-
FitiavanaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
-
-
Azo itarina ny fitiavana. Azo itarina ny tena fitiavana, izay vokatry ny fanahin’Andriamanitra. (2Ko 6:11-13) Tsy natao hotsitsina na hoferana izy io, ary tsy maintsy zaraina mba ho feno. Andriamanitra aloha no tsy maintsy tiavina (De 6:5), eo koa ilay Zanany (Ef 6:24), avy eo ny rahalahy rehetra eran-tany (1Pe 2:17; 1Jn 2:10; 4:20, 21). Tsy maintsy tia ny vadiny koa ny olona. (Oh 5:18, 19; Mpto 9:9; Ef 5:25, 28, 33) Azo itarina hatrany amin’ny zanaka koa ny fitiavana. (Tit 2:4) Tokony hotiavina ny olona rehetra, eny fa na dia ny fahavalo aza, ka tokony hanao soa amin’izy ireny ny Kristianina. (Mt 5:44; Lk 6:32-36) Hoy ny Baiboly momba ireo vokatry ny fanahy (ny fitiavana no voalohany amin’izy ireo): “Tsy misy lalàna manohitra an’ireo.” (Ga 5:22, 23) Tsy misy lalàna mametra an’io fitiavana io. Azo atao foana ny maneho fitiavana amin’izay tokony hotiavina, na aiza na aiza, ary tsy misy fetrany izany. Ny fitiavana ihany, raha ny marina, no trosa ananan’ny Kristianina amin’izy samy izy. (Ro 13:8) Io fifankatiavana io no amantarana ny tena Kristianina.—Jn 13:35.
-
-
ZavamananainaFandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
-
-
Tsy mitovy amin’ny hoe roah na pneoma ny hoe nefesh na psykè. Samy hafa tanteraka ny hoe roah na pneoma sy ny hoe nefesh na psykè. Araka ny voalaza tetsy aloha, dia ilay zavamananaina mihitsy no atao hoe nefesh na psykè. Ny hery mamelona an’ilay zavamananaina kosa no atao hoe roah na pneoma. Mety hanana heviny hafa koa anefa ireo teny hebreo sy grika ireo. Milaza, ohatra, ny Hebreo 4:12 fa “manindrona [ny Tenin’Andriamanitra] ka mahavita manavaka ny miseho ivelany [psykè] sy ny any am-po [pneoma] ary mampisaraka ny tonon-taolana sy ny tsoka.”—Ampit. 1Te 5:23.
-