Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Inona no mandoto ny olona?
NIHAMAFY ny fanoherana nihatra tamin’i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe nandao azy ny maro be tamin’ny mpianany, fa, tany Jodia, dia nisy Jiosy nitady hamono azy, toy ny rehefa tany Jerosalema izy nandritra ny Paska taona 31.
Paska taona 32 izao. Azo inoana fa nifanaraka tamin’ny baikon’Andriamanitra, dia nankany Jerosalema i Jesosy mba hankalaza izany. Niseho ho malina tokoa anefa izy, satria notandindomin-doza ny fiainany. Taty aoriana, dia niverina nankany Galilia izy.
Angamba tany Kapernaomy Jesosy rehefa nisy Fariseo sy mpanora-dalàna avy any Jerosalema tonga nanatona azy. Nitady antony hiampangana azy ho nivadika ara-pivavahana izy ireo. “Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? hoy ny fanontanian’izy ireo, fa tsy mba manasa tànana izy, raha hihinan-kanina.” Tsy fepetra notakin’Andriamanitra izany, nefa teo imason’ireo Fariseo dia fahotana lehibe ny tsy fitandremana ny fombafomba natao hanasan-tanana hatreny amin’ny kiho alohan’ny hihinanana.
Tsy namaly ny fiampangan’izy ireo i Jesosy fa nanao izay hanamarihany fa nandika an-tsitrapo ny lalàn’Andriamanitra izy ireo. Izao no nambarany: “Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? Fa Andriamanitra efa nanao hoe: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’, ary koa: ‘Izay miteny ratsy ny rainy ny reniny dia hatao maty tokoa’. Fa hoy kosa hianareo: Na zovy na zovy no hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: ‘Efa fanatitra ho an’Andriamanitra izay rehetra tokony hahazoanao soa avy amiko,’ dia tsy mba hanaja ny rainy akory izy.”
Marina tokoa fa nampianatra ireo Fariseo hoe ny vola, ny fananana na ny zavatra hafa rehetra natokana ho fanomezana ho an’Andriamanitra dia an’ny tempoly, ka tsy azo ampiasaina amin’ny antony hafa. Ny fanomezana voatokana toy izany anefa dia mbola fananan’izay nanokana azy ihany. Amin’izany ny zanaka iray dia afaka miala tsy manatontosa ny andraikiny hanampy ireo ray aman-dreniny be taona, izay angamba ao anatin’ny tarehin-javatra mampamoifo, amin’ny fanambarana fotsiny fa ny volany na ny fananany dia “korbana”, izany hoe fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra na ny tempoly.
Tezitra ara-drariny noho ny fomba ratsy nanolanan’ireo Fariseo ny lalàn’Andriamanitra i Jesosy ka nilaza tamin’izy ireo hoe: “Koa foananareo ny tenin’Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’Isaia anareo hoe: ‘Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan’ireo amiko, raha mampianatra ny didin’olombelona ho fampianarana izy.’ ”
Angamba nihataka ny vahoaka mba hamelana ny Fariseo hanontany an’i Jesosy. Rehefa tsy fantatr’ireo izao izay havaly ny fananarana mafy vao nolazainy tamin’izy ireo, dia nanasa ny vahoaka hanatona azy i Jesosy. “Mihainoa, hoy izy, ka mahafantara: tsy izay miditra amin’ny vava no mahaloto ny olona; fa izay mivoaka avy amin’ny vava, izany no mahaloto ny olona.”
Taty aoriana, rehefa niditra tao amin’ny trano iray izy ireo, dia nanontany azy toy izao ireo mpianany: “Fantatrao va fa tafintohina ny Fariseo, raha nandre izany teny izany?”
“Ny zavatra rehetra izay tsy nambolen’ny Raiko Izay any an-danitra dia hongotana. Avelao izy; mpitarika jamba izy; ary raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy roa.”
Toa gaga i Jesosy rehefa nangataka taminy tamin’ny anaran’ireo mpianatra, fanazavana ny amin’izay mandoto ny olona i Petera. “Hianareo koa va mbola tsy mahafantatra ihany? hoy ny navaliny. Tsy fantatrareo va fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia mankao an-kibo ka avoaka amin’ny fivoahana? Fa izay mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ka izany no mahaloto ny olona. Fa avy amin’ny fo no ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny vonoan-olona, ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny halatra, ny ampanga lainga, ny fitenenan-dratsy; izany no mahaloto ny olona; fa ny mihinana amin’ny tànana tsy misasa tsy mba mahaloto ny olona.”
Tamin’ireo teny ireo, dia tsy nisakana tsy hanaraka fitandremam-pahasalamana ara-dalàna akory i Jesosy. Tsy te-hilaza akory izy hoe tsy ilaina ny manasa tanana alohan’ny hanomanana na hihinanana sakafo. Tsia; nomelohiny kosa ny fihatsarambelatsihin’ireo mpitondra ara-pivavahana izay nanandrana namadika ireo lalàna marin’Andriamanitra tamin’ny fanantitranterana ny amin’ireo lovantsofina tsy niorina tamin’ny Soratra Masina. Ny fanaovan-javatra ratsy no mandoto ny olona, ary nolazain’i Jesosy fa avy amin’ny fo izany. Jaona 7:1; Deoteronomia 16:16; Matio 15:1-20; Marka 7:1-23; Eksodosy 20:12; 21:17; Isaia 29:13.
◆ Inona moa no fanoherana nihatra tamin’i Jesosy izao?
◆ Ny amin’inona moa no niampangan’ny Fariseo an’i Jesosy, nefa araka ny filazany, ahoana no nandikan’ireo an-tsitrapo ny lalàn’Andriamanitra?
◆ Araka ny filazan’i Jesosy, inona avy moa no zavatra mandoto ny olona?