Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Niady hevitra ny mpianatra rehefa nanakaiky ny hahafatesan’i Jesosy
JESOSY sy ny mpianany dia teo akaikin’i Jordana, ka nita azy mba handehanana avy eo amin’ny distrikan’i Pere hankany Jodia. Maro hafa no niara-dia taminy mba hankalaza ny Paska tamin’ny taona 33, izay hatao rehefa afaka herinandro monja.
Nandeha teo alohan’ny mpianany i Jesosy ary gaga izy ireo noho ny fahatapahan-keviny mafy. Tadidintsika fa herinandro vitsivitsy talohan’izay, rehefa niomana hiala tany Pere hankany Jodia i Jesosy tamin’ny nahafatesan’i Lazarosy, dia namporisika ny mpianatra hafa i Tomasy tamin’ny filazana hoe: “Andeha koa isika mba hiara-maty aminy.” Tadidintsika koa fa nikasa ny hamono an’i Jesosy ny Synedriona taorian’ny nananganany an’i Lazarosy. Tsy mahagaga àry raha toa natahotra ny mpianatra rehefa niditra indray tany Jodia izy ireo.
Mba hanomanana azy ireo ho amin’izay niandry azy, dia naka ny roa ambin’ny folo lahy nitokana i Jesosy ka hoy izy taminy: “Indro miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hohelohiny ho faty Izy ka hatolony amin’ny jentilisa mba hataony ho fihomehezana sy hokapohiny sy hohomboany amin’ny hazo fijaliana; ary amin’ny andro fahatelo dia hatsangana indray Izy.”
Fanintelony tamin’izay, tao anatin’ny volana vitsivitsy, no niresahan’i Jesosy ny amin’ny fahafatesany sy ny fitsanganany tamin’ny mpianany. Na dia nihaino azy aza izy ireo, dia tsy nahazo izay nolazainy. Angamba satria nino izy ireo fa haorina indray eto an-tany ny fanjakan’Isiraely, ka nanantena mafy ny hahazo voninahitra sy haja ao amin’ny fanjakana iray eto an-tany niaraka tamin’i Kristy izy ireo.
Anisan’ireo mpandeha hankalaza ny Paska i Salome, renin’ny apostoly Jakoba sy Jaona. Nomen’i Jesosy anarana hoe “Zana-baratra” ireo lehilahy ireo, azo inoana fa noho ny toetran’izy ireo nirehidrehitra. Ary anefa hatramin’ny fotoana vitsivitsy, izy mirahalahy dia nieritreritra ny hahazo toerana ambony ao amin’ny Fanjakan’i Kristy ary nampahafantariny an-dreniny ny faniriany. Indro ravehivavy izao fa manatona an’i Jesosy mba hiresaka aminy amin’ny anaran’izy ireo; niankohoka teo anatrehany izy ka nangataka taminy.
“Inona no irinao?” hoy ny fanontanian’i Jesosy. “Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin’ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin’ny ankavianao, ao amin’ny fanjakanao.”
Takatr’i Jesosy ny hoe avy tamin’iza no niavian’izany fangatahana izany ka hoy izy tamin’i Jakoba sy Jaona: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny hisotro amin’ny kapoaka izay efa hisotroako?”
“Hainay ihany”, hoy ny valinteniny. Na dia vao avy niresaka taminy fa hiatrika fanenjehana mahatsiravina hiafara amin’ny famonoana aza i Jesosy dia toa tsy azon’ireo fa izany no tiany holazaina tamin’ny hoe “kapoaka” izay efa hisotroany.
Kanefa dia hoy Jesosy taminy: “Hisotro amin’ny kapoakako tokoa hianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ny Raiko izany no homena.”
Tato aoriana dia ren’ny apostoly folo hafa izay nangatahan’i Jakoba sy Jaona ka tezitra noho izany izy. Angamba nampisongadina ny tenany ry Jakoba sy Jaona tamin’ny ady hevitra nataon’ny mpianatra taloha kely kokoa ny amin’izay lehibe indrindra tamin’izy ireo. Izao ny fangatahana nataony dia nampiseho fa tsy nampihatra ny torohevitr’i Jesosy momba an’io raharaha io izy ireo. Indrisy! mbola mafy ny faniriany te-ho lehibe.
Mba handaminana an’ity ady hevitra farany ity sy ny alahelo naterany, dia niantso ny roa ambin’ny folo lahy niaraka àry i Jesosy. Tamim-pitiavana no nanomezany azy izao toro-hevitra izao: “Fantatrareo fa ny andrianan’ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo.”
Nanome ny ohatra tokony hotahafiny i Jesosy; nanazava izany toy izao izy: “Fa tahaka izany, ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” Tsy nanompo ny hafa fotsiny i Jesosy, fa ho faty ho an’ny olombelona koa! Nilain’ny mpianatra ny hanana izany toe-tsaina izany: tokony haniry hanompo izy fa tsy hotompoina, haniry ho ambany kokoa fa tsy hanana toerana ambony. Matio 20:17-28; Marka 3:17; 9:33-37; 10:32-45; Lioka 18:31-34; Jaona 11:16.
◆ Nahoana no azon’ny tahotra ny mpianatra izao?
◆ Ahoana no nanomanan’i Jesosy ny mpianany ho amin’izay niandry azy ireo?
◆ Inona no fangatahana natao tamin’i Jesosy, ary ahoana no fihetsik’ireo apostoly hafa?
◆ Ahoana no nandaminan’i Jesosy ny raharaha nampisaratsaraka ireo apostoly?