Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny fanasitranana zazalahy iray azon’ny demonia
NANDRITRA ny tsy naha-teo an’i Jesosy, izay azo inoana fa tany an-tendrombohitr’i Hermona tany niaraka tamin’i Petera sy Jakoba ary Jaona, dia sahirana ny mpianatra hafa. Rehefa tafaverina Jesosy dia hitany avy hatrany fa nisy zavatra tsy nandeha tsara. Voahodidina vahoaka betsaka sy mpanora-dalàna izay niady hevitra mafy taminy ny mpianatra. Raha vao nahita an’i Jesosy ny olona dia taitra tokoa ka nihazakazaka niarahaba azy. “Inona no iadianareo hevitra amin’ireto?” hoy ny fanontanian’i Jesosy.
Nivoaka avy teo amin’ny vahoaka ny lehilahy iray ka nandohalika teo anatrehany sady nanazava hoe: “Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana; ary na aiza na aiza no ahazoany azy, dia ampihijitrinjiriny izy, ary mandoa vory, dia mikitro-nify sady valaka dia valaka. Ary niteny tamin’ny mpianatrao aho mba hamoaka izany, fa tsy hainy.”
Toa nanararaotra ny tsy fahombiazan’ny mpianatra izay niezaka nanasitrana ilay zazalahy ny mpanora-dalàna; angamba nanaraby ny fiezahan’izy ireo izy. Tamin’izay fotoana nampanahy izay indrindra no nanelanelana Jesosy. “Ry taranaka tsy mino, hoy izy, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo?”
Jesosy dia toa milaza izany teny izany ho an’ny mpihaino azy rehetra, nefa tsy isalasalana fa nikendry ny mpanora-dalàna indrindra izay nitady fahasahiranana ho an’ny mpianany izany. Avy eo dia hoy izy mantsy an’ilay zazalahy: “Ento etỳ amiko izy.” Nefa raha mbola nanatona an’i Jesosy ilay zazalahy, dia natsikasin’ilay demonia nampahory azy tamin’ny tany ka nifanintontsintona mafy. Nihosinkosina tamin’ny tany izy sady nandoa vory.
“Hafiriana izay no nahatongavan’izao taminy?” hoy ny fanontanian’i Jesosy.
“Hatry ny fony izy mbola zaza, hoy ny rainy; ary nazerany [ny demonia] matetika tao anaty afo sy tao anaty rano izy hamonoany azy.” Avy eo dia nitaraina mafy izy hoe: “Fa raha mba misy hainao, dia mamindrà fo aminay, ka vonjeo izahay.”
Angamba efa taona maro no nitadiavan’ity ray ity fanampiana. Ary ankehitriny, teo anoloan’ny tsy fahombiazan’ny mpianatra, dia azon’ny famoizam-po izy. Nomarihin’i Jesosy ny antsony feno hakiviana ka nilaza izy, nampahery hoe: “Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino.”
“Mino aho!” hoy ny fihiakan’ilay ray avy hatrany, nefa niangavy izy hoe: “Vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako!”
Voamarik’i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ireo ny vahoaka; noho izany dia niteny mafy ilay demonia toy izao izy: “Ry fanahy moana sy marenina, izaho mandidy anao: ‘mivoaha aminy ka aza miditra ao anatiny intsony’.” Rehefa hivoaka tamin’ilay zazalahy ny demonia, dia nampikiakiaka sy nampifanintontsintona azy indray imbetsaka. Avy eo, dia navelany tamin’ny tany teo tsy nihetsika izy, hany ka ny ankamaroan’ny mpanatrika dia nanomboka nilaza hoe: “Maty” izy. Fa Jesosy nandray ny tanan’ilay zazalahy, izay nitsangana.
Fotoana sasany teo aloha, rehefa nandefa ny mpianany hitory izy, dia efa namoaka demonia izy ireo. Noho izany, rehefa tafavory tao an-trano iray izy, dia nanontany azy manokana àry izy ireo hoe: “Nahoana izahay no tsy nahavoaka azy?”
Raha nampiseho Jesosy fa noho ny tsy fahampiam-pinoan’izy ireo no nahatonga izany, dia namaly hoe: “Iny karazana iny tsy mba azo avoaka na amin’inona na amin’inona, afa-tsy amin’ny fivavahana ihany.” Miharihary fa nilaina ny fanomanana sasany mba hamoahana ity demonia miavaka amin’ny tanjany ity. Nilaina ny finoana mafy orina sy ny fitalahoana mafy tamin’Andriamanitra mba hanomezany fahefana amin’izany.
Ary hoy Jesosy avy eo: “Fa lazaiko aminareo marina tokoa. Raha manana finoana hoatra ny voan-tsinapy iray aza hianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: ‘Mifindrà erỳ’, dia hifindra izy, ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao.”
Hery toy inona moa no mety hananan’ny finoana! Ny vato misakana sy ny zava-tsarotra manembantsembana ny fandrosoana amin’ny fanompoana an’i Jehovah dia mety ho toa tsy azo ihoarana tahaka ny tendrombohitra lehibe iray. Kanefa dia nampiseho i Jesosy fa raha mamboly ny finoana ao am-po isika, raha toa kolokolointsika sy ampaherezintsika mba hitombo izy io, dia hivelatra hatramin’ny fahamasahana izany, ka hahatonga antsika ho afaka handresy ny vato misakana sy ny zava-tsarotra mitovy amin’ny tendrombohitra. Marka 9:14-29; Matio 17:19, 20; Lioka 9:37-43.
◆ Rehefa tafaverina avy tany an-tendrombohitr’i Hermona i Jesosy, tarehin-javatra inona no tsapany?
◆ Fampaherezana inona no nomen’i Jesosy ny rain’ilay zazalahy azon’ny demonia?
◆ Nahoana no tsy afaka namoaka ilay demonia ny mpianatra?
◆ Araka ny nasehon’i Jesosy, hatraiza no mety hahatongavan’ny fahefan’ny finoana?