ANDRO FIOMANANA
Andro fiomanan’ny Jiosy talohan’ny nankalazana ny Sabata isan-kerinandro izay natao ny ampitson’iny.
Nilaza i Jehovah tany an-tany efitra fa tokony ho avo roa heny ny mana halain’ny Jiosy ny andro fahenina, satria tsy tokony hisy hanangona mana ny andro fahafito na Sabata. Nanangona mana fanampiny àry izy ireo ho fiomanana ho amin’ny Sabata isan-kerinandro, ka nahandro na nanao izany tao anaty lafaoro. (Ek 16:5, 22-27) Lasa natao hoe “Andro Fiomanana” ilay “andro alohan’ny sabata”, araka ny Marka 15:42. Mifanitsy amin’ny andro zoma ny Andro Fiomanana, izay nifarana rehefa nilentika ny masoandro. Nanomboka taorian’izay ny Sabata. Nanomboka ny takariva ka hatramin’ny ampitso takariva mantsy ny andro jiosy.
Nanomana ny sakafo hohanina ny ampitso ny Jiosy tamin’ny Andro Fiomanana, ary namita an’izay asa maika tsy afa-niandry taorian’ny Sabata. (Ek 20:10) Voalazan’ny Lalàna fa ‘tsy tokony hajanona teo [amin’ny tsato-kazo] nandritra ny alina ny fatin’izay’ novonoina sy nahantona teo. (De 21:22, 23; ampit. Js 8:29; 10:26, 27.) Ny Andro Fiomanana tolakandro no nofantsihana teo amin’ny tsato-kazo i Jesosy sy ireo jiolahy, ka tian’ny Jiosy ho faty haingana izy ireo mba ho azo alevina talohan’ny filentehan’ny masoandro. Tsy Sabata nahazatra (andro fahafito amin’ny herinandro) fotsiny mantsy ilay vao hanomboka, fa Sabata “lehibe” mihitsy satria 15 Nisana. (Le 23:5-7; Jn 19:31, 42; Mr 15:42, 43; Lk 23:54) Nilaza i Josèphe fa namoaka didy i Aogosto Kaisara hoe tsy voatery nankany amin’ny fitsarana ny Jiosy “rehefa Sabata na Andro Fiomanana (andro talohan’ny Sabata) taorian’ny ora fahasivy.” Midika izany fa efa nanomboka niomana ho amin’ny Sabata izy ireo ny zoma, tamin’ny ora fahasivy.—Rakitry ny Ela Jiosy, XVI, 163 (vi, 2).
Hoy ny Jaona 19:14 momba ny fotoana nitsarana sy nitondrana an’i Jesosy teo anatrehan’i Pilato ny marainan’ny 14 Nisana (nanomboka ny omalin’io takariva ny Paska): “Andro fiomanana ho amin’ny Paska tamin’izay.” Misy mpivaofy teny milaza fa mbola tsy nankalazaina ny Paska tamin’io andro io. Milaza mazava anefa ny Filazantsara fa nankalaza ny Paska i Jesosy sy ny apostoly ny alina talohan’io. (Lk 22:15; Mt 26:18-20; Mr 14:14-17) Nitandrina an-tsakany sy an-davany ny Lalàna i Kristy, ka nankalaza ny Paska ny 14 Nisana. (Ek 12:6; Le 23:5; jereo PASKA.) Azo lazaina hoe “andro fiomanana ho amin’ny Paska” anefa ny andro nitsarana sy nahafatesan’i Jesosy, noho izy io fiomanana ho amin’ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay izay hanomboka ny ampitso. Nanarakaraka ny Paska ilay fety naharitra fito andro, ka nantsoina matetika koa hoe “Paska.” Sabata foana koa ny ampitson’ny 14 Nisana. Nifanitsy tamin’ny sabata isan-kerinandro anefa ny 15 Nisana taona 33, ka Sabata “lehibe” na sabata roa sosona izy io.