Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Fiverenana tany Galilia
TAORIAN’NY roa taona nanaovana asa mafy tamin’ny fitoriana, moa ve Jesosy tsy hampiadana ny asany mba hakana aina kely? Mifanohitra amin’izany kosa fa vao mainka aza nampitomboiny izany tamin’ny fanaovana dia indray, ny fahatelo izay hataony any Galilia. Nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra tao amin’ny faritany izy, nampianatra tao amin’ny synagoga, ary nitory ny filazantsaran’ny Fanjakana. Izay hitany nandritra ny diany dia nampiaiky azy tsy nisy toy izany ny amin’ny ilàna hampitomboana ny zotom-po amin’ny fitoriana.
Na taiza na taiza nandalovany, Jesosy dia nahatsapa fa mila fanasitranana sy fampiononana ara-panahy ny vahoaka. Toy ny ondry tsy misy mpiandry, nampahantraina sy nafoy izy ireny, ary onena azy izy. Hoy izy tamin’ireo mpianany: “Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy, koa amin’izany mangataha amin’ny Tompon’ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.”
Manana fandaharana narahina i Jesosy tamin’ny asa. Novoriany ireo apostoly roa ambin’ny folo izay nofidiny efa ho herintaona izao. Nozarazarainy ho andiany enina misy mpitory roa avy izy ireo ary nomeny izao baiko izao: “Aza mandeha any amin’ny làlan’ny jentilisa, ary aza miakatra amin’izay tanànan’ny Samaritana fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’Isiraely. Ary raha mandeha hianareo dia mitoria hoe: ‘Efa mby akaiky ny fanjakan’ny lanitra.’ ”
Io Fanjakana izay tokony hambaran’izy ireo io dia ilay nianaran’izy ireo nangatahina araka ilay vavaka fakan-tahaka nomen’i Jesosy azy ireo. Efa akaiky ilay Fanjakana tamin’ny heviny hoe Jesosy Kristy, ilay Mpanjaka voafidin’Andriamanitra, dia teto an-tany. Mba hanomezana antoka fa ireo mpianany dia tena solontenan’io fitondram-panjakana ambony noho ny an’ny olombelona io tokoa, Jesosy dia nanome azy ireo fahefana hanasitrana ny marary, ary hanangana ny maty mihitsy aza. Nandidy azy ireo izy mba hanao izany maimaimpoana.
Avy eo dia nilaza tamin’ireo mpianany izy mba tsy hanomana entana ho amin’ny dia hataon’izy ireo amin’ny asa fitoriana ny filazantsara. “Aza mitady volamena, na volafotsy na varahina, ho ao anatin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy ho amin’izay haleha, na akanjo roa, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika hahazo ny haniny!” Ireo izay mora tohina amin’ny hafatra izay entin’izy ireo dia ho voatosika hanao zavatra ary hanome azy ireo ny sakafo sy ny trano. Jesosy tokoa dia niteny hoe: “Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay mendrika ao, ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo.”
Avy eo Jesosy dia nanoro hevitra an’ireo mpianany ny amin’ny fomba fampisehoana ny hafatra momba ilay Fanjakana amin’ireo olona ao an-trano. “Ary raha vao miditra ao amin’ny trano hianareo dia miarahabà ny ao; koa raha miendrika ny ao an-trano dia aoka ho aminy ny fiadanana tononinareo, fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin’izany trano na tanàna izany hianareo, dia ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.”
Nilaza toy izao Jesosy ny amin’ny tanàna iray izay nanda ny hafatra: “Ho moramora kokoa ny ho amin’ny tany Sodoma sy Gomora amin’ny andro fitsarana noho ny ho amin’izany tanàna izany.” Izany dia mampiseho fa tsy marina vitsivitsy izay hitorian’ireo mpianany, fara fahakeliny, no ho eo amin’ny Andro Fitsarana. Rehefa hatsangana ny mponina ao amin’io tanàna io amin’ny Andro Fitsarana, dia mbola ho mafimafy kokoa ho azy ireo anefa ny hanetry tena sy hanaiky an’i Kristy ho Mpanjaka, tsy toy ireo hitsangana amin’ny maty izay niaina fahiny tao amin’ireo tanàna ratsin’i Sodoma sy Gomora. Matio 9:35 ka hatramin’ny 10:15; Marka 6:6-12; Lioka 9:1-5.
◆ Oviana Jesosy no nanomboka ny diany fahatelo tany Galilia, ary fiaikena mafy inona no azony?
◆ Toromarika inona avy no nomeny an’ireo apostoliny roa ambin’ny folo talohan’ny nanirahany azy hitory?
◆ Nahoana no nety ny nampianaran’ireo mpianatra fa efa akaiky ny Fanjakana?
◆ Amin’ny heviny ahoana no ho moramora kokoa ho an’ny tany Sodoma sy Gomora ny Andro Fitsarana noho ny ho an’ireo izay nanda ny mpianatr’i Jesosy?