Jesosy — Ny fiainany sy ny fanompoany
Avy teo amin’i Pilato nankany amin’i Heroda ary niverina tany amin’i Pilato indray
REHEFA avy niampanga an’i Jesosy ho nilaza ny tenany ho mpanjaka ny Jiosy, dia niditra tao amin’ny rovan’ny governora indray i Pilato mba hanontany azy. Na dia tsy nanandrana nanafina aza i Jesosy fa mpanjaka ny tenany, dia nanazava izy fa tsy hampidi-doza an’i Roma ny Fanjakany.
“Ny fanjakako tsy avy amin’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy tamin’i Pilato. “Fa raha mba avy amin’izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’izany ny fanjakako.” Hita amin’izany fa nanaiky intelo i Jesosy fa nanana Fanjakana iray izy, na dia tsy avy eto an-tany aza izy io.
Na dia izany aza dia mbola nanontany azy ihany i Pilato nanao hoe: “Mpanjaka va ary Hianao?”, izany hoe, moa ve ianao mpanjaka na dia tsy avy amin’izao tontolo izao aza ny Fanjakanao.
Nampahafantatra an’i Pilato i Jesosy fa marina ny fanatsoahan-kevitra nataony tamin’ny famaliana hoe: “Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ny marina dia mihaino ny feoko.”
Eny, ny tena anton’ny fiainan’i Jesosy teto an-tany dia ny hanambara “ny marina”, indrindra fa ny marina momba ny Fanjakany. Vonona ny hitoetra ho mahatoky teo anatrehan’izany marina izany i Jesosy na dia hamoizany ny ainy aza izany. Na dia nanontany aza i Pilato hoe: “Inona no marina?”, dia tsy niandry fanazavana fanampiny izy. Efa ampy izay reny mba hamoahana ny fitsarany.
Niverina nankany amin’ny vahoaka izay niandry teny ivelan’ny rova i Pilato. Miharihary fa teo anilany i Jesosy rehefa niteny tamin’ny lohan’ny mpisorona sy ireo niaraka taminy izy nanao hoe: “Tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity.”
Tezitra noho izany fanapahan-kevitra izany ny vahoaka ka vao mainka nandentika hoe: “Nampiodina ny olona Izy sady nampianatra eran’i Jodia rehetra, nanomboka hatrany Galilia ka hatratỳ.”
Tsy maintsy ho nahavariana an’i Pilato ny hafanam-po tafahoatra sady tsy nisy fisainana loatra nasehon’ireo Jiosy. Koa, raha nanohy nikiakiaka ny lohan’ny mpisorona mbamin’ny loholona, dia nitodika tany amin’i Jesosy i Pilato ary nanontany hoe: “Tsy renao va izany zavatra maro iampangany Anao izany?” Kanefa tsy nanandrana namaly akory i Jesosy. Nahagaga an’i Pilato ny fahatoniany teo anoloan’ireo fiampangana feno herisetra tsy voafehy.
Raha vao nahafantatra i Pilato fa Galiliana i Jesosy, dia nahita fomba hialana tamin’ny andraikitra momba azy izy. Ny mpanapaka an’i Galilia, i Heroda Antipasy (zanakalahin’i Heroda Lehibe), dia tao Jerosalema noho ny Paska, koa nandefa an’i Jesosy tany aminy àry i Pilato. Taloha kokoa, i Heroda Antipasy dia naniraka hanapaka ny lohan’i Jaona, ary natahotra izy izao rehefa nahare ny amin’ireo fahagagana nataon’i Jesosy satria nanahy izy sao dia i Jaona nitsangana tamin’ny maty tokoa i Jesosy.
Izao dia faly aoka izany i Heroda noho ny fanantenana ny hahita an’i Jesosy. Izany akory tsy noho izy feno fanahiana ny amin’izay hahasoa an’i Jesosy na koa hoe noho izy naniry hanao fiezahana tokoa mba hahafantatra raha marina na tsia ireo fiampangana natao tamin’i Jesosy. Tsia, fa liana sady nanantena fotsiny izy ny hahita an’i Jesosy hanao fahagagana.
I Jesosy, anefa, dia nanda ny hanome fahafahampo ny fahalianan’i Heroda ta hahita zavatra. Raha ny marina, raha nanontany azy i Heroda, dia tsy niteny na dia indraim-bava akory aza izy. Diso fanantenana i Heroda sy ireo miaramilany ka nanao an’i Jesosy ho fihomehezana. Nampiakanjo azy akanjo tsara izy ary naneso azy. Avy eo dia namerina azy tany amin’i Pilato izy. Ho vokatr’izany, dia tonga mpisakaiza ry Heroda sy Pilato izay nifandrafy teo aloha.
Rehefa tafaverina i Jesosy, dia nasain’i Pilato novorina ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka jiosy ary ny vahoaka ka hoy izy: “Entinareo atỳ amiko ity Lehilahy ity toy ny nampiodina ny vahoaka; ary, indro, efa nanadina Azy teto anatrehanareo aho, nefa tsy hitako izay helok’ity Lehilahy ity amin’izay iampanganareo Azy. Tsia, na dia Heroda koa aza, fa namerina Azy ho atỳ amintsika izy; ary, indro, tsy nisy zavatra nataony izay tokony hahafaty Azy; koa hofaizako Izy, dia halefako.”
Araka izany àry, dia nanambara indroa i Pilato fa tsy meloka i Jesosy. May ny hanafaka azy izy, satria fantany fa tsy nisy afa-tsy ny fialonana ihany no nanoloran’ireo mpisorona Azy. Nefa teo am-piezahana hanafaka an’i Jesosy i Pilato dia naharay antony mahery hafa iray mba hanaovana izany. Raha mbola teo amin’ny seza fitsarana izy dia nandefa hafatra ny vadiny nampirisika azy hoe: “Aza manao na inona na inona amin’izany Lehilahy marina izany, fa nampahory ahy be ihany ny nanofisako [miharihary fa avy tamin’Andriamanitra] Azy any naraina.”
Kanefa, amin’ny fomba ahoana no hahafahan’i Pilato hanafaka io olona tsy meloka io, araka ny fantany fa tokony hataony? Jaona 18:36-38; Lioka 23:4-16; Matio 27:12-14, 18, 19; 14:1, 2; Marka 15:2-5.
◆ Ahoana no namalian’i Jesosy ny fanontaniana momba ny naha-mpanjaka azy?
◆ Inona “ny marina” izay nandanian’i Jesosy ny fiainany teto an-tany ny fanambarana azy?
◆ Inona no fitsarana navoakan’i Pilato, nanao ahoana ny fihetsiky ny olona tamin’izany ary inona no nataon’i Pilato tamin’i Jesosy?
◆ Iza moa i Heroda Antipasy, nahoana izy no faly aoka izany nahita an’i Jesosy ary inona no nataony tamin’i Jesosy?
◆ Nahoana i Pilato no may ny hanafaka an’i Jesosy?