Helo — Fampijalijaliana Mandrakizay sa Fasana Iombonana?
NOLAZAINA taminao ve fa ireo Rain’ny Eglizy voalohany, ireo teolojiana tamin’ny Moyen-Âge, sy ireo Mpanao Fanovana dia nanohana fa maharitra mandrakizay ireo fijaliana hita any amin’ny helo? Raha izany no izy, dia mety ho gaga ianao mahafantatra fa misy manam-pahaizana manokana momba ny Baiboly sasany izay hajaina fatratra, manohitra io fiheverana io ankehitriny. Any Grande-Bretagne, ny iray amin’izy ireo, i John R. W. Stott, dia nanoratra fa “ny Soratra Masina dia manondro fanafoanana, ary ny ‘fandrenesana fijaliana mandrakizay’ dia lovantsofina izay tsy maintsy manaiky ho resin’ilay fahefana tampony, dia ny Soratra Masina”. — Essentials — A Liberal-Evangelical Dialogue.
Inona no nitarika azy hanatsoaka hevitra fa tsy miorina amin’ny Baiboly ny fampianarana momba ny fijaliana mandrakizay?
Fianarana mikasika ny fitenenana
Ny fanaporofoan-keviny voalohany dia mahatafiditra fitenenana. Manazava izy fa rehefa manisy fitenenana ny amin’ny toetra faran’ny fanozonana (“Gehena”; jereo ny faritra voafefy, pejy faha-8) ny Baiboly, dia matetika izy no mampiasa ilay voambolana momba ny “fandringanana”, dia ny “matoanteny [grika] hoe apollumi (mandringana) sy ilay anarana hoe apòleia (fandringanana)”. Moa ve ireo teny ireo manondro fijaliana? Manazava i Stott fa rehefa matoantenin’ny mpanao mitaky fameno ilay izy, ny “apollumi” dia midika hoe “mamono”. (Matio 2:13; 12:14; 21:41). Araka izany, ao amin’ny Matio 10:28 izay ilazan’ny King James Version ny fandringanan’Andriamanitra “ny fanahy sy ny vatana ao amin’ny helo”, ilay hevitra raikitra anaty dia fandringanana ao amin’ny fahafatesana fa tsy fijaliana mandrakizay. Ao amin’ny Matio 7:13, 14 (NW ), dia ampifanoherin’i Jesosy amin’ny ‘lalana tery mankany amin’ny fiainana’ ny ‘lalana malalaka mankany amin’ny fandringanana’. Nanao izao fanazavana izao i Stott: “Toa hafahafa ihany àry, raha toa ny olona izay lazaina fa voan’ny fandringanana no tsy ringana indray, raha ny marina.” Rariny raha tonga amin’izao fanatsoahan-kevitra izao izy: “Raha fanesorana ny aina amin’ny vatana no atao hoe mamono, ny helo dia toa fanesorana ny aina sady ara-batana no ara-panahy, izany hoe famonoana tanteraka ny fisiana.” — Essentials, pejy faha-315-316.
Fanazavana ireo filazana momba ny helo mirehitra afo
Na dia izany aza, dia olona tia fivavahana maro no hiray hevitra amin’i Morris H. Chapman, prezidàn’ny Fikambanan’ny Batista Atsimo, izay nilaza hoe: “Mitory helo iray ara-bakiteny aho.” Izao no nanampiny: “Miantso azy io hoe ‘farihy afo’ ny Baiboly, ary tsy mihevitra aho fa azo hatsaraina io famaritana io.”
Marina aloha fa ilay fanoharana amin’ny afo ampiasain’ny Baiboly dia mety hahatonga sary an-tsaina ny amin’ny fijaliana. Nanamarika toy izao anefa ilay boky hoe Essentials: “Tsy isalasalana fa noho isika rehetra efa samy nahatsapa fanaintainana mafy rehefa may, no mahatonga ny afo hampifandraisina amin’ny ‘fandrenesana fijaliana’ ao an-tsaintsika. Kanefa ny asan’ny afo lehibe indrindra, dia tsy ny hiteraka fanaintainana akory, fa mba hahatonga ny fandringanana ho azo antoka, araka ny porofoin’ireo fitaovana fandoroan-javatra ho lavenona rehetra eo amin’izao tontolo izao.” (Pejy faha-316). Ny fitadidiana ao an-tsaina izany fahasamihafana lehibe izany dia hanampy anao hanalavitra ny fahitana hevi-teny ao amin’ny Soratra Masina izay tsy ao akory, raha ny marina. Ireto misy ohatra sasany:
Mikasika ireo izay hatsipy ao amin’ny Gehena, dia nilaza i Jesosy fa “ny kankany tsy maty, ary ny afo tsy vonoina”. (Marka 9:47, 48). Misy fanazavana momba ny Baiboly sasany manohana mafy fa milaza tsy mivantana fijaliana mandrakizay ny tenin’i Jesosy, satria nisy heriny teo aminy ireo teny ao amin’ilay boky apokrifan’i Jodita (“Hatolony amin’ny afo aman-kankana ny nofon’ireny, mba ho may sy hahatsiaro mangirifiry mandrakizay.” — Jodita 16:21, Kat.). Ny boky apokrifan’i Jodita anefa, noho izy tsy ara-tsindrimandrin’Andriamanitra, dia tsy filamatra hamaritana ny hevitry ny taratasin’i Marka. Ny Isaia 66:24 izay toa nasian’i Jesosy fitenenana, dia milaza fa ny afo sy ny kankana dia manapotika ny vatana efa maty (“ny fatin’ny olona”, hoy i Isaia), dia ny an’ireo fahavalon’Andriamanitra. Tsy misy mihitsy teny an-kolaka ny amin’ny fandrenesana fijaliana mandrakizay, na ao amin’ireo tenin’i Isaia, na ao amin’ny an’i Jesosy. Ilay fanoharana ny amin’ny afo dia mampiseho fandringanana tanteraka.
Ny Apokalypsy 14:9-11, dia miresaka ny amin’ny sasany izay “hampijalina amin’ny afo sy solifara (...) ary ny setroky ny fijaliany dia miakatra mandrakizay mandrakizay”.a Manaporofo ve izany fa misy fandrenesana fijaliana mandrakizay any amin’ny helo mirehitra afo? Raha ny tena izy, ny hany zavatra lazain’io andinin-teny io, dia ny hoe ampijalina ny ratsy fanahy, fa tsy hoe ampijalina mandrakizay akory. Milaza ilay andinin-teny fa ny setroka — ny porofo fa nahavita ny asa fandringanana ny afo — no mitohy mandrakizay, fa tsy ny fijaliana amin’ny afo akory.
Milaza ny Apokalypsy 20:10-15 fa ao “amin’ny farihy afo sy solifara, (...) [dia] hampijalina andro amin-alina mandrakizay mandrakizay ireo”. Amin’ny famakiana voalohany, dia mety ho toa porofon’ny fandrenesana fijaliana mandrakizay amin’ny afo izany, kanefa dia tsy izany velively no izy. Nahoana? Ankoatra ny antony hafa, dia satria “ilay bibi-dia sy ilay mpaminany sandoka” ary ny “fahafatesana sy ny fiainan-tsi-hita” hiafara any amin’izay antsoina eto hoe “farihy afo”. Araka ny azonao tsoahina mora foana avy amin’izany, ilay biby, ilay mpaminany sandoka, ny fahafatesana ary ny fiainan-tsy hita dia tsy persona ara-bakiteny; noho izany izy ireo dia tsy afaka mandre fijaliana. Nanoratra kosa i G. B. Caird ao amin’ny A Commentary on the Revelation of St. John the Divine, fa “ny farihy afo” dia midika hoe “fanafoanana sy fanadinoana tanteraka”. Tokony ho tratra mora foana ny fanatanterahana izany satria ny Baiboly mihitsy dia milaza toy izao momba ny farihy afo: “Izany no fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo.” — Apokalypsy 20:14.
Fampisarahana ireo hevitra ara-teolojia kambana
Na dia eo aza ireo fanaporofoan-kevitra ireo, dia mpino maro no manantitrantitra fa ny teny hoe “fandringanana” dia tsy manana ny tena dikan’ilay teny, fa midika hoe fijaliana mandrakizay. Nahoana? Misy heriny eo amin’ny fihevitr’izy ireo ilay hevitra ara-pivavahana kambana amin’ny helo mirehitra afo — ny fampianarana momba ny tsy fahafatesan’ny fanahy olombelona. Ary satria ny fiangonan’izy ireo dia nety ho nanao izay hampandroso ireo fampianarana roa ireo nandritra ny taonjato maro, dia mety hihevitra izy ireo fa ireo andinin-teny izay miresaka ny amin’ny fandringanana ireo dia midika hoe fampijalijaliana mandrakizay, raha ny marina. Raha dinihina tokoa, dia tsy afaka ny ho faty ny fanahy olombelona — hoy ny fanjohian-kevitra ataon’ny maro.
Mariho anefa ilay hevitra naroson’i Philip E. Hughes, mpitondra fivavahana anglikana, hoe: “Ny fanizingizinana fa ny fanahy olombelona dia manana ny tsy fahafatesana raikitra ao aminy dia midika ho fitanana toerana izay tsy ekena na aiza na aiza ao amin’ny fampianaran’ny Soratra Masina. Ao amin’ny filazalazana ara-baiboly, ny toetra maha-olombelona dia noheverina foana ho fifangaroan’ny fanahy sy ny vatana tanteraka. (...) Ilay fampitandreman’Andriamanitra tany am-piandohana mikasika ilay hazo voarara, hoe: ‘Amin’ny andro izay ihinananao azy io dia ho faty tokoa ianao’ dia niantefa tamin’ny olombelona amin’ny maha-zavaboary fanahy-vatana azy — raha nihinana tamin’izany izy, dia ho faty tamin’ny naha-fanahy-vatana azy. Tsy nisy mihitsy zavatra nahatonga hieritreritra fa nisy tapany tsy maty tamin’ny tenany, ary noho izany dia ho tapany ihany ny fahafatesany.” — The True Image — The Origin and Destiny of Man in Christ.
Amin’ny fomba mitovy amin’izany, dia nanao fanamarihana toy izao i Clark Pinnock, teolojiana: “Nisy heriny teo amin’ny teolojia hatramin’ny ela be io hevitra io [hoe tsy mety maty ny fanahy olombelona], kanefa dia tsy araka ny Baiboly izy io. Tsy mampianatra ny tsy fahafatesana voajanaharin’ny fanahy ny Baiboly.” Manamafy izany ny Ezekiela 18:4, 20 sy ny Matio 10:28. Ambonin’izany, ny tenan’i Jesosy mihitsy dia niresaka ny amin’i Lazarosy sakaizany efa maty, ho toy ny “matory”. Nilaza i Jesosy fa “handeha hamoha azy” izy. (Jaona 11:11-14). Koa maty àry i Lazarosy olombelona, na fanahy olombelona, kanefa na dia taorian’ny fotoana kelikely aza, dia azo natsangana tamin’ny maty, na naverina ho amin’ny fiainana indray izy. Manaporofo izany ny zava-misy. Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy. — Jaona 11:17-44.
Amin’ny ahoana ireo hevitra ireo no misy fiantraikany eo amin’ny fampianarana momba ny fijaliana mandrakizay? Tany amin’ny taonjato faha-17, dia nanao izao fanamarihana izao ilay mpanoratra atao hoe William Temple: “Misy [andinin-teny] izay miresaka ny amin’ny fanipazana ao anatin’ny afo tsy mety maty. Kanefa raha toa isika tsy mijery izany amin’ny fanombantombanana mialoha hoe tsy mety potika izay hatsipy ao, dia ho azontsika ilay hevitra fa, tsy hirehitra mandrakizay akory ilay hatsipy ao, fa ho potika kosa.” Mbola marina ihany io famakafakana mety io, satria tena izany mihitsy no ampianarin’ny Baiboly.
Tsy azo lavina fa manana antony maro manery anao hisalasala ny amin’ny fandrenesana fijaliana mandrakizay ao amin’ny helo ianao. Na angamba ianao maniry hanao zavatra bebe kokoa noho ny fisalasalana fotsiny ka hanaraka ny torohevitr’i Pinnock, profesora amin’ny teolojia, izay nilaza hoe: “Ilay fitambarana finoana manodidina ny helo, anisan’izany ny fampijalijaliana tsy manam-pahataperana, (...) dia tokony hofoanana miorina amin’ny fampianarana ara-dalàna.” Eny, manasa anao hanao izany ny fari-pitondran-tena sy ny rariny ary — ny lehibe indrindra — ny Tenin’Andriamanitra, ny Baiboly.
Raha manao izany ianao, dia ho hitanao fa ny tena toetran’ny helo dia azo inoana tokoa. Afaka mahita fanazavana mahasoa mikasika io foto-kevitra io ianao ao amin’ilay boky hoe Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany.b Mangataha amin’izy io, aza fady, rehefa mifanena amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ianao. Vakio ireo toko hoe “Inona no mitranga eo amin’ny fahafatesana?” “Karazan-toerana Manao Ahoana Moa ny Fiainan-tsi-hita na Afobe?” ary “Ny Fananganana ny Maty — Hatao ho An’iza, Ary ho Aiza?” Ho hitanao fa ny tena toetran’ny helo marina dia tsy vitan’ny hoe azo inoana fotsiny fa feno fampanantenana koa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ao amin’io andinin-teny io, ny hoe “hampijalina amin’ny afo” dia milaza voalohany indrindra fijaliana ara-panahy, kanefa misy fetrany. Mba hahazoana tsipiriany fanampiny, dia jereo Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza! navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
b Navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc.
[Efajoro, pejy 8]
FAMARITANA IREO TENY
Ato amin’ity lahatsoratra ity, ny teny hoe “helo” sy “helo mirehitra afo”, araka ny ampiasain’ny teolojiana ao amin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, dia manondro ilay teny grika hoe geʹen·na, izay miseho in-12 ao amin’ny “Testamenta Vaovao”. (Matio 5:22, 29, 30; 10:28; 18:9; 23:15, 33; Marka 9:43, 45, 47; Lioka 12:5; Jakoba 3:6). Na dia mandika io teny grika io hoe “helo” aza ny fandikana ny Baiboly maromaro, dia misy fandikan-teny hafa manoratra azy hoe “Gehena”. Izy io dia mifanitsy amin’ny “fahafatesana faharoa, dia ny farihy afo”, fampisehoana ny fandringanana mandrakizay hita ao amin’ny boky farany amin’ny Baiboly. — Apokalypsy 20:14.
Mikasika ireo teny roa hafa izay indraindray adika hoe “helo”, dia manao izao fanamarihana izao ny A Dictionary of the Bible (1914), navoakan’i William Smith: “Helo (...) no mazàna ary mampalahelo fa teny ampiasain’ireo mpandika tenintsika mba hilazana ny teny hebreo hoe Sheol. Ho tsara kokoa angamba ny mampiasa hatrany ilay teny hebreo hoe Sheol, na, raha tsy izany, dia mandika azy io foana amin’ny hoe ‘ny fasana’, na ‘ny lavaka’. (...) Ao amin’ny T[estamenta] V[aovao], ilay teny hoe Hadesy, sahala amin’ny Sheol, indraindray dia midika fotsiny hoe ‘ny fasana’ (...) Amin’io heviny io no ilazan’ilay fanekem-pinoana momba ny Tompontsika hoe ‘Nidina tany amin’ny helo Izy’, izay midika hoe ny toetran’ny maty amin’ny ankapobeny.”
Tsy sahala amin’ny Gehena izay mampiseho fandringanana farany, ny Sheola sy ny Hadesy dia manondro ny fahafatesana ao amin’ny fasana iombonan’ny taranak’olombelona, miaraka amin’ny fanantenana fananganana ho amin’ny fiainana indray. — Apokalypsy 20:13.
[Sary, pejy 9]
Namoha an’i Lazarosy tamin’ny torimason’ny fahafatesana i Jesosy