Ny Antony Maha-fanomezan’Andriamanitra Ara-tsindrimandry ny Baiboly
MILAZA ny Baiboly fa “Andriamanitra dia fitiavana” ary avy any aminy ny fahendrena sy ny hery. (1 Jaona 4:8; Joba 12:13; Isaia 40:26). Lazainy amintsika fa “ny làlany rehetra dia amin’ny rariny avokoa”. (Deoteronomia 32:4). Araka ny Baiboly dia mampiseho toetra tsara toy ny famindram-po sy fiantrana koa Andriamanitra. — Eksodosy 34:6; Romana 9:15.
Koa satria ny Baiboly milaza fa avy amin’i Jehovah Andriamanitra ireny toetra tsara ireny, dia sintoniny ho any Aminy ireo olona mitsapatsapa mitady. Miresaka ny amin’ny famoronana io boky io, ny amin’ny niavian’ny ota sy ny fahafatesana, ary ny fomba fihavanana amin’Andriamanitra. Manolotra fanantenana mamabo ny fo, dia Paradisa haverina indray eto an-tany, izy io. Tsy hisy vidiny anefa izany rehetra izany raha tsy azo porofoina fa fanomezana ara-tsindrimandry avy amin’Andriamanitra ny Baiboly.
Ny Baiboly sy ny siansa
Mazàna ny Baiboly dia nandresy ny fanakianana. Rehefa vakina amin’ny saina mivelatra izy io, ohatra, dia hita fa mifanaraka amin’ny siansa marina. Marina fa nomanina ho mpitari-dalana ara-panahy ny Baiboly fa tsy ho boky fianarana siansa akory. Kanefa aoka hojerentsika raha mifanaraka amin’ireo zava-misy ara-tsiansa ny Baiboly.
Anatômia (fandinihana ny firafitry ny taova): Milaza amin’ny fomba marina ny Baiboly fa ny ‘tapany rehetra’ amin’ny fanjary tsaikan’olombelona (embryon) dia “voasoratra”. (Salamo 139:13-16, NW). Ny atidoha, ny fo, ny havokavoka, ny maso — ireo sy ny tapany hafa rehetra amin’ny vatana dia ‘voasoratra’ ao amin’ny rafi-pandovan-toetran’ny atody lonaka iray ao amin’ilay kibon-dreny. Ao anatin’io rafi-pandovan-toetra io dia misy fotoana voatendry anaty isehoan’ireo tapany tsirairay ireo amin’ny filaharana mety. Ary eritrereto fotsiny ange! Io zava-misy mikasika ny fitomboan’ny vatan’olombelona io dia voarakitra tao amin’ny Baiboly efa ho 3 000 taona talohan’ny nahitan’ny mpahay siansa ny rafi-pandovan-toetra (code génétique).
Fiainan’ny biby: Araka ny Baiboly, ‘ny rabitro [bitro dia, NW] dia mandinika’. (Levitikosy 11:6). Hoy i François Bourlière (The Natural History of Mammals, 1964, pejy faha-41): “Ny fahazarana ‘mihinana ny dikin’ny tena’ na famerenana indroa ny sakafo handalo ao amin’ny tsinay fa tsy indray mandeha monja, dia toa fisehoan-javatra mahazatra eo amin’ny rabitro sy ny bitro dia. Ny rabitro fiompy dia mazàna mihinana ary manao teli-moka ny dikiny amin’ny alina, izay mahaforona saiky ny antsasaky ny totalin’izay ao anatin’ny vavoniny ny maraina. Eo amin’ny bitro dia, ny fihinanana ny diky dia mitranga indroa isan’andro, ary nolazaina fa manana fahazarana mitovy amin’izany ny bitro dia eorôpeana”. Mikasika izany dia izao no ambaran’ny Mammals of the World (nataon’i E. P. Walker, 1964, boky faha-2, pejy faha-647): “Izany dia mety hitovy amin’ny ‘fandinihana’ eo amin’ireo biby mampinono izay mandinika”.
Arkeôlôjia: Noho ny fahitana takela-tanimanga, vilany tany, soratra, ary zavatra toy izany, dia nanjary velona indray ireo mpanjaka sy tanàna ary firenena ao amin’ny Baiboly. Ny vahoaka toy ny Hetita voalaza ao amin’ny Soratra masina, ohatra, dia tena nisy tokoa. (Eksodosy 3:8). Ao amin’ilay bokiny hoe Nanjary velona indray ny Baiboly (anglisy), i Sir Charles Marston dia niteny hoe: “Ireo izay nanozongozona ny finoan’ny besinimaro momba ny Baiboly ka nikiky ny fahefan’izany, dia nokikisan’ireo porofo izay nofongarina kosa ho setrin’izany, ka rava ny fahefan’izy ireo. Ny angady dia manaisotra ireo fanakianana mandrava hiala amin’ny faritry ny zava-misy mampisalasala ho any amin’ny hevi-dravina tsotra izao.”
Nanohana ny Baiboly tamin’ny fomba maro ny arkeôlôjia. Ireo zavatra hita, ohatra, dia nanamarina ireo toerana sy anarana hita ao amin’ny Genesisy toko faha-10. Nofongarin’reo mpihady lavaka ny tanànan’i Ora any Kaldea, ilay foibe ara-barotra sy ara-pivavahana izay nahaterahan’i Abrahama. (Genesisy 11:27-31). Teo ambonimbony kokoa noho ny loharanon’i Gihona izay any amin’ny tapany atsimo atsinanan’i Jerosalema, ireo arkeôlôgy dia nahita ilay tanànan’ny Jebosita nalain’i Davida mpanjaka. (2 Samoela 5:4-10). Hita tamin’ny 1880 ilay Soratra tao Siloama voasokitra teo amin’ny faran’ilay lakan-drano, na tionelin-drano nataon’i Hezekia. (2 Mpanjaka 20:20). Ny fianjeran’i Babylona nankeo amin’i Kyrosy Lehibe tamin’ny 539 al.f.i., dia voalaza ao amin’ny Tantaran’i Nabonida, izay nofongarina tamin’ny taonjato faha-19 am.f.i. Ireo tsipirian-javatra ao amin’ny bokin’i Estera dia nohamarinin’ny soratra avy tany Persepolisy sy ny fahitana ilay lapan’ny mpanjaka Xerxès (Ahasoerosy) tany Sosana, na Sosa, teo anelanelan’ny 1880 sy 1890 am.f.i. Ny soratra hita tamin’ny 1961 teo amin’ny sisa tsy rava amin’ny trano fanaovana teatira romana tany Kaisaria dia nanaporofo ny fisian’ilay governora romana atao hoe Pontio Pilato, izay nanolotra an’i Jesosy mba hohomboana. — Martio 27:11-26.
Astrônômia (fandinihana ny zavatra eny amin’ny habakabaka): Sahabo ho 2 700 taona lasa izay — ela be talohan’ny nahafantaran’ny olona amin’ny ankapobeny fa boribory ny tany — dia nanoratra toy izao ny mpaminany Isaia: “Misy Iray izay mipetraka eo ambonin’ny faribolan’ny tany”. (Isaia 40:22, NW). Ilay teny hebreo chugh nadika eto hoe ‘faribolana’, dia azo adika koa hoe bola (sphère). (Konkordansan’ny Soratra hebreo sy kaldeana, nataon’i B. Davidson). Ary, ny “faribolan’ny” faravodilanitry ny tany koa dia tazana tsara avy eny amin’ny habakabaka, ary indraindray mandritra ny fisidinan’ny fiaramanidina avo dia avo. Tsotra fotsiny no nilazan’ny Joba 26:7 fa “manantona ny tany amin’ny tsy misy” Andriamanitra. Marina izany satria ireo mpandinika ny habakabaka dia mahafantatra fa tsy misy zavatra hita maso ipetrahan’ny tany.
Bôtanika (siansa momba ny zavamaniry): Misy manatsoaka hevitra amin’ny fomba diso fa tsy marina ny Baiboly satria i Jesosy dia niresaka ny amin’ny “voan-tsinapy” ho toy ny “kely noho ny voa rehetra”. (Marka 4:30-32). Azo inoana fa ny tian’i Jesosy holazaina dia ny voan’ny voantsinapy mainty (Brassica nigra na Sinapis nigra) izay manana savaivo eo amin’ny 1 ka hatramin’ny 1,6 milimetatra eo ho eo monja. Na dia misy aza voa kely kokoa, toy ireo voan’ny ôrkide manify toy ny vovo-javatra, i Jesosy dia tsy niresaka tamin’olona namboly ôrkide. Fantatr’ireo Jiosy Galiliana ireo fa, tamin’ireo voa isan-karazany nafafin’ireo mpamboly teo an-toerana, dia ny voantsinapy no voa kely indrindra. Niresaka ny amin’ny Fanjakana i Jesosy fa tsy nampianatra lesona momba ny zavamaniry.
Jeôlôjia (haibolantany): Mikasika ny fitantaran’ny Baiboly ny amin’ny famoronana, dia niteny toy izao ilay jeôlôgy malaza atao hoe Wallace Pratt: “Raha toa ka angatahina aho, amin’ny maha-jeôlôgy ahy, mba hanazava fohifohy ny hevitra môderina ananantsika ny amin’ny niavian’ny tany sy ny nitomboan’ny fiainana teo amboniny amin’olon-tsotra sy mpiandry ondry, toy ilay foko nanoratana ny bokin’ny Genesisy, dia tsy ho afaka hahavita tsaratsara kokoa aho raha tsy manaraka akaiky ny ankamaroan’ny fitenenana ao amin’ny toko voalohany amin’ny Genesisy”. Nomarihin’i Pratt fa, amin’ny fotony, ny filaharan’ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Genesisy — ny niavian’ny ranomasina, sy ny tany maina ary ny fisehoan’ny zavamiaina any an-dranomasina sy ny vorona, ary ny biby mampinono — dia ny fifandimbasan’ireo fizarana eo amin’ny vanim-potoana talohan’ny tantaran’ny olombelona araka ny fanazavan’ny jeôlôjia azy.
Fitsaboana: Ao amin’ny bokiny hoe Mandinika ny Baiboly ny mpitsabo (anglisy), dia nanoratra toy izao i C. Raimer Smith: “Tena nahagaga ahy tokoa ny maha-marina aoka izany ny Baiboly oharina amin’ny fomba fijerin’ny mpitsabo (...) Rehefa misy firesahana ny amin’ny fomba fitsaboana, toy ny atao amin’ny vay, ny ratra, sns., dia mety ny azy na dia eo amin’ny fari-pitsaboana môderina aza. (...) Finoanoam-poana maro no mbola inoan’olona maro be, toy ny hoe miaro amin’ny rohana (rhumatisme) ny fanasiana voana “marron d’Inde” ao anaty paosy; ny fihazonana saobakaka dia mahavoan’ny votsy; ny fanaovana lamba filanelina mena manodidina ny tenda dia manasitrana ny aretin-tenda; ny fitondrana kitapo misy ditin-kazo mangidy “asafetida” dia miaro amin’ny aretina; isaky ny marary ny ankizy iray dia misy kankana izy izay, sns.; tsy hita ao amin’ny Baiboly anefa ny filazana toy izany. Izany fotsiny dia efa miavaka, ary amiko, izany dia porofo hafa iray ny amin’ny maha-avy amin’Andriamanitra azy”.
Azo itokiana eo amin’ireo antsipiriany ara-tantara
Ao amin’ny bokiny hoe Mandinika ny Baiboly ny mpahay lalàna iray, dia nanao izao fanamarihana izao i Irwin H. Linton, mpisolovava: “Ireo tantaram-pitiavana sy angano ary fanambarana tsy marina dia mitandrina mba hametraka ny zava-miseho tantaraina any amin’ny toerana lavitra be sy amin’ny fotoana tsy voafaritra. Amin’izany izy ireo dia mandika ny lalàna voalohany izay ianaranay mpahay lalàna mba hanaovana fiarovana tsara eo anatrehan’ny fitsarana, dia ny hoe ‘tsy maintsy manondro ny fotoana sy ny toerana ilay fanambarana’. Ny fitantarana ao amin’ny Baiboly kosa anefa dia manome antsika ny daty sy manondro ny toeran’ireo zavatra tantaraina amin’ny fomba faran’izay voafaritra tsara”.
Mba hanaporofoana izany hevitra izany, dia nanonona ny Lioka 3:1, 2 i Linton. Ao ilay mpanoratra ny Filazantsara dia nilaza mpanao fanjakana fito mba hamaritana ny fotoana nanombohan’i Jesosy Kristy ny fanompoany. Mariho ireo antsipiriany izay nomen’i Lioka tamin’ireto teny ireto: “Ary tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folo nanjakan’i Tiberio Kaisara, fony Pontio Pilato no governora tany Jodia, ary Heroda no mpanapaka tany Galilia, ary Filipo rahalahiny no mpanapaka ny tany Itoria sy Trakonitisy, ary Lysania no mpanapaka tany Abilena, ary Anasy sy Kaiafa no mpisoronabe, — dia tonga tamin’i Jaona, zanak’i Zakaria, tany an-efitra ny tenin’Andriamanitra”.
Feno antsipiriany mitovy amin’izany ny Baiboly. Ambonin’izany, ny tapany aminy, toy ireo Filazantsara, dia nosoratana nandritra ny vanim-potoana nisian’ny fandrosoana be teo amin’ny kolontsaina jiosy, grika ary romana. Izany dia fotoana nisian’ny mpahay lalàna, ny mpanoratra, ny mpanapaka ary ny olona toy izany. Azo antoka àry fa, raha tsy niorina tamin’ny zava-nisy ireo antsipiriany hita tao amin’ny Filazantsara sy ny tapany hafa amin’ny Baiboly, dia niharihary ho fanambakana izy ireny. Ireo mpanoratra tantara ivelan’ny fivavahana anefa dia nanamarina ny hevitra toy ny fisian’i Jesosy Kristy. Nanoratra toy izao momba an’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy, ohatra, i Tacite, mpanoratra tantara romana: “I Kristy, izay niavian’ilay anarana [kristiana], dia nizaka ny sazy tampony nandritra ny fanjakan’i Tiberio tamin’ny iray amin’ireo solontenam-panjakantsika, dia i Pontio Pilato”. (Annals, boky faha-15, 44). Ny fahamarinana ara-tantaran’ny Baiboly dia manampy mba hanaporofoana fa fanomezan’Andriamanitra ho an’ny olombelona izy io.
Ilay porofo lehibe indrindra
Na dia manohana ny Baiboly aza ny arkeôlôjia, ny astrônômia, ny tantara ary ny endri-pahalalana hafa, dia tsy miorina amin’ny fanamarinana toy izany akory ny finoana azy io. Amin’ireo porofo maro be milaza fa fanomezan’Andriamanitra ara-tsindrimandry ho antsika ny Baiboly, dia tsy misy lehibe kokoa azo atolotra mihoatra noho ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao anatiny.
I Jehovah Andriamanitra no loharanon’ny faminaniana marina. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminaniny: “Ny amin’ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo”. (Isaia 42:9). Ambonin’izany, dia milaza ny Baiboly fa ireo mpanoratra azy dia nahazo tsindrimandry avy tamin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanahy masina, na hery miasa. Nanoratra toy izao, ohatra, i Paoly, apostoly kristiana: “Ny Soratra rehetra dia avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra”. (2 Timoty 3:16, NW). Nanoratra toy izao ny apostoly Petera: “Fa tsy nisy faminaniana avy tamin’ny sitrapon’ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin’Andriamanitra no nitenenan’ny olona araka izay nitondran’ny Fanahy Masina azy”. (2 Petera 1:20-21). Koa aoka àry isika hijery ny faminaniana ao amin’ny Baiboly.
Amin’ireo faminaniana an-jatony maro ao amin’ny Baiboly, dia ao ilay mikasika an’i Ninive, renivohitr’i Asyria, ilay “tanàna mpandatsa-dra” izay nampiditra tsikelikely ny fampihorohoroana nanerana ny Atsinanana Afovoany fahizay nandritra ny taonjato 15 mahery. (Nahoma 3:1). Na dia tamin’ny fotoana nahatratraran’i Ninive ny fara heriny aza, dia nilaza mialoha ny Baiboly hoe: “Hahalao an’i Ninive ho karankaina tahaka ny efitra Izy [Andriamanitra]. Ary hisy andiany handry ao aminy, dia fivorian’ny karazam-biby samy hafa, ny sama sy ny sokina hitoetra ao amin’ny kapitaliny; feo mikiririoka no ho re ao am-baravarankely, ary fandravana no ho eo an-tokonana, fa hendahany ny rafitra sedera”. (Zefania 2:13, 14). Amin’izao andro izao, ireo mpitsidika dia mahita fa antontan-tany sisa no manamarika ny toerana lao nisy an’i Ninive fahiny. Ankoatra izany, dia misy andian’ondry miraoka ahitra eo, araka ny nambara mialoha.
Tao anatin’ny fahitana, i Daniela, mpaminanin’Andriamanitra, dia nahatsinjo ondrilahy nanan-tandroka roa sy osilahy nanan-tandroka lehibe iray teo anelanelan’ny masony. Namely ilay ondrilahy hianjera ilay osilahy, ka nanapaka ny tandrony roa. Avy eo, dia tapaka ilay tandroka lehibe nananan’ilay osilahy, ary nipoitra teo amin’ny toerany ny tandroka efatra. (Daniela 8:1-8). Nanazava toy izao ny anjely Gabriela: “Ilay ondrilahy hitanao nanana tandroka roa dia ny mpanjakan’i Media sy Persia. Ary ny osilahy lava volo dia ny mpanjakan’i Grisia; ary ny tandroka lehibe teo anelanelan’ny masony dia ny mpanjaka voalohany. Ary ny amin’ilay efa tapaka, dia nisy efatra nitsangana nandimby azy, dia hisy fanjakana efatra hitsangana avy amin’ny jentilisa, nefa tsy mitovy hery aminy”. (Daniela 8:20-22). Araka ny noporofoin’ny tantara, ireo tandroka roan’ilay ondrilahy — ny Empira mediana sy persiana — dia naongan’ny “mpanjakan’i Grisia”. Ilay osilahy ara-panoharana dia nanana “tandroka lehibe” iray, dia ny tenan’i Aleksandra Lehibe. Taorian’ny nahafatesany, dia nisolo toerana io “tandroka lehibe” io ireo jeneraliny efa-dahy, tamin’ny fandraisan’izy ireo ny fahefana ho “fanjakana efatra”.
Faminaniana tsy tambo isaina ao amin’ny Soratra hebreo (“Testamenta Taloha”) no tanteraka nifandray tamin’i Jesosy Kristy. Ny sasany tamin’izany dia nampiharina taminy tamin’ny alalan’ireo mpanoratra ny Soratra grika kristiana (“Testamenta Vaovao”) izay nomen’Andriamanitra tsindrimandry. Nasongadin’i Matio, mpanoratra ny Filazantsara, ohatra, ny fahatanterahan’ireo faminaniana ao amin’ny Soratra masina tamin’ny nahaterahan’i Jesosy tamin’ny alalan’ny virijiny iray, ny nananany mpialoha lalana, ary ny fidirany tao Jerosalema nitaingina zana-boriky. (Ampitahao ny Matio 1:18-23; 3:1-3; 21:1-9 sy ny Isaia 7:14; 40:3; Zakaria 9:9.) Ny fahatanterahan’ny faminaniana toy izany dia manampy mba hanaporofoana fa ny Baiboly dia tena fanomezan’Andriamanitra ara-tsindrimandry.
Ny fahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly amin’izao andro izao dia manaporofo fa miaina amin’ny “andro farany” isika. (2 Timoty 3:1-5). Ny ady, ny tsy fahampian-tsakafo, ny areti-mifindra, ary ny horohorontany amin’ny halehibeny mbola tsy nisy toy izany dia tapany amin’ny “famantarana” ny ‘fanatrehan’i Jesosy’ ao amin’ny herin’ny Fanjakana. Izany famantarana izany dia mahafaoka koa ilay asa maneran-tany ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny efatra tapitrisa, izay mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana efa miorina. (Matio 24:3-14, NW; Lioka 21:10, 11). Ny faminaniana ao amin’ny Baiboly eo am-pahatanterahany amin’izao andro izao koa dia manome antoka antsika fa tsy ho ela ilay fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra tarihin’i Jesosy Kristy dia hitondra tontolo vaovao iray hisian’ny fahasambarana mandrakizay ho an’ny taranak’olombelona mankatò. — 2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:1-5.
Ilay tabilao miaraka amin’ity lahatsoratra ity, mitondra ny lohateny hoe: “Faminanian’ny Baiboly tanteraka”, dia tsy mampiseho afa-tsy vitsivitsy amin’ireo faminaniana an-jatony maro ao amin’ny Baiboly izay azo tanisaina. Voamarika ao amin’ny Soratra masina ihany ny fahatanterahan’ny sasany amin’izy ireny, fa tsara homarihina indrindra ireo faminaniana eo am-pahatanterahany amin’izao andro izao.
Azo inoana fa azonao atao ny mahita fisehoan-javatra maneran-tany sasany nambara mialoha tao amin’ny Baiboly. Nahoana anefa raha manao fanadihadiana fanampiny? Ho faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanome anao antsipiriany fanampiny raha mangataka izany ianao. Ary enga anie ny fikarohanao amim-pahatsorana ny fahalalana ny Avo Indrindra sy ny fikasany hampiaiky anao mafy fa fanomezan’Andriamanitra ara-tsindrimandry marina tokoa ny Baiboly.
[Tabilao, pejy 7]
FAMINANIAN’NY BAIBOLY TANTERAKA
FAMINANIANA FAHATANTERAHANY
Genesisy 49:10 Nahaforona ny fokon’ny Isiraely
niavian’ny mpanjaka ny Joda
Zefania 2:13, 14 Natao lao i Ninive tany amin’ny 632
al.f.i. tany ho any.
Jeremia 25:1-11; Nanomboka ny 70 taona
Isaia 39:6 fahafoanana ny fandresena an’i
Jerosalema (2 Tantara 36:17-21;
Isaia 13:1, 17-22; Nandresy an’i Babylona
Is 44:24-28; 45:1, 2 i Kyrosy; niverina tany amin’ny
taniny ny Jiosy (2 Tantara 36:20-23;
Daniela 8:3-8, 20-22 Naongan’i Aleksandra Lehibe ny
Mediana sy Persiana ary nizarazara
ny Empira grika
Isaia 7:14; Mika 5:1 Nateraky ny virijiny tany Betlehema
i Jesosy (Matio 1:18-23; 2:1-6)
Daniela 9:24-26 Fanosorana an’i Jesosy ho Mesia
(29 am.f.i.) (Lioka 3:1-3, 21-23)
Isaia 8:23; 9:1 Nanomboka tany Galilia ny fanompoana
nitondra fahazavana nataon’i Jesosy
Isaia 53:4, 5, 12 Fahafatesan’i Kristy ho
sorom-panavotana (Matio 20:28; 27:50)
Salamo 22:18 Nanaovana filokana ny fitafian’i Jesosy
Salamo 16:10; Nitsanganan’i Kristy tamin’ny
Matio 12:40 maty tamin’ny andro fahatelo
Lioka 19:41-44; Fandravan’ny Romana an’i
Lioka 21:20-24 Jerosalema (70 am.f.i.)
Lioka 21:10, 11; Ady, mosary, horohorontany,
Matio 24:3-13; areti-mandringana,
2 Timoty 3:1-5 tsy fankatoavan-dalànasy ny toy izany
mbola tsy nisy toy izany,
milaza ny “andro farany”
Matio 24:14; Fanambarana maneran-tany
Isaia 43:10; ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah
Salamo 2:1-9 fa miorina ny Fanjakan’Andriamanitra
ary handresy tsy ho ela an’ireo
mpanohitra rehetra
Matio 24:21-34; Fianakaviana iraisam-pirenen’ny
Apokalypsy 7:9-17 Vavolombelon’i Jehovah manompo
an’Andriamanitra ary miomana ny ho tafita
velona amin’ny “fahoriana lehibe”
[Sary, pejy 8]
Mampitondra faisana ny ady, ny mosary, ny areti-mifindra, ary ny horohorontany amin’izao andro izao. Manangasanga eny am-paravodilanitra anefa ny tontolo vaovao iray hisian’ny fiadanana sy fahasambarana.