“Lazao Aminay: Rahoviana no ho Tonga Izany Zavatra Izany?”
“Zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.” — ISAIA 42:9.
1, 2. a) Zavatra inona momba ny hoavy no nanontanian’ireo apostoly an’i Jesosy? b) Ahoana no namalian’i Jesosy ny amin’ny fahatanterahan’ny famantarana iray maro loha?
NY FAMPIANARANA araka an’Andriamanitra dia avy amin’i Jehovah Andriamanitra, Ilay “manambara ny farany hatramin’ny voalohany”. (Isaia 46:10). Araka ny nasehon’ilay lahatsoratra teo aloha, ireo apostoly dia nitady izany fampianarana izany avy tamin’i Jesosy, ka nanontany azy hoe: “Lazao aminay: Rahoviana no [ho tonga izany zavatra, NW] izany? ary inona no ho famantarana, rehefa ho tonga izany rehetra izany?” — Marka 13:4.
2 Ho valin’izany, i Jesosy dia nilazalaza ny amin’ny “famantarana” iray maro loha voaforona fisehoan-javatra izay hanaporofo fa hifarana tsy ho ela ny fandehan-javatra jiosy. Izany dia tanteraka tamin’ny fandravana an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.f.i. Ny faminanian’i Jesosy anefa dia tokony hanana fahatanterahana lehibe kokoa, taona maro tatỳ aoriana. Raha vao nifarana tamin’ny 1914 “ny andron’ny jentilisa [“fotoana voatondro ho an’ireo firenena”, NW]”, dia hisy famantarana iray amin’ny lafiny lehibe hanan-kery, ka hampiseho fa tsy ho ela dia hifarana amin’ny “fahoriana lehibe” ny fandehan-javatra ratsy ankehitriny.a (Lioka 21:24). Olona an-tapitrisany maro velona amin’izao andro izao no afaka manamarina fa io famantarana io dia tanteraka tamin’ireo ady maneran-tany sy ireo fisehoan-javatra lehibe hafa tamin’itỳ taonjato faha-20 itỳ. Izy ireny koa dia manamarika ny fahatanterahana lehibe indrindran’ny faminanian’i Jesosy, ka io fahatanterahana maoderina io dia nanana ho tandindona izay nitranga teo anelanelan’ny taona 33 sy ny taona 70 am.f.i.
3. Rehefa niresaka ny amin’ny famantarana hafa iray i Jesosy, dia fitrangan-javatra fanampiny inona avy no nambarany mialoha?
3 Taorian’ny nanononan’i Lioka ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena, ireo fitantarana mifanitsy aminy ao amin’ny Matio sy Marka ary Lioka dia milazalaza fitohitohizana fitrangan-javatra fanampiny izay mahafaoka famantarana ho fanampin’ilay ‘famantarana maro loha ny fifaranan’ny fandehan-javatra’. (Matio 24:3, NW). (Ao amin’ny pejy faha-15, io hevitra ao amin’ny fitantarana io dia voamariky ny tsipika roa sosona.) Hoy ny Matio: “Ary raha vao afaka ny fahoriana amin’ireo andro ireo, ny masoandro dia hohamaizinina, ary ny volana tsy hahazava; ny kintana hiraraka avy any an-danitra, ary ny herin’ny lanitra hohozongozonina. Ary amin’izany andro izany [“avy eo”, NW] dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona, [ary avy eo, NW] dia hitomany ny firenena rehetra ambonin’ny tany, ary hahita ny Zanak’olona avy amin-kery sy voninahitra lehibe eo amin’ny rahon’ny lanitra izy. Ary amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra dia haniraka ny anjeliny Izy, ary hangonin’ireo ny olom-boafidy avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faravodilanitra rehetra.” — Matio 24:29-31.
Fahoriana sy zava-mahagaga eny amin’ny lanitra
4. Fanontaniana inona avy no mipoitra mikasika ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra notononin’i Jesosy?
4 Rahoviana izany no ho tanteraka? Ny fitantaran’ireo Filazantsara telo dia samy manonona izay ho azontsika antsoina hoe zava-mahagaga eny amin’ny lanitra — masoandro sy volana nihamaizina ary kintana miraraka. Nilaza i Jesosy fa izany dia hanaraka ilay “fahoriana”. Moa ve ilay fahoriana izay nahita ny fara heriny tamin’ny taona 70 am.f.i. no tao an-tsain’i Jesosy, sa kosa izy niresaka momba ilay fahoriana lehibe izay mbola ho avy amin’izao androntsika maoderina izao? — Matio 24:29; Marka 13:24.
5. Fiheverana inona no ninoana taloha mikasika ilay fahoriana amin’ny andro maoderina?
5 Hatramin’ny nifaranan’ny fotoana voatondro ho an’ireo firenena tamin’ny 1914, ny vahoakan’Andriamanitra dia liana mafy amin’ny “fahoriana lehibe”. (Apokalypsy 7:14). Nandritra ny taona maro dia nihevitra izy ireo fa ny fahoriana lehibe amin’ny andro maoderina dia nanana tapany fanokafana nifanitsy tamin’ny fotoan’ny Ady Lehibe Voalohany, avy eo dia misy elanelany fiatoana iray, ary farany dia tapany famaranana iray, “ny adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha”. Raha izany no izy, dia inona no hitranga mandritra ireo am-polony taona maro eo anelanelany, amin’ny “fifaranan’ny fandehan-javatra”? — Apokalypsy 16:14; Matio 13:39; 24:3, NW; 28:20, NW.
6. Inona no noheverina fa nanatanteraka ny faminanian’i Jesosy mikasika ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra?
6 Noheverina fa mandritra io elanelany io dia ho hita ilay famantarana maro loha, tafiditra amin’izany ny asa fitoriana ataon’ny vahoakan’Andriamanitra tafangona. Toa noheverina koa fa ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra nambara mialoha dia azo nampoizina mandritra ilay elanelany aorian’ny ambaratonga fanokafana tamin’ny 1914-1918. (Matio 24:29; Marka 13:24, 25; Lioka 21:25). Nifantoka tamin-javatra ara-bakiteny teny amin’ny lanitra ny saina — sondes spaciales, bala afomanga sy ireo taratra kosmika ary ny fandehanana na ireo toby famaharana eny amin’ny volana.
7. Fahatakarana voahitsy inona no nomena mikasika ny fahoriana lehibe?
7 Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Aogositra 1970 anefa dia namerina nandinika ny faminanian’i Jesosy, indrindra fa ilay fahoriana lehibe ho avy. Nasehony fa noho izay nitranga tamin’ny taonjato voalohany, ilay fahoriana maoderina dia tsy afaka nanana tapany fanokafana tamin’ny 1914-1918, elanelany am-polony taona maro lava be, ary atỳ aoriana dia hisy fanombohany indray. Namaran-teny toy izao io gazety io: “Ny ‘fahoriana lehibe’ tsy mbola nisy toy izany dia vao ho avy, satria izy io no hitarika ny fandravana ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (anisan’izany [ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana]), dia fandringanana harahin’ilay ‘adin’ilay andro lehiben’Andriamanitra Tsitoha’ hatao ao Haramagedona.”
8. Ahoana no nanazavana ny Matio 24:29, araka ilay fiheverana voahitsy mikasika ilay fahoriana maoderina?
8 Ny Matio 24:29 anefa dia milaza fa ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra dia ho avy “raha vao afaka ny fahoriana”. Ahoana no hetezan’izany? Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1975, dia nanipy hevitra fa ilay “fahoriana” eto dia ilay nahita ny fara heriny tamin’ny taona 70 am.f.i. Amin’ny heviny ahoana anefa no ahafahana milaza fa ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra amin’izao androntsika izao dia nitranga “raha vao afaka” ny fisehoan-javatra iray tamin’ny taona 70 am.f.i.? Ny fanjohian-kevitra tamin’izay dia hoe eo imason’Andriamanitsika dia ho vetivety ireo taonjato eo anelanelany. (Romana 16:20; 2 Petera 3:8). Kanefa, ny fandinihana lalina kokoa io faminaniana io, indrindra fa ny Matio 24:29-31, dia manondro fanazavana hafa tanteraka noho izany. Izany dia manazava ny fomba hamirapiratan’ny fahazavana “bebe kokoa hatrany mandra-pahatongan’ny andro tanteraka”. (Ohabolana 4:18, American Standard Version).b Aoka isika handinika ny antony maha-mety ny fanazavana iray vaovao na novana.
9. Ahoana no anomezan’ny Soratra Hebreo fanazavana mba hahatakarana ireo tenin’i Jesosy mikasika ireo fitrangan-javatra eny amin’ny lanitra?
9 Ho an’ny efatra tamin’ireo apostoliny, i Jesosy dia nanome ilay faminaniana momba ‘ny masoandro nohamaizinina sy ny volana tsy mahazava ary ny kintana miraraka’. Tamin’ny naha-Jiosy azy ireo, dia nahafantatra ny fomba fiteny toy izany izy ireo avy tamin’ny Soratra Hebreo. Ao amin’ny Zefania 1:15, ohatra, ny fotoana hampiharan’Andriamanitra ny didim-pitsarany dia nantsoina hoe “andro fandravana sy fanafoanana, andro maizina sy manjombona, andro mandrahona sy maizim-pito”. Nisy koa mpaminany hebreo maro samihafa, nilazalaza ny amin’ny masoandro nohamaizinina sy ny volana tsy mamiratra ary ireo kintana tsy manome hazavana. Hahita fomba fiteny toy izany ianao ao amin’ireo hafatra avy amin’Andriamanitra nanameloka an’i Babylona, i Edoma, i Egypta ary ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra. — Isaia 13:9, 10; 34:4, 5; Jeremia 4:28; Ezekiela 32:2, 6-8; Amosa 5:20; 8:2, 9.
10, 11. a) Naminany inona mikasika ireo zavatra eny amin’ny lanitra i Joela? b) Lafiny inona avy amin’ny faminanian’i Joela no tanteraka tamin’ny taona 33 am.f.i., ary inona avy no tsy tanteraka?
10 Rehefa nahare izay nolazain’i Jesosy i Petera sy ireo telo hafa, dia azo inoana fa nahatsiaro ny faminanian’i Joela hita ao amin’ny Joela 3:1-4 sy ny 4:15 manao hoe: “Handatsaka ny Fanahiko amin’ny nofo rehetra Aho; dia haminany ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, (...) Hanisy fahagagana eny amin’ny lanitra sy etỳ amin’ny tany Aho, dia ra sy afo ary setroka mitankosina. Ny masoandro hampodina ho aizina, ary ny volana ho ra, alohan’ny hahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina.” “Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra.”
11 Araka ny voatantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:1-4 sy 14-21, tamin’ny Pentekosta taona 33 am.f.i., Andriamanitra dia nandatsaka ny fanahy masina tamin’ny mpianatra 120, lehilahy sy vehivavy. Nampahafantarin’ny apostoly Petera fa izany no nolazain’i Joela mialoha. Ahoana anefa ny amin’ny tenin’i Joela momba ‘ny masoandro nampodina ho haizina sy ny volana ho ra ary ireo kintana tsy mamirapiratra’? Tsy misy na inona na inona mampiseho fa izany dia tanteraka tamin’ny taona 33 am.f.i. na nandritra ireo 30 taona mahery naharetan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy.
12, 13. Ahoana no nahatanterahan’ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra nambaran’i Joela mialoha?
12 Miharihary fa io tapany farany amin’ny faminanian’i Joela io dia mifamatotra akaiky kokoa amin’ny ‘fahatongavan’ny andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina’ — ny fandravana an’i Jerosalema. Ny Tilikambo Fiambenana (frantsay) tamin’ny 15 Febroary 1967, dia nilaza toy izao momba ilay fahoriana nanjo an’i Jerosalema tamin’ny taona 70 am.f.i.: “Tena ‘andron’i Jehovah’ tokoa iny raha ny amin’i Jerosalema sy ny zanany. Ary nifandray tamin’izany andro izany, dia nisy ‘ra sy afo ary setroka’, ny masoandro tsy nahazava ny haizina nisy ilay tanàna tamin’ny andro, ary ny volana nampahatsiahy fandatsahan-dra, fa tsy ny taratry ny volana feno fiadanana sy tsara tarehy tamin’ny alina.”c
13 Eny, toy ny tamin’ireo faminaniana hafa nomarihintsika, ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra nolazain’i Joela mialoha dia tokony ho tanteraka fony nampihatra ny didim-pitsarany i Jehovah. Tsy naharitra nandritra ny fotoana rehetran’ny fifaranan’ny fandehan-javatra jiosy akory ny fahamaizinan’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, fa nitranga fony tonga namely an’i Jerosalema ireo hery mpandringana. Araka ny fandrindran-kevitra, dia afaka manampo fahatanterahana lehibe kokoa an’io tapany amin’ny faminanian’i Joela io isika, rehefa hanomboka ny fandravan’i Jehovah ny fandehan-javatra ankehitriny.
Fahoriana inona no hialoha an’ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra?
14, 15. Misy vokany inona eo amin’ny fahatakarantsika ny Matio 24:29 ny faminanian’i Joela?
14 Ny fahatanterahan’ny faminanian’i Joela (mifanaraka amin’ireo faminaniana hafa mampiasa fomba fiteny mitovy) dia manampy antsika hahatakatra ireo teny ao amin’ny Matio 24:29. Mazava fa izay nolazain’i Jesosy momba ‘ny masoandro nohamaizinina sy ny volana tsy mahazava ary ireo kintana miraraka’ dia tsy manondro zava-nitranga nandritra ny am-polony taona maro tamin’ny fifaranan’ny fandehan-javatra ankehitriny, toy ny fanaovana fanandramana eny amin’ny habakabaka, ny fandehanana eny amin’ny volana sy ny toy izany. Tsia, nanondro ireo fisehoan-javatra mifamatotra amin’ny “andron’i Jehovah, izay sady lehibe no mahatsiravina” kosa izy, dia ilay fandringanana mbola ho avy.
15 Izany dia mifandray amin’ny fahatakarantsika ny fahatongavan’ireo zava-mahagaga eny amin’ny lanitra “raha vao afaka ny fahoriana”. Tsy niresaka momba ilay fahoriana izay nahita ny fara heriny tamin’ny taona 70 am.f.i. i Jesosy. Nanondro kosa izy ny fiandohan’ny fahoriana lehibe izay hanjo ny fandehan-javatr’izao tontolo izao amin’ny hoavy, ka hahita ny fara heriny amin’ny “fanatrehany” nampanantenaina. (Matio 24:3, NW). Mbola any amin’ny hoavy izany fahoriana izany.
16. Fahoriana inona no notondroin’ny Marka 13:24, ary nahoana no izany no izy?
16 Ahoana ny amin’ireo teny ao amin’ny Marka 13:24 manao hoe: “Amin’izany andro izany, raha afaka izany fahoriana izany, ny masoandro hohamaizinina, ary ny volana tsy haneho fahazavana”? Eto, ireo teny hoe “izany” dia mandika endriky ny teny grika hoe e·keiʹnos, izay mpisolo anarana manondro, mampiseho zavatra iray lavitra raha ny amin’ny fotoana. Ny hoe e·keiʹnos dia azo ampiasaina mba hanondroana zavatra iray efa ela be (na notononina teo aloha), na zavatra iray any amin’ny hoavy lavitra. (Matio 3:1; 7:22; 10:19; 24:38, NW; Marka 13:11, 17, 32; 14:25, NW; Lioka 10:12; 2 Tesaloniana 1:10). Araka izany, ny Marka 13:24 dia manondro “izany fahoriana izany”, tsy ilay fahoriana napoitran’ny Romana akory, fa ny asa lehibe hataon’i Jehovah amin’ny faran’ny fandehan-javatra ankehitriny.
17, 18. Fanazavana inona no omen’ny Apokalypsy mikasika ny fomba hitrangan’ny fahoriana lehibe?
17 Ny Ap 17-19 toko faha-17 ka hatramin’ny faha-19 amin’ny Apokalypsy dia mifanaraka tsara amin’io fahatakarana voahitsy ny Matio 24:29-31 sy ny Marka 13:24-27 ary ny Lioka 21:25-28 io, sady manamarina azy. Amin’ny fomba ahoana? Ireo Filazantsara dia mampiseho fa io fahoriana lehibe io dia tsy hanomboka sy hifarana amin’ny fotoana iray ihany akory. Rehefa hanomboka izy io, dia mbola hisy ho velona ihany ny sasany amin’ny olombelona tsy mankato mba hahita “ny famantarana ny Zanak’olona” ka hanana fihetsika sasany eo anoloan’izany — hitaraina ary, araka ny ambaran’ny Lioka 21:26, dia “ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany”. Izany tahotra manafotra izany dia ho vokatry ny fahitany ilay “famantarana” izay manambara ny fandringanana azy ireo efa antomotra.
18 Ny fitantarana ao amin’ny Apokalypsy dia mampiseho fa ilay fahoriana lehibe ho avy dia hanomboka rehefa hivadika amin’ilay “vehivavy janga lehibe”, dia i Babylona Lehibe, ireo “tandroka” ara-tafik’ilay “bibi-dia” iraisam-pirenena.d (Apokalypsy 17:1, 10-16). Kanefa mbola hisy olona maro ihany ho tavela, satria hisy mpanjaka, mpandranto sy mpitondra sambo ary hafa halahelo noho ny faran’ny fivavahan-diso. Tsy isalasalana fa maro no hahatakatra fa ho avy manaraka ny fitsarana azy ireo. — Apokalypsy 18:9-19.
Inona no tsy maintsy ho avy?
19. Inona no azo ampoizina rehefa hanomboka ny fahoriana lehibe?
19 Ireo tapany amin’ireo Filazantsara ao amin’ny Matio sy Marka ary Lioka dia miaraka amin’ny Apokalypsy 17-19 mba hanome fanazavana lehibe momba izay hitranga tsy ho ela. Amin’ny fotoana voatendrin’Andriamanitra, ny fahoriana lehibe dia hanomboka amin’ny fanafihana hatao amin’ny empira maneran-tanin’ny fivavahan-diso (Babylona Lehibe). Hahery indrindra izy io amin’ny famelezana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana, izay mifanitsy amin’i Jerosalema tsy nahatoky. “Raha vao afaka” io ambaratonga amin’ilay fahoriana io, dia “hisy famantarana eo amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ny tany dia hisy fahorian’ny firenena [mbola tsy nisy toy izany] amin’ny fahaverezan-kevitra”. — Matio 24:29; Lioka 21:25.
20. Zava-mahagaga eny amin’ny lanitra inona no azontsika mbola ampoizina?
20 Amin’ny heviny ahoana ‘ny masoandro no hohamazinina, ny volana no tsy hahazava, ireo kintana no hiraraka avy any amin’ny lanitra, ary ireo herin’ny lanitra no hohozongozonina’? Tsy isalasalana fa, mandritra ny tapany voalohany amin’ny fahoriana lehibe, dia fanazavana maro — izany hoe mpitondra fivavahana ambony eo amin’ny tontolon’ny fivavahana — no hahanjahanjan’ireo “tandroka folo” voatonona ao amin’ny Apokalypsy 17:16, ka hofoanany. Tsy isalasalana fa ireo hery ara-politika koa dia hohozongozonina. Mety hisy fisehoan-javatra hahatahotra koa ve eny amin’ny lanitra ara-bakiteny? Azo inoana tokoa fa hisy izany, ary hahatahotra lavitra noho ireo izay nolazalazain’i Josephus fa nitranga tany akaikin’ny faran’ny fandehan-javatra jiosy, izy ireo. Fantantsika fa, ela be tany amin’ny lasa, Andriamanitra dia naneho ny heriny tamin’ny fanaovana izay hisian’ny vokany mandoza toy izany, ary afaka manao izany indray izy. — Eksodosy 10:21-23; Josoa 10:12-14; Mpitsara 5:20; Lioka 23:44, 45.
21. Ahoana no hitrangan’ny “famantarana” iray ho avy?
21 Eto ireo mpanoratra ireo Filazantsara telo dia samy mampiasa ny teny grika hoe toʹte (avy eo) mba hampidirana ilay fitrangan-javatra manaraka. “Amin’izany andro izany [“avy eo”, NW] dia hiseho eo amin’ny lanitra ny famantarana ny Zanak’olona”. (Matio 24:30; Marka 13:26; Lioka 21:27). Nanomboka tamin’ny Ady Lehibe Voalohany, ireo tena mpianatr’i Jesosy dia nahita ilay famantarana maro loha ny amin’ny fanatrehany tsy hita maso, kanefa ny ankamaroan’ny olona tsy nahafantatra azy io. Kanefa ny Matio 24:30 dia manondro ny hisehoan’ny “famantarana” iray fanampiny amin’ny hoavy, dia ny an’ny “Zanak’olona”, ary ny firenena rehetra dia ho voatery hahamarika azy io. Rehefa ho avy amin’ny rahona noho ny tsy fahitana maso azy i Jesosy, ireo mpanohitra maneran-tany dia tsy maintsy hanaiky izany ‘fiaviany’ (Grika: er·khoʹme·non) izany noho ny fisehoan’ny heriny amin’ny maha-mpanjaka azy amin’ny fomba hafa dia hafa. — Apokalypsy 1:7.
22. Inona no ho vokatry ny fahitana ilay “famantarana” ao amin’ny Matio 24:30?
22 Ny Matio 24:30 dia mampiasa indray koa ny hoe toʹte mba hampidirana izay avy manaraka. Avy eo ireo firenena, izay hahatsapa ny vokatry ny tarehin-javatra hisy azy, dia hiteha-tratra sy hitomany, angamba hahatakatra fa efa antomotra ny fandringanana azy. Ho hafa toy inona moa ny amin’ireo mpanompon’Andriamanitra, satria ho afaka hanandratra ny lohantsika isika, noho ny fahafantarana fa akaiky ny fanavotana! (Lioka 21:28). Ny Apokalypsy 19:1-6 koa dia mampiseho ireo tena mpivavaka any an-danitra sy eto an-tany ho mifaly noho ny niafaran’ilay vehivavy janga lehibe.
23. a) Inona no hataon’i Jesosy amin’ireo olom-boafidy? b) Inona no azo lazaina mikasika ny fakana ny sisa ho any an-danitra?
23 Mitohy ihany ny faminanian’i Jesosy, ao amin’ny Marka 13:27 manao hoe: “Amin’izay [toʹte] dia haniraka ny anjely Izy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin’ny vazan-tany efatra hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra.” I Jesosy eto dia mifantoka amin’ny sisa amin’ireo ‘olom-boafidy’ 144 000 mbola velona eto an-tany. Tany am-piandohan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra, ireo mpianatr’i Jesosy voahosotra ireo dia nampidirina tao amin’ny firaisan-tsaina teokratika. Kanefa, araka ny fomba fampitohizana ampiasaina, ny Marka 13:27 sy ny Matio 24:31 dia milazalaza zavatra hafa. “Amin’ny ampanenoana mafy ny trompetra” ny sisa amin’ireo ‘olom-boafidy’ dia hangonina avy any amin’ny faran’ny tany. Ahoana no hanangonana azy ireo? Tsy misy iadian-kevitra fa ‘hasiana tombo-kase’ izy ireo amin’ny farany ka ho fantatr’i Jehovah mazava tsara fa anisan’ireo “voantso sy voafidy ary mahatoky”. Ary amin’ny fotoana tondroin’Andriamanitra, dia hangonina ho any an-danitra izy ireo ho mpanjaka sady mpisorona.e Izany dia hitondra fifaliana ho azy ireo sy ireo namany mahatoky, dia ny “olona betsaka”, izay hasiana marika mba ‘hivoaka avy amin’ny fahoriana lehibe’ mba hahazo fitahiana mandrakizay eto amin’ny tany paradisa. — Matio 24:22; Apokalypsy 7:3, 4, 9-17; 17:14; 20:6; Ezekiela 9:4, 6.
24. Fitohitohizan’ny fitrangan-javatra ho avy inona no ahariharin’ny Matio 24:29-31?
24 Rehefa nilaza ireo apostoly hoe “Lazao aminay (...)”, ny valin-tenin’i Jesosy dia nahafaoka be lavitra noho izay nety ho takatr’izy ireo. Kanefa, nandritra ny androm-piainany, dia faly izy ireo nahita ny fahatanterahana tandindon’ilay faminaniany. Ny fianarantsika momba ny valin-tenin’i Jesosy dia nifantoka tamin’io tapany tamin’ny faminaniany io izay ho tanteraka amin’ny hoavy tsy ho ela. (Matio 24:29-31; Marka 13:24-27; Lioka 21:25-28). Efa mahita sahady isika fa mihamanakaiky ny fanavotana antsika. Azontsika andrasana amim-panantenana ny fiandohan’ny fahoriana lehibe, avy eo dia ny famantarana ny Zanak’olona, ary avy eo dia ny fanangonan’Andriamanitra ireo olom-boafidy. Farany, ilay Mpanatanteraka ny Didim-pitsaran’i Jehovah ao Haramagedona, ilay Mpiady sady Mpanjakantsika, i Jesosy nahazo fanjakana, dia “hamita ny fandreseny”. (Apokalypsy 6:2, NW). Rehefa hampihatra ny famaliany i Jehovah, dia ho tonga toy ny fiafarana malaza io andron’i Jehovah io, ho an’ny fifaranan’ny fandehan-javatra izay nanamarika ny andron’i Jesosy Tompo nanomboka tamin’ny 1914.
25. Ahoana no hahafahantsika hahazo anjara amin’ny fahatanterahan’ny Lioka 21:28 amin’ny hoavy?
25 Enga anie ianao hanohy handray soa avy amin’ny fampianarana araka an’Andriamanitra, mba hahafahanao hamaly ny fahatanterahan’ny tenin’i Jesosy mbola ho amin’ny hoavy hoe: “Raha vao miandoha izany zavatra izany dia miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa manakaiky ny fanavotana anareo.” (Lioka 21:28). Hoavy toy inona moa no miandry ireo olom-boafidy sy ny olona betsaka rehefa hanamasina ny anarany masina i Jehovah!
[Fanamarihana ambany pejy]
a Faly ny Vavolombelon’i Jehovah hanome porofo ny amin’izany, hampiseho ny fomba anatanterahan’ireo zava-misy mivaingana amin’izao androntsika izao ny faminanian’ny Baiboly.
b Misy fanazavana fanampiny aseho ao amin’ny pejy faha-288-316 amin’ilay boky hoe Le Royaume millénaire de Dieu s’est approché, nivoaka tamin’ny 1973 navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc., sy ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 1983, pejy faha-16-21.
c Hoy ny nosoratan’i Josephus momba ireo fitrangan-javatra teo anelanelan’ny fanafihana voalohany nataon’ny Romana tamin’i Jerosalema (66 am.f.i.) sy ny fandravana azy: “Nandritra ny alina dia nisy tafiotra nahery vaika nipoaka; namely ny rivo-mahery, nivatravatra ny orana, tsy an-kijanona ny tselatra, nahatahotra ireo fipoaky ny kotro-baratra, nihovotrovotra tamin’ny firohondrohona nankarenin-tsofina ny tany. Mazava fa nilaza loza ho an’ny taranak’olombelona io firodanan’ilay fandehan-javatra manontolo io, ary tsy nisy na dia iray aza afaka nisalasala fa ireo fambara ireo dia nidika ho loza lehibe tsy hisy toa azy.”
d Izay noresahin’i Jesosy ho “fahoriana lehibe” sy “fahoriana” ao amin’ny fampiharana azy voalohany dia ilay fandravana ny fandehan-javatra jiosy. Ao amin’ireo andininy izay tsy mihatra afa-tsy amin’izao androntsika ihany, dia nampiasa ilay mpamaritra anarana hoe “ny” izy tamin’ny filazana hoe “ny fahoriana”. (Matio 24:21, 29; Marka 13:19, 24). Ny Apokalypsy 7:14 dia nilaza io fisehoan-javatra ho avy io hoe “ny fahoriana lehibe”, ara-bakiteny hoe “ny fahoriana ilay lehibe”.
e Jereo ny “Fanontanian’ny Mpamaky” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 15 Novambra 1990.
Tadidinao Ve?
◻ Ahoana no nahatanterahan’ireo lafiny amin’ny Joela 3:1-4 sy ny 4:15 tamin’ny taonjato voalohany?
◻ Fahoriana inona no asian’ny Matio 24:29 fitenenana, ary nahoana isika no manatsoaka izany hevitra izany?
◻ Zava-mahagaga eny amin’ny lanitra inona no tondroin’ny Matio 24:29, ary amin’ny ahoana izany no ho afaka hanaraka avy hatrany ilay fahoriana?
◻ Ahoana no hahatanterahan’ny Lioka 21:26, 28 amin’ny hoavy?
[Sary, pejy 16, 17]
Faritry ny tempoly
[Sary nahazoan-dalana, pejy 17]
Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.