‘Tamin’ny firy izany?’
‘AMIN’NY firy izao?’ Impiry ianao no efa nanontany toy izany? Amin’izao vanim-potoana ankehitriny mirimorimo misy antsika izao, dia miahy foana ny amin’ny fotoana isika. Ny ankamaroan’ireo asa fanaontsika andavanandro — ny fifohazana maraina, ny fandehanana miasa, ny fisakafoana, ny fiarahana amin’ny namana, sy ny sisa — dia baikoin’ny fotoana amim-panerena avokoa. Ary miantehitra amin’ny fitaovana maromaro isika, toy ny famantaranandro an-trano, famantaranandro fitondra, fanairana, radiao, mba hilaza ny ora amintsika.
Ahoana ny tamin’ny andron’ny Baiboly, fony tsy nanana famantaranandro sahala amin’ny antsika ny olona? Ahoana no nanisany ny ora? Moa ve ny fitantarana ao amin’ny Baiboly manome filazana ny amin’izany? Ny fahafantarana ny fotoan’andro nitrangan’ny fisehoan-javatra iray voalaza ao amin’ny Baiboly dia mety hanome anao fahatakarana vaovao ny Tenin’Andriamanitra sy hanampy ny fifaliana hitanao amin’ny fianarana ny Baiboly.
Mpanondro fotoana nomen’Andriamanitra
Tamin’ireo andro voalohandohany, ny fotoana ho an’ny fisehoan-javatra iray mazàna dia marihina amin’ny fandinihana ny masoandro na ny volana, “ny fanazavana roa lehibe” napetraky ny Mpamorona eny amin’ny lanitra mba “hampisaraka ny andro sy ny alina”. (Genesisy 1:14-16). Ohatra, tamin’ny vao “maraina koa ny andro” no nandodonan’ireo anjely roa an’i Lota sy ny fianakaviany handositra ny tanànan’i Sodoma voaheloka. (Genesisy 19:15, 16). Ary “harivariva ny andro” rehefa tonga teo amin’ny fantsakana nahitany an-dRebeka ilay mpanompo nahatokin’i Abrahama. — Genesisy 24:11, 15.
Rehefa nilaina izany, dia nisy fanondroam-potoana hentitra kokoa nomena. Ohatra, nomena toromarika i Abimeleka, zanakalahy nahery setran’i Gideona mpitsara, mba hamely ny tanànan’i Sekema ny “maraina, raha vao miposaka ny masoandro”. (Mpitsara 9:33). Niharihary fa nisy antony nifono tetik’ady tao ambadik’izany. Ny famirapiratan’ny masoandro nibaliaka tao an-damosin’ny tafik’i Abimeleka dia tsy maintsy nanao izay tena hampahasarotra ny hahitan’ny mpiaro an’i Sekema ny tafika namely avy tao anatin’“ny aloky ny tendrombohitra”. — Mpitsara 9:36-41.
Filazana fotoana manana heviny manokana
Ny Hebreo dia nampiasa fitenenana izay sady an’ohatra no mahaliana, hoentina hilazana fotoana. Tsy hoe mitondra ao amintsika fahatsapana ny amin’ilay toerana sy ny fomba amam-panao fotsiny izy ireny fa mampiharihary amintsika zavatra momba ireo toe-javatra manodidina ilay raharaha koa.
Ohatra, ny Genesisy 3:8 [MN] dia milaza amintsika fa “tamin’ny tapany mandrivodrivotra amin’ny andro” no niteny tamin’i Adama sy i Eva i Jehovah ny androtry ny nanotan’izy ireo. Mora takatra fa efa nanakaiky ny filentehan’ny masoandro rehefa tonga ny rivotra nangatsiatsiaka nitondra fanamaivanana amin’ny hafanan’ny andro. Mandrakariva, rehefa mihariva ny andro, dia tonga ny fotoana hialana sasatra sy hiatoana. Kanefa i Jehovah dia tsy namela raharaha ara-pitsarana lehibe iray hialina andro raha mbola nisy ihany fotoana hikarakarana izany.
Etsy an-danin’izany, ny Genesisy 18:1, 2 dia mampiseho fa tonga tao amin’ny lain’i Abrahama tany Mamre ireo anjelin’i Jehovah “raha nafana ny andro”. Alao sary an-tsaina ny fidaniky ny masoandro amin’ny mitataovovonana eo ambonin’ireo havoanan’ny Joda. Nety ho nampijaly ny hafanana. Fotoana nahazatra hisakafoana sy hialana sasatra izany. (Jereo Genesisy 43:16, 25; 2 Samoela 4:5.) Nifanaraka tamin’izany, i Abrahama dia “nipetraka teo am-baravaran’ny lainy” izay nety ho nisy tso-drivotra kely, angamba niala sasatra taorian’ny nisakafoany. Mety hankasitraka indrindra izany fampiantranoam-bahinin’io lehilahy efa zokiolona io izany isika rehefa mamaky fa “nihazakazaka hitsena” ireo vahiny izy ary avy eo dia “nandeha faingana (...) nankany an-day” mba hiteny tamin’i Saraha vadiny hikarakara ny mofo, ka taorian’izay izy dia “nihazakazaka nankany amin’ny omby” ary “lasa faingana (...) hamboatra azy”. Tamin’ny andro nigaingaina daholo izany! — Genesisy 18:2-8.
Ny alina teo amin’ny Hebreo
Niharihary fa nizara ny alina ho fe-potoana telo, nantsoina hoe “fiambenana” ny Hebreo. Ny tsirairay tamin’izany dia samy nahafaoka ampahatelom-potoana avy, teo anelanelan’ny filentehan’ny masoandro sy ny fiposahany, na efatra ora teo ho eo avy, arakaraka ny fizaran-taona. (Salamo 63:6). “Tamin’ny fiandohan’ny fiambenana faharoa”, izay nanomboka tamin’ny folo alina teo ho eo ka hatramin’ny roa maraina teo ho eo, no namelezan’i Gideona ny toby midianita. Mazava ho azy fa ho nanampoka tanteraka ny mpiambina ny famelezana tao anatin’izany fotoana izany. Azo antoka fa tsy afaka nifidy fotoana nety kokoa noho izany i Gideona malina mba hanafihana! — Mpitsara 7:19.
Tamin’ny fotoana nanafahana ny Isiraelita avy tany Egypta, dia “rivotra mahery avy any atsinanana no nampisavan’i Jehovah ny ranomasina mandritra iny alina iny”, ka namela azy ireo hamakivaky ny tany maina. Mandra-pahavitan’izany dia nanenjika azy ireo ny Egyptiana, efa tamin’ny “fiambenana maraina” tamin’izay, ary namely ny tobin’ny Egyptiana i Jehovah ka nampifanaritaka azy, ary tamin’ny farany dia nandringana azy ireo tamin’ny famerenana ny rano ‘hikatona ho tahaka ny teo (...) rehefa nadiva ho maraina ny andro’. (Eksodosy 14:21-27). Noho izany dia nandany efa ho indray alina naninjitra ny nampisarahana ny ranomasina sy ny nitan’ny Isiraelita azy.
Tamin’ny taonjato voalohany
Hatramin’ny taonjato voalohany, ny Jiosy dia nanaraka ny fanisana ny andro ho 12 ora. Izany no antony nitenenan’i Jesosy toy izao tao amin’ny fanoharana iray nataony: “Tsy roa ambin’ny folo va ny ora amin’ny indray andro?” (Jaona 11:9). Nisaina nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ka hatramin’ny filentehany izany, na nanomboka tamin’ny enina ora maraina teo ho eo ka hatramin’ny enina hariva. Araka izany, ny “ora fahatelo” dia tamin’ny sivy maraina teo ho eo. Tamin’io ora io, tamin’ny andro Pentekosta, no nilatsaka ny fanahy masina. Rehefa niampanga ireo mpianatra ho “leon-divay mamy” ny olona, dia nampiato haingana ilay fiampangana i Petera. Azo antoka fa tsy nisy mamo tamin’izany ora aloha be izany! — Asan’ny apostoly 2:13, 15.
Mitovy amin’izany koa fa ilay fanambarana nataon’i Jesosy manao hoe: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy”, dia mbola manome heviny fanampiny rehefa heverintsika ny lafin’ny fotoana tafiditra amin’izany. “Tokony ho tamin’ny ora fahenina” izany, na efa ho antoandro, araka ny Jaona 4:6. Rehefa avy nanao dia nanasatra namakivaky ny faritany be tendrombohitr’i Samaria nandritra ny maraina i Jesosy sy ny mpianany, dia tsy maintsy noana sy nangetaheta. Izany no antony nampirisihan’ny mpianany azy hihinana rehefa niverina nitondra sakafo izy ireo. Tsy dia fantatr’izy ireo loatra ny tanjaka sy ny sakafo noraisin’i Jesosy avy tamin’ny fanaovana ny asan’i Jehovah. Tsy isalasalana fa nihoatra noho ny oha-pitenenana fotsiny io fanambarana nataon’i Jesosy io. Nahazo fanohanana ara-bakiteny izy tamin’ny fanaovana ny asan’Andriamanitra na dia tsy maintsy afaka ora maromaro aza izy vao nisakafo. — Jaona 4:31-34.
Koa satria niova arakaraka ny fotoana ao anatin’ny taona ny fiposahana sy filentehan’ny masoandro, dia mazàna no ny fotoana nanakaikikaiky ny fisehoan-javatra iray ihany no nomena. Araka izany, isika dia mamaky foana ny amin’ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’ny ora fahatelo, fahenina, na fahasivy — matetika no nanakaikikaiky an’ireo fotoana ireo. (Matio 20:3,5; 27:45, 46; Marka 15:25, 33, 34; Lioka 23:44; Jaona 19:14; Asan’ny apostoly 10:3, 9, 30). Kanefa rehefa tena nilaina tao amin’ny fitantarana ny lafin’ny fotoana, dia nisy fanambarana hentitra kokoa momba ny fotoana nomena. Ireo mpanompony, ohatra, dia namaly toy izao an’ilay lehilahy nitebiteby ny amin’ny hahafantarana raha sitrana tamin’ny herin’i Jesosy ny zanany na tsia: “Omaly tamin’ny ora fahafito [tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro] no nialan’ny tazo taminy.” — Jaona 4:49-54.
Fizarazaran’ny alina
Hatramin’ny fotoana nanapahan’ny Romana, dia toa nanaraka ny fizaran’ny alina ho fiambenana efatra araka ny fomba grika sy romana ny Jiosy fa tsy telo araka ny nahazatra azy ireo taloha. Ao amin’ny Marka 13:35, i Jesosy dia miharihary fa nanisy firesahana ny amin’ny fizarana efatra. Nanomboka tamin’ny filentehan’ny masoandro ka hatramin’ny sivy ora alina teo ho eo ny “hariva”. Ny fiambenana faharoa, ny fiambenana “mamatonalina”, dia nanomboka tamin’ny sivy teo ho eo ka nifarana tamin’ny misasakalina. Ny “maneno akoho” indray dia nahafaoka ny hatreo amin’ny misasakalina ka hatramin’ny tamin’ny telo tany ho any. Ary ny fiambenana farany, “ny maraina”, dia tapitra tamin’ny mangiran-dratsy na tokony ho tamin’ny enina.
Anisan’ny mahaliana manokana ny “maneno akoho”, noho ity tenin’i Jesosy tamin’i Petera ao amin’ny Marka 14:30 ity: “Raha tsy mbola misy akoho maneno fanindroany, dia handa Ahy intelo hianao.” Kanefa misy mpivaofy teny mihevitra fa ny hoe “fanindroany” dia milaza hevitra hentitra ny amin’ny fotoana — misasakalina sy mangiran-dratsy, araka ny filaharany avy — Ny Rakibolana iray momba an’i Kristy sy ireo Filazantsara (anglisy), nosoratan’i James Hastings, dia milaza fa “raha ny marina, ny akoho any Atsinanana toy ny any an-toeran-kafa, mandritra ny alina, dia maneno amin’ny ora miovaova manomboka amin’ny misasakalina.” Toa tsy nanondro fotoana hentitra i Jesosy raha ny amin’ny handavan’i Petera azy. Nanome famantarana kosa izy mba hitadidian’i Petera ny teniny izay tanteraka araka ny marina tokoa tamin’io alina io ihany. — Marka 14:72.
“Tamin’ny fiambenana fahefatra amin’ny alina” — teo anelanelan’ny tamin’ny telo ka hatramin’ny enina maraina — no nandehandehanan’i Jesosy teny ambony ranon’ny Ranomasin’i Galilia, nankanesany teny amin’ny mpianany izay teo ambony sambokely iray “efa mby teo ampovoan’ny ranomasina”. Angamba ho mora ny hahatakatra ny anton’ny nahatonga ny mpianatra ho “raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra.” (Matio 14:23-26). Etsy an-danin’izany, dia mampiseho izany fa tsy maintsy nandany fotoana betsaka nivavahana tany an-tendrombohitra i Jesosy. Koa satria tsy ela taorian’ny nanapahan’i Heroda Antipasy ny lohan’i Jaona mpanao batisa ary talohan’ny Paska indrindra, no nanamarika ny fanombohan’ny taona faran’ny fanompoan’i Jesosy tetỳ an-tany, dia azo antoka fa tsy maintsy nanan-javatra betsaka nodinihina i Jesosy tao amin’ny vavaka nitokana nataony tamin’ny Ray.
Niaraka tamin’ny fiambenana efatra, dia nisy fanisana ny alina 12 ora koa nampiasaina. Mba hiambenana an’i Paoly ho tody soa aman-tsara tany Kaisaria, dia nilaza tamin’ireo manamboninahiny i Klaodio Lysia, komandin’ny tafika, mba hanomana andiana miaramila 470 ny “alina amin’ny ora fahatelo”. (Asan’ny apostoly 23:23, 24). Araka izany, dia nentina tamim-piarovana tao anatin’ny alina niainga tany Jerosalema i Paoly.
Fantaro ny fotoan’andro
Ny famakiana sy ny fisaintsainana ireo fitantarana ny amin’izay nitranga teo amin’ny vahoakan’Andriamanitra fahiny dia loharanom-pahafinaretana sy tanjaka ara-panahy. Raha afaka mampiditra ny momba ny fotoana ianao amin’izay heverinao, dia azo antoka fa hampitombo ny fifaliana azonao amin’ny fianarana ny Baiboly ataonao izany. Nahoana no toy izany? Satria amin’izany fomba izany no ahafahanao mahafantatra tsara ny Tenin’Andriamanitra. Ireo zavatra vita an-tsoratra sahala amin’ny l’Auxiliaire pour une meilleure intelligence de la Bible sy ny Soratra Masina — Fandikan-tenin’izao tontolo izao vaovao, misy fakàn-teny (frantsay), dia fanampiana tsy hay tombanana amin’izany lafiny izany (samy avoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of New York, Inc. ireo). Hanampy anao izy ireo hahita ny valiny rehefa manontany tena ianao hoe: ‘Tamin’ny firy izany?’