Jesosy, ny fiainany sy ny fanompoany
Ny loharanon’ny fahasambarana
TAHAKA ny nataony nandritra ny fanompoany tany Galilia, izao Jesosy dia manao fahagagana any Jodia. Ohatra, namoaka avy tamin’ny lehilahy iray, demonia izay nisakana an’io tsy hiteny izy. Talanjona ireo vahoaka, nefa nanao tamin’i Jesosy fanakianana nitovy tamin’ny an’ny Galiliana ny sasany: “Belzeboba, lohan’ny demonia, no amoahany ny demonia.” Naniry ny hanomezan’i Jesosy azy ireo porofo fanampiny ny amin’ny maha-izy azy ny hafa, ary nizaha toetra azy tamin’ny fangatahana famantarana avy any an-danitra.
Satria fantatr’i Jesosy ny eritreritr’izy ireo, dia novalian’i Jesosy ireo mpanaratsy azy Jodiana tahaka ny nataony tamin’ireo tany Galilia. Nasainy nomarihin’izy ireo fa ny fanjakana rehetra miady an-trano dia tsy haharitra. “Ary raha Satana koa aza no miady an-trano, hoy izy taminy, ahoana no haharetan’ny fanjakany?” Nasehony avy eo ny toerana mampidi-doza nisy an’ireo mpanaratsy azy tamin’ny filazana hoe: “Fa raha ny rantsan-tanan’Andriamanitra no amoahako ny demonia, dia tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.”
Ireo olona ireo, izay nandinika ny fahagagana nataon’i Jesosy dia tokony ho nanao sahala amin’ireo izay, taonjato maro talohan’izay, dia nihiaka toy izao teo anoloan’ny fahagagana iray nataon’i Mosesy: “Rantsan-tànan’Andriamanitra ity!” Ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” koa no nanoratra ny Didy Folo teo amin’ny vato fisaka. Ary mbola ny “rantsan-tànan’Andriamanitra” koa, ny fanahiny masina, na hery miasa, no nanampy an’i Jesosy hamoaka ny demonia sy hanasitrana ny marary. Tonga tamin’ireo mpaniratsira an’i Jesosy tsara tokoa àry ny Fanjakan’Andriamanitra, satria izy io, ilay Mpanjaka voatendrin’ny Fanjakana, dia teo mihitsy, teo amin’izy ireo.
Nanome fanoharana avy eo i Jesosy mba hanazavana fa ny fahaizany mamoaka demonia dia manamarina fa mahery noho Satana izy: ny lehilahy mahery noho ny hafa iray izay manana fiadiana tsara anefa, dia mandresy azy ary maka ny lapany. Naverin’i Jesosy koa ny fanoharana nomeny tany Galilia momba ny lehilahy iray nivoahan’ny fanahy maloto iray. Raha tsy fenoiny zavatra tsara ny babangoana tavela ao aminy, dia miverina miaraka amin’ny fito hafa ilay fanahy, hany ka ratsy noho ny voalohany ny faran’izany lehilahy izany.
Ny vehivavy iray nihaino an’i Jesosy dia nihiaka avy teo anivon’ny vahoaka tamin’izay: “Sambatra ny kibo izay nitondra anao sy ny nono izay ninonoanao!” Vao mainka takatra tsaratsara kokoa ny tian’io vehivavy io holazaina rehefa fantatra fa ny fanirian’ny vehivavy Jiosy rehetra dia ny hiteraka mpaminany iray, ary indrindra fa ny Mesia. Tsy isalasalana fa nieritreritra izy fa tokony ho sambatra indrindra i Maria niteraka an’i Jesosy.
Nefa nahitsin’i Jesosy haingana ny fomba fihevitr’io vehivavy io momba ny loharanon’ny fahasambarana. “Tsia, hoy ny navaliny azy, fa sambatra ireo izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy mitandrina izany!” (MN ) Tsy te-hilaza na oviana na oviana i Jesosy fa tokony hotolorana voninahitra manokana Maria reniny. Nasehony kosa fa hita ny tena fahasambarana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra amim-pahatokiana, fa tsy noho ny fatorana ara-nofo na ny zava-bita sasany.
Tahaka ny nataony tany Galilia, dia nanarin’i Jesosy ireo izay nangataka famantarana avy tany an-danitra: tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona. Nanjary lasa famantarana i Jona tamin’ny fitoerany telo andro tao an-kibon’ny hazandrano sy tamin’ny fitoriany tamim-pahasahiana, izay nanosika an’ireo Ninivita hibebaka. “Nefa indro, hoy Jesosy, misy lehibe noho Jona eto.” Mitovy amin’izany koa, dia talanjona ny mpanjakavavin’i Seba noho ny fahendren’i Solomona. “Nefa, indro, hoy indray Jesosy, misy lehibe noho Solomona eto.”
Nohazavain’i Jesosy fa rehefa arehitra ny jiro iray dia apetraka izany, tsy ao an-davaka na ao ambanin’ny vata famarana, fa eo amin’ny fanaovan-jiro, mba hahasoa ny rehetra izany. Angamba te-hilaza izy avy amin’izany fa ny fampianarany sy ny fahagagany dia mitovy amin’ny fahazavana izay takonan’ireo mpihaino azy kirina. Tsy nanana maso tsotra, na nifantoka tamin-javatra iray ihany ireny olona ireny, hany ka tsy nahatratra ny zavatra nokendren’izany ireo fahagagana nataony.
Vao avy namoaka demonia iray sy nampiteny moana iray i Jesosy. Izany ka tokony hamporisika ireo olona manana maso tsotra, na mifantoka amin-javatra iray ihany, hanao teny fiderana an’ireny asa mahatalanjona ireny sy hanambara ny vaovao tsara. Nefa tsy izany no nitranga tamin’ireo mpanaratsy an’i Jesosy. Izany no antony namaranan’i Jesosy ny teny toy izao: “Koa tandremo, fandrao maizina ny mazava izay ao anatinao. Ary amin’izany, raha mazava ny tenanao rehetra, ka tsy misy maizina, dia hazava avokoa izy rehetra, tahaka ny jiro raha mirehitra tsara ka manazava anao.” Lioka 11:14-36; Eksodosy 8:18, 19; 31:18; Matio 12:22, 28.
◆ Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona izay nahita an’i Jesosy nanasitrana lehilahy iray?
◆ Inona moa ny rantsan-tanan’Andriamanitra, ary amin’ny heviny ahoana ny Fanjakan’Andriamanitra no tonga tamin’ireo mpihaino an’i Jesosy?
◆ Inona no loharanon’ny tena fahasambarana?
◆ Inona no dikan’ny hoe manana maso tsotra?