Nanao ny Sitrapon’i Jehovah Izy Ireo
Hobina i Jesosy Noho Izy Mesia sy Mpanjaka!
NANAITRA Jodiana maro ny vahoaka nikotaba niditra an’i Jerosalema tamin’ny 9 Nisana 33 am.f.i. Na dia nahazatra aza ny nahita vahoaka nitanjozotra ho ao an-tanàna talohan’ny Paska, dia hafa kosa ireto mpitsidika ireto. Ilay olona nisongadina indrindra teo anivon’izy ireo dia lehilahy iray nitaingina zana-boriky. I Jesosy Kristy ilay lehilahy, ary namelatra lamba sy sampan-drofia teo anoloany ny olona, sady niantsoantso hoe: “Hosana ho an’ny Zanak’i Davida! Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i Jehovah! Hosana any amin’ny avo indrindra”. Rehefa nahita ny vahoaka ireo olona maro izay efa tao Jerosalema, dia voatosika hanatevin-daharana azy ireo. — Matio 21:7-9; Jaona 12:12, 13.
Na dia nohobina aza i Jesosy izao, dia fantany fa nisy fisedrana niandry azy. Afaka dimy andro monja dia ho faty ao amin’io tanàna io ihany izy! Eny, fantatr’i Jesosy fa faritany nanohitra i Jerosalema, ary izany indrindra no tao an-tsainy ka nahatonga azy hampiharihary ny fidirany tao amin’ilay tanàna.
Tanteraka ny faminaniana efa ela be iray
Tamin’ny 518 al.f.i., dia nanambara nialoha ny fidiram-pandresen’i Jesosy tao Jerosalema i Zakaria. Nanoratra toy izao izy: ‘Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; marina Izy sady manam-pamonjena, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zana-boriky tanora. Ary hiteny fiadanana amin’ny jentilisa Izy; ny fanapahany dia hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina ary hatramin’ny Ony ka hatramin’ny faran’ny tany.’ — Zakaria 9:9, 10.
Koa nanatanteraka faminaniana ao amin’ny Baiboly àry ny fidiran’i Jesosy tao Jerosalema tamin’ny 9 Nisana. Tsy fisehoan-javatra sendra nitranga izy io fa nomanina mialoha tamim-pitandremana. Teo aloha kokoa, raha mbola tany ivelan’i Jerosalema indrindra i Jesosy, dia nanome toromarika ny roa tamin’ireo mpianany izy hoe: “Mankanesa amin’iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin’izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy hianareo; vahao izy, dia ento etỳ amiko. Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan’ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin’izay izy.” (Matio 21:1-3). Nahoana, anefa, i Jesosy no naniry hitaingina boriky hiditra an’i Jerosalema, ary nidika ho inona ny fihetsiky ny vahoaka?
Foto-kevi-dehibe iray momba ny maha-mpanjaka
Matetika ny sary hita maso no mahery kokoa noho ny teny lazaina. Noho izany, indraindray dia nasain’i Jehovah nasehon’ireo mpaminany tamin’ny alalan’ny fihetsika ny hafatra nentin’izy ireo, mba hanamafisana ny hafatra ara-paminaniana nentiny. (1 Mpanjaka 11:29-32; Jeremia 27:1-6; Ezekiela 4:1-17). Io fampitan-kevitra hita maso mazava tsara io dia namela marika tsy azo kosehina tao an-tsaina, na dia tamin’ny mpitazana faran’izay mafy fo aza. Tamin’ny fomba nitovy tamin’izany, dia nampita hafatra mahery iray tamin’ny alalan’ny fihetsika i Jesosy, tamin’ny nitaingenana boriky iray niditra ny tanànan’i Jerosalema. Tamin’ny fomba ahoana?
Tamin’ny andron’ny Baiboly, ny boriky dia nampiasaina ho amin’ny zava-kendrena ambony. Ohatra, rehefa nohosorana ho mpanjaka i Solomona dia nitaingina ‘ramole vavy’, izay an’ny rainy. Ny ramole dia taranaka safiotra avy amin’ny boriky lahy. (1 Mpanjaka 1:33-40, Kat.). Koa ny nitaingenan’i Jesosy boriky rehefa niditra an’i Jerosalema àry, dia nidika fa nampiseho ny tenany ho mpanjaka izy.a Nanamafy io hafatra io ny fihetsiky ny vahoaka. Namelatra ny lambany teo anoloan’i Jesosy ilay antokon’olona, izay tsy isalasalana fa Galiliana no betsaka taminy — izany dia fihetsika mampahatsiahy ilay fanambarana ampahibemaso ny naha-mpanjaka an’i Jeho. (2 Mpanjaka 9:13). Ny niantsoany an’i Jesosy hoe “Zanak’i Davida” dia nanantitrantitra ny zon’izy io ara-dalàna hanana fanapahana. (Lioka 1:31-33). Ary ny nampiasany sampan-drofia dia nampiseho niharihary ny fanekeny ny fahefan’izy io amin’ny maha-mpanjaka azy. — Ampitahao amin’ny Apokalypsy 7:9, 10.
Koa ilay filaharana niditra an’i Jerosalema tamin’ny 9 Nisana àry, dia nandefa hafatra mazava hoe i Jesosy no ilay Mesia sy Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra. Mazava ho azy, fa tsy ny rehetra no faly nahita an’i Jesosy naseho tamin’izany fomba izany. Ireo Fariseo indrindra no nihevitra fa tsy nety mihitsy ny nanomezana voninahi-panjakana toy izany an’i Jesosy. “Mpampianatra ô”, hoy ny fitakian’izy ireo, tsy isalasalana fa tamin’ny feo tezitra, “rarao ny mpianatrao”. Namaly i Jesosy hoe: “Lazaiko aminareo fa raha mangina ireo, dia ny vato no hiantsoantso.” (Lioka 19:39, 40). Eny, ny Fanjakan’Andriamanitra no foto-kevitry ny fitorian’i Jesosy. Nitory tamin-kasahiana ny hafatra nentiny izy na nanaiky azy io ny olona na tsia.
Fianarana ho antsika
Nitaky herim-po lehibe ny nidiran’i Jesosy tao Jerosalema tamin’ny fomba nanambaran’i Zakaria mpaminany azy. Fantany fa amin’ny fanaovana izany dia hiharan’ny fahatezeran’ireo fahavalony izy. Talohan’ny niakarany ho any an-danitra, i Jesosy dia naniraka ny mpanara-dia azy hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra sy ‘hanao mpianatra ny firenena rehetra’. (Matio 24:14; 28:19, 20). Mitaky herim-po koa ny fanatanterahana io asa io. Tsy ny rehetra no faly handre an’ilay hafatra. Tsy miraika amin’izy io ny sasany, ny hafa manohitra azy io. Ny fitondram-panjakana sasany dia efa nanisy fameperana teo amin’ny asa fitoriana na nandrara azy io tsotra izao.
Kanefa, takatr’ireo Vavolombelon’i Jehovah fa tsy maintsy torina ilay vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina, na mihaino ny olona na tsia. (Ezekiela 2:7). Eo am-panohizany manatanteraka io asa famonjena aina io, izy ireo dia matoky ny fampanantenan’i Jesosy hoe: “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” — Matio 28:20.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Ny fitantaran’i Marka dia manampy fa “tsy mbola nitaingenan’olona” ilay zana-boriky. (Marka 11:2). Miharihary fa ny biby iray izay mbola tsy nampiasaina dia mety indrindra ho amin’ny zava-kendrena masina. — Ampitahao amin’ny Nomery 19:2; Deoteronomia 21:3; 1 Samoela 6:7.