Akaiky Ilay Andron’i Jehovah Mahatahotra
“Nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” — MALAKIA 3:16.
1, 2. Nampitandrina mialoha ny amin’ny andro mahatahotra inona moa i Malakia?
MAHATAHOTRA! Rehefa nangiran-dratsy ny andro tamin’ny 6 Aogositra 1945, dia potika tao anatin’ny indray mihelina ny tanàna lehibe iray. Tokony ho 80 000 no maty! An’aliny maro no naratra mafy ka maty! Nisy afo nidedadeda! Ilay baomba niokleary no nahatonga izany. Nanao ahoana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’io loza nahatsiravina io? Noho ny fitarihan’Andriamanitra, dia tsy nisy afa-tsy Vavolombelona iray monja tany Hiroshima tamin’io fotoana io — voatana tao ambadik’ireo rindrim-piarovan’ny tranomaizina nisy azy noho ny tsy fivadihana kristiana. Nirodana ka nanjary antontan-javatra rava ilay tranomaizina, fa tsy naratra ilay rahalahintsika. Araka ny filazany azy, dia navoakan’ny baomba ataomika avy tao an-tranomaizina izy — angamba izany no hany vokatra tsara notanterahin’ilay baomba.
2 Na dia nahatahotra toy inona aza ny fipoahan’iny baomba iny, dia tsinontsinona izany rehefa oharina amin’ny “andron’i Jehovah, ilay lehibe sady mahatahotra” izay efa tsy ho ela intsony. (Malakia 3:23). Ekena fa efa nisy andro nahatahotra tamin’ny lasa, kanefa dia hihoatra ireo rehetra ireo io andron’i Jehovah io. — Marka 13:19.
3. Inona no fifanoherana tokony homarihina eo amin’ny “nofo rehetra” sy ny fianakavian’i Noa, ka izany dia nitarika ho amin’ny Safo-drano?
3 Tamin’ny andron’i Noa, “ny nofo rehetra [dia] samy efa nanimba ny làlany avy tambonin’ny tany”, ka nanambara Andriamanitra hoe: “Efa heni-doza ny tany noho ny amin’ny olona, ka, indro, efa handringana azy mbamin’ny tany Aho”. (Genesisy 6:12, 13). Araka ny voarakitra ao amin’ny Matio 24:39, dia nilaza i Jesosy fa ny olona dia “[tsy nanisy fiheverana, NW ] mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra”. Fa i Noa nahatoky, “mpitory ny fahamarinana”, kosa, dia tafita velona tamin’iny Safo-drano iny, niaraka tamin’ny fianakaviany natahotra an’Andriamanitra. — 2 Petera 2:5.
4. Ohatra ho fampitandremana inona no nomen’i Sodoma sy i Gomora?
4 “Ary toy izany koa”, hoy ny filazan’ny Joda 7, “Sodoma sy Gomora mbamin’ny tanàna nanodidina azy, izay nijangajanga (...) ka lasa nanaraka nofo hafa, dia aseho ho fananarana amin’ny iaretany fijaliana amin’ny afo maharitra mandrakizay.” Maty ireny olona ratsy fanahy ireny noho ny fomba fiainany naloto tamin’ny fomba naharikoriko. Aoka hahazo fampitandremana ireo fiaraha-monina mirona ho amin’ny lahy sy ny vavy, eto amin’itỳ tontolo maoderina itỳ! Mariho anefa, fa voatsimbina tamin’io loza nahatsiravina io ny ain’i Lota natahotra an’Andriamanitra sy ny zanany vavy, toy ny hiarovana ireo mpivavaka amin’i Jehovah mandritra ny fahoriana lehibe manatona haingana. — 2 Petera 2:6-9.
5. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny didim-pitsarana nampiharina tamin’i Jerosalema?
5 Ankoatra izany, dia hevero ireo ohatra ho fampitandremana nomena rehefa nampiasa miaramila mpanafika i Jehovah mba handrava tanteraka an’i Jerosalema, ilay tanàna be voninahitra izay “fifalian’ny tany rehetra” taloha. (Salamo 48:2). Nitranga ireo fisehoan-javatra nampalahelo ireo tamin’ny 607 al.f.i. aloha, ary avy eo indray tamin’ny 70 am.f.i., satria nandao ny fanompoam-pivavahana marina ireo nihambo ho vahoakan’Andriamanitra. Soa ihany fa nisy mpanompon’i Jehovah tsy nivadika izay tafita velona. Ilay loza tamin’ny 70 am.f.i. (aseho an-tsary ao ambadika) dia lazalazaina ho “fahoriana izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nanaovan’Andriamanitra izao tontolo izao ka mandraka izao ankehitriny izao”. Izy io dia nanaisotra indray mandeha tsy niverina ny fandehan-javatra jiosy nivadi-pinoana, ary azo antoka fa tamin’io lafiny io izy io no lazaina hoe “sady tsy hisy intsony”. (Marka 13:19). Kanefa na dia io fampiharana ny didim-pitsaran’Andriamanitra io aza dia aloka fotsiny, alok’ilay “fahoriana lehibe” izay mandrahona ankehitriny ny fandehan-javatra eo amin’izao tontolo izao manontolo. — Apokalypsy 7:14.
6. Nahoana i Jehovah no mamela ny hisian’ny loza lehibe?
6 Nahoana Andriamanitra no namela ny hisian’ny loza lehibe nahatsiravina, niaraka tamin’ny famoizana aina maro be toy izany? Tamin’izay nitranga tamin’i Noa sy i Sodoma sy i Gomora ary i Jerosalema, i Jehovah dia nampihatra didim-pitsarana tamin’ireo izay nanimba ny lalany teto an-tany, ireo izay nandoto itỳ planeta kanto itỳ tamin’ny fandotoana ara-bakiteny sy tamin’ny fietrena ara-pitondran-tena, ireo izay nivadika tamin’ny fanompoam-pivavahana marina na nandao izany. Amin’izao andro izao isika dia eo an-katoky ny fampiharana didim-pitsarana iray mahafaoka ny zava-drehetra izay hanerana ny tany manontolo. — 2 Tesaloniana 1:6-9.
“Amin’ny andro farany”
7. a) Faminaniana ny amin’inona ireo didim-pitsaran’Andriamanitra fahiny? b) Fahatsinjovan-javatra be voninahitra inona no ho avy tsy ho ela?
7 Ireny fandravana tamin’ny andro fahiny ireny dia faminaniana ny amin’ilay fahoriana lehibe sy mahatahotra voalazalaza ao amin’ny 2 Petera 3:3-13. Hoy ilay apostoly: “Fantatrareo voalohany indrindra fa amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira avy haniratsira, mandeha araka ny filany”. Avy eo, rehefa nifantoka tamin’ny andron’i Noa i Petera, dia nanoratra hoe: “Rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; fa izao lanitra sy tany ankehitriny izao dia hazonin’izany teny izany ho amin’ny afo ka tehirizina ho amin’ny andro fitsarana sy fandringanana ny ratsy fanahy.” Raha vao afaka izany lehibe indrindra amin’ny fahoriana rehetra izany, dia hanomboka hanana endrika vaovao ny fanapahan’ilay Fanjakan’ny Mesia nandrasana hatramin’ny ela — “lanitra vaovao sy tany vaovao, izay itoeran’ny fahamarinana”. Fahatsinjovan-javatra mahafaly toy inona moa izany!
8. Ahoana no nandrosoan’ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao ho amin’ny fiafarany lehibe?
8 Nandritra ny taonjato faha-20 misy antsika, dia nandroso tsikelikely ho amin’ny fiafarany lehibe ireo fisehoan-javatra eo amin’izao tontolo izao. Na dia tsy avy amin’ny andro famangian’Andriamanitra aza ilay fandravana an’i Hiroshima, dia azo ampidirina ao amin’ireo “zava-mahatahotra” izay ho amin’ny fotoan’ny farany izany, araka ny faminanian’i Jesosy. (Lioka 21:11). Izany dia nanome fiaingana ho an’ny fandrahonana niokleary izay mbola mitatao eo amin’ny taranak’olombelona foana. Araka izany, dia vakina toy izao ny matoam-baovao iray tao amin’ny The New York Times tamin’ny 29 Novambra 1993: “Na dia Lany Andro Aza ny Basy, dia Mbola Vonon-kiasa ny Fitaovam-piadiana Niokleary”. Mandritra izany fotoana izany dia manohy mijinja vokatra mampihorohoro ireo ady ifanaovan’ny firenena sy firazanana ary foko. Tamin’ireo ady taloha, ny ankamaroan’ireo niharam-pahavoazana noho ny ady dia teo amin’ireo miaramila. Amin’izao andro izao, dia 80 isan-jaton’ireo niharam-pahavoazana noho ny ady no lazaina fa sivily, ankoatra an’ireo olona an-tapitrisany maro izay mandositra ny tany niaviany amin’ny maha-mpitsoa-ponenana.
9. Ahoana no nanehoan’ireo filoha ara-pivavahana fisakaizana amin’izao tontolo izao?
9 Matetika ireo filoha ara-pivavahana no nampiseho ary mbola mampiseho ihany “fisakaizana amin’izao tontolo izao” amin’ny fitsabahana amim-paharisihana amin’ireo ady sy revaolisiona nisy ra nandriaka. (Jakoba 4:4). Ny sasany dia niara-niasa tamin’ireo tremalahy feno faniriana mihoa-pampana eo amin’ny tontolon’ny varotra, rehefa namokatra fitaovam-piadiana tsy toko tsy forohana izy ireo ary nanorina fandaminana goavana ho an’ny tsenan’ny zava-mahadomelina. Ohatra, rehefa nanao tatitra ny amin’ny famonoana ilay Amerikana tatsimo, lehiben’ny mpivarotra zava-mahadomelina, ny The New York Times, dia nilaza hoe: “Nanafina ny varotra zava-mahadomelina nataony izy io tao ambadik’izay nolazainy fa harena azony tamin’ny fandraharahana ara-dalàna sy tao ambadiky ny fisehoany ho mpanao soa, ka nianto-tena tamin’ny fampisehoany manokana tao amin’ny radio izy, ary matetika nisy pretra katolika niaraka taminy.” Nanao tatitra ny The Wall Street Journal fa ankoatra ny fanimbany ny fiainan’olona an-tapitrisany maro izay tonga za-dratsy tamin’ny zava-mahadomelina, io lehiben’ny mpivarotra zava-mahadomelina io dia nitarika ny famonoana olona an’arivony maro. Nanamarika toy izao ny The Times tany Londres: “Ireo mpamono olona matetika dia mandoa vola mba hanaovana Lamesa manokana ho fisaorana (...) amin’ny fotoana iray ihany amin’ilay anaovana ny lamesam-pandevenana an’ilay novonoiny, any an-toeran-kafa.” Faharatsiam-panahy re izany!
10. Ahoana no tokony ho fiheverantsika ny toe-piainana miharatsy hatrany eo amin’izao tontolo izao?
10 Iza moa no mahafantatra izay fanimbana an’itỳ tany itỳ mbola mety hataon’ny olona asesiky ny demonia? Araka ny lazain’ny 1 Jaona 5:19, ‘izao tontolo izao dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa’, dia i Satana Devoly. Amin’izao andro izao, dia “loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny”. (Apokalypsy 12:12). Soa ihany anefa fa manome toky antsika ny Romana 10:13 fa “izay rehetra miantso ny anaran’[i Jehovah, NW ] no hovonjena”.
Manatona ho fitsarana, Andriamanitra
11. Toe-piainana nanao ahoana teo amin’ny Isiraely no nampahatsiahivin’ny faminanian’i Malakia?
11 Raha ny amin’ny hoavin’ny taranak’olombelona tsy ho ela, dia manazava izay madiva hitranga ny faminanian’i Malakia. I Malakia no farany amin’ilay lisitra lava be misy ireo mpaminany hebreo fahiny. Nahita ny naha-lao an’i Jerosalema tamin’ny 607 al.f.i., ny Isiraely. Kanefa 70 taona tatỳ aoriana i Jehovah dia naneho hatsaram-panahy niharo fitiavana tamim-pamindram-po, tamin’ny famerenana io firenena io tany amin’ny taniny. Tao anatin’ny zato taona anefa, dia latsaka tao amin’ny fivadiham-pinoana sy ny faharatsiana indray ny Isiraely. Nanala baraka ny anaran’i Jehovah ny olona, tsy niraharaha ny lalàny marina sy nandoto ny tempoliny tamin’ny fitondrana biby hatao sorona jamba sy mandringa ary marary. Nisaraka tamin’ny vadin’ny fahatanorany izy ireo mba hahafahany hanambady vehivavy vahiny. — Malakia 1:6-8; 2:13-16.
12, 13. a) Fanadiovana inona no tena nilaina ho an’ny kilasin’ny mpisorona voahosotra? b) Amin’ny ahoana koa ny olona betsaka no mandray soa amin’ny fanadiovana?
12 Nilaina ny asa fanadiovana. Voalazalaza ao amin’ny Malakia 3:1-4 izany. Sahala amin’ny Isiraely fahiny, dia nila nodiovina ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny andro maoderina, ka azo ampiharina amin’izy ireo ilay asa fanadiovana voalazalazan’i Malakia. Raha nanatona ny fifaranany ny ady lehibe voalohany, dia tsy nitana fialanalanana hentitra teo amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny sasany tamin’ireo Mpianatra ny Baiboly, araka ny nahafantarana ny Vavolombelona tamin’izany. Tamin’ny 1918, dia nandefa an’i Kristy Jesosy, ilay “Iraky ny fanekena”, tao amin’ny fandaharan’ny tempoliny ara-panahy, i Jehovah, mba hanadio ilay antokon’olom-bitsy mpivavaka taminy ho afaka tamin’ny pentin’izao tontolo izao. Nanontany toy izao ara-paminaniana i Jehovah: “Iza no mahatanty ny andro hihavian[’ilay iraka]? Ary iza no mahajanona, raha miseho Izy? Fa Izy dia tahaka ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba. Ary hipetraka handrendrika sy hanadio volafotsy Izy; eny, hanadio ny taranak’i Levy [antokon’ny mpisorona voahosotra] Izy sy handrendrika azy toy ny fandrendrika volamena sy volafotsy, ka dia ho an’i Jehovah ireny ho mpanatitra fanatitra amim-pahamarinana.” Tamin’ny naha-vahoaka voadio azy ireo, dia izany indrindra no nataony!
13 Ny isan’ireo antokon’ny mpisorona voahosotra dia 144 000 monja. (Apokalypsy 7:4-8; 14:1, 3). Ahoana anefa ny amin’ireo Kristiana nanolo-tena hafa amin’izao andro izao? Mitombo ho an-tapitrisany maro izao izy ireny ka mahaforona “olona betsaka” izay tokony hodiovina koa ho afaka amin’ireo fomban’izao tontolo izao, ‘amin’ny fanasana sy famotsiana ny akanjony amin’ny ran’ny Zanak’ondry’. (Apokalypsy 7:9, 14). Araka izany, amin’ny fanehoana finoana ny sorom-panavotan’ny Zanak’ondry, i Kristy Jesosy, dia afaka mitana ny toerana madio eo anatrehan’i Jehovah izy ireo. Ampanantenaina fahatafitana velona amin’ilay fahoriana lehibe manontolo, dia ilay andron’i Jehovah mahatahotra, izy ireo. — Zefania 2:2, 3.
14. Teny inona avy no tokony harahin’ny vahoakan’Andriamanitra amin’izao andro izao eo am-panohizany mamboly ny toetra vaovao?
14 Miaraka amin’ireo sisa mpisorona, io olona betsaka io dia tsy maintsy manaraka ireto tenin’Andriamanitra fanampiny ireto: “Hanatona anareo ho fitsarana Aho ka ho vavolombelona faingana hanameloka ny mpanana ody sy ny mpijangajanga sy ny mpianian-tsy to sy ny mpampahory ny mpikarama amin’ny karamany mbamin’ny mpitondratena sy ny kamboty ary izay mampahory ny vahiny; fa tsy matahotra Ahy izy (...). Fa Izaho Jehovah dia tsy miova”. (Malakia 3:5, 6). Tsia, tsy miova ny fari-pitsipik’i Jehovah. Koa noho izy ireo matahotra an’i Jehovah, ny vahoakany dia tsy maintsy manalavitra ny karazana fanompoan-tsampy rehetra, tsy maintsy milaza sy manao ny marina ary tsy maintsy malala-tanana eo am-panohizany mamboly ny toetra kristiana. — Kolosiana 3:9-14.
15. a) Fanasana mampiseho famindram-po inona no atolotr’i Jehovah? b) Ahoana no azontsika analavirana ny ‘handroba’ an’i Jehovah?
15 Manolotra fanasana ho an’izay mety ho niala tamin’ny lalany marina i Jehovah amin’ny filazana hoe: “Miverena amiko, dia mba hiverina ho aminareo kosa Aho”. Raha manontany ireo hoe: “Ahoana ary no ho fiverinay?”, dia mamaly izy hoe: “Mandroba Ahy hianareo”. Ho valin’ilay fanontaniana fanampiny hoe: “Amin’inona moa no androbanay Anao?”, dia milaza i Jehovah fa nandroba azy izy ireo tamin’ny tsy fitondrana ny tena tsara indrindra nananany ho fanatitra ho an’ny asa tao amin’ny tempoliny. (Malakia 3:7, 8). Noho isika tonga anisan’ny vahoakan’i Jehovah, dia tokony haniry marina tokoa hanokana ny tsara indrindra amin’ny herintsika sy ny fahaizantsika ary izay ananantsika ho amin’ny fanompoana an’i Jehovah isika. Araka izany, dia tsy handroba an’Andriamanitra isika fa ‘tsy hitsahatra kosa hikatsaka voalohany indrindra ilay fanjakany sy ny fahamarinany’. — Matio 6:33, NW.
16. Fampaherezana inona no hitantsika ao amin’ny Malakia 3:10-12?
16 Misy valisoa lehibe ho an’izay rehetra manary ireo fomba eo amin’izao tontolo izao, dia fomba izay tsy mitondra soa afa-tsy ho an’ny tena manokana sy mampiseho fitiavana fatratra zavatra ara-nofo, araka ny asehon’ny Malakia 3:10-12 toy izao: “Izahao toetra amin’izany Aho, hoy Jehovah, Tompon’ny maro, raha tsy hovohàko ny varavaran’ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” Mampanantena fanambinana ara-panahy sy vokatra be dia be ho an’izay rehetra mankasitraka, i Jehovah. Nanampy teny toy izao izy: “Hianareo hataon’ny firenena rehetra hoe sambatra; fa ho tany mahafinaritra hianareo”. Tsy izany ve no hita eo amin’ireo olon’Andriamanitra feno fankasitrahana an-tapitrisany maro maneran-tany amin’izao andro izao?
Ireo mpihazona tsy fivadihana ao anatin’ilay bokin’ny fiainana
17-19. a) Nanao ahoana ny fiantraikan’ilay fikorontanana lehibe tany Rwanda teo amin’ireo rahalahintsika tany? b) Tamim-piekena mafy ny amin’inona no nandrosoan’ireo tsy nivadika rehetra ireo?
17 Eto isika dia afaka manao fanamarihana ny amin’ny tsy fivadihan’ireo rahalahintsika sy anabavintsika rwandais. Izy ireo dia nitondra mandrakariva ny tsara indrindra tamin’ny fanatitra ara-panahy ho an’ny trano ara-panahy fanaovana fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah. Ohatra, tamin’ny Fivoriamben’ny Distrika “Fampianarana Araka An’Andriamanitra” nataon’izy ireo tamin’ny Desambra 1993, ireo mpitory ilay Fanjakana 2 080 teo amin’izy ireo dia nahazo mpanatrika 4 075. Nisy Vavolombelona vao natao batisa 230, ka efa ho ny 150 tamin’izy ireo no nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy ny volana nanaraka.
18 Rehefa nipoaka ny fankahalana ara-poko tamin’ny Aprily 1994, dia Vavolombelona 180 fara fahakeliny no maty novonoina, anisan’izany ny mpiandraikitra ny tanàna tao Kigali renivohitra, sy ny fianakaviany iray manontolo. Nisy mpandika teny enina tao amin’ny biraon’ny Fikambanana Watch Tower tao Kigali, ny efatra tamin’izy ireo dia Hutu, ary ny roa Tutsi. Nanohy niasa nandritra ny herinandro maromaro tao anatin’ny fandrahonana mafy izy ireo, mandra-pahatongan’ny fotoana naha-voatery an’ireo Tutsi handositra. Novonoina ihany anefa ireo Tutsi ireo teo amin’ny arabe voasakana iray. Farany, dia nandositra nankany Goma, any Zaïre, ireo efatra sisa, nitondra izay tavela tamin’ireo fitaovany momba ny ordinatera. Tany izy ireo dia nanohy tamim-pahatokiana nandika Ny Tilikambo Fiambenana amin’ny fiteny kinyarwanda. — Isaia 54:17.
19 Na dia tao anatin’ny toe-javatra faran’izay nampihorohoro aza ireo Vavolombelona mpitsoa-ponenana ireo, dia nangataka mandrakariva sakafo ara-panahy talohan’ny vatsy ara-nofo izy ireo. Tamin’ny fanaovana sorona lehibe, dia afaka nandefa fanampiana tody tany aminy, ireo rahalahy be fitiavana avy any amin’ny tany maromaro. Tamin’ny tenin’ny vavany sy tamin’ny filaminany tao anatin’ny tarehin-javatra nampisy fihenjanana, dia nanao fanambarana mahatalanjona ireny mpitsoa-ponenana ireny. Nanohy nitondra ny tsara indrindra nananany ho an’ny fanompoam-pivavahana tamin’i Jehovah tokoa izy ireo. Izy ireo dia naneho fiekena mafy toy ny an’i Paoly, izay voalaza ao amin’ny Romana 14:8 manao hoe: “Raha velona isika, dia velona ho an’[i Jehovah, NW ]; ary raha maty isika, dia maty ho an’[i Jehovah, NW ]; koa amin’izany, na velona na maty isika, dia an’[i Jehovah, NW ] ihany.”
20, 21. a) Ny anaran’iza avy no tsy voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovan’i Jehovah? b) Ny anaran’iza avy no miseho ao amin’ilay boky, ary nahoana?
20 Mitana an-tsoratra izay rehetra manompo azy amin’ny tsy fivadihana i Jehovah. Mitohy toy izao ilay faminanian’i Malakia: “Tamin’izany izay natahotra an’i Jehovah dia samy niresaka tamin’ny namany avy; ary Jehovah nihaino ka nandre izany; ary nisy boky nosoratana teo anatrehany ho fahatsiarovana izay matahotra an’i Jehovah sy mihevitra ny anarany.” — Malakia 3:16.
21 Zava-dehibe toy inona moa amin’izao andro izao ny anehoantsika fahatahorana araka an’Andriamanitra rehefa manome voninahitra ny anaran’i Jehovah! Amin’ny fanaovana izany, isika dia tsy hizaka fanamelohana toy ireo izay manohana amim-pankatelemana ny fandehan-javatra eto amin’itỳ tontolo itỳ. Milaza ny Apokalypsy 17:8 fa “tsy voasoratra eo amin’ny bokin’ny fiainana” ny anaran’izy ireny. Araka ny fandrindran-kevitra, ny anarana miavaka indrindra voasoratra ao amin’ny bokin’i Jehovah, ilay bokin’ny fiainana, dia ny an’ilay Fiasana Lehibe Indrindra mba hahazoana fiainana, Jesosy Kristy, ilay Zanak’Andriamanitra manokana. Manambara toy izao ny Matio 12:21: “Ary ny anarany no hitokian’ny jentilisa”. Ny sorom-panavotan’i Jesosy dia miantoka fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra maneho finoana an’izany. Tombontsoa toy inona moa ny fananana ny anarantsika isam-batan’olona hiampy ao amin’izany horonana misy ny anaran’i Jesosy izany!
22. Fiavahana inona no hiharihary rehefa hampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah?
22 Hanao ahoana ny mpanompon’Andriamanitra amin’ilay fitsarana? Mamaly toy izao i Jehovah ao amin’ny Malakia 3:17, 18: “Ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy. Ka dia ho hitanareo indray ny tsi-fitovian’ny marina sy ny meloka, dia ny manompo an’Andriamanitra sy ny tsy manompo Azy.” Hazava amin’ny rehetra ilay fizarana: ny ratsy fanahy sarahina ho amin’ny fandringanana mandrakizay, ary ny marina ekena ho amin’ny fiainana mandrakizay eo amin’ny faritr’ilay Fanjakana. (Matio 25:31-46, NW ). Araka izany, dia hisy olona betsaka toy ny ondry ho tafita velona amin’ilay andron’i Jehovah mahatahotra.
Tadidinao Ve?
◻ Didim-pitsarana inona avy no nampiharin’i Jehovah tamin’ny andron’ny Baiboly?
◻ Amin’ny ahoana ny toe-piainana amin’izao andro izao no mifanitsy amin’ilay tamin’ny andro fahiny?
◻ Fanadiovana inona no nitranga ho fahatanterahan’ny faminanian’i Malakia?
◻ Ny anaran’iza avy no voasoratra ao amin’ny boky fahatsiarovan’Andriamanitra?