomba fampianany.” (Matio 7:28) Mpanara-dia azy isika, ka raisintsika ho tari-dalana hitondrana ny fiainantsika ny torohevitra feno fahendrena nomeny. Miezaka isika mba haneho ireo toetra tsara nampirisihany hananantsika. Anisan’izany ny famindram-po sy ny fihavanana amin’ny hafa ary ny fitiavana. Fantatsika mantsy fa hanampy antsika hanana fomba fiaina mampifaly an’i Jehovah izany. Miezaka koa isika hanaisotra avy ao am-pontsika ny fihetseham-po manimba sy ny fanirian-dratsy nampitandreman’i Jesosy, toy ny lolompo sy ny filan-dratsin’ny nofo. Hisakana antsika tsy hanota ny fanaovana izany ezaka izany.—Jakoba 1:14, 15.
Nisy heriny teo amin’ny fomba fiainany manontolo ny fahendrena
13, 14. Inona no mampiseho fa nahay nandinika i Jesosy rehefa nifidy izay ho fomba fiainany?
13 Hita tamin’ny zavatra nataon’i Jesosy koa ny fahendreny, fa tsy tamin’ny teniny ihany. Misy lafiny maro mahafinaritra ny fahendrena, ary nampiseho izany tamin’ny fomba fiainany manontolo i Jesosy. Hendry izy teo amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, sy ny fomba fiheverany ny tenany, ary ny fifandraisany tamin’ny olona. Andeha isika handinika ohatra vitsivitsy, mampiseho fa nisy heriny teo amin’i Jesosy foana ny “fahendrena sy ny fahaiza-misaina.”—Ohabolana 3:21.
14 Anisan’ny fahendrena koa ny fahaiza-mandinika. Hita tamin’ny fomba fiaina nofidin’i Jesosy fa nahay nandinika izy. Alao sary an-tsaina ange ny zavatra azony natao teo amin’ny fiainana e! Eritrereto ny trano mety ho azony naorina, ny raharaham-barotra mety ho azony natao, na ny toerana ambony mety ho nananany teto amin’ity tontolo ity! Fantatr’i Jesosy anefa fa ‘tsy hisy dikany’ ny fiainany ary toy ny hoe ‘hisambo-drivotra fotsiny’ izy, raha variana nikatsaka an’ireo. (Mpitoriteny 4:4; 5:10) Hadalana izany, ary mifanohitra amin’ny fahendrena. Naleon’i Jesosy nanana fiainana tsotra. Tsy nitady vola be izy na naniry hangoron-karena. (Matio 8:20) Tanjona tokana ihany no nifantohan’ny ‘masony’ na ny sainy, dia ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra. Izany rahateo no nampianariny ny olona. (Matio 6:22) Hendry i Jesosy ka nanokana ny fotoanany sy ny heriny, mba hikarakarana ireo zavatra mifandray amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, satria sarobidy sy mahafa-po noho ny vola aman-karena izany. (Matio 6:19-21) Modely mendrika hotahafina tokoa izy amin’io lafiny io.
15. Ahoana no ampisehoan’ny mpanara-dia an’i Jesosy fa mampifantoka foana ny masony amin’ny asan’ilay Fanjakana izy ireo, ary nahoana no fahendrena ny hananana fomba fiaina toy izany?
15 Eken’ny mpanara-dia an’i Jesosy ankehitriny fa fahendrena ny mampifantoka foana ny maso amin’ny asan’ilay Fanjakana. Noho izany, dia tsy mitrosa tsy amin’antony izy ireo, satria manavesatra izany. Miezaka koa izy ireo mba tsy ho revo mikatsaka ny zavatra mahavariana an’ity tontolo ity, izay mandany fotoana sy mandreraka. (1 Timoty 6:9, 10) Maro no efa nanatsotra ny fiainany, mba hahafahany hanompo an’Andriamanitra bebe kokoa, na hitory ilay Fanjakana manontolo andro mihitsy aza. Tsy misy fomba fiaina mampiseho fahendrena noho izany mihitsy, satria ny olona manao an’ilay Fanjakana ho loha laharana no sambatra sy afa-po indrindra.—Matio 6:33.
16, 17. a) Ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa nanetry tena sy tsy nitaky be loatra tamin’ny tenany izy? b) Ahoana no azontsika ampisehoana fa manetry tena sy tsy mitaky be loatra amin’ny tenantsika koa isika?
16 Ampifandraisina amin’ny fanetren-tena ny fahendrena ao amin’ny Baiboly. Manetry tena, ohatra, ny olona iray rehefa miaiky fa voafetra ny azony atao. (Ohabolana 11:2) Nanetry tena i Jesosy ary tsy nitaky be loatra tamin’ny tenany. Fantany fa tsy ho afaka hampiova finoana ny olona rehetra nandre ny hafatra nentiny izy. (Matio 10:32-39) Fantany koa fa voafetra ny isan’ny olona azony itoriana. Hendry àry izy ka nankininy tamin’ny mpanara-dia azy ny fampianarana ny olona ho lasa mpanara-dia an’i Jesosy. (Matio 28:18-20) Nanetry tena izy ka niaiky fa “hanao asa lehibe noho” ny vitany izy ireo, satria hitory amin’ny olona maro kokoa, amin’ny faritany midadasika kokoa, ary mandritra ny fotoana maharitra kokoa. (Jaona 14:12) Niaiky koa i Jesosy fa nila fanampiana izy indraindray. Nekeny ny fanampian’ireo anjely tonga nikarakara azy tany an-tany efitra, sy ny fanampian’ilay anjely tonga nampahery azy tany Getsemane. Mbola niantso vonjy aza io Zanak’Andriamanitra io, tamin’ny fotoana nampahory azy indrindra.—Matio 4:11; Lioka 22:43; Hebreo 5:7.
17 Mila manetry tena sy tsy mitaky be loatra amin’ny tenantsika koa isika. Azo antoka fa irintsika ny hiezaka mafy hitory sy hampianatra, sy hanao izany amin’ny fo manontolo. (Lioka 13:24; Kolosianina 3:23) Mila tadidintsika anefa fa tsy mampitaha antsika amin’ny hafa i Jehovah, ary tsy tokony hanao izany koa isika. (Galatianina 6:4) Ny fahendrena dia hanampy antsika hiezaka hanana tanjona azo tratrarina, izay mifanentana amin’ny fahaizantsika sy ny toe-javatra misy antsika. Ny fahendrena koa no hanampy an’ireo mpiandraikitra hiaiky fa voafetra ny azony atao, ary mila fanampiana sy fanohanana izy ireo indraindray. Mila manetry tena izy ireo mba hanekeny sy hankasitrahany an’izany fanampiana izany, satria fantany fa mety hampiasa ny mpiara-manompo i Jehovah mba ‘tena hanampy sy hankahery’ azy ireo.—Kolosianina 4:11.
18, 19. a) Inona no mampiseho fa nahay nandanjalanja sy tsara fanahy tamin’ny mpianany i Jesosy? b) Nahoana isika no tokony hijery lafy tsaran-javatra sady hahay handanjalanja, rehefa mifandray amintsika samy isika, ary ahoana no azontsika anaovana izany?
18 Hoy ny Jakoba 3:17: ‘Ny fahendrena avy any ambony dia mahay mandanjalanja.’ Nahay nandanjalanja i Jesosy sady nijery lafy tsaran-javatra, rehefa nifandray tamin’ny mpianany. Fantany tsara fa nanana kileman-toetra izy ireo, nefa nifantoka tamin’ny toetra tsaran’izy ireo izy. (Jaona 1:47) Fantany koa fa handao azy izy ireo ny alina hisamborana azy, nefa natoky izy fa tsy hivadika izy ireo. (Matio 26:31-35; Lioka 22:28-30) Intelo i Petera no nanda ho tsy nahalala an’i Jesosy. Nitalaho ho an’i Petera anefa i Jesosy, sady nasehony fa natoky izy hoe tsy hivadika i Petera. (Lioka 22:31-34) Rehefa nivavaka tamin’ny Rainy i Jesosy ny alina talohan’ny nahafatesany, dia tsy ny fahadisoan’ny mpianany no nifantohany, fa ny zavatra tsara nataon’izy ireo hatramin’izay. Hoy izy: “Efa narahiny ny teninao.” (Jaona 17:6) Na dia tsy lavorary aza izy ireo, dia nankinin’i Jesosy taminy ny asa fitoriana an’ilay Fanjakana sy ny fampianarana ny olona ho lasa mpanara-dia azy. (Matio 28:19, 20) Natoky azy ireo i Jesosy, ary azo antoka fa nampahery azy ireo mba hanatontosa an’ilay asa nampanaoviny izany.
19 Tena mila manahaka an’i Jesosy koa ny mpanara-dia azy amin’io lafiny io. Raha ny Zanak’Andriamanitra izay lavorary aza mantsy nanam-paharetana tamin’ireo mpianany tsy lavorary, mainka moa fa isika samy olombelona mpanota! Mila mahay mandanjalanja isika eo amin’ny fifandraisantsika samy isika. (Filipianina 4:5) Tsy tokony hitsingoloka ny kileman-toetran’ny mpiray finoana amintsika isika, fa hiezaka hitady ny toetra tsarany. Hendry isika raha mitadidy fa i Jehovah no nitaona azy ireny. (Jaona 6:44) Midika izany fa tsy maintsy misy toetra tsara hitany ao amin’izy ireo, ary tokony hijery izany koa isika. Hanampy antsika ‘hanadino’ ny fahadisoan’ny hafa izany, sady hanampy antsika hahita lafin-javatra azontsika iderana azy. (Ohabolana 19:11, Fandikan-teny Katolika) Rehefa asehontsika amin’ireo rahalahy sy anabavintsika eo anivon’ny fiangonana fa matoky azy ireo isika, dia manjary afaka manome ny tsara indrindra ho an’i Jehovah izy ireo eo amin’ny fanompoana azy, ka mahita fifaliana amin’izany.—1 Tesalonianina 5:11.
20. Tokony hataontsika ahoana ilay tahirim-pahendrena ao amin’ny Filazantsara, ary nahoana?
20 Tahirim-pahendrena sarobidy tokoa ny tantaran’ny fiainan’i Jesosy sy ny fanompoany, ao amin’ny Filazantsara! Tokony hataontsika inona io fanomezana sarobidy io? Nilaza i Jesosy teo am-pamaranana ny Toriteny teo An-tendrombohitra, fa tsy ampy fotsiny ny mandre ny teny feno fahendrena nolazainy, fa ilaina koa ny mankatò na mampihatra izany. (Matio 7:24-27) Samy feno fahendrena na ny tenin’i Jesosy na ny zavatra nataony. Raha volavolaintsika hifanaraka amin’izany ny eritreritsika sy ny antony mandrisika antsika hanao zavatra ary izay ataontsika, dia hanana ny fiainana tsara indrindra isika ankehitriny, sady hijanona eo amin’ilay lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay. (Matio 7:13, 14) Tsy hahita fomba fiaina tsara sy feno fahendrena noho izany mihitsy isika!
a Nomena anarana hoe Toriteny teo An-tendrombohitra ilay lahateny nataon’i Jesosy tamin’io andro io. Ao amin’ny Matio 5:3–7:27 no misy azy io. Mizara ho andininy 107 ilay izy, ary angamba vita ao anatin’ny 20 minitra eo ho eo monja.
b Toa nitamberina tao an-tsain’i Jesosy ny zavatra niainany talohan’ny nahatongavany teto an-tany, rehefa “nisokatra ny lanitra” tamin’ny fotoana nanaovana batisa azy.—Matio 3:13-17.