Vatosoan’ny Filazantsaran’i Marka
NANOME tsindrimandry an’i Marka ny fanahin’i Jehovah mba hanoratany fitantarana velona ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany. Na dia tsy voalaza mazava ao amin’io Filazantsara io aza fa i Marka no nanoratra azy, dia manaporofo izany daholo ry Papias, Justin, Origène, Eusèbe, Jérôme mbamin’ny mpanoratra hafa tao anatin’ireo taonjato efatra voalohany amin’ny fanisan-taona iraisana.
Araka ny lovantsofina, dia ny apostoly Petera no nanome ireo fanazavana lehibe indrindra voarakitra ao amin’io Filazantsara io. Nilaza i Origène, ohatra, fa “araka ny nanoroan’i Petera azy” no nanoratan’i Marka izany. Toa nanana loharanom-pahazavana hafa koa anefa i Marka, satria nivory tao an-tranon-dreniny ireo mpianatra. Koa satria azo inoana fa izy ilay “zatovo” nandositra an’ireo nisambotra an’i Jesosy, dia angamba niaraka tamin’i Kristy ny tenan’i Marka. — Marka 14:51, 52; Asan’ny apostoly 12:12.
Nosoratana ho an’iza?
Toa tamin’ny fieritreretana indrindra an’ireo mpamaky jentilisa no nanoratan’i Marka ny Filazantsarany. Araka ny nitiavan’ny Romana azy ny fomba fanorany hentitra tsara. Nilazalaza ny hoe “korbana” ho “fanatitra ho an’Andriamanitra” izy (7:11), ary nilaza mazava fa tazana avy eny an-tendrombohitra Oliva ny tempoly (13:3). Nohazavain’i Marka koa fa “nifady hanina” ny Fariseo ary nilaza ny Sadoseo “fa tsy misy fitsanganan’ny maty”. (2:18; 12:18.) Ho be loatra izany fanazavana izany raha natao ho an’ny mpamaky jiosy.
Mazava ho azy fa afaka mandray soa amin’ny famakiana ny Filazantsaran’i Marka ny olona rehetra. Inona avy anefa no filazana hentitra mety hanampy antsika hankamamy ny sasany amin’ireo vatosoany?
Nanao fahagagana ny Zanak’Andriamanitra
Nitantara fahagagana nataon’i Kristy noho ny herin’Andriamanitra i Marka. Indray andro, ohatra, dia maro aoka izany ny olona tao amin’ny trano nisy an’i Jesosy hany ka, mba hitondrana ho eo aminy ny malemy iray nantenaina hositraniny, dia nilaina ny nampidinana azy io avy eo amin’ny lavaka natao tao an-tampon-trano (2:4). Koa satria feno hipoka ilay trano, dia angamba tamin’ny alalan’ny tohatra na ny tohatohabato ivelany no nampakarana an’io lehilahy io teny an-tafontrano. Fa nahoana no nasiana lavaka ny tafontrano? Tamin’izany fotoana izany dia fisaka ny ankamaroan’ny tafontrano ary nipetaka teo amin’ny sakamandimby nampitohy rindrina roa. Napetaka nanapaka ireny sakamandimby ireny ny hazo nosaronana rantsankazo, bararata na fitaovana hafa sahala amin’izany. Nasiana feta matevina teo ambonin’izany, nolalorina tanimanga nafangaro tamin’ny sokay indraindray. Mba hitondrana ilay malemy ho eo amin’i Jesosy àry dia tsy maintsy nandavaka tao amin’ny tafontrano tany ireo lehilahy. Fa inona no soa azon’ilay nalemy taorian’io asa io! Nositranin’i Kristy izy ary nidera an’Andriamanitra izay rehetra teo (2:1-12). Manome antoka antsika io fisehoan-javatra io fa hanatanteraka fanasitranana mahagaga ny Zanak’i Jehovah ao amin’izao tontolo izao vaovao.
Teny an-tsambokely no nanaovan’i Jesosy ny anankiray tamin’ireo fahagagana nataony: nampitony tafio-drivotra teo amin’ny ranomasin’i Galilia izy rehefa nofohazin’ny mpianany tamin’ny torimasony teo ambonin’ny “ondana”. (4:35-41.) Toa tsy nalemilemy tahaka izay atoriantsika amin’izao andro izao ilay ondana resahina. Angamba izany hoditr’ondry nipetrahan’ny mpivoy fotsiny, na ondana fipetrahana teo amin’ny faran’ny sambo. Na manao ahoana na manao ahoana, rehefa nilaza tamin’ny ranomasina i Jesosy hoe: “Mangina, mitsahara”, dia nahita ny finoana niasa ireo nanatrika teo satria “nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro”.
Ny fanompoan’i Jesosy tany Dekapolisy
Rehefa avy nita ny ranomasin’i Galilia i Jesosy dia niditra tao Dekapolisy, na faritry ny tanàna folo. Na dia nisy mponina jiosy maro aza tao amin’ireo tanàna ireo, dia toerana avon’ny kolontsaina grika na helenistika izy ireo. Tany, tao amin’ny tanin’ny Geraseniana, no nanafahan’i Jesosy lehilahy iray “nitoetra teny amin’ny fasana” tamin’ny demonia nahazo azy. — 5:1-20.
Indraindray ireo fasana nolavahina tao anaty vatolampy dia nampiasaina ho zohin’ny adala, fieren’ny mpanao heloka bevava na fonenan’ny mahantra (jereo Isaia 22:16; 65:2-4). Araka ny soratra tamin’ny taonjato faha-19, ny lehilahy iray nitsidika ny faritra nihaonan’i Jesosy tamin’io olona azon’ny demonia io dia nilazalaza toy izao ny fonenana iray karazan’izany: “2 metatra sy sasany teo ho eo ny haavon’ny fasana tao anatiny, satria avy eo amin’ny tokonam-baravarany vato, dia nilaina ny hidinana tamin’ny tohatohatra lava mba hahatongavana teo amin’ny tany. Roa ambin’ny folo metatra tora-droa teo ho eo ilay fasana; nefa noho ny hazavana tsy niditra tao afa-tsy tamin’ny varavarambe, dia tsy afaka nahita izahay raha nisy efitrano anatiny toy ny ao amin’ny fasana hafa sasany tao. Mbola hita tao ny vata vato iray tsy nisy fahasimbana nampiasain’ny fianakaviana mba hametrahana voamadinika fihinana sy vatsy hafa. Araka izany, io toeram-pandevenana nalaina an-keriny io dia tonga fialofana azo antoka, mangatsiatsiaka sy mety amin’ny velona.”
Jesosy sy ny lovantsofina
Indray andro ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna sasany dia nahita hokianina tamin’ny hoe nihinan-kanina tsy nisasa tanana ireo mpianatr’i Jesosy. Ho an’ireo mpamaky jentilisa, dia nohazavain’i Marka fa ny Fariseo mbamin’ny Jiosy hafa dia ‘tsy nihinana raha tsy rehefa avy nanasa tanana hatreny amin’ny kiho’. Rehefa avy any an-tsena izy ireny, dia tsy nihinan-kanina raha tsy rehefa avy nanadio tena tamin’ny rano nafafy, ary tafiditra tao amin’ny lovantsofiny ny batisan’ny kapoaka sy ny siny ary ny fanaka varahina”. — 7:1-4, MN.
Ambonin’ny famafazan-tena tamim-pitompoan-teny fantatra alohan’ny hihinanana, ireny jiosy ireny dia nanao batisa na nandroboka tao anaty rano ny kapoaka sy ny siny ary fanaka varahina nampiasainy tamin’ny sakafo. Nasehon’ny mpandinika Baiboly iray atao hoe John Lightfoot ny fifikiran’izy ireo aoka izany tamin’ny lovantsofina. Naka teny avy ao amin’ny soratr’ireo raby izy ka nilaza mazava fa notandremany mafy ny andinindinin-javatra toy ny fatran’ny rano, ny fomba sy ny fotoana tsy maintsy nolanina mba hisasana. Notononin’i Lightfoot ny loharanom-panazavana iray ilazana fa nisasa tamim-pitandremana ny jiosy sasany talohan’ny fisakafoana mba tsy hasian’i Shibta, “fanahy ratsy mipetraka eo amin’ny tanan’ny olona mandritra ny alina: ary raha misy mikasika ny sakafo tsy nanasa tanana, dia mipetraka eo amin’io sakafo io izany fanahy izany, ka mety hahitan-doza.” Tsy mahagaga mihitsy raha nanameloka ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesosy noho izy ireo ‘nahafoy ny didin’Andriamanitra ka nitana ny fanaon’ny olona’! — 7:5-8.
Ny faran’ny fanompoan’i Jesosy ampahibemaso
Rehefa avy nitantara ny faran’ny fanompoan’i Jesosy tany Galilia sy ny asany tany Pere i Marka dia niato teo amin’ny fisehoan-javatra nitranga tany Jerosalema sy teo amin’ny manodidina. Nilaza izy, ohatra, fa indray mandeha dia nandinika ny olona nandatsaka vola tao amin’ny vatan-drakitry ny tempoly i Kristy. Hitany ny vehivavy mpitondratena nahantra iray nandatsaka ‘farantsa roa ambany vidy’. Nanambara anefa izy fa nanome nihoatra noho ny hafa rehetra izy io, satria ireo nanome ny ambinambin’ny nananany, fa ‘tamin’ny alahelony kosa no nandatsahan-dravehivavy tao izay rehetra nananany’. (12:41-44.) Araka ny soratra grika, dia nandatsaka “lepta” roa io vehivavy mpitondratena io. Ny “lepton” no volamadinika jiosy kely indrindra vita tamin’ny varahina na halimo, saika tsy misy vidiny mihitsy ankehitriny. Nanao izay azony natao anefa io vehivavy nahantra io, ka nanome oha-pahafoizan-tena tamin’ny fanohanana ny fanompoam-pivavahana marina. — 2 Korintiana 9:6, 7.
Rehefa nadiva hifarana ny fanompoan’i Jesosy, dia nanadina azy i Pontio Pilato izay ny anarany sy ny anaram-boninahitra hoe “préfet” dia teo amin’ny soratra hita tany Kaisaria tamin’ny 1961. Tany amin’ireo provansa lavitra toa an’i Jodia, ny governora (na préfet) dia nitarika ny tafika, tompon’andraikitra tamin’ny fitantanana ny vola, ary nanao ny raharahan’ny mpitsara. Afaka nandidy ny handefasana an’i Kristy àry i Pilato, kanefa resin’ireo fahavalon’i Jesosy izy ary nitady izay hahafa-po ny vahoaka tamin’ny fanolorana azy mba hohomboana tamin’ny hazo fijaliana, sy tamin’ny fandefasana an’i Barabasy, mpamono olona, meloka ho nikomy. — 15:1-15.
Misy lovantsofina samihafa mahakasika ny fiainan’i Pilato tatỳ aoriana sy ny nahafatesany. Izao, ohatra, no nosoratan’i Eusèbe, mpanoratra tantara: “Ny tenan’i Pilato koa izay velona tamin’ny andron’ny Mpamonjy, dia tafalatsaka tao amin’ny fahoriana lehibe toy izany (. . .) hany ka nanjary nilainy ny ho mpamono ny tenany, mpanapitra ny ain’ny tenany: toa tsy nitsimbina ela azy ny fahamarinan’Andriamanitra.” Nefa na toy izany no izy na tsia, dia ny fahafatesan’i Jesosy no zava-dehibe indrindra. Ilay manamboninahitra romana (mpifehy miaramila zato) nahita maso ny fahafatesan’i Kristy sy ireo fisehoan-javatra hafa dia hafa niaraka tamin’izany dia nilaza ny marina rehefa nanambara hoe: “Marina tokoa fa Zanak’Andriamanitra io Lehilahy io.” — 15:33-39.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 30]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Atsinanana.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 31]
Birao israelian’ny Andron’ny ntaolo sy ny fitahirizana ny rakitry ny ela; sarin’ny fitahirizana ny rakiry ny ela any Isiraely, Jerosalema