Ny fanoloran-tena sy ny batisa dia hahazoana fihavanana amin’Andriamanitra
“Ary hoy Jehovah taminy (...) izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina”. — EZEKIELA 9:4, 6.
1, 2. a) Nahoana ny olombelona amin’ny fitambarany no tsy mihavana amin’Andriamanitra? b) Nahoana no iankinan’ny aina ny hahitan’ny rehetra fihavanana amin’Andriamanitra?
NAHOANA no mitady fihavanana amin’Andriamanitra? Vitsy dia vitsy ny olona mihevitra fa miady amin’ny Mpamorona. Kanefa, moa ve mety ho fahavalon’Andriamanitra tokoa ny tena nefa tsy mahatsapa izany? Izao no nohazavain’ny apostoly Paoly tamin’ireo kristiana tamin’ny taonjato I: “Teo amin’ireo no nitondrantsika rehetra tena koa fahiny tamin’ny filan’ny nofontsika, ka nanaovantsika ny danin’ny nofo sy ny saina, ary araka ny toetsika dia zanaky ny fahatezerana toy ny sasany koa isika”. — Efesiana 2:3.
2 Tahaka izany, amin’izao andro izao koa ny tenanao dia mety haniry hahazo sitraka amin’Andriamanitra, nefa misy vokany eo amin’ny fomba fahitanao ny fiainana ny fahotana nolovana avy tamin’i Adama ka mety hanosika anao hikatsaka ‘izay danin’ny nofo’. Na dia mianatra Baiboly miaraka amin’ireo Vavolombelon’i Jehovah aza ianao na Vavolombelona mihitsy ny ray aman-dreninao, dia angamba manapaka tapany lehibe amin’ny fiainanao ny toe-tsaina tsy mihevitra afa-tsy ny tena ihany sy tsy tia fiankinana, ka mampanalavitra anao an’Andriamanitra. Ny olona iray izay mikiry amin’izany lalana izany dia ‘hihantsy fahatezerana ho an’ny tenany’ (Romana 2:5; Kolosiana 1:21; 3:5-8). Tsy ho ela Andriamanitra dia hamoaka ny fahatezerany rehetra “amin’ny andro fahatezerana sy fampisehoana ny fitsarana marin’Andriamanitra”. (Romana 1:28 ka hatramin’ny 2:6). Inona moa no mety hahazoanao fihavanana amin’Andriamanitra ka hahafahanao ho tafita velona amin’io “andro fahatezerana” io?
Ny fototry ny fiadanana
3. Ahoana no nanomezan’Andriamanitra ny fototry ny fampihavanana?
3 Jehovah dia nitari-javatra mba hanampiana antsika: “Ny nitiavany antsika, ka nirahiny ny Zanany ho avotra noho ny fahotantsika” (I Jaona 4:10). Nanao fanavotana ny fahafatesan’i Jesosy ho sorona, na raha lazaina amin’ny teny hafa, dia mampitony — na mahafa-po — ny fahamarinan’i Jehovah. Izany dia manome fototra ara-dalàna mba hamelana ny fahotana sy mba hanafoanana tanteraka ny fandrafiana misy eo amin’Andriamanitra sy ny olona indray andro any. Eny, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly tokoa, dia azontsika atao ny ‘mihavana amin’Andriamanitra amin’ny nahafatesan’ny Zanany’. — Romana 5:8-10.
4. Nahazo fahitana mifandray amin’ny foto-kevitsika Ezekiela. Inona moa izany, ary nahoana no zava-dehibe ho antsika izany?
4 Kanefa dia misy dingana sasany tokony hataontsika raha maniry handray soa avy amin’ny soron’i Kristy isika. Izany no tondroin’ny fahitana mahery nomena an’i Ezekiela mpaminany, fahitana izay tanteraka amin’izao androntsika izao, raha mbola manakaiky ny “andro fahatezeran’Andriamanitra”. Ireo tafika voatendry hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra dia aseho ao, amin’ny alalan’ny lehilahy enina mitondra fiadiana. Alohan’ny hampiharan’ireo lehilahy ireo ny famalian’Andriamanitra, Jehovah dia nilaza izao tamin’ny lehilahy iray fahafito mitondra fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra: “ ‘Mandehana mamaky ny tanàna, (...) ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao aminy’. Ary reko izy nanao tamin’ny sasany (ireo lehilahy enina nitondra fiadiana) hoe: ‘Mandehana manaraka azy hianareo hamaky ny tanàna, ka mameleza. (...) Fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina’ ”. — Ezekiela 9:1-6.
5. Inona no mitarika ho amin’ny fibebahana?
5 Ireo izay mandray izany “marika” fiarovana izany dia tezitra noho ny fahitany ireo olona mihambo ho manompo ilay Andriamanitra marina na ‘nameno fampahoriana (...) ny tany’, ary nanao fahalotoana eo amin’ny momba ny lahy sy vavy, fanompoan-tsampy sy karazan-javatra ratsy rehetra (Ezekiela 8:5-18; Jeremia 7:9). Dia toy izany koa amin’izao andro izao, ireo izay maniry hahazo ny “marika” dia tokony hianatra hankasitraka ireo fotopoto-pitsipika avy amin’Andriamanitra aloha amin’ny alalan’ny fianarana ny Baiboly ary tokony halahelo ao am-pony, eny ‘hisento sy hitaraina’ noho ireo fampianarana sy fanao manala baraka an’Andriamanitra. Angamba noho ny tsy fahalalana dia nanao ny ratsy ny sasany na nankasitraka izany tamin’ny fanohanana ireo izay nanao izany. Ankehitriny anefa dia manomboka mihevitra ireny asa nataony ireny araka ny fomba fihevitr’Andriamanitra azy izy ireo, izany hoe toy ny zavatra maharikoriko (Romana 1:24-32; Isaia 2:4; Apokalypsy 18:4; Jaona 15:19). Arakaraka ny hahatsapana an’izany zavatra izany no hanatonana bebe kokoa ny iray amin’ireo dingana voalohany tokony hatao mba hahazoana soa avy amin’ny fihavanana amin’Andriamanitra: ny fibebahana. Manao izao teny famporisihana izao ny apostoly Petera: “Koa mibebaha hianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo, mba ho avy izay andro famelombelomana [fa tsy fahatezerana] avy amin’ny fanatrehan’ny Tompo [Jehovah, MN ].” (Asan’ny apostoly 3:19) Mamelombelona tokoa izany raha famelana!
Ahoana no andraisana ny “marika”?
6. Noho ny antony inona no nandraisan’ny olona sasany marika fahizay?
6 Mba handosirana ny fahatezeran’Andriamanitra, ireo izay “misento sy mitaraina” dia tokony ho efa nandray ny marika teo amin’ny handrina (Ezekiela 9:4). Fahizay, dia nandray marika teo amin’ny handrina matetika ny andevo, mba hahalalana izay tompony. Ireo marika mampiavaka teo amin’ny handrina na teo amin’ny faritra hafa amin’ny tena dia manondro koa fa ny olona toy izao dia nivavaka tamin’ny andriamanitra iraya. (Jereo Isaia 44:5). Inona àry amin’izao androntsika izao ny marika mampiavaka sy mahavonjy hahafantarana ny mpivavaka marina sady mpanompon’i Jehovah?
7. Inona no mahaforona ilay marika ara-panoharana?
7 Ny marika ara-panoharana dia porofo, toy ny hoe hita marina eo amin’ny handrinao: 1) fa mpianatr’i Jesosy Kristy nanolo-tena ho an’Andriamanitra sy vita batisa ianao; 2) fa nitafy ny toetra vaovaon’ny kristiana ianao (Efesiana 4:20-24). Koa satria ireo izay mandray an’io “marika” io dia tokony hanolo-tena ho an’Andriamanitra aloha, dia mety ny hahalalany izay idirany. Manome antsika izao fanazavana manaraka izao Jesosy: “Raha misy ta-hanaraka ahy, dia aoka izy handa ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka ahy”. — Marka 8:34.
8, 9. a) Inona no hevitry ny teny hoe ‘mandà tena’? b) Amin’ny ohatra inona no azo ampisehoana izay takina amin’ny fanoloran-tena?
8 Ny teny grika nadika hoe “mandà” dia midika hoe “mandà tanteraka” na “mamoy”. Noho izany, ny hoe ‘mandà tena’ dia milaza mihoatra noho ny hoe fandavana fahafinaretana iray na fahalemena iray ho an’ny tena indraindray. Izany dia midika fa vonona hilaza hoe tsia amin’ny tena, tsy manaiky hotapahan’ny fanirian-daza sy ny faniriana manokana ny fiainan’ny tena. Ireo fandikana an’io matoanteny nampiasain’i Jesosy io amin’ny fiteny hafa, dia manampy antsika hanombana ny heviny. ‘Mitsahatra tsy manatanteraka ny fanirian’ny fon’ny tena manokana’ (tzeltal, Mexique), ‘tsy tompon’ny tena intsony’ (k’anjobal, Guatemala), ‘tsy mijery ny tena’ (javanais, Indonésie). Eny, ny hoe mandà tena dia mila fanolorana ny tena manontolo, fa tsy fanekena hanao zavatra vitsivitsy sasany fotsiny.
9 Suzanne, vehivavy kristiana izay tena nahaleo tena taloha, dia milaza amintsika izay nasehon’ny fanoloran-tena ho azy: “Nanolotra ny tenako manontolo ho an’olon-kafa iray aho. Ankehitriny dia Jehovah no manapaka ny amin’ny fomba fanaovako zavatra, milaza amiko izay tokony hataoko sy mametra ireo zavatra tokony hataoko voalohany.” Moa ve ianao, vonona hanolo-tena tanteraka ho an’i Jehovah Andriamanitra, tahaka an’io kristiana io? Tadidio fa ilay marika ara-panoharana dia ahafahana mamantatra anao ho toy ny olona iray “an’Andriamanitra, izay andevo sambatry ny Tompony”. — Jereo Eksodosy 21:5, 6; Romana 14:8.
10. Inona avy ireo fanontaniana tokony hodinihina alohan’ny hanoloran-tena ho an’i Jehovah?
10 “Iza moa aminareo, raha ta-hanao tilikambo, no tsy mipetraka aloha mihevitra izay ho lany hanaovany izany, na misy hahavitany azy, na tsia?” hoy ny fanontanian’i Jesosy (Lioka 14:28). Noho izany, moa ve ianao maniry hanatrika tsy tapaka ireo fivoriana kristiana (Hebreo 10:25)? hiaro ireo fitsipika ambony ara-pitondrantena noferan’Andriamanitra ho an’ny mpanompony (I Tesaloniana 4:3, 4, 7)? handray anjara amin’ny fitoriana ilay Fanjakana araka izay rehetra amelan’ny fahafahanao anao? hametraka an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany rehefa mifidy asa iray na hametra zava-kendrena eo amin’ny fiainana ianao (Matio 6:33; Mpitoriteny 12:1)? hanatanteraka ny adidinao eo amin’ny faritry ny fianakavianao (Efesiana 5:22 ka hatramin’ny 6:4; I Timoty 5:8)? Rehefa avy nanolo-tena ho an’i Jehovah tao amin’ny vavaka ianao, ny dingana manaraka tokony hatao, dia ny fampahafantarana izany amin’ny fomba ofisialy.
Ny batisa: ho an’iza?
11. Inona no asehon’ny batisa, ary inona no tanterahina amin’ny fanekena hatao batisa?
11 Jesosy dia nandidy ny hanaovana batisa ny mpianany (Matio 28:19, 20). Tokony haroboka tanteraka tao anaty rano izy ireny, ary avy eo dia navoaka tao. Toy ny fandevenana izay arahin’ny fananganana indray, io fanaovan-javatra io dia mampiseho tokoa ny fahafatesan’ny olona iray raha ny amin’ny fomba fiainana mihodinkodina amin’ny tena ihany sy ny fiverenany ho amin’ny fiainana indray mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Amin’ny fanekena hatao batisa, dia mampiseho ny tena fa Vavolombelon’i Jehovah iray tafaray amin’ny kongregasion’Andriamanitra maneran-tanyb. Ny batisa dia manamarina ny fanekena ampahibemaso natao tamin’Andriamanitra (jereo Eksodosy 19:3-8). Ny fiainanao dia tokony hifanaraka amin’ny làlany (Salamo 15; I Korintiana 6:9-11). Ny batisa izay manokana anao ho minisitr’Andriamanitra, dia mampiseho koa “fitadiavana (...) fieritreretana tsara eo anatrehan’Andriamanitra”, amin’ny fahafantarana fa mihavana aminy ianao. — I Petera 3:21.
12. Noho ny antony inona ihany no hahafahan’ny “mariky” ny ray aman-dreny hiaro ny zanany?
12 Moa ve ny tanora koa tokony hieritreritra ny amin’ny batisa? Aoka hotadidiantsika izay nolazain’i Jehovah tamin’ireo lehilahy enina nitondra fiadiana tao amin’ilay fahitana: “Fa na lahy antitra, na zatovo, na virjina, na zaza madinika, na vehivavy, dia aringano avokoa. Fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina”. (Ezekiela 9:6). Marina fa ireo ankizy izay kely loatra ka tsy afaka manolo-tena ho an’Andriamanitra, dia voaron’ny “marika” entin’ny rainy, na ny reniny, raha miezaka aloha io kristiana io hitaiza azy ireny ao amin’ny fitiavana an’i Jehovah, ka miseho ho mora tarihina ireny ankizy ireny (I Korintiana 7:14). Kanefa, raha ampy fahalalana ny ankizy iray mba hanapahana hevitra manokana ary “mahalala hanao soa”, aza mihevitra fa handray soa foana avy amin’ny fahamendrehana mifamatotra amin’ny “mariky” ny ray aman-dreniny izy. — Jakoba 4:17.
13. Inona no tokony hoheverina mba hanapahana raha vonona amin’ny batisa ny tanora iray?
13 Alohan’ny hanoloran-tena ho an’Andriamanitra, ny zatovo iray dia tokony hahazo fahalalana izay hahafahany mahatakatra ny maha-lehibe izany fanekena izany, ary tokony hitady hampifamatotra fifandraisana manokana amin’i Jehovah izy. Tokony hahatakatra sy hifikitra amin’ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly izy, amin’ny fahalalana fa hoheverina ho tompon’andraikitra izy amin’izay rehetra mety ho fandikana ireny fotopoto-pitsipika ireny. Tokony hanana fanandraman-javatra ampy koa izy amin’ny asa fanambarana ny finoany amin’ny olon-kafa, izany dia mba hahatsapany fa endriny tena lehibe amin’ny fanompoam-pivavahana madio io asa io. Tokony haniry marina ny hanompo an’Andriamanitra izy. Mazava ho azy fa tsy hotakina aminy ny hananany ny fahamatoran’ny olon-dehibe iray, nefa dia tokony hanome porofon’ny faharetana sasany izy eo amin’ny fandrosoany ara-panahy.
14. Nahoana no nihevitra ny tanora kristiana iray fa fiarovana ho azy ny batisa?
14 Arakaraka ny ‘niheverany izay ho lany’, ny zatovo iray dia tsy matiantoka satria nanolo-tena ho an’Andriamanitra. Saiky ny kristiana vaovao rehetra no mahazo fahatakarana tsaratsara kokoa an’ireo zavatra ara-panahy aorian’ny batisa. “Tanora aho no natao batisa, hoy ny fanazavan’i David, ary izany dia fiarovana ho ahy. Rehefa nihalehibe aho, dia voamariko fa ny zatovo sasany tsy vita batisa tao amin’ny kongregasiona dia tsy niraharaha ny fahefan’ireo loholona, ka nitarika azy hanana fitondrantena ratsy izany. Raha ny amiko kosa, dia tadidiko foana fa nanolotra ny fiainako ho an’Andriamanitra aho, ka efa voatana izany, tsy afaka ny hanahaka ireny zatovo ireny àry aho”.
15. a) Ahoana no hahalalantsika fa afaka mihevitra ny fanompoam-pivavahana marina amim-pahamaotinana ny tanora? b) Inona no fanampiana tsara indrindra azon’ny ray aman-dreny entina ho an’ny zanany?
15 ‘Nefa ahoana raha atao batisa tanora ny zanako lahy na vavy, ka avy eo dia mihamangatsiaka?’ hoy ny fanontanian’ny ray aman-dreny sasany. Marina fa tsy tokony hanaiky hatao batisa ny zatovo iray mba hahafaly ny ray aman-dreniny na mba hanao tahaka ny sakaizany. Kanefa, ry Josefa, Samoela, Josia mpanjaka ary Jesosy dia nihevitra tamim-pahamaotinana ny fanompoam-pivavahana tamin’Andriamanitra hatramin’ny fahatanorany ka naharitra tamin’izany lalana izany (Genesisy 37:2; 39:1-3; I Samoela 1:24-28; 2:18-21; II Tantara 34:3; Lioka 2:42-49). Amin’izao androntsika izao, ny vehivavy kristiana iray atao hoe Jeanne dia natao batisa raha vao folo taona monja. Rehefa nanontaniana izy, taona maro taty aoriana, raha takany marina ny fihetsehana nataony, dia namaly izy hoe: “Fantatro fa tiako Jehovah, velom-pankasitrahana an’i Jesosy aho noho izay nataony ho antsika ka niriko ny hanompo an’Andriamanitra”. Efa ho efapolo taona izao no anompoany am-pahatokiana azy. Samy hafa ny ankizy tsirairay avy, ary tsy misy olona afaka mametra ny taona. Ny ray aman-dreny dia tokony hiezaka hanohina ny fon’ny zanany, hanampy azy ireny hamboly fitiavam-pivavahanac. Tsy ampy ny fampisehoana amin’izy ireny fa tombontsoa ny manolo-tena sy ny atao batisa, fa tokony hanatanjaka azy koa izy ireo mba hahatongavany ho mpivavaka miorina tsara.
Ahoana no handresena ny vato misakana?
16. Nahoana no mihoatra noho ny fahalalana ara-tsaina tsotra fotsiny no ilaina mba handraisana ny “marika”?
16 Na dia tena ilaina aza ny fahalalana ao amin’ny Baiboly, dia tokony hanana mihoatra noho ny fahalalana tsotra ao an-tsaina fotsiny mba handraisana ny “marika”. Ohatra, tao amin’ny fahitana nomena an’i Ezekiela, ireo loholona izay nosazina ho faty noho ny nandoroany ditin-kazo manitra ho fanajana ireo andriamanitra sandoka dia angamba nanana fahalalana nitatra ny amin’ny Tenin’i Jehovah voasoratra, nefa ny fitondrantena narahiny rehefa nihidy tao amin’ny tempoly izy ireo dia nampiseho fa tsy mpivavaka marina izy (Ezekiela 8:7-12; 9:6). Izay maniry handray ny “marika” mba hahatafitana velona àry dia tokony ‘hitafy ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana’. — Efesiana 4:22-24.
17. a) Vato misakana inona no manakana olona sasany tsy hatao batisa? b) Ahoana no fomba hampiharana ny torohevitra omena ao amin’ny Jakoba 4:8?
17 Ny fitaoman’ny nofontsika tsy tanteraka dia mahaforona vato misakana iray mahery (Romana 8:7, 8). Marina tokoa fa misy olona mandà tsy hatao batisa satria tsy mahafehy fahalemena lehibe sasany ara-nofo izy na maniry hahazo ireo fahafinaretana tsy ara-dalàna atolotr’izao tontolo izao azy (Jakoba 4:1-4). Foanany amin’izany ny fahazoana fifandraisana sarobidy. Ny Tenin’Andriamanitra dia manome izao torohevitra manaraka izao: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo izy. Diovy ny tànanareo, ry mpanota, ary ataovy madio ny fonareo, ry mpiroa saina!” (Jakoba 4:8). Ilaina ny manapa-kevitra hanao zavatra. Indro ny ohatry ny lehilahy iray izay nanomboka nianatra Baiboly raha mbola nanaram-po tamin’ny fimamoana sy ny zavatra mahadomelina efa hatramin’ny enina ambin’ny folo taona izy, ka nitarika aretina mafy ho azy izany. Nandresy ireo fahazaran-dratsiny tamim-pahatapahan-kevitra izy. “Rehefa hitarika ahy ho amin’ny fanoloran-tena ho an’Andriamanitra ny fandrosoana nataoko, hoy ny fitantarany, dia nisy vehivavy iray nanomboka nihantsy ahy tsy an-kijanona. Lehibe ny fakam-panahy. Na dia nihevitra ahy ho adala aza io vehivavy io, dia nilaza taminy aho hoe: ‘Mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ka tsy afaka amin’izany’ ”. Inona no nanosika azy hanao zavatra toy izany? “Nahita izay nataon’i Jehovah ho ahy aho, tamin’ny fanampiany ahy hiala tamin’ny fisotroana, hoy izy ary nanampy ahy tamin’ny lafiny hafa izy; noho izany no nanohizako nanatona azy. Tsy afaka nandiso fanantenana azy aho”. Io lehilahy io dia nanatona an’Andriamanitra.
18. Ahoana no azo andresena ireo vato misakana?
18 Ny zava-dehibe dia tsy ny habetsahan’ny zavatra fantatra fa ny hitiavana izay fantatrao. Ny Salamo 119:165 dia manambara hoe: “Be fiadanana izay tia ny lalànao [fa tsy mahafantatra fotsiny], ary tsy misy mahatafintohina azy”. Ny fanafodiny dia ny fitiavana ny lalàn’Andriamanitra ka mankasitraka amin’ny fomba feno ny vidin’izany eo amin’ny fiainantsika. — Isaia 48:17, 18.
19, 20. a) Vato misakana inona avy no tokony horesena ary antoka inona no ananantsika? b) Raha maharesy eo anoloan’ny vato mahatafintohina tsirairay avy ianao, inona no ho vokatr’izany ho anao?
19 Marina fa mety hisy vato misakana na mahatafintohina hafa hitranga. “Ny mafy indrindra tamiko, hoy ny fanohizan’io rahalahy io ihany, dia ny tahotra olona. Nanana ‘sakaiza’ niara-nisotro tamiko aho teo amin’izao tontolo izao. Ny sarotra indrindra dia ny nilaza tamin’izy ireny fa tsy hifanerasera aminy intsony aho satria hanolotra ny fiainako ho an’Andriamanitra”. (Ohabolana 29:25). Ny hafa dia niaritra ny fanamavoana nataon’ny mpianakaviny. Ny vehivavy kristiana iray vao avy natao batisa izay nandresy ny fanoheran’ny vadiny, dia nanamarika hoe: “Tsy vato misakana lehibe fa fandrika kely maromaro no tsy maintsy natrehiko tsirairay avy”. Mihamatanjaka ny fonao raha maharesy amim-pahatokiana ireny fisedrana ireny, arakaraka ny hisehoany. Matokia fa tsy misy mihitsy vato misakana tsy azon’ireo tia ny lalàn’Andriamanitra resena. — Lioka 16:10.
20 Raha maharesy ao anoloan’izay rehetra vato mahatafintohina ianao, dia ho “be fiadanana”. (Salamo 119:165). Eny, “handroso amin’ny toky hianao, (...) ho mamy ny torimasonao. Aza manahy ny tahotra avy tampoka, na ny rivo-doza mamely ny ratsy fanahy, raha avy izany. Fa Jehovah no ho tokinao”. — Ohabolana 3:23-26.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Teo amin’ny 150 taona teo ho eo taorian’ny fahitan’i Ezekiela, Hérodote mpanao tantara grika dia hanao fanamarihana fa ireo marika natao tamin’ny tenan’ireo mpivavaka tamin’ilay andriamanitra natao hoe Hercule dia nanome antoka fa narovana izy ireny. Izao no nosoratany: “Ny andevo mialokaloka [tao amin’ny tempolin’i Hercule] ka manaiky hasiana marika masina sasany amin’ny tenany mba hanompoana ilay andriamanitra, dia tsy azo nosamborina tao, na iza na iza tompony”.
b Tsy ela izay, dia notsorina ireo fanontaniana roa tokony hovalian’ireo mpilatsaka hatao batisa mba hahafahany mahatakatra tsara izay takina aminy mba hananany fifandraisana akaiky amin’Andriamanitra sy ny fandaminany eto an-tany.
c Jereo ny lahatsoratra hoe “Tezao ny zanakareo mba hamboleny fitiavam-pivavahana” tao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 novambra 1985.
Famerenana
◻ Ahoana no anampian’Andriamanitra antsika hahita fihavanana aminy?
◻ Inona moa ilay marika ara-panoharana manome famonjena?
◻ Inona no hevitry ny fanoloran-tena sy batisa?
◻ Karazana vato misakana inona no tokony hatrehina, ary ahoana no handresena ireny?
[Efajoro, pejy 13]
Fandrobohana sa famafazana?
Ny fitantarana mikasika ny batisan’i Jesosy dia milaza amin’ny fomba hentitra fa “niakatra avy teo amin’ny rano izy” (Marka 1:10). Ny hoe naroboka Jesosy dia mifanaraka amin’ny hevitry ny teny grika baptisma, nadika hoe batisa. Io teny grika io dia avy amin’ny matoanteny baptizô, izay midika hoe “mandroboka, mandentika”. Nampiasaina izy io indraindray mba hilazalazana ny filentehan’ny sambo iray. Lucien, mpanoratra tamin’ny taonjato II, dia mampiasa teny mitovy karazana amin’izany mba hiresahana ny amin’ny olona iray manafotra ny hafa: “Nandentika azy lalina izy [baptizonta] ka tsy afaka nivoaka avy tao”. Le nouveau dictionnaire international de théologie du Nouveau Testament (angl.) dia nanao izao famaranan-kevitra izao: “Na dia ao aza ny fanambarana mifanohitra, na jiosy na kristiana no resahina, dia toa adika hoe ‘mandroboka’ ny baptizô ary na dia tonga teny ara-teknika mifandray amin’ny batisa aza izy io, dia tafajanona ny hevitra hoe fandrobohana”.