Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Tsy afaka namandrika an’i Jesosy izy ireo
NAMPIANATRA tao amin’ny tempoly i Jesosy ary vao avy nilaza tamin’ireo fahavalony ara-pivavahana, fanoharana telo izay nampiharihary ny faharatsiany. Tezitra ny Fariseo ary niara-nisaina mba hamandrika azy hiteny zavatra izay hahafahany hisambotra azy. Nanomana tetika izy ireo ary naniraka ny mpianany niaraka tamin’ny mpanohana an’i Heroda mba hanandrana hamingana azy.
“Mpampianatra ô, fantatray fa marina Hianao ka mampianatra marina ny làlan’Andriamanitra ary tsy manahy olona, satria tsy mba mizaha tavan’olona. Koa lazao aminay ary izay hevitrao: Moa mety va ny mandoa vola hetra ho an’i Kaisara, sa tsia?”
Tsy voafitak’ilay fandokafana i Jesosy. Fantany fa raha miteny izy hoe: ‘Tsia, tsy ara-dalàna na tsy mety ny mandoa io hetra io’, dia ho meloka noho ny fikomiana amin’i Roma izy. Nefa raha nilaza izy hoe: ‘Eny, tokony handoa io hetra io ianareo’, dia hankahala azy ny Jiosy izay nanamavo ny fanekeny an’i Roma. Izao àry no navaliny: “Nahoana no maka fanahy Ahy hianareo, ry mpihatsaravelatsihy? Asehoy Ahy ny farantsakely fandoa amin’ny hetra.”
Rehefa nitondrany iray izy, dia nanontany i Jesosy hoe: “An’iza ity sary sy soratra ity?”
“An’i Kaisara”, hoy izy ireo.
“Aloavy ho an’i Kaisara ary izay an’i Kaisara, ary ho an’Andriamanitra izay an’Andriamanitra.”
Gaga izy ireo rehefa nahare izany valinteny feno fahefana izany. Lasa nandeha izy ireo ka nandao azy.
Rehefa nahita ny tsy fahombiazan’ny Fariseo tamin’ny fitadiavan-javatra hoenti-miampanga an’i Jesosy ireo Sadoseo izay milaza fa tsy misy ny fitsanganan’ny maty, dia nanatona azy ka nanontany hoe: “Mpampianatra ô, Mosesy nilaza hoe: Raha misy maty momba, aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny ka hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy fito mirahalahy tetỳ aminay; ary ny zokiny nampaka-bady, dia maty, ary satria tsy nanan-janaka izy, dia navelany ho an’ny rahalahiny ny vadiny; ary toy izany koa ny faharoa sy ny fahatelo, hatramin’ny fahafito. Koa faran’izy rehetra dia maty koa ravehivavy. Ary amin’ny fitsanganan’ny maty, ho vadin’iza amin’izy fito mirahalahy moa ravehivavy? satria efa samy nanambady azy avokoa izy rehetra.”
Ho valiny, dia hoy i Jesosy: “Tsy izao tsi-fahafantaranareo ny Soratra Masina sy ny herin’Andriamanitra izao va no mahadiso hevitra anareo? Fa amin’ny hitsanganana amin’ny maty dia tsy hisy hampaka-bady na havoaka hampakarina; fa tahaka ny anjely any an-danitra izy. Ka ny amin’ny hananganana ny maty, tsy mbola novakinareo va ny eo amin’ny bokin’i Mosesy, eo amin’ilay teny milaza ny Voaroy, dia ny nanaovan’Andriamanitra taminy hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’? Tsy Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona; koa diso indrindra hianareo.”
Talanjona tamin’ny valintenin’i Jesosy indray ny vahoaka. Na dia ny mpanora-dalàna sasany aza dia niaiky hoe: “Mpampianatra ô, marina izay nolazainao.”
Rehefa hitan’ny Fariseo fa nampanginin’i Jesosy ny Sadoseo, dia nanatona azy niaraka izy ireo. Mba hitsapana azy indray dia nanontany azy ny iray taminy nanao hoe: “Mpampianatra ô, ny didy manao ahoana moa no lehibe ao amin’ny lalàna?”
Izao no navalin’i Jesosy: “Ny voalohany dia izao: ‘Mihainoa, ry Isiraely: Jehovah Andriamanitsika dia Jehovah iray ihany; koa tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.’ Ary ny faharoa dia izao: ‘Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.’ Tsy misy didy hafa lehibe noho ireo.” Raha ny marina dia nanampy toy izao i Jesosy: “Izany didy roa izany no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany.”
“Marina izany, Tompoko”, hoy ny fiaikin’ny mpanora-dalàna iray. “Iray ihany Andriamanitra, ary tsy misy afa-tsy Izy. Ary ny ho tia Azy amin’ny fo rehetra sy ny saina rehetra sy ny hery rehetra ary ny ho tia ny namana tahaka ny tena, dia mihoatra lavitra noho ny fanatitra hodorana sy ny fanatitra hafa rehetra izany.”
Rehefa hitan’i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena ilay mpanora-dalàna, dia niteny taminy toy izao izy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra hianao.”
Efa nandritra ny telo andro izao — alahady, alatsinainy, ary talata — no nampianaran’i Jesosy teo amin’ny tempoly. Nihaino azy tamim-pahafinaretana ny vahoaka, raha mbola nikendry ny hamono azy ireo filoha ara-pivavahana diso fanantenana. Matio 22:15-40; Marka 12:13-34; Lioka 20:20-40.
◆ Inona no tetika nikendren’ny Fariseo hamandrihana an’i Jesosy, Ary inona no ho nitranga raha nanome valinteny eny izy na tsia?
◆ Ahoana koa no nanakanan’i Jesosy ny fanandraman’ny Sadoseo namandrika azy?
◆ Fanandramana fanampiny inona no nataon’ny Fariseo mba hitsapana an’i Jesosy, ary nanao ahoana ny fiafarany?
◆ Nandritra ny fanompoany farany tao Jerosalema, hafiriana no nampianaran’i Jesosy tao Jerosalema, ary inona no vokany?