-
Tsy Natahotra Intsony i Josefa avy any ArimatiaNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Oktobra
-
-
TSY noeritreretin’i Josefa avy any Arimatia hoe ho vitany ny hiresaka amin’i Pontio Pilato, governora romanina. Nalaza ho hentitra be mantsy izy io. Tsy maintsy niera taminy anefa vao afaka naka ny fatin’i Jesosy mba halevina amin’ny fomba mendri-kaja. Tsy arakaraka ny noeritreretin’i Josefa ny nitranga. Neken’i Pilato ny fangatahany rehefa avy naka toky tamin’ny manamboninahitra iray izy hoe maty tokoa i Jesosy. Lasa haingana i Josefa avy eo nankany amin’ny toerana namonoana an’i Jesosy. Mbola nalahelo be izy tamin’izay.—Mar. 15:42-45.
-
-
Tsy Natahotra Intsony i Josefa avy any ArimatiaNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Oktobra
-
-
ANISAN’NY FITSARANA AVO JIOSY
Milaza ny Filazantsaran’i Marka fa “lehilahy nanan-kaja anisan’ny Filan-kevitry ny Jiosy” i Josefa. Ny Fitsarana Avo Jiosy ihany ilay hoe Filan-kevitry ny Jiosy, raha jerena ny andininy hafa. (Mar. 15:1, 43) Io fitsarana io no fahefana tampony tamin’izany. Anisan’ny mpitondra tamin’ny androny àry i Josefa. Izany no nahafahany nihaona tamin’ny governora romanina. Tsy mahagaga koa raha nanan-karena izy.—Mat. 27:57.
Sahinao ve ny manaiky fa i Jesosy no mpanjakanao?
Nankahala an’i Jesosy ny ankamaroan’ny mpikambana tao amin’ny Fitsarana Avo, ka nikononkonona tetika hamonoana azy. Tsy nitovy tamin’ireo mpiara-miasa taminy ireo i Josefa. “Lehilahy tsara toetra sy marina” izy. (Lioka 23:50) Nanao ny tsara izy ary niezaka mafy nankatò ny didin’Andriamanitra. “Niandry ny fanjakan’Andriamanitra” koa izy, ary izany angamba no nahatonga azy ho lasa mpianatr’i Jesosy. (Mar. 15:43; Mat. 27:57) Azo inoana fa liana tamin’ny fampianaran’i Jesosy izy satria tia ny marina sy ny rariny.
-
-
Tsy Natahotra Intsony i Josefa avy any ArimatiaNy Tilikambo Fiambenana (Fianarana)—2017 | Oktobra
-
-
NAHAVITA NANAPA-KEVITRA IHANY
Toa efa tsy natahotra intsony i Josefa tamin’ny fotoana nahafatesan’i Jesosy. Nanapa-kevitra ny hiaraka tamin’ny olon-kafa mpanara-dia an’i Jesosy izy. Manaporofo an’izany ny Marka 15:43 hoe: “Nisikina herim-po izy ka nankao amin’i Pilato, dia nangataka ny fatin’i Jesosy.”
-