-
AfoFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fandringanana. Ny afo no tena nampiasaina taloha rehefa nandringana na nandrava. (Js 6:24; De 13:16) Noharin’i Jesosy tamin’ny “afo” àry indraindray ny fandringanana ny ratsy fanahy. (Mt 13:40-42, 49, 50; ampit. Is 66:24; Mt 25:41.) Nampitandrina ny mpianany izy hoe tsy tokony havelan’izy ireo hahatonga azy hanota na ny tanany na ny tongony na ny masony, sao hatsipy any amin’ny Gehena izy ireo. Hoy izy avy eo: “Tsy maintsy hiraraka amin’ny rehetra ny afo, toy ny firaraky ny sira.” Te hilaza izy fa hiraraka amin’izay “rehetra” tsy manaraka an’io fampitandremany io ny ‘afon’ny’ Gehena, izany hoe ho ringana mandrakizay izy ireo.—Mr 9:43-49; jereo GEHENA.
-
-
GehenaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Fandringanana mandrakizay. Fandringanana tanteraka vokatry ny fanamelohan’Andriamanitra no tian’i Jesosy holazaina amin’ny hoe Gehena. Tsy hitsangana intsony izay mankany. (Mt 10:28; Lk 12:4, 5) Antokon’olona ratsy fanahy ny mpanora-dalàna sy Fariseo ka “mendrika ny Gehena.” (Mt 23:13-15, 33) Raha tsy te ho ringana toa azy ireo ny mpianatr’i Jesosy, dia tsy maintsy manaisotra an’izay rehetra mety hahatonga azy hanota. Tsy maintsy ‘tapahiny ny tanany na ny tongony’ ary ‘esoriny ny masony’, izany hoe vonoiny ny faniriana hanota ao amin’ny rantsambatany.—Mt 18:9; Mr 9:43-47; Kl 3:5; ampit. Mt 5:27-30.
-