Ho Voavonjy ve Ianao Rehefa Hanao Zavatra Andriamanitra?
“Raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” — MATIO 24:22.
1, 2. a) Nahoana no ara-dalàna raha liana amin’ny hoavintsika isika? b) Nety ho tafiditra tao amin’ny fanontaniana tena lehibe inona avy ny fahalianana voajanahary?
TOY inona ny fahaliananao ny amin’ny tenanao? Maro amin’izao andro izao no liana tafahoatra ny amin’izay mahasoa ny tenany, tsy miraharaha afa-tsy ny tenany. Kanefa ny Baiboly dia tsy manameloka ny fahalianana sahaza an’ireo zavatra misy fiantraikany eo amintsika. (Efesiana 5:33). Tafiditra amin’izany ny fahalianana amin’ny hoavintsika. Koa ara-dalàna ny anirianao hahafantatra izay fonosin’ny hoavinao. Mahaliana anao ve izany?
2 Afaka mahazo antoka isika fa nanana izany fahalianana ny amin’ny hoaviny izany, ireo apostolin’i Jesosy. (Matio 19:27). Azo inoana fa izany dia anton-javatra iray nahatonga azy ireo hanontany, fony niaraka tamin’i Jesosy teo amin’ny Tendrombohitra Oliva ny efatra tamin’izy ireo. Nanontany toy izao izy ireo: “Rahoviana no hisy izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?” (Marka 13:4). Tsy nodian’i Jesosy tsy hita akory ilay fahalianana voajanahary momba ny hoavy — ilay fahalianan’ireo apostoliny sy ny antsika. Imbetsaka izy no nanasongadina ny fiantraikan’izany eo amin’ireo mpanara-dia azy sy izay ho vokatr’izany farany.
3. Nahoana isika no mampifandray ny valin-tenin’i Jesosy amin’ny androntsika?
3 Ny valin-tenin’i Jesosy dia nilaza faminaniana iray misy fahatanterahany lehibe amin’ny androntsika. Afaka mahita izany isika avy amin’ireo ady lehibe mbamin’ireo fifandrafiana hafa amin’izao taonjato misy antsika izao, ireo horohoron-tany izay mamarana fiainan’olona tsy tambo isaina, ny tsy fahampian-tsakafo izay mahatonga aretina sy fahafatesana, ary ny areti-mandringana — nanomboka tamin’ny fihanahan’ny gripa espaniola tamin’ny 1918 ka hatramin’ny loza amin’antambo entin’ny SIDA ankehitriny. Ny ankamaroan’ny valin-tenin’i Jesosy koa anefa dia nisy fahatanterahany iray, izay sady nitarika ho amin’ny fandravan’ny Romana an’i Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i., no nahatafiditra azy io. Nampitandrina toy izao ny mpianany i Jesosy: “Mitandrema hianareo, fa hatolotra amin’ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko hianareo ho vavolombelona aminy.” — Marka 13:9.
Izay nolazain’i Jesosy mialoha, sy izay nitranga
4. Inona avy ireo fampitandremana sasany tafiditra tao amin’ny valin-tenin’i Jesosy?
4 Tsy nianina tamin’ny filazana mialoha izay fomba hitondran’ny hafa ny mpianany, i Jesosy. Nampahafantariny azy ireo koa izay tokony hataon’ny tenan’izy ireo. Ohatra: “Raha hitanareo mitsangana amin’izay tsy mety hitsanganany ‘ny fahavetavetan’ny fandravana’ (aoka hisaina izay mamaky izany), dia aoka handositra ho any an-tendrombohitra izay olona any Jodia.” (Marka 13:14). Hoy ny fitantarana mitovy amin’izany ao amin’ny Lioka 21:20: “Raha mahita an’i Jerosalema voahodidin’ny miaramila hianareo”. Tamin’ny ahoana izany no hita fa araka ny marina, tamin’ilay fahatanterahany voalohany?
5. Inona no nitranga tamin’ireo Jiosy tany Jodia tamin’ny 66 am.f.i.?
5 Milaza amintsika toy izao ny The International Standard Bible Encyclopedia (1982): “Nihanisavorovoro hatrany ireo Jiosy teo ambany fifehezan’ny Romana ary nihanahery setra sy feno habibiana ary tsy nanao ny marina hatrany ireo manam-pahefana romana. Nipoaka ny fikomiana nibaribary tamin’ny taona 66 ar.J.K. (...) Nanomboka ny ady rehefa naka an-keriny an’i Masada ireo Zelota, ka avy eo dia nitodi-doha nankany Jerosalema teo ambany fitarihan’i Menahem. Natao indray nandripaka ireo Jiosy tao amin’ny tanànan’i Kaisaria notapahin’ny governora, ary niely nanerana ilay tany ny vaovao momba io habibiana nahatsiravina io. Ireo vola madinika vao notefena dia nasiana marika hoe Taona 1 ka hatramin’ny Taona faha-5 nisian’ny fikomiana.”
6. Niteraka fihetsika nanao ahoana avy tamin’ny Romana ny fikomiana jiosy?
6 Ny Legiona Romana Faharoa Ambin’ny folo teo ambany fitarihan’i Cestus Gallus dia niainga avy tany Syria, nandravarava an’i Galilia sy Jodia, ary avy eo dia nanafika ny renivohitra, ka nitana an-keriny mihitsy aza ny faritra ambony amin’i “Jerosalema, tanàna masina”. (Nehemia 11:1; Matio 4:5; 5:35; 27:53). Raha namintina ireo zava-nitranga ilay boky hoe The Roman Siege of Jerusalem, dia nilaza toy izao: “Nandritra ny dimy andro, dia nanandrana nananika ny manda tamin’ny tohatra ny Romana, ka voatosika isaky ny nandeha. Tamin’ny farany, dia nitsoaka ireo mpiaro tanàna, resin’ny tora-bato vary raraka. Tamin’ny fampiasana testudo — fanakambanana ireo ampingany teo ambonin’ny lohany mba hiarovany ny tenany — no nandavahan’ireo miaramila romana ny fanambanin’ny manda sy nanandramany nandoro ny vavahady. Nisy sahotaka nahatsiravina nahazo ireo mpiaro tanàna.” Afaka nahatsiaro ny tenin’i Jesosy ireo Kristiana tao anatin’ilay tanàna, ka nahatakatra fa nisy fahavetavetana iray nitsangana teo amin’ny fitoerana masina.a Kanefa noho ilay tanàna voahodidina, ahoana no ahafahan’ny Kristiana toy izany handositra, araka ny nanoroan’i Jesosy hevitra?
7. Rehefa nadiva ho azo ny fandresena tamin’ny 66 am.f.i., dia inona no nataon’ny Romana?
7 Nilaza toy izao ilay mpanoratra tantara atao hoe Flavius Josèphe: “Tsy nahafantatra ny famoizam-pon’ireo natao fahirano, na ny fihetseham-pon’ny vahoaka, i Cestus [Gallus], fa tampoka teo dia nampisinda ireo lehilahiny, nanary toky na dia tsy niharan’ny faharesena aza, ary tamin-kadalana tanteraka, dia niala tao amin’ilay Tanàna.” (The Jewish War, II, 540 [xix, 7] ). Nahoana i Gallus no nitsoaka ady? Na inona na inona antony nanosika azy, ny fitsoahany ady dia namela ireo Kristiana hankato ilay didin’i Jesosy sy handositra tany an-tendrombohitra ka tsy hanana ahiahy.
8. Inona ilay tapany faharoa tamin’ilay ezaka nataon’ny Romana hamelezana an’i Jerosalema, ary inona no nihatra tamin’ireo tafita velona?
8 Namonjy aina ny fankatoavana. Tsy ela dia nihetsika ny Romana mba hanamontsana ilay fikomiana. Ilay ezaka manokana ara-tafika teo ambany fitarihan’ny Jeneraly Titus dia nahatratra ny fara heriny tamin’ny fanaovana fahirano an’i Jerosalema nanomboka tamin’ny Aprily ka hatramin’ny Aogositra 70 am.f.i. Mampihoron-koditra ny mamaky ny filazalazan’i Josèphe ny fomba nijalian’ireo Jiosy. Ankoatra ireo izay maty niady tamin’ny Romana, dia nisy Jiosy hafa naripaky ny Jiosy tao amin’ny antoko nifandrafy, ary nitarika ho amin’ny fihinanana olona ny hanoanana mafy. Tamin’ny fotoana nandresen’ny Romana, dia Jiosy 1 100 000 no efa maty.b Tamin’ireo 97 000 tafita velona, dia nisy naringana avy hatrany; ny hafa nandevozina. Hoy i Josèphe: “Ireo maherin’ny fito ambin’ny folo taona dia nopetahana gadra vy ary nalefa hanao asa an-tery vozona tany Egypta, fa ny maro be kosa dia natolotr’i Titus an’ireo provansy mba ho faty tamin’ny sabatra na tamin’ny biby dia tany amin’ireo kianja filalaovana.” Tamin’ny fotoana nanaovana izany fifantenana izany indrindra, dia babo 11 000 no maty noho ny hanoanana mafy.
9. Nahoana ireo Kristiana no tsy niharan’ilay fiafarana nahazo ireo Jiosy, kanefa fanontaniana inona avy no mbola tavela?
9 Afaka ny ho velom-pisaorana ireo Kristiana noho ny nankatoavany ny fampitandreman’ny Tompo ka nandosirany ilay tanàna talohan’ny niverenan’ny tafika romana. Tamin’izany no namonjena azy ireo tamin’ny tapan’ilay nantsoin’i Jesosy hoe “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”, tao Jerosalema. (Matio 24:21). Nanampy teny toy izao i Jesosy: “Ary raha tsy efa nohafohezina izany andro izany, dia tsy nisy nofo hovonjena; fa noho ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany.” (Matio 24:22). Inona no dikan’izany tamin’izay, ary inona no dikan’izany ankehitriny?
10. Ahoana no nanazavantsika ny Matio 24:22 teo aloha?
10 Tamin’ny lasa dia nohazavaina fa ireo “nofo hovonjena” dia nanondro ireo Jiosy tafita velona tamin’ilay fahoriana tao Jerosalema tamin’ny 70 am.f.i. Efa nandositra ireo Kristiana, hany ka afaka namela ny Romana hitondra fandravana haingana, Andriamanitra. Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoe, noho ny “olom-boafidy” efa afa-doza, dia azo nohafohezina ilay fahoriana, mba hamelana “nofo” jiosy sasany ho voavonjy. Noheverina fa ireo Jiosy tafita velona dia nampiseho ireo izay ho tafita velona amin’ilay fahoriana lehibe ho avy amin’ny androntsika. — Apokalypsy 7:14.
11. Nahoana no toa hita fa tokony haverina hodinihina ilay fanazavana ny Matio 24:22?
11 Mifanaraka amin’izay nitranga tamin’ny 70 am.f.i. ve anefa izany fanazavana izany? Nilaza i Jesosy fa hisy “nofo” olombelona tokony “hovonjena” amin’ilay fahoriana lehibe. Hampiasa ilay teny hoe ‘voavonjy’ ve ianao mba hilazalazana ireo 97 000 tafita velona, raha heverina amin’ny hoe an’arivony maro tamin’izy ireo no tsy ela dia maty noho ny hanoanana mafy na naripaka tany amin’ireo kianja filalaovana? Hoy i Josèphe momba ny kianja filalaovana iray tany Kaisaria: “Nihoatra ny 2 500 ny isan’ireo izay maty noho ny fiadiana tamin’ny biby dia, na tamin’izy samy izy, na noho izy ireo nodorana velona.” Na dia tsy maty nandritra ilay fahirano aza izy ireo, dia tsy ‘voavonjy’ velively. Ary moa ve i Jesosy hihevitra azy ireny ho mitovy amin’ireo olon-tsambatra ho tafita velona amin’ilay “fahoriana lehibe” ho avy?
Nofo voavonjy — Amin’ny fomba ahoana?
12. Iza ireo “olom-boafidy” nahaliana an’Andriamanitra tamin’ny taonjato voalohany?
12 Tamin’ny 70 am.f.i., dia tsy nihevitra ny Jiosy ara-nofo ho vahoaka voafidiny intsony Andriamanitra. Nasehon’i Jesosy fa nolavin’Andriamanitra io firenena io ary havelany hifarana ny tanàna renivohiny sy ny tempoliny ary ny rafi-panompoam-pivavahany. (Matio 23:37–24:2). Nifidy firenena vaovao iray Andriamanitra, dia ny Isiraely ara-panahy. (Asan’ny Apostoly 15:14; Romana 2:28, 29; Galatiana 6:16). Izy io dia voaforon’ny lehilahy sy vehivavy nofidina avy tamin’ny firenena rehetra ary voahosotra tamin’ny fanahy masina. (Matio 22:14; Jaona 15:19; Asan’ny Apostoly 10:1, 2, 34, 35, 44, 45). Taona maromaro talohan’ilay fanafihan’i Cestius Gallus, i Petera dia nanoratra tany amin’ny “olom-boafidy araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy”. Ny olona voahosotry ny fanahy toy izany dia “taranaka voafidy, fanjakà-mpisorona, firenena masina”. (1 Petera 1:1, 2; 2:9, izahay no manao sora-mandry.) Haka ireny olom-boafidy ireny ho any an-danitra Andriamanitra, mba hiara-manjaka amin’i Jesosy. — Kolosiana 1:1, 2; 3:12; Titosy 1:1; Apokalypsy 17:14.
13. Mety hanana heviny inona ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 24:22?
13 Manampy io fahafantarana ny olom-boafidy io, satria nilaza mialoha i Jesosy fa hohafohezina ireo androm-pahoriana “noho ny olom-boafidy”. Ny teny grika nadika hoe “noho” dia azo adika koa hoe “ho an’ny”. (Marka 2:27; Jaona 12:30; 1 Korintiana 8:11, NW; 9:10, 23; 11:9; 2 Timoty 2:10; Apokalypsy 2:3). Koa mety ho niteny toy izao àry i Jesosy: ‘Raha tsy hafohezina izany andro izany, dia tsy hisy nofo hovonjena; fa ho an’ny olom-boafidy dia hohafohezina izany andro izany’.c (Matio 24:22). Nisy ve zava-nitranga izay nitondra soa, na natao ‘ho an’ireo’ olom-boafidy kristiana voahazona tao Jerosalema?
14. Ahoana no namonjena “nofo” rehefa nitsoaka ady tamin’ny fomba tsy nampoizina niala tao Jerosalema, ny tafika romana tamin’ny 66 am.f.i.?
14 Tadidio fa tamin’ny 66 am.f.i. ny Romana dia nifindrafindra nanerana ilay tany, nitana an-keriny ny faritra ambony amin’i Jerosalema, ary nanomboka nandavaka ny fanambanin’ny manda. Nanazava toy izao i Josèphe: “Raha mba nikiry elaela kokoa fotsiny tamin’ilay fahirano izy, dia ho namabo ilay Tanàna avy hatrany.” Manontania tena hoe: ‘Nahoana ilay tafika romana mahery no nanajanona tampoka ilay ezaka ara-tafika ka nitsoaka ady “tamin-kadalana tanteraka”?’ Nanazava toy izao i Rupert Furneaux, manam-pahaizana manokana amin’ny fanazavana tantara miaramila: “Tsy misy mpanoratra tantara nahavita nanome antony sahaza ho an’ilay fanapahan-kevitra hafahafa sy nahitan-doza nataon’i Gallus.” Na inona na inona mety ho antony, ny vokany dia hoe, nohafohezina ilay fahoriana. Nitsoaka ady ny Romana, ary nanafika azy ny Jiosy iny izy ireo nandeha iny. Ahoana ny amin’ireo “olom-boafidy” kristiana voahosotra izay voahazona tao? Ny fialan’ny fahirano dia nidika fa voavonjy tamin’izay nety ho fandripahana nandrahona nandritra ilay fahoriana izy ireo. Noho izany, dia ireo Kristiana izay nandray soa avy tamin’ny fanafohezana ilay fahoriana tamin’ny 66 am.f.i. no “nofo” novonjena voalaza ao amin’ny Matio 24:22.
Inona no fonosin’ny hoavinao?
15. Nahoana ianao no hilaza fa tokony hahaliana manokana amin’ny androntsika ny Matio toko faha-24?
15 Mety hisy hanontany hoe: ‘Nahoana moa aho no tokony ho liana manokana amin’io fahatakarana mazava kokoa ny hevitry ny tenin’i Jesosy io?’ Misy antony ampy dia ampy mba hanatsoahan-kevitra fa tokony hanana fahatanterahana lehibe kokoa ny faminanian’i Jesosy, lasa lavitra kokoa noho izay nitranga mandra-pahatongan’ny taona 70 am.f.i. sy nandritra io fotoana io.d (Ampitahao amin’ny Matio 24:7; Lioka 21:10, 11; Apokalypsy 6:2-8.) Hatramin’ny am-polony taona maro ny Vavolombelon’i Jehovah dia nitory fa ny fahatanterahana lehibe mitranga amin’ny androntsika dia manaporofo fa afaka manampo “fahoriana lehibe” amin’ny ambaratonga lehibe isika amin’ny hoavy tsy ho ela. Mandritra izany, dia ahoana no hahatanterahan’ny teny ara-paminaniana ao amin’ny Matio 24:22?
16. Zava-misy mampahery inona no omen’ny Apokalypsy momba ilay fahoriana lehibe mihamanatona?
16 Roapolo taona teo ho eo taorian’ilay fahoriana tao Jerosalema, no nanoratan’ny apostoly Jaona ny bokin’ny Apokalypsy. Hamafisin’izy io fa hisy fahoriana lehibe iray amin’ny hoavy. Ary noho isika liana amin’izay zavatra misy fiantraikany eo amintsika manokana, dia mety hanamaivamaivana antsika ny mahafantatra fa manome toky antsika ara-paminaniana ny Apokalypsy fa hisy nofo olombelona ho velona hamakivaky io fahoriana lehibe ho avy io. I Jaona dia nilaza mialoha ny amin’ny “olona betsaka (...) avy tamin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny”. Iza moa izy ireo? Nisy feo avy tany an-danitra namaly toy izao: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:9, 14). Eny, ho tafita velona izy ireo! Ny Apokalypsy koa dia manolotra antsika fahatakarana hevi-dalina momba izay ho fitrangan-javatra amin’ilay fahoriana lehibe ho avy sy ny fomba hahatanterahan’ny Matio 24:22.
17. Hahatafiditra inona ny fanombohan’ilay fahoriana lehibe?
17 Hanomboka io fahoriana io ny fanafihana vehivavy janga ara-panoharana iray antsoina hoe “Babylona Lehibe”. (Apokalypsy 14:8; 17:1, 2). Mampiseho ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso izy io, ka ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana no meloka indrindra aminy. Araka ny teny ao amin’ny Apokalypsy 17:16-18, dia homen’Andriamanitra fo hanafika io vehivavy janga ara-panoharana io, ny tapany ara-politika.e Eritrereto ny mety ho fisehoan’izany amin’ireo ‘olom-boafidin’Andriamanitra’ voahosotra sy ny “olona betsaka” miara-miasa aminy. Rehefa mandroso io fanafihana mandravarava hatao amin’ny fivavahana io, dia mety ho toa hanafoana ireo fikambanana ara-pivavahana rehetra ilay izy, tafiditra amin’izany ny vahoakan’i Jehovah.
18. Nahoana no mety ho toa tsy hisy “nofo” ho voavonjy amin’ilay fanombohan’ny fahoriana lehibe?
18 Amin’izay no ho tanteraka amin’ny ambaratonga lehibe ny tenin’i Jesosy hita ao amin’ny Matio 24:22. Toy ny toa naha-tandindomin-doza ireo olom-boafidy tao Jerosalema, no mety ho toa hahatandindomin’ny fanjavonana koa an’ireo mpanompon’i Jehovah mandritra ilay fanafihana ny fivavahana, toy ny hoe hanafoana ny “nofo” rehetra ao amin’ny vahoakan’Andriamanitra io fanafihana io. Kanefa aoka hotadidintsika izay nitranga tamin’ny taona 66 am.f.i. Nohafohezina ilay fahoriana nampianjadian’ny Romana, ka namela ny olom-boafidin’Andriamanitra voahosotra hanana fahafahana malalaka tsara handositra sy hitoetra ho velona. Araka izany, dia afaka matoky isika fa ilay fanafihana mandrava hatao amin’ny fivavahana dia tsy havela hamongotra ny kongregasiona maneran-tany misy ireo mpivavaka marina. Hitranga haingana izy io, toy ny “indray andro monja”. Amin’ny fomba mbola tsy fantatra anefa, dia hohafohezina izy io, tsy havela hanatanteraka hatramin’ny farany ny zava-kendreny, mba ‘hahavoavonjy’ ny vahoakan’Andriamanitra. — Apokalypsy 18:8.
19. a) Inona no hiharihary aorian’ilay tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe? b) Hitarika ho amin’inona izany?
19 Rehefa afaka izany, dia hitohy kelikely ireo tapany hafa amin’ny fandaminan’i Satana Devoly eto an-tany, hitomany ny famoizana ireo fifampiraharahana ara-barotra nifanaovany tamin’ilay sakaiza ratsiny ara-pivavahana taloha. (Apokalypsy 18:9-19). Amin’ny fetrany sasany, dia ho tsikaritr’izy ireo fa mbola tavela ireo tena mpanompon’Andriamanitra, “mitoetra tsy manana ahiahy (...), samy monina ao an-tanàna tsy misy mànda”, sady toa haza mora azo. Zavatra tsy ampoizina toy inona moa no miandry azy ireo! Ho famaliana ny tena fanafihana iray na ny fandrahonana hanao izany amin’ireo mpanompony, Andriamanitra dia hitsangana hitsara ny fahavalony ao anatin’ny tapany farany amin’ny fahoriana lehibe. — Ezekiela 38:10-12, 14, 18-23.
20. Nahoana no tsy hampidi-doza ny vahoakan’Andriamanitra ilay tapany faharoa amin’ny fahoriana lehibe?
20 Io tapany faharoa amin’ny fahoriana lehibe io dia hifanitsy amin’izay nitranga tamin’i Jerosalema sy ireo mponina tao aminy, tamin’ilay fanafihana faharoa nataon’ny Romana tamin’ny 70 am.f.i. Ho voaporofo fa ho “fahoriana lehibe, izay tsy mbola nisy toa azy hatrizay niandohan’izao tontolo izao ka mandraka ankehitriny, sady tsy hisy intsony”, izy io. (Matio 24:21). Afaka matoky anefa isika fa tsy ho ao anatin’ny faritra mampidi-doza, mety hahavoavono azy, ireo olom-boafidin’Andriamanitra sy ireo namany. Tsy handositra any amin’ny faritra manokana iray akory izy ireo. Ireo Kristiana tamin’ny taonjato voalohany tao Jerosalema dia afaka nandositra io tanàna io nankany amin’ireo faritra be tendrombohitra, toa an’i Pela teny ampitan’i Jordana. Amin’ny hoavy anefa, ireo Vavolombelona mahatokin’Andriamanitra dia hanerana ny bolan-tany manontolo, koa tsy hifototra amin’ny faritra manokana iray ny tsy fananana ahiahy sy ny fiarovana.
21. Iza no hanao ilay ady farany, ary inona no ho vokatr’izany?
21 Tsy ho avy amin’ireo tafik’i Roma, na izay mety ho masoivoho olombelona hafa, ilay fandravana. Lazalazain’ny bokin’ny Apokalypsy kosa fa avy any an-danitra ireo tafika mpandringana. Eny, ilay tapany farany amin’ny fahoriana lehibe dia hotanterahina, tsy amin’ny alalan’ny tafika olombelona na iza na iza, fa amin’ny alalan’ny “Tenin’Andriamanitra”, i Jesosy Kristy Mpanjaka, ampian’ireo “antokon’ny miaramila any an-danitra”, anisan’izany ireo Kristiana voahosotra ho tafatsangana amin’ny maty. Hanatontosa fandringanana tanteraka kokoa noho izay nataon’ny Romana tamin’ny 70 am.f.i. ilay “Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo”. Hofoanan’izany ny olombelona rehetra mpanohitra an’Andriamanitra — ireo mpanjaka, mpifehy arivo, na andevo na tsy andevo, na kely na lehibe. Na dia ireo fandaminan’olombelona eo amin’ny tontolon’i Satana aza dia hifarana. — Apokalypsy 2:26, 27; 17:14; 19:11-21; 1 Jaona 5:19.
22. Amin’ny heviny fanampiny inona no hisian’ny “nofo” hovonjena?
22 Tsarovy fa hisy “nofo”, ny sisa voahosotra sy ny “olona betsaka”, efa hovonjena sahady rehefa ho rendrika faingana sy tanteraka ao amin’ny tapany voalohany amin’ilay fahoriana, i Babylona Lehibe. Toy izany koa fa, amin’ny tapany farany amin’ilay fahoriana, dia hovonjena ny “nofo” izay nandositra teo amin’ny andaniny misy an’i Jehovah. Ho toy inona moa ny hifanoheran’izany amin’ilay niafaran’ireo Jiosy nikomy tamin’ny 70 am.f.i.!
23. Afaka miandrandra inona ny “nofo” ho tafita velona?
23 Eo am-pieritreretana ny amin’izay mety hitranga amin’ny hoavinao manokana sy ny an’ireo olo-malalanao, dia mariho izay ampanantenaina ao amin’ny Apokalypsy 7:16, 17: “Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ondry Izay eo afovoan’ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharanon’ny ranon’aina; ary hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.” Azo antoka fa izany marina tokoa no atao hoe “hovonjena” amin’ny heviny mahatalanjona sy maharitra.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Jona 1996, pejy faha-14-19.
b Hoy i Josèphe: “Rehefa niditra i Titus dia talanjona noho ny hamafin’ilay tanàna (...). Nihiaka mafy toy izao izy: ‘Nomba antsika Andriamanitra; Andriamanitra no nampianjera ny Jiosy avy tamin’itony fiarovana mafy itony; fa inona moa no azon’ny tanan’olombelona na azon’ny fitaovana atao amin’ny tilikambo toy itony?’ ”
c Mahaliana fa ilay soratr’i Shem-Tob momba ny Matio 24:22 dia mampiasa ilay teny hebreo hoe ʽa·vurʹ, izay midika hoe “ho an’ny, noho ny, mba ho”. — Jereo ilay lahatsoratra teo aloha, pejy faha-13.
d Jereo Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Febroary 1994, pejy faha-11, 12, sy ilay tabilao ao amin’ny pejy faha-14, 15, izay mametraka ao anatin’ny tsanganan-tsoratra mifanandrify ny valin-tenin’i Jesosy ara-paminaniana hita ao amin’ny Matio toko faha-24, Marka toko faha-13, sy Lioka toko faha-21.
e Jereo Ny Fanambarana — Akaiky ny Fiafarany Malaza!, pejy faha-235-258, navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, tamin’ny 1988.
Ahoana no Havalinao?
◻ Inona avy ireo tapany roa tamin’ny fanafihan’ny tafika romana an’i Jerosalema?
◻ Nahoana no tsy azo inoana fa ireo Jiosy 97 000 tafita velona tamin’ny 70 am.f.i. no nahaforona ilay “nofo” voalaza ao amin’ny Matio 24:22?
◻ Ahoana no nanafohezana ireo andron’ny fahorian’i Jerosalema, ary ahoana no nisian’ny “nofo” voavonjy tamin’izany?
◻ Amin’ilay fahoriana lehibe mihamanatona, ahoana no hanafohezana ireo andro ka hisian’ny “nofo” hovonjena?
[Sary, pejy 16]
Vola madinika jiosy notefena taorian’ny fikomiana. Ireo litera hebreo dia milaza hoe “Taona faharoa”, izany hoe 67 am.f.i., ilay taona faharoan’ny fizakan-tenan’izy ireo
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.
[Sary, pejy 17]
Vola madinika romana notefena tamin’ny 71 am.f.i. Eo ankavia misy Romana mitam-piadiana; eo ankavanana Jiosy vavy mitomany. Ny teny hoe “IVDAEA CAPTA” dia midika hoe “Jodia Babo”
[Sary nahazoan-dalana]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.