Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Nangoraka ny boka iray i Jesosy
RAHA mbola nitety ireo tanànan’i Galilia i Jesosy, narahin’ny mpianany efatra, dia niely nanerana ny distrika manontolo ny resaka ny amin’ny zavatra mahagaga notanterahiny, ka tonga hatrany amin’ny tanàna iray nonenan’ny lehilahy voan’ny habokana iray. Nilaza mazava i Lioka mpitsabo fa “heniky ny habokana” io lehilahy io. Eo amin’ny ambaratonga lasa lavitra amin’ny fiovany, io aretina mahatsiravina io dia manimba miadana faritra isan-karazany amin’ny tena. Tao anatin’ny toe-piainana nampahonena àry io boka io.
Rehefa tonga tao amin’io tanàna io i Jesosy, dia nanatona azy ilay boka. Araka ny lalàn’Andriamanitra, ny boka rehetra dia tsy maintsy nampiomana ny olona nanodidina azy tamin’ny fiantsoana hoe: “Maloto e! Maloto e! mba tsy hanatonan’izy ireny azy akaiky loatra ka amin’izany dia mety ho voa koa. Nitambotsitra niondrika izao ilay boka ka nitalaho tamin’i Jesosy tamin’izao teny izao: “Tompoko, raha mety Hianao, dia mahay manadio ahy.”
Noporofoin’io lehilahy io fa nanana finoana lehibe an’i Jesosy izy. Kanefa, noho ny aretiny dia tena tokony hampahonena izy io. Ahoana no hamalian’i Jesosy izany? Ho nanao ahoana ny fihetsikao? Feno fangorahana i Jesosy ka naninjitra ny tanany ary nikasika an’io lehilahy io tamin’ny filazana hoe: “Mety Aho; madiova hianao.” Avy hatrany dia niala taminy ny habokana.
Ho tianao ve ny hanana ho mpanjaka, olona mangora-po toy izany? Ny fihetsik’i Jesosy teo anoloan’io boka io dia mahatonga antsika ho afaka hatoky fa hotanterahiny mandritra ny andro hanjakany izao faminaniana ao amin’ny Baiboly izao: “Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy.” Eny, hotanterahin’i Jesosy amin’izay ny zavatra irin’ny fony, dia: ny hanampy ny ory rehetra.
Efa niteraka fahatalanjonana teo amin’ny Jiosy ny fanompoan’i Jesosy talohan’ny fanasitranana ilay boka mihitsy aza. Nahatanteraka faminanian’Isaia iray anefa i Jesosy rehefa nibaiko ilay olona nositraniny hoe: “Tandremo tsara mba tsy hisy holazainao na amin’iza na amin’iza.” Nomeny azy io nanaraka izany izao baiko izao: “Mandehana, misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanadiovana anao, izay nandidian’i Mosesy, ho vavolombelona amin’ireo.”
Faly aoka izany anefa ralehilahy ka tsy afaka ny tsy hiteny ny amin’io fahagagana io. Lasa izy nandeha ary nanomboka nampiely ny vaovao hatraiza hatraiza. Toa niteraka fahalianana sy fitiavana hahafanta-javatra aoka izany izy, hany ka tsy afaka niditra ankarihary tao amin’ny tanàna iray intsony i Jesosy. Nijanona tao amin’ny toerana nitokana sy tsy nisy mponina àry i Jesosy, kanefa nisy vahoaka betsaka nanatona azy avy hatraiza hatraiza mba hihaino azy sy mba hositranina tamin’ny aretiny. Lioka 5:12-16; Marka 1:40-45; Matio 8:2-4; Levitikosy 13:45; 14:10-13; Salamo 72:13; Isaia 42:1, 2.
◆ Inona no vokatry ny habokana, ary inona no fampiomanana tsy maintsy nataon’ny boka iray teny amin’ny lalany?
◆ Ahoana no fitalahoana nataon’ny boka iray tamin’i Jesosy, ary mampahafantatra inona antsika ny valintenin’i Jesosy?
◆ Tamin’ny ahoana io lehilahy io no tsy nankatò an’i Jesosy rehefa sitrana, ary inona avy no vokatry ny tsy fankatoavany?