-
Fampijaliana Mandrakizay Hoe?Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Jona
-
-
MAMPIASA ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 9:48 ny olona sasany mba hanaporofoana fa misy ny fampijaliana mandrakizay. Miresaka momba ny olitra (na kankana) tsy maty sy afo tsy mety maty, i Jesosy ao amin’io andininy io. Ahoana no havalinao raha misy manontany anao momba izany?
Mitovy ny voalazan’ny andininy faha-44 sy 46 ary 48 (43, 45, 47, Fandikan-teny Katolika) ao amin’ny Baiboly sasany.a Izao no hita ao amin’ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao: “Raha mahatonga anao hanota ny masonao, dia ario. Fa tsara kokoa ho anao ny miditra toka-maso any amin’ny fanjakan’Andriamanitra, toy izay manana maso roa nefa atsipy any amin’ny Gehena. Fa any dia tsy maty ny olitra amin’ny fatin’izy ireo, ary tsy mety maty ny afo.”—Marka 9:47, 48.
-
-
Fampijaliana Mandrakizay Hoe?Ny Tilikambo Fiambenana—2008 | 15 Jona
-
-
a Tsy hita ao amin’ireo Baiboly sora-tanana mendri-pitokisana indrindra, ny andininy faha-44 sy 46. Miaiky ny manam-pahaizana fa vao nampiana tatỳ aoriana ireo andininy roa ireo. Hoy i Archibald Robertson: “Tsy ahitana an’ireo andininy roa ireo ny sora-tanana tranainy indrindra sy tsara indrindra. Ireo Baiboly sora-tanana tandrefana sy avy any Syria (Byzance) no nahitana azy ireo voalohany. Ny voalaza ao amin’ny andininy faha-48 ihany no hita ao amin’ireo andininy ireo. Izany no antony nanalanay azy ireo.”
-