TEOFILO
(Teôfilo) [Tian’Andriamanitra; Naman’Andriamanitra].
Ilay nanoratan’i Lioka ny Filazantsarany sy ny Asan’ny Apostoly. (Lk 1:3, 4; As 1:1) Mety ho olona ambony izy matoa natao hoe “hajaina.” Mety ho fanajana azy fotsiny koa anefa izany. Toa lasa Kristianina izy, rehefa nampianarina momba an’i Jesosy Kristy sy ny fanompoany. Nanoratra taminy i Lioka mba hanome toky azy fa azo antoka ny zavatra nampianarina azy.