-
GadareaninaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
GADAREANINA
(Gadareànina) [An’i Gadara].
Anaran’ny mponina tany amin’ny toerana iray nanasitranan’i Kristy Jesosy lehilahy roa nisy demonia. “Faritra nisy ny Gadareanina” no niantsoan’i Matio an’ilay toerana, fa i Marka sy Lioka kosa niantso azy io hoe “faritra nisy ny Gerasianina.” Izany no hita ao amin’ny sora-tanana azo antoka indrindra mbola misy hatramin’izao.—Mt 8:28; Mr 5:1; Lk 8:26.
Voalaza fa samy “teny ampita”, tany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, no nisy an’ireo faritra ireo. Ilay anarana hoe “faritra nisy ny Gadareanina” dia mety ho nilazana ny faritra nanodidina ny tanànan’i Gadara (Omm Keis ankehitriny), tokony ho 10 km any atsimoatsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Misy sarina sambo ny vola madinika tany Gadara. Asehon’izany fa mety ho tonga hatrany amin’ny Ranomasin’i Galilia ilay nantsoina hoe faritra nisy ny Gadareanina, ka mety ho tafiditra tamin’izany ny ampahany tamin’ny “faritra nisy ny Gerasianina”, tany atsinanan’ilay ranomasina. Misy manam-pahaizana miombon-kevitra amin’izany, ka milaza ny “faritra nisy ny Gerasianina” ho ilay faritra manodidina ny tanànan’i Kursi, any akaikin’ny morontsiraka atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, ary tokotokony ho 19 km any avaratr’i Gadara. Misy mihevitra anefa fa ny “faritra nisy ny Gerasianina”, dia mety ho ny faritra midadasika manodidina ny tanànan’i Gerasa (Jerash) tokony ho 55 km any atsimo atsimoatsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Milaza izy ireo fa tonga hatrany atsinanan’ilay farihy io faritra io, ka tafiditra tao anatiny ny “faritra nisy ny Gadareanina.” Na ahoana na ahoana, dia tsy mifanohitra amin’ny fitantaran’i Marka sy Lioka ny an’i Matio.
-
-
GerasianinaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
GERASIANINA
(Gerasiànina) [An’i Gerasa].
Mponina tao amin’ny faritra iray, izay azo inoana fa teo atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia ny ampahany taminy. Nanasitrana lehilahy roa nisy demonia i Jesosy Kristy, tao amin’ny “faritra nisy ny Gerasianina.” (Mr 5:1-20; Lk 8:26-39; ampit. Mt 8:28-34.) Tsy fantatra ankehitriny ny tena nisy an’io toerana io sy ny sisin-taniny. Misy manam-pahaizana mihevitra fa ny “faritra nisy ny Gerasianina” dia ny faritra manodidina an’i Kursi, eo amin’ny morony atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Misy kosa mihevitra azy io ho faritra iray lehibe manodidina ny tanànan’i Gerasa (Jerash).—Jereo GADAREANINA.
-