KISOA
[Gr.: kôirôs; hys (kisoavavy); heb.: hazir (kisoa; lambo)].
Biby mampinono ny kisoa (Sus domestica), ary mivaky kitro. Fohy ny tongony, matevina ny hodiny, matavitavy izy, ary feno volo henjana ny vatany. Petaka ny orony, ary fohy ny vozony sy ny rambony. Tsy biby mandinika ny kisoa ka tsy azo nohanina na natao sorona, araka ny Lalàn’i Mosesy.—Le 11:7; De 14:8.
Tsy voatery ho noho ny antony ara-pahasalamana no nandraran’i Jehovah ny fihinanana henan-kisoa. Mety tsy hahasalama anefa ny fihinanana azy io. Tsy mifidy hanin-kohanina mantsy ny kisoa, fa hatramin’ny fatim-biby sy taovan-kena aza haniny. Feno kankana sy viky isan-karazany àry ny henany, ka mety hitondra aretina na hahabe kankana.
Tena naharikoriko an’ireo Israelita ny kisoa. Tsy mahagaga àry raha nilaza i Jehovah fa ‘toy ny nanolotra ran-kisoa’ ireo mpivadi-pinoana ‘nanolotra fanomezana’ ho azy. (Is 66:3) Tsy tao an-tsain’ny Israelita mihitsy izany hoe hanisy kavina volamena teo amin’ny oron-kisoa izany. Oharin’ny Ohabolana 11:22 amin’izany anefa ny vehivavy tsara tarehy nefa tsy misaina.
Nihinana henan-kisoa ny Israelita nivadi-pinoana. (Is 65:4; 66:17) Milaza anefa ny boky tsy anisan’ny Baiboly (1 Makabeo 1:65; 2 Makabeo 6:18, 19; 7:1, 2, Kat.) fa na dia nandidy ny Jiosy hihinan-kisoa aza i Antiokosa Faha-4 Epifana, dia naleon’ny Jiosy maro maty toy izay hihinana. Mpanjaka syrianina nifehy an’i Palestina i Antiokosa, ary te hanafoana ny fivavahana tamin’i Jehovah. Naleon’ireo Jiosy ireo anefa nandika ny didin’ny mpanjaka toy izay handika ny lalàn’Andriamanitra.
Nisy firenen-kafa koa tsy nihinan-kisoa. Ny Grika kosa nankafy azy io. Nahazo vahana tany Palestina ny kolontsaina grika, tamin’i Jesosy Kristy nanompo teto an-tany. Mety ho izany àry no antony nampisy kisoa maro tany, indrindra fa tao Dekapolisy. Nisy kisoa 2000 teo ho eo, ohatra, ny andiany iray tao amin’ny faritra nisy ny Gadareanina. Nirifatra nankeny amin’ny hantsana daholo ireo kisoa ka nivarina tany an-dranomasina ary maty, rehefa navelan’i Jesosy hidiran’ireo demonia noroahiny.—Mt 8:28-32; Mr 5:11-13.
Demonia niditra tao amin’ireo kisoa. Tsy diso i Jesosy raha namela an’ireo demonia hiditra tao amin’ireo kisoa, satria misy zavatra sasany tsy resahin’ny Baiboly, toy ny hoe Jiosy sa tsia ny tompon’ireo kisoa. Raha Jiosy mantsy izy ireo, dia tena nandika ny Lalàna. Tsy voatery hamantatra mialoha koa i Jesosy hoe inona no hataon’ireo demonia rehefa tafiditra tao amin’ireo biby maloto. Mety ho nahafinaritra azy ireo koa ny nampijaly biby, matoa izy ireo te hiditra tao amin’ireo kisoa. Tsara hotadidina koa fa sarobidy noho ny andian-kisoa ny olona iray. (Mt 12:12) Solontenan’i Jehovah, Mpamorona sy Tompon’ny biby rehetra, koa i Jesosy, ka nanan-jo hamela an’ireo demonia hiditra tao amin’ireo kisoa. (Sl 50:10; Jn 7:29) Ny fidiran’ireo demonia tao amin’ireo kisoa no porofo tsy azo lavina fa nivoaka avy tao amin’ireo lehilahy izy ireo. Hita amin’izany fa mijaly izay idiran’ny demonia. Hita koa fa mahery noho ny demonia i Jesosy, ary ny demonia kosa mahery noho ny olona sy ny biby. Mazava àry hoe nahoana i Jesosy no namela an’ireo fanahy maloto hiditra tao amin’ireo kisoa.
Fanoharana. Nolazain’i Jesosy tao amin’ny fanoharana iray fa tsy hain’ny kisoa hoe sarobidy ny perla. Te hilaza izy hoe misy olona tsy mankasitraka ny fahamarinana ka tsy tokony hitoriana na hampianarina. (Mt 7:6) Nilaza fanoharana ny amin’ilay zanaka adala koa i Jesosy. Lasa nahantra be ilay zazalahy, ka nanaiky hiandry kisoa (asa faran’izay ambany izany tamin’ny Jiosy), ary satriny koa aza hihinana hanin-kisoa.—Lk 15:15, 16.
Misy Kristianina miverina amin’ny zava-dratsy nataony taloha, ka noharin’ny apostoly Petera tamin’ny kisoavavy efa nisasa nefa mihosim-potaka indray. (2Pe 2:22) Fanaon’ny kisoa mantsy ny mandoto ny tenany. Tsy ny kisoa akory no biby faran’izay maloto, fa tiany kosa indraindray ny mihosim-potaka mba hampangatsiatsiaka ny vatany rehefa mafana be ny andro, sy mba hanesorana an’ireo bibikely mipetaka amin’ny hodiny.